ZAIKAM-PARITRA TANY LISIEUX
Sabotsy 3 sy alahady 4 oktobra 2009


Natao tany Lisieux (14) ny  03/04/ oktobra lasa teo ny zaikam-paritra avaratra ho an’ny fiangonana katolika malagasy avy tao Paris ,Lille , Rouen, Reims, Evry .
Nahatratra 180 ny mandray anjara, ka 139 tamin’ireo avy eto amin’ny FKMP .
Ny vaomiera fifandraisana sy fitantanana no niandraikitra ny fikarakarana toy ny fitaterana (aotobisy 2 niantohan’ny fiangonana), fitsinjaràna ny toeram-patoriana sy ny sisa. Nanampy azy ireo tamin’izany koa ireo kristianina hafa.

Zaika   Zaika   Zaika

Lamesa teny Malagasy tao amin’ ny Chapelle Carmélite nisy an’I Mb Thérèse no nanombohana ny fotoana; nisy fotoana nahafahan’ny mpizaika niondrika teo amin’ny sanctuaire Ste Thérèse  talohan’ny fiaraha misakafo

Zaika   Zaika   Zaika

Ny  fampianaram-panahy dia nentin’i Mompera RAHAVANA, ka “ny Eglizy sy ny fihavanana Malagasy” no loha-hevitra novelabelariny.
Nampatsihiviny teo am-piandohana fa misy andry 3 , azo lazaina fa toko 3 mahamasa-nahandro ao anatin’ny fiangonana .
Ny itovizan’izy ireo lenta dia ny batemy noraisiny (izay no atao hoe : sacerdoce commun).
Ary avy eo  misy ny andraikitra samihafa sahaninin’izy ireo :

>> Andry 1 : ny Papa Ray Masina, ny Eveka , ny Pretra
>> Andry 2 : ny relijiozy lahy sy vavy ; ny instituts séculiers
>> Andry 3 : ny lahika

Ny andraikitra itambarana dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly : amin’ny Teny sy ny fomba fiaina ary ny fanabeazana.

Zaika   Zaika   Zaika

1 Famintininana ny tarikevitra : Ny Eglizy sy ny fihavanana Malagasy

A ny fihavanana

1Inona no atao hoe fihavanana
Ny fihavanana dia soatoavina ananan’ny Malagasy tsirairay avy lalim-paka ao aminy, harena voajanahary
Rindram-piaraha-monina miorina amin’ny fifankatiavana
2 Inona no ilàna azy
Mandamina ny tsy fifankazahoana , mba hisian’ny fiaraha-monina tsy misy raorao
3 :eo anivon’ny fianakaviana : Eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka, ny zoky sy zandry : miendrika fifanampiana
Eo amin’ny fokonolona sy ny antokon’olona , na ny fiangonana : endriky ny firaisan-kina
Eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny : firahalahiana, fiaraha-miasa , firaisan-kina
Hoy ny ohabolantsika momba izany : “vidin-kaja, vidim-boninahitra” na koa : “fitia mifamaly mahatsara fihavanana”

B Inona no mety ho lesoka momba ny fihavanana

1 eo amin’ny fianakaviana : fifanampiana amin’ny ray amandreny sy zanaka, ka  samy manana ny zo  sy ny andraikiny avy amin’ny maha-ray amandreny , na maha-vady na maha-zanaka
Lesoka tokoa ny fampiasàna ny fihavanana raha toa entina anararaotana ny mpiasa an-trano ohatra ny ilazàna azy ireny ho “zanaka antrano” mba tsy hanomezana azy ny karàma sahazy azy
Ny Papa Benoît XVI (encyclique “caritas in veritate”) dia milaza fa ny “ny fahamarinana dia tsy maintsy mialoha ny fitiavana”
2 eo amin’ny fiaraha-monina : ny firaisankina dia mety ho goragora, satria mety araraotin’ny sasany ny fahatsorapon’ny hafa ; mety hisy koa ny manararaotra ka miandry fanomezana lalandava  ;
Ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra dia manome vahana an’io fanararaotana io ary anisan’ny mampahantra ny Malagasy

Tokony hifanaja ny tsirairay , fa mety hoentin’ny sasany angalarana ny fihavanana.

D Ny fihavanana sy ny lafiny teolojika

Soatoavin’ny vahoaka Malagasy ankatoavin’ny Fiangonana ao anatin’ny fampanaraham-bolontany  ny fihavanana
Ny Trinite Masina dia azo itarafana ny fihavanana :
-Ny Ray Mpampihavana (mpitondra fihavanana)(réconciliant) noho ny fitiavany antsika  (Jo 3,16)
-Ny Zanaka : nirahin’ny Ray hampihavana (réconciliateur), tonga nofo niara nonina tamintsika ; nanaiky hanetri-tena hatramin’ny fahafatesana
-Ny Fanahy Masina : Andriamanitry ny fihavanana (Dieu de reconciliation) ; mpanamasina  2Kor 5 , 17-21 ; 2Kor 6,1-2

Eo amin’ny Malagasy , ny famintranam-pihavanana dia atao amin’ny fomba samihafa : dina, alafaditra, joro, dingana samihafa…

Amin’Andriamanitra : efa lasa ny zavatra taloha, satria nohavaozin’I Jesoa Kristy tamin’ny nahafatesany isika ; Ro 8,30 ; Fi2, 6-11

2 Asam-baomiera
Asam-baomiera 3 samihafa no nifampizaran’ny mpizaika . Niainga tamin’ny tenin’I Md Paoly manao hoe : Efa tonga olombaovao navotan’I Kristy  isika , ka inona no ahitana taratra izany eo amin’ny
-fiainanao tsirairay avy
-eo amin’ny fianakavianao
-eo amin’ny fiangonana

Ny alahady dia niara nanatrika ny Sorona Masina lehibe famaranana ny fankalazàna ny fetin’I Mb Thérèse tao amin’ny Basilique
Nanana toerana manokana ny Malagasy :  namaky ny  vakiteny faha 2, ny ranom-bavaka ; nanentana ny fifampizaram-piadanana tamin’ny hira “ miara-dalàgna amintsika” ary ny hira famaranana “feno fiderana Anao “ izay nahafaly tokoa ny kristianina hafa rehetra niara nivavaka tao  

Ny tolakandro dia nitohy tamin’ny fandinihina ny vinavinan-kasa naroson’ny Birao nasionaly ny fotoana. Raha fintinina dia ho dinihina amin’ny fivoriana any Nice ny 31 oktobra sy ny 01 novembra izao ny momba an’io ka iangaviana handefa solontena sy sosokevitra ny fiangonana tsirairay avy.

Mpanao tatitra: Fara RASOLOJAONA
Sary: fkmp.org

Zaika   Zaika   Zaika

 




  Thierry ANDRONIC