Matsom-panahy
Vaomieran'ny FIFANDRAISANA

Nanomboka ny asabotsy tolakandro 6 febroary tamin’ny 2 ora sy sasany ny recollection nataon’ny vaomieran’ny Fifandraisana tany Chevilly-Larue (Séminaire des Missions), ary nifarana ny alahady 7 febroary tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro.
Ny lohahevitra nodinihana tamin’izany dia hoe :
« Fifandraisana amin’i Kristy, fifandriasana amin’ny kristianina »
25 no isan’ny olon-dehibe nandray anjara tamin’io recollection io, ary misy niaraka tamin’ny zanany (ankizy 5).
Nahafa-po tokoa ny fandaminana (fandraisana teny antoerana, fanomanana ny programa, fizarana efitrano fatoriana, fampandraisana andraikitra, sns). Nahaliana ny rehetra ny famelabelarana nataon’ireo mpitarika sy ny fifampizarana ary fifanakalozan-kevitra. Nalalaka ny famosahan-kevitra ary dia samy niezaka nitondra ny anjara birikiny nandritra iny recollection iny.
Toy izao ny famintinana ny hevi-bavety notsoahina nandritrin’ny recollection nataon’ny vaomieran’ny Fifandraisana.

TAPANY VOALOHANY NY ASABOTSY :
Nisantatra ny famelabelaran-kevitra ny filohan’ny FKMP dia novelabelariny ny mikasika ny vavaka izay fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny resaka litorjia izay vavaka fara-tampony satria mamehy ireo karazam-bavaka rehetra.

Ny vavaka dia mampanantona antsika amin’Andriamanitra, angatahina amintsika Kristianina ny mivavaka mba hanarahantsika ny lalam-pahamasinana.
Misy karazany maro ny vavaka Kristianina fa fanaovana ny famantarany ny hazofijaliana no anombohana azy hatrany, misy ny vavaka fifonana, vavaka fanolorana ny andro, vavaka fangatahana, ny Rainay any andanitra, ny Arahaba ry Maria etc…
Ny fomba fanehoana ny vavaka dia na am-bava, na am-po, na amin’ny alalan’ny fandinihina masina. Ny toe-panahy ilaina dia atao amin’ny fo madio sy am-pinoana velona.

Ny litorjia dia asan’ny vahoaka Kristianina rehetra, araky ny voalaza ao amin’ny vavaka nampianarin’i Tompo hoe “ny ety antany tahaka ny any andanitra”. Jesoa Krisy no lohan’ny Mpisorom-be, mankalaza ny nitsanganany tamin’ny maty isika ny andro Alahady izany no nahatonga ny  andro alahady ho andro voalohany amin’ny fanisan’andro ny Eglizy.

Ny fihetsika sy ny loko dia samy manana ny dikany manokana eo amin’ny fankalazana ny litorjia. Mitsangana isika rehefa maneho mari-panajana sy maneho fisaorana, mipetraka kosa rehefa mandinika sy mibanjina ohatra ny tori-teny, ny salamo, ny rakitra …, mandohalika isika rehefa maneho fanetre-tena  sy fivalozana .

Mampiasa loko efatra isika mandritra ny taona litorjika iray : Ny loko fotsy, mena, maitso ary ny volom-parasy (Fanazavana fanampiny).
Ny loko fotsy dia maneho an’Andriamanitra sy ny voninahiny, ny fotoana ampiasana azy dia amin’ny Noely na amin’ny fankalazana an’i Masina Maria .
Ny loko mena dia midika afo sy rà ka maneho ny hafanam-po, entina ihany koa hanehoana ny fanahy Masina izany no antony ampiasana io lokoio  ny alahady  fankalazana ny Pentecôte na ny alahadin’ny Sampakazo.
Ny loko maitso dia manambara fanentanana, izy no loko ampiasaina mandavataona.
Ny loko volomparasy izay midika fiononana, fibebahana, fivalozana sy fanenena dia fampiasa amin’ny fotoanan’ny Avent, Karemy, na fandevenana.

Mitsinjara ho taona telo miavaka ny taona litorjika : ny Taona A dia taona hamakiana ny evanjely nosoratan’i Md Matio, ny Taona B dia hamakafakana ny evanjely nosoratan’i Md Marka ary ny Taona D dia handinihina ny evanjely nosoratan’i Md Lioka. Araka io fitsinjarana io  dia ao amin’ny vanim-potoanan’ny Taona D isika ity taona 2010 ity.

