Récollection vaomieran'ny Fiaraha-Monina
Lisieux Asabotsy 12 sy Alahady 13 febroary 2011


FIANAKAVIANA SY TANORA NO FANANTENANA

Io no lohahevitra tamin'ny récollection nataon'ny vaomieran'ny Fiaraha-Monina ny asabotsy sy alahady 12-13 febroary, tany Lisieux.
Mopera Edmond Andriambololona, avy amin'ny diosezin'ny Miarinarivo sy miofana eto Paris, no nitarika ny fotoana. Niainga avy amin'ny taratasy pastoraly nosoratan'i Kardinaly André Vingt Trois ny famelabelarana nataony.

recoLisieux2011   recoLisieux2011   recoLisieux2011

IREO OLONA NANATRIKA NY RECOLLECTION
Nisy olon-dehibe 26 no nanatrika ny récollection, niaraka amin'ny ankizy 3 mianadahy sy zazakely antanana iray. Kristianina telo avy any Reims sy telo hafa avy any Rouen no nanampy ireo mpikambana ao amin'ny vaomieran'ny Fiaraha-Monina. Isaorana lehibe ny FKMP izay nanome fanampiana ara-bola ka nanamaivana ny sarany hoan'ireo olona avy amin'ny vaomieran'ny Fiaraha-Monina. Marihina fa ireo avy any Reims sy Rouen dia nandoa ny sarany feno.

recoLisieux2011   Asabotsy_25septl2010   recoLisieux2011

TOERANA
Tao amin'ny foyer Ermitage no toerana nanaovana ny récollection : trano fivoriana, fisakafoanana, fatoriana.
Nahafinaritra ny fandraisana ary nilamina tsara ny fandaharana rehetra. Nahafa-po koa ny sakafo.

recoLisieux2011   recoLisieux2011   recoLisieux2011

DINIKA SY TAFA
Nizara roa ny fotoana.
1. Ny sakramentan'ny mariazy Ny fanontaniana mipetraka voalohany tamin'izay dia ny hoe : Inona ny sakramenta. Izay nahazahoana valiny, ny sakramenta dia famantarana hita maso. Ny sakramentan'ny fanambadiana dia fiombonam-pitiavana ho iray. Manoloana ny fifanolorana, fianana Kristianina mihavao, fiainam-panambadiana masina no tokony ho hita ao aminy ilay tokan trano.

recoLisieux2011   recoLisieux2011   recoLisieux2011

2. Zanaka : Mila fifampiresahana betsaka ny mpivady aminy fanabeazana ny tanora. Ny Ray aman -dreny dia miaino ny zanaka no sady manitsy ny hita fa tsy mety ataony. Tokony hisy ny fiainam-bavaka, fahaizana miaina aminy mpiara- monina. Tarintina ny saina ny ankizy mba hanao zavatra mahasoa azy.

recoLisieux2011   recoLisieux2011   recoLisieux2011

FIARAHA-MIALA HETAHETA

recoLisieux2011   recoLisieux2011   recoLisieux2011

LAMESA ALAHADY MARAINA

recoLisieux2011   recoLisieux2011  
recoLisieux2011

SAKAFO ALAHADY ATOANDRO

recoLisieux2011   recoLisieux2011   recoLisieux2011

SAKAFO ALAHADY ATOANDRO (tohiny)

recoLisieux2011   recoLisieux2011   recoLisieux2011

SARY ...

recoLisieux2011   recoLisieux2011   recoLisieux2011

FAMARANANA
Alohan'ny hiaingana dia nitsidika ny Basilique ny mpandray anjara rehetra ary dia teny no nifanao veloma.

recoLisieux2011   recoLisieux2011   recoLisieux2011


Mpanao tatitra : Marie (FKMP)

Sary : Edmine (FKMP)



  Thierry ANDRONIC