"Dobodoboka fomban’amponga, tabatabatan’ny maro kilonga,… Asakasakareo izay tsy tonga” hoy ny tonokalon’i Rado izay.
Kanefa dia ialana tsiny manokana koa ho an’ireo olona tonga te-hijery sy hanatrika ilay fety “Takariva menamasoandro” kanefa tsy tafiditra noho ny tsy fisian’ny toerana intsony (efa nambara mialoha teto amin’ny fkmp.org fa efa tsy nisy intsony tapakila fidirana namidy teny an-toerana).
Mbola tamin’ny 6ora hariva dia efa marobe ireo olona tonga. Nihanatevina sy nitombo ihany anefa ny filaharana tao ivelany, any ka tsy afaka nanomboka ny takariva raha tsy tamin’ny 7ora sy... 20 minitra fa tsy tamin’ny fito ora araka ny voalaza.
Nidoboka in-telo ny amponga fandraisana. Nandray fitenenana ny Raiamandreny ara-panahy Môpera Edmond RAKOTONDRAMANANA nitondra ny teny fiarahabana. Avy hatrany avy eo dia niredona ny hira fiarahabana tao aorian’izany.
![]() |
![]() |
![]() |
Kalon’ny fahiny, vetson’ny omaly, hiran’ny ankehitriny. Dihy sy vako-drazana malagasy, salegy, tsapiky, “tango argentin”, zouk, “dance machine”… nifandimby sy niaraka hita sy heno tao avokoa. Noravahan’ny jiro sy sary mifandimby (“vidéo projection”). Tena nahavariana tokoa satria tsy nifangarika fa vao maika aza nifameno ny fisian’ireo karazan-kanto samihafa ireo teo ambony sehatra.
Ankizy vao efa-taona ka hatramin’ny olon-dehibe indrindra, tanora, zokiny, zandriny, lehilahy, vehivavy dia samy nifandimby nampiseho ny talentany avokoa.
![]() |
![]() |
![]() |
Maro tamintsika angamba no efa nanatrika na nijery ireny antsoina hoe “comédie musicale” ireny. Fa azo lazaina fa tsy latsa-danja koa ny zavatra nasehon’ireo mpandray anjara (sady tena MANAN-TALENTA) tamin’ity takariva iray ity.
Maro ireo mpijery no nifanontany hoe: “Fa ahoana ary oviana sy taiza no fotoana nanomanan’izy ireo izao zavatra rehetra izao?”. Fa tena nahavariana tokoa mantsy ny fandaminana isan-karazany hita tao: ny hira niredona sy nanakoako; ny dihy nilamina sy nirindra. Ny akanjo sy fanamiana nanaitra ny maso.
Mbola anisan’ny nampiavaka ity fotoana iray ity koa ny ilay tantara an-tsehatra fohy nataon’ireo ankizy kely dimy mianadahy (tamin’ny teny MALAGASY tompoko!). Tehaka sy horakoraka hatrany no navalin’ny mpijery.
![]() |
![]() |
![]() |
Ny fety, hono, anefa tsy mba fety raha tsy misy ny sakafo matsiro sy ny fialana hetaheta. Azo lazaina fa tsy latsa-danja ny zavatra natolotr’ireo mpikarakara ny lanonana. Tsy ho adinon’ny rehetra angamba ilay vary aminanana sy saosisy nafana no sady natsiro tery am-pamaranana.
Marina fa tsy dia fombanay loatra mpikarakara ny tranonkalan’ny fkmp.org ny mandokandoka na manindrahindra ireo lanonana na fety hita etsy sy eroa (eny fa dia ireo fety karakarain’ny FKMP tsindraindray aza). Kanefa kosa heverinay fa rariny sy hitsiny raha manao izany izahay anio satria GOAVANA dia goavana tokoa ny zavatra natolotr’izy ireo nandritra iny takariva iny.
Eto dia maneho ny FISAORANA manokana ireo mpandray anjara rehetra tsy an-kanavaka: ny teny an-tsehatra, ny teknisiana, ireo ray aman-dreny mpanabe, ny ankizy, tanora, lehibe. Tsy adino koa ireo tsy afaka nijery mivantana fa nikarakara tao an-dakozia. Ireo olona teo am-pandraisana sy mpanoro toerana... Mety misy adino angamba ka hialana tsiny mialoha. Tsy very maina tokoa ny herimponareo, ny fotoana sy fiaretan-tory nandritry ny andro maro...
![]() |
![]() |
![]() |