ZAIKABE ANCMF 2010
Paray Le Monial : 22-23-24 May


TOERANA MANAN-TANTARA
Sahabo eo amin’ny 369 km any atsimon’I Paris I Paray-Le-Monial, lalana adin’ny efatra. Ka ao amin’ny département ny Saône-et-Loire (71) no misy azy, ary Mâcon no Renivohitra. Faritra be omby, malaza ny hena bourguignon. Ao anatin’ny Faritry Bourgogne izay misy départements efatra : Yonne, Nièvre, Côte-D’Or ary Saône-et-Loire). Diosezy iray i Saône-et-Loire  izay misy any Paray-Le-Monial (Autun, Chalon ary Mâcon) ka any Autun no misy ny Evese, fonenan’ny Eveka.
Faritra malaza eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana Katolika eto Frantsa iny Faritra iny. I Lambert, Comte de Chalon no nanorina ny tanànan’I Paray-Le-Monial, tany amin’ny taona 971 tany ho any. Niroborobo tao Saône-et-Loire ny fiainan’ireo mpitoka-monina (moines) ka nijoro ny monastères manaraka ny fitsipika araka ny narafitry Md Benoît tany amin’ny taonjato faha-6, ka antsoina hoe : bénédictins, arahin’ireo Bénéductins eny Mahitsy ao Antananarivo, ohatra. Nisy ny fanavaozana vitsivitsy an’izany fitsipi-piainana izany, toy ny tao Cîteaux (taona 1098) ka niteraka ny cisterciens, arahin’ireoTrappistes any Maromby ao Fianarantsoa.

Alahady_25avril2010   Zaikabe2010   Zaikabe2010

AMBOHIPIHAONAN’NY KATOLIKA MALAGASY ATY FRANTSA
Tao Paray – Le – Monial no nifampitaona ny Fiangonana Katolika Malagasy aty Frantsa (ANCMF) ny 22– 23–24 May 2010, sady tao anatin’ny fankalazana ny Fetin’ny Pantekôty rahateo, fahaterahan’ny Fiangonana. Tena Ambohipihaonana nasesiky ny Fanahy Masina ka tanàna 23 no nandefa solontena : Alsace, Annemasse, Bordeaux, Chalon, Clermont-Ferrand, Dijon, Evry, Gap, Grenoble, Lille, Lyon, Marseille, Montpellier, Nancy, Nancy, Nantes, Nice, Paris, Poitiers, Prisches, Reims, Rouen, Toulouse. Nahatratra 500 ny mpizaika ka 485 no natory, fa nisy koa ireo tsy natory tany an-toerana fa andro iray fotsiny no nandraisany anjara. Tao koa ireo Pretra sy Relijiozy lahy sy vavy Malagasy marobe efa nahatratra 20. I Paris manokana dia nandefa solontena 153.

Zaikabe2010   Zaikabe2010   Zaikabe2010

FKMP MIRAY ANTOKA AO AMIN’NY ANCMF
Nisy ny fiomanana natao teto amin’ny Fiangonana teto Paris (FKMP) mba hirindra tsara ny fandaminana ary hisy voka-tsoa ny Zaikabe. Teo ny fisoratana anarana, ny fizarana ny efi-trano, ary ny fikarakarana ny fitaterana. Nahafinaritra ny dia, nisy ny vavaka sy hira,sy rotsirotsy ary tantara nanala hamohamo. Nahatratra 153 nizara fiarabe telo (cars). Nisy koa ny fizarana tohan’aina teny ambony Fiarabe Miray antoka tanteraka eo anivon’ny Fiangonana Katolika Malagasy aty Frantsa (ANCMF) ny FKMP. Lazaina izy fa vavimatoan’ny ANCMF. Ary nisy andraikitra lehibe nankinina taminy tamin’ity Zaikabe ity toy ny fandraisana, ny fandaminana sy ny fampiantranoana ny mpizaika rehetra tany Paray-Le-Monial. Ny fanomanana sy fanentanana ny Lamesan’ny Pantekôty iarahana amin’ny tanàna rehetra. Teo amin’ny lafin’ny fanamafisam-peo sy ny zava-maneno. Nanome ny harona nasiana ny Kit-ny Zaikabe.

