|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard
Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
|
FISAORANA - ZAIKABE 2012 |
||
|
Amin'ny anaran'ny Pretra sy ny Birao,
Ry kristianina havana,
"homba anareo anie ny
fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy
Tompo" (1 Kor 1,
3) Vita soa iny Zaikabe
Nasionaly faha-19 izay nataontsika tany Dijon iny. Isaorana Izy Tompo Andriamanitra izay nitantana ny diantsika sy nitahy ireo
fotoana rehetra nifampizarana teny an-toerana. "Qu’as tu fait !
... de ton frère ... ?" (Gen 4, 10) Io moa ny
lohahevitra nifampizarantsika
teny an-toerana izay nanamarihantsika ihany koa ny
"Diaconia 2013 : Servons la fraternité" sy ny faha-30 taona ny ANCMF. Tsy adino ihany koa ny
misaotra an'ireo mpikarakara (Birao Nasionaly sy ny KMZ), ireo nanohana sy namaly
ny antso ary nitondra am-bavaka iny
Zaikabe iny. Nampiseho firaisan-kina isika tamin'ireo
fotoana sy ireo hetsika maro samihafa natao teny an-toerana. Misy ny fahatsiarovana izay mbola azo hifampizarana
amintsika toy ny polo (Zaikabe 2012) sy ny divay
(Zaikabe 2012) ary ny "Porte Clé" (ANCMF). Azo atao ny
manao famandrihana raha manam-panirihana
ny hividy izany fahatsiarovana izany isika. Mbola ho avy ihany koa ireo
sary fahatsiarovana maro samihafa. Mbola hisy filazana
momba izany amin'ny manaraka. “Voninahitra ho an’Andriamanitra
any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana ety an-tany ho amin'ny olona tsara sitra-po
!” (Lk 2, 14) Samy ho tahin'Andriamanitra, |
||
|
Rivo RASOLOFOMANANA Mpandrindra ny FKMP / Mpanampy ny Pretra |
||