FIVORIANA NY VAOMIERAN’NY LITORJIA SY FINOANA (VALIFI)

Sabotsy 12 novambra 2011
2ora sy sasany tolakandro

Ny nanatrika:
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA
Fara RASOLOJAONA
Pierre RAZAFIMAHATRATRA
Andrianome RAKOTOMANANTSOA
Emma RAKOTOMANANTSOA
Harilala RAKOTOARISON
JDD RAKOTOARISON
Rija ANDRIANJAFIARIMANANA
HaingoANDRIANANJAVOLA
Tojo Lalaina RAKOTOARISON
Mirasoa RAZAKARIZAFY
Edmine RASOLONIRINA
Thérèse RAVAOSOLO
Florence RAKOTODRATSIMA
Miary AUG-SON
T. Marie RAZAFINDRAMANANA
Monique RASOANAIVO
Rivo RASOLOFOMANANA
ANDRIAMANANIRIJA RAKOTO

Fifampizarana samihafa :
1 - Vaovao avy amin’ny vaomieran’ny fiaraha-monina : Ny fivahiniana masina ataon’ny mpikambana ny 29 febroary ka hatramin’ny 7 martsa 2012. Hiantsoan’izy ireo an’izay mbola te- hiaraka aminy (mianto-tena ka 1300 euros ny sarany)
2 - Journées de l’amitié-n’ny St Pierre de Montrouge ny sabotsy sy alahady manaraka 19 sy 20 novambra, hiantsoana ny rehetra hanotrona sy hanohana amin’ny fanomezana dons.
3 – Efa vita koa ny fanolorana ny mpitantana ny vaomiera ka ho entina eo am-piangonana

Ny votoatin’ny fivoriana:

1° “Ethique et Solidarité”

Io no lohahevitra natolotry ny arseveka mpiahy antsika Mgr André Vingt-trois amin’ity taom-pianarana ity.
Raha fintinana ny teny novelabelariny dia ny hoe : tsy ampy (na dia zava-dehibe aza) ny famonjena lamesa fa tsy maintsy misy vokany entina hanovana ny fihetsika sy ny fiainan’ny kristianina, ny fandraisany ny komonio (la communion induit une transformation interne et profonde)
Ethique : ahoana no hiainana ary hiainana tsara (comment vivre et vivre bien)
Solidarité : ahoana no hiainana miaraka amin’ny hafa mba ho mpanova amin’ny tsara eo amin’ny tontolo ny fiainany ny kristianina.
Tsy misaraka roa ny fiainan’ny kristianina dia ny fiainana eo anivon’ny fiangonana andaniny ary ny fiainany eo anivon’izao tontolo izao ankilany (eo anivon’ny toeram-piasana, anivon’ny fiaraha-monina, eo anivon’ny firenena etsetra…) fa tena fiainana tokana ihany.
Ny lamesa no tena « fo velon’ny Fiangonana » La messe coeur vivante de l’Eglise. Rahefa mandray komonio isika dia miombona amin’i Kristy ary Izy no mampiombona antsika amin’ny olombelona rehetra ka lasa Vatana iray isika ka tsy afaka manaonao foana eo amin’ny fiainantsika , ka hikaroka ny “bien vivre” (éthique) sy ny “solidarité eo amin’ny manodidina

Ahoana no ahitana taratra izany eto amin’ny FKMP ?

- Ohatra mizara ny sakafon’ny krismasy miaraka amin’ny SDF izay eo akaikintsika (Saint Dominique) …
- Hiezahana averina ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Secours Catholique..
- Hiezahana apetraka ny fiaraha-miasan’ny vaomiera sy hery velon’ny FKMP toan’ny     fiaraha-miasan’ny samy mpanabe katesizy sy kolontsaina, vaomieran’ny fiaraha-monina sy fifandraisana, mba hanatsarana ny fifankalalana sy ny fifanampiana.
- Mba asiana fotoana hifankalalana, miaraka misakafo sy handraisana ny mpiangona vaovao.
Omena marika ahafantarana ny maha-olona vao tonga azy, izy ireo (voninkazo paingorina..)
-  Fiantsoana hanao matsom-panahy araky ny sokajin’asa (ohatra professionnels de la santé, mpitatitra sns..)
- Fandraisana anjara amin’ny trangan-javatra eo amin’ny fiainan’ny mpiangona amin’ny alalan’ny famerenana ny fanentanana ny kartie…

2° Recollection Krismasy : 50 taonan’ny Concile Vatican II, toeran’ny lahika eo amin’ny fiangonana.

Mifandray tsara amin’ny lohahevitra fampianarana natolotry ny evekantsika io ary entanina ny vaomiera rehetra rehefa manomana ny recollection-ny mba hifandray tsara amin’io lohahevitry ny eveka io no raisina.

3°  Fotoana nifanomezana samihafa

-10-11 desambra 2011 : matsom-panahy Avent : toerana Orsay
-25 desambra atoandro : komonio voalohany (ho an’ireo ankizy tokony nanao izany tamin’ity taona ity ) +batemy
-14 janvier 2012 : 2è module de formation “paroisses en mission “ : réflexion sur les presonnes en difficulté : sans logements, migrants ; toerana : 2glise st Vincet de PAUL (Paris 10è )
-21 janvier 2012: tapany faharoa amin’ny formation “être catéchiste : comment animer un groupe“ ho an’izay efa nanao ny tapany voalohany
-22 janvier 2012 : FFKM
- 4-5 février 2012 : réco vaomiera fifandraisana
-11 février 2012 : réco katesista any amin’ny diosezy
-17-18 février 2012: formation pastorale des migrants ho an’ny birao nasionaly ANCMF (iantsoana ny antoko mpihira hanentana ny takariva ) : toerana : Orsay
-25 février 2012 : réco filan-kevitra pastoraly mivelatra
-18 ou 25 Mars 2012: réco Paka
-5 mai 2012 :  réco chorale
-réco tanora : mbola tsy fantatra
-26-27-28 mai 2012 : zaikabe
- réco fiaraha-monina : juin ,?
- 9-10 juin 2012: réco vaomiera finoana

Mbola tsy tapaka : daty hanaovana fiofanana momba ny fanentanana litorzia

4° fanendrena an’Andriamatoa Rakotoarison Jean de Dieu hanampy ny mpandrindra ny vaomiera Finoana


Fivoriana manaraka : 10 mars 2012
Nofaranana tamin’ny vavaka ny fivoriana