Zaikabe2010   Zaikabe2010   Zaikabe2010

FO MASIN’I JESOA : LOHARANOM-PITIAVANA
Ny Fon’I Jesoa sy i Marguerite ALACOQUE dia tantara tsy azo sarahina manamarika an’I Paray-Le-Monial. I Marguerite ALACOQUE dia teraka ny 22 jolay 1647. Niditra tao amin’ny Fikambanan’ny Visitation ny taona 1672 ary naka ny anarana hoe Marguerite-Marie. Marihana fa fikambanana naorin’I Md François de Sales sy I Mb Jeanne de Chantal tamin’ny taona 1602 tany Annecy ity Fikambana-drelijiozy Visitation ity. Ary niorina tao Paray-Le-Monial ny 1626. Nodimandry ny 17 oktôbra 1690 teo amin’ny faha-43 taonany I Masera Marguerite-Marie. Natsangana ho olomasina ny 13 may 1920.
Fa inona no nampiavaka azy ? Ankoatran’ny fitiavam-bavaka, dia niseho taminy I Jesoa ny 27 desambra 1673, ary niseho azy matetika avy eo (1673 – 1675), mampiseho ilay fo maratra noho ny fahamaroan’ny olona minia tsy mahalala na tsy mandray ny famonjena. Ilay FO BE FITIAVANA anefa no nentin’ny Tompo namonjena ny olombelona ka nanolorany ny tenany teo ambonin’ny Hazofijaliana ho fara-fitiavana. Miantso ny olona hibebaka, hanonitra ny fahotana, ho tia ireo tsy manam-pitiavana. “Fiainana anaty, miombom-pitiavana tanteraka amin’Andriamanitra, miaina araka ny Vaovao Mahafaly”. Isika rehetra dia hibanjina ny Fo Masin’I Jesoa, loharanom-pitiavana. Efa nitondra ny mafy : “fa nolefon’ny miaramila anankiray kosa ny tratrany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay” (Joany 19, 34). Izay mitoky ny famindram-pon’Andriamanitra no hahita fiadanana. Ireo mavesatra entana, ireo maratran’ny fiainana dia antsoin’ny Tompo hanatona Azy : “Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo” (Matio 11, 29). Ireo toe-panahy roa ireo no iantsoana anao ao Paray-Le-Monial : malemy fanahy sy manetry tena. Ny olo-mandresy miaraka amin’I Kristy dia mitsangana, mitondra fanantenana sy fahazavana. Ho vavolombelon’ny fitiavana. Izany no toe-panahy nanomanana an’ireo hamonjy ny Zaikabe tany Paray-Le-Monial.

Zaikabe2010   Zaikabe2010   Zaikabe2010

TOE-PANAHY NIAINANA NANDRITRA NY ZAIKABE
Ireo toe-panahy roa ireo no notovozina, niainana sy nifampizarana nandritra ny Zaikabe tao Paray-Le-Monial : MALEMY FANAHY sy MANETRY TENA. Ny lohahevitra lehibe tamin’ity Zaikabe ity : “MITSANGANA, KA MAMIRAPIRATA ! FA MIPOSAKA NY FAHAZAVANA” (Izaia 60, 1a). Miaraka amin’I Kristy nitsangan-ko velona.
Fifampizarana “carrefours”
Koa nizara giropy telo ny mpizaika rehetra araka ny zana-dohahevitra nametrahana fanontaniana :
1 – Inona no hevitry ny Sakramentan’ny Batemy noraisinao ?
2 – Mila anao ny Fiangonana amin’ny asa fampielezana ny Vaovao Mahafaly, koa inona no mba hatanao ?
3 – Ary mba hoavy mamirapiratra ny hoavin’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina malagasy, inona no mba anjara biriky entinao amin’izany ?
Saina mavitrika, endrika mirana, fanahy tony no nentin’ny mpizaika nifampizara izany fanontaniana izany. Mahay mifampihaino, mifandefitra, mifampizara. Izay tokoa ilay halemem-panahy. Tsy nitompo teny fatratra fa ny finoana no ampitaina am-panentren-tena. Miezaka miaina ilay Fitiavan-dehibe, fanoloran-tena nampianarin’ny Tompo.
Araka ny fandrindrana tao amin’ny fandaharam-potoana dia nisy ny Alim-bavaka nandraisan’ny tanàna anjara tsirairay avy ny alin’ny asabotsy. Ireo nanana Antoko Mpihira dia ireny no nandray anjara, toy ny “Feon’Anjomara” avy eto Paris. Efa ho dila ny sasak’alina vao vita izany. Ny fanahy tokoa no marisika foana na dia vizan’ny dia aza ny mpizaika. Nasandratra ny vavaka, novetsoana ny hira. Toa maivana ery hamonjy ny toeram-patoriana avy eo.

