Nahazo Eveka vaovao ny Diosezin’I Ihosy : I Mgr Fulgence RAZAKARIVONY
Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana ka na eo aza ny alahelo noho ny fahalasanan’I Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA, dia diboka hafaliana koa ny Fiangonana Katolika ao Madagasikara fa nahazo Eveka vaovao.
Nahazo Eveka vaovao tokoa ny Diosezin'Ihosy. Nohamasinina sy napetraka tamin'ny toerany, ny Alahady 06 novambra, i Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, avy amin'ny Fikambanana Notre Dame de la Salette. Nanomboka ny taona 2009, tsy nanana Eveka ny Diosezin'Ihosy, rehefa nafindra tao amin'ny Diosezin'Antsirabe i Monsenera Phillipe Ranaivomanana. Nankinina tamin'ny Mompera Luc Olivier Razafitsimialona (Admnistrateur diocésain) ny fitantanana nandritra izay fotoana izay. Tamin'ny volana jona teo no nambaran'ny Papa Benoît XVI ny fanendrena an'ny Mompera Fulgence Razakarivony, ho “ mpiandry ondry” ao amin'ny Diosezin' Ihosy ao anatin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa. Fety tokoa no nandraisana izany Eveka vaovao izany tany an-toerana nanomboka ny faran'ny herinandro teo. Ireo Eveka mpanamasina nametra-tanana taminy, Monsenera Phillipe Ranaivomanana izay nodimbiasiny, Monsenera Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'I Fianarantsoa ary Monsenera Philibert Randriambolonona, efa misotro ronono, Evekan'Antsirabe teo aloha izay nanamasina azy ho Pretra 18 taona lasa izay.
Tonga nanotrona niombom-bavaka tamin'ny Kristianina katolika tao Ihosy sy ireo avy amin'ny Fiangonana hafa, ireo Eveka rahalahany maro avy ao amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara niaraka tamin'ny solontenan'ny Papa, ny Nonce Apostolique, Monsenera Eugène Martin Nugent sy ny avy amin'ny fitondram-panjakana..