Safononoka ny hafaliana satria voalohan'izao no misy Eveka avy any Madagasikara no tonga maro be tahak'izao miara-manolotra ny Sorona Masina teto amon'ny FKMP. Enina no isan'izy ireo izay notarihan'i Mgr Félix RAMANANARIVO, Eveka misotro ronono, nitondra ny Diosezin'Antsirabe. Teo koa i Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan'i Moramanga ; i Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan'i Fenoarivo Atsinanana, izay nisolo an'i Mgr Désiré TSARAHAZANA, voatendry ho Evekan'i Toamasina ; i Mgr Armand TOASY, Evekan'i Port-Bergé ; i Mgr Georges VARKEY, Eveka mpisolon-toerana (coadjuteur) ny Diosezin'i Port-Bergé ; i Mgr Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan'i Mananjary. Niala tsiny kosa i Mgr Philippe RANAIVOMANANA, Eveka vaovaon'Antsirabe sy i Mgr Michel MALO Aresevekan'Antsiranana. Niredona tokoa ny Fanompoam-pivavahana izay nentanin'ny Antoko Mpihira "Feon'anjomara". Ny Aumônier Mompera Edmond RAKTONDRAMANANA no nanao ny teny fandraisana sy fanolorana ireto Raiamandreny tonga mamangy, ary ny Prezidà ELIASY Liva no nanao ny teny fiarahabana. Teo amin'ny toriteny i Mgr Félix no nanamafy fa tsy ho tonga ho an'ny olomarina i Kristy fa ho an'ny mpanota, koa nohazavain'ny ny momba ny " Fiadanam-pahamarinana" izay mitondra fifaliana, noho ny Fahasoavan'i Jesoa Kristy, miorim-paka amin'ny Lakroa. I Mompera Jean-Clément RANDRIANAIVOZAKA, Vikera Jeneraly, izay Administrateur diocésain-n'Antsirabe, ary Mompera isany Richard (Ihosy) sy Anselme (Mahajanga), dia niara-nanolotra ny Sorona Masina tao. Azo lazaina fa vory lanina tao amin'ny FKMP ny EKAR Madagasikara iray manontolo.
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
Noho ny fandaharan'ireto Raimandreny ireto somary tery moa dia tsy nisy ny fiaraha-miala hetaheta mahazatra ny FKMP amin'ny vanim-potoana tahak'izao. Mbola ho be ny sisa, fa dia raiketin'ny tantara iny fotoan-dehibe iny.
![]() |
![]() |
![]() |
Mpanao tatitra: Liva ELIASY
Sary: fkmp.org