FRAT

Lourdes du 21 au 26 avril 2010

 

Ny Frat, fanafohizan-tenin’ny hoe « fraternel » (firahalahiana), dia fivahiniana masina tany Lourdes  natokana ho an’ny mpianatra amin’ny lycées eto amin’ny région Ile de France tamin’ny 21 avril hatramin’ny 26 avrily lasa teo.

Ny lohahevitra tamin’izany dia hoe « Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay  » (Seigneur, apprends-nous à prier ).
Ahoana tokoa moa no ho fiantraikan’izany lohahevitra izany amin’ny tanora miaina amin’izao taonjato faha 21 izao : fotoan’ny finday, ny ordinatera, ny Iphone, ny Ipod sy ny sisa ?

Tanora miisa 9000 miaraka amin’ny mpanentana miisa1000 ; pretra sy relijiozy 350 ; lamasinina voatokana 12 no niala teto amin’ny gare samihafa teto Parisy.

Nitso-drano ary nanamarika famantaran’ny Hazo Fijaliana ny handrin’ny tanora ny mpanentana sady niteny hoe : «  je te veux du bien et je te confie au Seigneur  » ; avy eo dia samy nifampitso-drano ny tanora . Izany firarian-tsoa sy fanankinana amin’i Kristy izany no toe-tsaina nentina niaina ny 4 andro manaraka.

Io famantaran’ny hazo fijaliana io no nanombohana ny “ Frat” izay lasa vavaka mitohy nandritry ny 4 andro ka nifarana tamin’ny lakroa goavana iray teo amin’ny tany malalaky ny rosaire ; tanora 10000 no nifandray tanana  nanao tohivakana ka nahatonga lakroa nodidinin’ny pretra niara nanandratra vavaka sy fangataham-pitahiana  tamin’i Masina Maria amin’ilay vavak hoe : « arahaba ry Maria ».

Fomba fivavaka samihafa no niainana tany ary nianaran’ny tanora tany  : fankalazàna iombonana ka niarahan’ny tanora 10000 niara-nihira sy nivavaka ary nahavariana sy nanetsim-po ny nihaino izany , indrindra ny fahanginana taorian’ny hobim-pifaliana ka niaraha-nibitsika ny « rainay any an-danitra »
Fankalazàna manetriketrika ny sakramentan’ny marary , toy izany koa ny sakramentan’ny fampihavanana, nahitana tanora maro tohina mafy ka zary latsa-dranomaso.

Teo koa ny vavaka eo am-pandihizana : io dia tsy dia vaovao loatra amintsika malagasy satria efa fanaontsika ny hetsika litorzika eo am-pandihizana ; fa nahaliana ireo izay mbola tsy niaina izany.

Ny vavaka mangina araka ny fanaon’i Md Ignace de Loyola (oraison ), vatsy hoentin’izy ireo eo amin’ny fiainany  manontolo.

Nitondra fahasoavana lehibe ho an’ny tanorantsika iny « Frat 2010 « iny , ary vokatra mivaingana azo tsapain-tanana dia : nandray voalohany ny sakramentan’ny fampihavanana i Hasina Rakotoarinoro sy i Tojo Ravatomanga , ary nangataka hatao batemy i Léa.

Fisaorana lehibe sy fankasitrahana  no atolotsika an’ Andriamanitra ary misaotra ny FKMP sy ny kristianina nanampy anay teo amin’ny enti-manana nanatontosàna soa aman-tsara iny fivahiniana masina iny.

Fara Rasolojaona, mpanentana mpiandraikitra
Vaomieran'ny Finoana

 

 



  Thierry ANDRONIC