Ireto avy ny fanontaniana napetraka nodinihin’ny mpikambana izay nozaraina ho gropy telo :

1/ Mbola misy karazam-pivavahana tsy voatanisa ve ankoatra ireo notanisaina nandritry ny famelabelarana nataon’ny Filoha ? Efa tafiditra eto amin’ny Fkmp ve izany ? Ahoana ny fomba hampitaina izany ?

2/ Araka ny fandraisanao ny fanazavana  ny litorjia : inona ny atao hoe litorjia ? Ahoana ny fomba fampitana azy ao amin’ny Fkmp ? Inona ny fomba hanatsarana azy ?

3/ Ahoana ny fijerinao ny fankalazana ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny fiangonantsika ? Ny anjara toeran’ny hira sy ny zava-maneno ? Ahoana ny fampitana izany ?

TAPANY FAHAROA NY ASABOTSY :
Nanohy ny famelabelarana momba ny fifandraisana amin’i Kristy, fifandraisana amin’Andriamanitra, i mopera Germain Rajoelison.
Miseho amin’ny endrika efatra ny fifandraisana amin’i Kristy :

  • Ny voalohany mahalana izany hoe raha sendra olana ; ireo karazana kristianina ireo no antsoina hoe Pascalins.
  • Ny faharoa dia ireo manantena fahagagana na fahasitranana.
  • Ny fahatelo miseho amin’ny endrika “devotion” na “piété populaire”.
  • Ny fahefatra dia ny fifandraisana lalina miorina amin’ny alalan’i Kristy, izany hoe miseho amin’ny endrika vavaka.

Misy ireo sarisary nampiasaina tamin’ny andro taloha izay mbola hita ankehitriny ohatra ny fiheverana fa i Jesoa Kristy dia Mpanafaka  na ihany koa Jesoa Kristy Mpanavao. Kanefa  i Jesoa Kristy zanak’Andriamanitra hitondra ny famonjena ho an’ny olombelona (Joany VI).

Jesoa Kristy nihaona tamin’ny olona. ary nanao fahagagana tao Kanaàna. Misy fambara asehon’Andriamanitra hahalalantsika ny tiany ambara. ( Joany II ).
Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy hiditra ny fanjakan’Andriamanitra toy ny niseho tamin’i Nikodema (Joany III).

Ny fifandraisan’ny Apostoly : hiara-miasa Aminy, hitory ny Vaovao Mahafaly ho Vavolombelony amin’izao tontolo izao.(Matio 20-23).
Ny fifandraisan’i Kristy dia manova fiainana toa ny nataon’i Md Paoly izay nijoro ho vavolombelona.” Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko ( Galata II,20 ).
Ny fahasoavan’Andriamanitra no maha-Apostoly azy ka te hizara izany fahasoavana izany izy.


ALAHADY MARAINA :
Ny alahady no namelabelarana ny fifandraisana amin’ny Kristianina izay miainga amin’ny zava-misy sy ny Baiboly, eo ihany koa ny famakafakana fa hoe fifandraisana toa inona  no iainana amin’izao fotoana izao.
Olon’ny fiaraha-monina ny Kristianina ka samy manana ny fihaviany, ny fianakaviany, ny tanindrazany, eo ihany koa anefa ny anjara asa aman-draharaha iandraiketany, mandalo vanim-potoana maro isan-karazany ihany koa ary mampiasa fitaovam-pifaneraserana ari-fomba.
Inona ny fiainam-panahy iorenan’ny fifandraisan’ny Kristianina ?
Mahavaly io fanontaniana manitikitika ny saintsika io ny voasoratra ao amin’i Md Joany 13 izay voafintina toa izao “ Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”. Marihina hatrany anefa fa tsy hoe irony karazana association na karazam-pikambanana irony isika fa fiangonana dia mbola hampihariharian’i Md Joany ny fanentanana (Md Joany 15) “Miombona ao amin’i Kristy”, dia i Kristy izay mandrafitra ny fifandraisantsika Kristianina. “Raha avy amin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay, fa raha avy amin’ny olombelona dia ho rava foana”, ny faharetana no porofo fa tena avy amin’Andriamanitra ny fifandraisan’ny kristianina ary manorona fianakaviana vaovao ny fianakaviana Kristianina izay fianakaviam-be ao amin’i Kristy.
Mamintina ireo voalaza etsy aloha ireo ny voasoratra ao amin’i Md Marka 3, 33-34 tamin’ny nilazany hoe “Iza no reniko, iza no rahalahiko ? Izay manatanteraka  ny sitrapon’ Andriamanitra no reniko sy rahalahiko”.

