Fiangonana Katolika Malagasy Parisy Fiangonana iraka, |
FANANGANANA OLON-TSAMBATRA AN'i SEFRERA RAFIRINGA Efa ela tokoa no niriana izao fananganana Olon-tsambatra an’i Sefrera RAFIRINGA Rapahaël-Louis izao , mba hahafahan'ny rehetra mamantatra, mandinika ary mibanjina ny momba azy. Matoa atsangan’ny Fiangonana olon-tsambatra izy dia natao hivavaka manokana ho antsika ary kintana azo alain-tahaka ho antsika Malagasy. Roapolo taona taorian’ny fananganana Olon-tsamabatra an’i Victoire RASAMANARIVO dia omen’Andriamanitra ohatra velona indray isika. Fahasoavan-dehibe ho antsika Malagasy izany.
Tsarovy fa olombelona toa antsika rehetra izy, namaly ny Antson'Andriamanitra niantefa taminy ka nanokana ny fiainany manontolo tamin'ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora. Niroso tamin'ny lalan'ny fahamasinana izy, satria ny olon-drehetra tsy ankanavaka no tian'-Andriamanitra ary antsoiny hiroso amin'izany lalam-pahamasinana izany. Ohatra velona ho antsika i Sefrera RAFIRINGA Raphaël-Louis, maro ny olona efa nahazo fahasoavana tamin'ny alalany. Antenaina fa hitondra hery sy aina vaovao ho ahy, ho anao ary ho antsika ity vavolom-belon'ny finoana ity Nialoha lalana izy ka antsoy hivavaka ho anao. Indro atolotra anao izany VAVAKA fanaon'ny fiangonana fangataham-pahasoavana izany. FIVAVAHANA FANGATAHANA NY HIARIHARIAN ' NY VONINAHITR ' I SEFRERA RAFIRINGA RAPHAEL – LOUIS Ry Andriamanitra izay nampanantena, fa izay manetry tena dia hasandratra, ary izay mampianatra ny fahamarinana amin'ny maro dia hamirapiratra mandrakizay any an-danitra . Koa mihanta Aminao izahay, mba hampiharihary ny voninahitry ny mpanomponao Sefrera RAFIRINGA Raphaël-Louis. Tompo ô, arotsahy amin'izay mangata-bonjy Aminao, noho ny fahatsiarovana ny hatsaram-panahy nananany teto an-tany ny fahasoavanao.(Mangina kely dia tononina ao am-po ny fahasoavana angatahina)Enga anie ka hohajain'ny Eglizy masina ny faha-tsiarovana azy, ka hanomezany anay fakan-tahaka sy mpiaro vaovao , izay hamonjy anay amin'ny asanay sy ny fahasahirananay rehetra ary hanampy anay ho tody soa aman-tsara any amin'ny fahasambarana mandrakizay. AMENRainay any an-danitra ... Arahaba ry Maria ( 3 ) ...Voninahitra anie ...Sefrera RAFIRINGA Raphaël – Louis … Mivavaha ho anayRaha te hamangy ny fasany ianao na koa nahazo fahasoavanaFrère Vice-Postulateur Mazotoa miroso amin'ny lalan'ny fahamasinana sy ny fitiava-namana toa an'i Sefrera RAFIRINGA . Frera RAGOD-Gasy, lasaliana |
|||||||||