Nodimandry i Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA,
Eveka mpanampy ao Antananarivo 

Nantsoin’ny Ray hody any Aminy tamin’ny Alarobia 09 Novambra 2011 teo I Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA, Eveka mpanampy tao Antananarivo. 61 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Teraka tao Ambohimitsimbina – Antananarivo izy ny 27 Jona 1950. Nohamasinina Pretra ny 09 Septambra 1979. Notendrana Eveka mpanampy izy ny 10 Jolay 1999, ka nohamasinina ho Eveka ny 26 Septambra 1999.

I Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA dia mpanabe teny amin’ny Seminera zandriny teny Ambohipo. Nahavariana ny fahaiza-manentana nananany. Nanan-talenta manokana momba ny Litorizia sy hira izy ka efa tao amin’ny Vaomieran’ny Eveka miandraikitra izany niaraka tamin’I Mgr TABAO sady mpamoron-kira rahateo, no tao amin’ny Ankalazao ny Tompo. Mpikambana tao amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny Serasera ara-piaraha-monina (Communications Sociales) izay tarihan’I Mgr Philippe RANAIVOMANANA, Evekan’Antsirabe, izy izao nodimandry izao. Nalevina omaly Asabotsy 12 Novambra 2011, ao Andohalo.




  Thierry ANDRONIC