IZA MOA I MGR ANSELME REGIS RAJAONA ?

 

Olona tsotra, tso-piainana I MgrAnselme na dia nanam-pahaizana aza. Nankinina taminy ny fandikana ireo boky maro be aminíny teny malagasy. Isaníny nandray anjara taminíny fandikana teny malagasy ny Baiboly izy. Nandalina Litorizia sy Mozika (orga) teto Paris izy. Tia vavaka, isaníireo Pretra mbola manao brťviaire izy (ny azy aminíny teny latinina), ary tsy niala soutany mandra-pahafatiny. Sarotiny tokoa izy teo aminíny lafiníny Litorizia, nefa dia mamy hoditra hatrany. Tsy mba nandŗzavatra nangatahina taminy. Jery fohy ny tantaram-piainana.

ELIASY Liva

21 Avrily 1924 : Teraka tao Moramanga. ZanakíItompokolahy RAJAONA Jean-FranÁois Rťgis sy Itompokovavy RALISOA Hedwige. Ny reniny zana-drahalahiníItompokolahy Mompera RAHAJARIZAFY Antoine de Padoue

1930 : Niditra nianatra tao aminíny Sekolin-dry FrŤres tao Andohalo

1933 : Niditra tao aminíny Seminera zandriny tao Ambohipo ; tapa-bolana isan-taona (volana aogositra) vao mba nody tany aminíny fianakaviany.

1940 : Nahazo ny mari-pahaizana CESD. Dia niverina teny Ambohipo indray

1946 : Nandray akanjo soutane ary niditra teny aminíny Grand Sťminaire Ambatoroka. Zava-dehibe taminy io fotoana io. Io soutane io mantsy no marika taminy, fa tsy izao tontolo izao intsony no narahany fa I Kristy. Ary dia tsy niala aníio soutane io intsony izy mandra-pahafatiny.

Nanao rťgence roa taona tao Manjakandriana (sekoly katolika)

Jolay 1954 : Nohamasinina ho Pretra tao aminíny Katedraly Andohalo

Jolay 1954 - Jolay 1956 : Tany Parisy nianatra ny Litorjia sy ny mozika. Ary nanampy aníI Mompera Armand RAZAFINDRATANDRA, AumŰnier- ny Mpianatra Malagasy teto Paris. (FKMP)

ō      Paroasy na Fiangonana niadidiany :

Antanimena, Ambohimanarina (Anosivavaka sy Anosisoa) ary namorona ny Paroasy Antsahamasina izay arovaníi Md Anselme, Andohalo, Mahamasina, Mangasoavina, Isotry, Ambatonilita, Manjakandriana, Ambohitsoabe.

1978-1986 : Vikera Jeneraliníny DioseziníAntananarivo

Nony feno 75 taona dia nampianatra sy mpiandraikitra ara-panahy teny aminíny Seminera propedetika teny Amboara Ambohidratrimo.

ō      Ny asa hafa niandraiketany :

- Filohaníny pretra diosezana nandritra ny taona maro

- Filohaníny OPM Nasionaly

- Niandraikitra ny Litorjia nasionaly

- Namorona ny Fikambananíny Raozery,ary AomŰnieníny Ekipa Nasionaly

- AomŰnieníny Franciscain lahika

- Nampiandraiketiníny Fivondronambeníny Eveka ny fanitsiana ny teny gasy tao aminíny Baiboly Katolika.

- Mpikambana tao aminíny Fikambanana Mampiely Baiboly

- Anisaníny ekipa mpamolavola ny famoahana ny Baiboly Diem

ō      Ny asa-sorany

- Hatsaram-panahy igagana: Victoire Rasoamanarivo

- Alahady tsy misy pretra

- Famadihana kristianina

ō      Ny lahatsoratra nadikany avy aminíny teny vahiny ho teny gasy

-          Avy aminíny teny latinina: izy no tonianíny teny aminíny boky fivavahana katolika eto Madagasikara.

-          Izy no nandika aminíny teny Malagasy ny boky rehetra fanomezana sakramenta. Teo koa ny brťviaire.  

-          Ny vavaka fandroahana demony.

- Avy aminíny teny grika : boky vitsivitsy ao aminíny Testamenta vaovao anisaníizany ny taratasiníI Md Paoly ho aníny RŰmanina

- Avy aminíny teny anglisy : boky folo ao aminíny testamenta taloha (nangatahaníny Fikambanana Mampiely Baiboly)

- Avy aminíny teny Italianina:

Lŗlana fototry ny fikambanan-drelijiozy maro

Raki-tsoratríI Md FranÁois díAssise sy Mb Claire: mihoatra ny 20, ka ny boky iray aminíireny dia mihoatra ny 250 pejy (nangatahaníny FrŤres mineurs Capucins)

 Manetry tena, tsy manda izay asa angatahaníny namana sy ny lehibeny. Mamy hoditra aminíolona na dia fantatra fa sarotiny tokoa aza, indrindra aminíny lafiny litorjia.