KOMONIO VOALOHANY : Asabotsy 03 Jolay 2010 @ 10 ora sy sasany
Fiangonana Saint Dominique
16, rue de la Tombe-Issoire
Paris 14ème
Métro Saint-Jacques (Ligne n°6)
Misaotra an'Andriamanitra fa vita soa amantsara ny Komonio Voalohany hoan'izy 7 mianadahy, zanatsika eto @ FKMP :
RAMIHONE Tanjona,
RAKOTO ANDRIANARY Dylan,
RAHELISON Manda,
RAKOTOARIMANANA Miarana,
ANDRIANJANAHARY Naly,
RAVELOJAONA Pierre,
RANDRIANJANAKA Sariaka.
-----------------------------------------------------------------------------------------
FIRARIANTSOA AVY AMIN'NY ANKIZY
-----------------------------------------------------------------------------------------
FFKM-FRANTSA : Asabotsy 26 Jona 2010
Ny
Asabotsy 26 Jona 2010, fankalazana ny faha-50 taona nahazoan’i Madagasikara
ny fahaleovantenany, dia nisy fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana nokarakarain’ny
FFKM-FRANTSA.
Izany dia
natao tao amin’ny Fiangonana
Notre-Dame des Champs
91, Bd Montparnasse (Paris 6 ème).
Métro : Montparnasse
Nanomboka tamin’ny 3
ora sy sasany tolak’andro ny fotoana
-----------------------------------------------------------------------------------------
LAMESA LEHIBE TAO AMIN’NY CATHEDRALE NOTRE-DAME :
Nisy lamesa
lehibe tao amin’ny Cathédrale
Notre-Dame de Paris notarihan’ny Kardinaly André VINGT-TROIS,
arsevekantsika eto Paris. Ny fotoana dia nanomboka tamin’ny 10 ora maraina. Nanana anjara toerana
sy andraikitra tamin’izany isika FKMP, koa isaorana ireo kristianina nisolotena ny FKMP tamin'izany.
Alahady 12 septambra : vaomieran'ny Fifandraisana
Asabotsy 11 septambra : vaomieran'ny Fitantanana
ZAIKABE (Paray-Le-Monial, 22–23–24 MAY 2010 ) :
Misaotra sy midera an'Andriamanitra fa tontosa ny fotoana.
Fisaorana mitafotafo no atolotra ny kristianina FKMP tamin'ny fandraisanareo andraikitra ho fanomanana sy fanatanterahana iny Zaika be faha- XVIII.
Andraikitra lehibe no noraisinareo tamin'izay nisy anareo tsirairay avy, na teto amin'ny FKMP, na tany anivon'ny Birao Nasionaly tany.
TAKARIVA MENAMASOANDRO (24 aprily 2010) :
Niara-paly tokoa isika mianakavy. Dibo-kafaliana. Faly be ireo olona nasaina. Koa isaorana mitafotafo aloha ilay Nahary Tompon'ny fotoana, Tompon'ny aina, nanome antsika tombon'andro anaovan-tsoa, hifaliana, iaraha-miriaria.
1- Fisaorana avy @ Liva Eliasy (Filohan'ny FKMP)
2- Fisaorana avy @ Bakoly RANDRIAMANANTENA (vaomieran'ny Kolontsaina)
FRAT 2010 (Lourdes) :

En 2010, le Frat ou "Fraternel" a donné rendez-vous à Lourdes aux lycéens (jeunes de 15 à 17 ans), sur le thème « Seigneur, apprends nous à prier » du 21 soir au 26 avril matin.