Ianareo mpiandraikitra rehetra,
tamin'iny Zaika be iny teto amin'ny FKMP
Ireo Pretra sy Relijiozy avy eto amin'ny Faritra misy ny FKMP


Hararaotina amin'izao mbola fialanareo vizana izao ny anehoana etoana ny fisaorana mitafotafo anareo rehetra tamin'ny fandraisanareo andraikitra ho fanomanana sy fanatanterahana iny Zaika be faha- XVIII iny ho antsika FKMP. Misaotra sy midera an'Andriamanitra fa tontosa ny fotoana. Andraikitra lehibe no noraisinareo tamin'izay nisy anareo tsirairay avy, na teto amin'ny FKMP, na tany anivon'ny Birao Nasionaly tany. Toy ny entana mavesatra ireny andraikitra ireny ka raha ratsy fehy manahirana. Tsy misy ny lavorary fa niezaka ianareo nanolo-tena, nahafoy fotoana, nifampitondra sy nifandefitra. Tsy ny lesoka kely  na ny fahalemena tetsy sy teroa no entintsika manakona ny zavatra lehibe nataonareo rehetra. Mahafinaritra fa izany tokoa ny iambohoa-mahefa, atrehi-mahavita e. Efa tena traikefa mitoetra eto amintsika FKMP ny fahaiza-mizara andraikitra, araka ny rafitra misy eto amin'ny Fiangonantsika. Nefa teo koa ny fahaiza-mifanome tanana, mifampitsinjo sy mifanampy.  Tsy nandry alina, tsy nandry antoandro ianareo tamin'ireny andraikitra ireny. Misaotra tompoko.

  • Nanomboka tany amin'ny fisoratana anarana izany ka hatrany amin'ny fizarana ny efitrano fatoriana. Fametrahana ny mpiandrakitra isaky ny rihana.
  • Ny fikarakarana ny fitaterana, sy ireo tompon'andraikitra isaky ny Cars.
  • Ny fanomanana ny Vavaka maraina.Misaotra manokana ireo Pretra sy Relijiozy nanentana ny vavaka sy andry ara-panahy
  • Ny fiandraiketana mivantana ny Lamesan'ny Pantekôty fa nandraisan'ny rehetra manerana ny Frantsa anjara.
  • Ny fikarakarana ny tohan'aina sy ny fizarana izany teny ambony Cars
  • Ny fandraisana anjara mavitrika tamin'ny alim-bavaka (Antoko Mpihira "Feon'anjomara") sy ny koranam-pianakiviana. Nanaitra sy nahafinaritra ny maro nahita ireto solofo sy dimby avy eto amin'ny FKMP nampiseho kolontsaina sy dia malagasy.
  • Ireo mpikarakara ny zava-maneno, ny mpitendry zava-maneno, ny fakana sary ary ny videprojecteur.
  • Isaorana manokana ireo rehetra nandray anjara tamin'ny fanomanana nefa tsy nandeha tany amin'ny Zaikabe.


Ohatra iray mahavelom-bolo : " Raha vao nisy olana nipetraka teo amin'ny fizarana sakafo, dia tena gaga aho, nahita ireo zanaky FKMP nanolo-kevitra sy nanolo-tena avy hatrany hanampy ny Birao Nasionaly eo amin'ny fanomezan-tanana amin'ny fikarakarana ny fizarana manomboka hatrany an-dakozia ka hatreny an-tsehatra, niaraka tamin'ireo tànana hafa". Tsy fitadiavana sitraka ny fanoloran-tena fa nanaitra ny fihetsikareo. Tena efa misy fahazarana tsara izany e. Misaotra tompoko.

Enga anie ireny rehetra ireny tsy ho ranotrambo ka be fihavy fa mora ritra. Fa ny havizananareo sy ny fanolora-tenanareo dia ankinintsika ao  amin'ilay Fo Masin'i Jesoa be Fitiavana e, izay no vantanintsika tao Paray-Le-Monial,  ka itokisana hatramin'ny farany e. Ary ho enti-manatsara ny fomba fiaina eto amin'ny FKMP. Izay ny voan-dalana tsara indrindra e. Misaotra tompoko.

Ny Katolika Malagasy aty Frantsa aty anie hahay HIJORO tokoa, miombom-panahy ao amin'ny ANCMF, araka ny lohahevitra nifampizarana tany, fa tsy ho lahin-jiro, ka tsy tratry ny andro maraina e.

Ampitampitao any amin'ireo tsy ananana mail izao teny fisaorana izao e.

An'Andriamanitra irery ny voninahitra mandrakizay !

Amin'ny anaran'ny Momperantsika sy ny Birao.

ELIASY Liva
Filohan'ny FKMP



  Thierry ANDRONIC