Toetra toa inona no tokony hananan’ny Kristianina amin’ny fanatanterahana ny fifandraisana ?
Maka tahaka an’i Kristy ara-toetra, mila fanetretena, ny olona tsotra sy manetri-tena dia asandratry ny fiaraha-monina.
Ny fanetretena dia adika amin’ny teny hoe vertus (patience et bonté) : fandeferana sy talenta samihafa miara-mientana.
Ny fankalazana ny eokaristia dia mandrafitra ny fifandraisana araka ny voasoratra ao amin’ny I korintianina 11, 17-22 : “Ao anatin’ny fiombonana sy firaisana (unité), i Jesoa Kristy no nanorina ny Eokaristia hampiray” ; tsy tokony hanilika ny mahantra (tsy ny mahantra ara-bola ihany) isika araka ny voalaza ao amin’i Md Jakoba II 1-9.

Fifandraisana toa inona no iainana amin’izao fotona izao ?
Mbola manandanja ny hafatr’i Kristy “Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo”, ezaka maharitra izany angatahina amintsika izany, ka ezahina iainana isan’andro. Eo amin’ny fiainantsika dia misy ny filàna (passion) ilay mahatonga ny haratsiana amin’ny olona, ohatra miziriziry amin’ny heviny, adiady isan-karazany, na ny fifosana. Ny vaha-olana aroso amin’izany dia ny fametrahana fifandraisana mangarahara, miezaka hifankafantatra, manaja ny hafa, miorina amin’ny fahaiza-mihaino, ary mila faharetana.
Ny fahaiza-mizara no entina mampiroborobo ny fifandraisana izay mifototra amin’ny traikefa ananan’ny tsirairay.

Ahoana ny hanamafisana ny fifandraisana ?
Ilaina ny fanaparitahana ny vaovao (circulation de l’information), mba ialana aminy honohono.
Ilaina ny fifampitam-baovao amin’ny samy vaomiera izay midika fifampizarana.
Ezahina ny hampandray anjara ny olona amin’ny asam-piangonana.
Ilaina ny fanomezan-danja ny fivoriana, fametrahana mazava ny hevitra ho dinihina, ary famintinana ny votoanton-kevitra nodinihina.
Fanomezan-danja ny Sorona Masina. Inona ny hafatra amin’io Alahady io, inona no hevitra tiana ampitaina.
Ny fahaizana mandray olona voakasika amin’izany ireo vaovao, na ireo efa mpiangona taloha nefa tsy tonga intsony.
Ireto ny karazam-panontanina telo napetraka tamintsika :

1/ Tsy maintsy mandefitra ve amin’ny maha Kristianina ?
Valiny : misy ny tsy maintsy andeferana ohatra ny ambo-po, ny tsy andeferana dia ny finoana (valeur). Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tsy azo andeferana. Ny zo fototra (dignité de la personne) ihany koa dia tsy azo andeferana.
2/ Inona ny lalana izorana mba entina hanatsarana ny fifandraisana ao amin’ny fiangonana ?
Mahay mandefitra, mahay mifampihaino, mahay manetri-tena. Manomboka amin’ny fandinihan-tena aloha, izay vao afaka maneho fa iray ao anatin’ny fahasamihafana.
3/ Inona ny zavatra tokony hanatsarantsika ny vaomieran’ny Fifandraisana ?
Mila « crédibilité » izany hoe olona azo hinoana, misy firindrana ny zavatra lazainy sy ataony.
Ilaina hatsaraina ny « performance de la communication », torak’izany koa ny fanatsarana ny « relation interpersonnelle » ka ilaina fahasahiana ohatra ny manantona ny olona izay miteraka ny olana.

Mpanao tatitra ZOLY






  Thierry ANDRONIC