Zaikabe2010   Zaikabe2010   Zaikabe2010

SORONA MASINA
Nisy fankalazana ny Sorona Masina nandritra ny telo andro. Ary niavaka ny Alahady 23 May fankalazana ny Pantekôty Fety lehibe izay natao tao amin’ny Bazilika, niarahana tamin’ireo Kristianina marobe nivahiny tao Paray-Le-Monial. I Mgr Benoît RIVIERE, Evekan’I Autun, Chalon ary Mâcon no nitarika ny fotoana, notronon’ireo Pretra Malagasy mahatratra 15 ary ny P. Curé-ny Bazilika sy ireo Pretra frantsay miasa ao amin’ny Pastorale des Migrants. Niredona ny hira, miraondraona ny zava-maneno, ary nisy ny fihetsehana litorijika teo amin’ny fitondrana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanatitra. Feno hipoka ny Bazilika. Na ny Sorona Masina nanokafana na ny Sorona Masina namaranana ny Zaikabe dia samy mampatsiahy fa eo anivontsika mandrakariva I Jesoa miaraka amin’ny Fony Be Fitiavana, fanoloran-tenany ho famonjena antsika. Nankinina manokana ny tanora ny fanentenana ny Sorona Masina famaranana ny alatsinainy.

Zaikabe2010   Zaikabe2010   Zaikabe

NITOTOREBIKA NY MPIANAKAVY
Ny alin’ny Alahady kosa dia nitotorebika ny mpianakavy tamin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra isan-karazany. Nasehon’ny Malagasy fa manana harena izy eo amin’ny lafin’ny zava-kanto. Tsy ambakan’ny an’ny hafa ny hanitra nentin-drazana. Nefa koa mahay misokatra amin’ny hafa ka teo ireo dihy moderina. Manaitra sy mamelona fanantenana ny mahita ireo zaza malagasy miangaly ny kanto malagasy. Ireny no hoavin’ny Fiangonana sy ny firenena, hoy ny senton’ny mpijery. Tena tsimisaramianakavy tokoa ny Malagasy ka tsy kely tsy lehibe, tsy lahy tsy vavy hatramin’ny Relijiozy fa dia mitotorebika maneho hafaliana sy haravoana.

Zaikabe2010   Zaikabe2010   Zaikabe2010

SAKAFO MALAGASY
Tamin’ity Zaikabe 2010 dia sakafo malagasy no naroso ny mpizaika nandritra ny hateloana. Na teo aza ny tsy fahalavorariana nitranga tamin’ny fizarana sakafo ka niteraka fahataram-potoana be, dia mbola noraisin’ny Malagasy tamin’ny halemem-panahy izany ka nifarimbona nifanome tànana an’ireo mpikarakara ny mpizaika ka niravona ihany izany olana izany.

Zaikabe2010   Zaikabe2010   Zaikabe2010

HAFATRA
Inona àry no voan-dalàna nentina avy any Paray-Le-Monial ?
Toerana manokana hankalazana ny Fo Masin’I Jesoa. Ny daty fankalazana nofinidin’ny Fiangonana Eran-tany dia ny Zoma fahatelo aorian’ny Pantekôty. Ny lohahevitra natolotry Zaikabe dia ny fanaingana HITSANGANA, hitondra fahazavana eo anivon’ny fiaraha-monina, eo anivon’ny firenena. Koa hita soritra tamin’ireo tatitra telo nifanesy natao ny alatsinainy nandritra ny Sorona Masina izany ka I P. Germain RAJOELISON, Praeses teo aloha ny ICM, no namaritra izany ara-teolojika.
L’Église contemple le Coeur de son Sauveur et se laisse guider par Lui jusqu’au plus profond du mystère de l’Amour où se rencontrent l’homme et Dieu. Mirotsaka tanteraka mandray anjara amin’ireo adidy sy andraikitra misy ao am-piangonana. Mijoro vavolombelona manambara izany fitiavan’I Jesoa izany amin’ny olon-drehetra. Mandalina hatrany ny finoana an’izany Misterim-pitiavana mampiombona ny olombelona sy Andriamanitra, amin’ny alalan’I Kristy. Koa ny fitiavana dia mila fitokisana tanteraka fa tsy tsobo-dranon-dRamiangaly. Ka tsy ho afo mololo anie ny afom-pitiavana narehitsika tany Paray-Le-Monial, fa afo miredareda manafana, manilo sy mamelona ka MITSANGANA, araka ny tenin’I Izaia mpaminany.

“RY FO MASIN’I JESOA, MATOKY ANAO IZAHAY”

Zaikabe2010   Zaikabe2010   Zaikabe


Mpanao tatitra: ELIASY Liva

Sary: Nirina (ANCMF
) tohiny : http://doc.strange.free.fr/zaikabe2010/



  Thierry ANDRONIC