![]() |
![]() |
itsangatsanganana nokarakarain’ny FEON’ANJOMARA izay natao nandritry ny hateloana (12, 13, 14 jolay 2008) tany TOTES, tanàna kely iray any amin’ny faritry NORMANDIE.
Ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora dia efa maro ireo olona tonga tany an-toerana.
Noho ny fikarakarana tonga lafatra nataon’ireo “organisateurs” dia azo lazaina fa namantam-bonona ny rehetra.
Tao amin’ny “Maison Familiale Rurale” no nitoby ny mpianakavy.
Tena nahafa-po tokoa ny toerana satria sady malalaka no tsara tarehy avokoa na trano fatoriana, lakozia, trano fisakafoanana sy fanaovan-danonana. Na koa ny tokontany nahafahana nilalao sy nanaovana “barbecues”.
Raha ny lafiny ara-tsakafo no asian-teny manokana (mmmmmm!!!) dia tsotra fotsiny ihany: HANIM-PITOLOHA. Na sakafo Malagasy izany (vary amin’anana, henomby ritra…) , na sakafo vazaha. Tsy adino ny “mi sao”.
Tena samy nahazo ny tandrifiny ny tsirairay.
Efa iaraha-malala fa tsy lany talenta ny mpikambana ao amin’ny antokom-pihira. Na izany aza anefa dia tena nampihetsi-po tokoa ireo karazan-kira, dihy natao nandritra ny fotoana niarahana.
![]() |
![]() |
BIVILLE LA BAIGNARDE: Lamesa nampihetsi-po ny maro
Marina fa fialam-boly no tena anton-dia tany Totes. Kanefa kosa tsy noadinoin’ny FEON’ANJOMARA ny maha iraky i KRISTY azy ireo.
Fandraisana makotroka no nomanin’ny Eglizy tao Biville-La-Baignarde.
Araka ny fandaminana niarahana dia natao tamin’ny teny frantsay ny lamesa. Ny Feon’Anjomara sy ireo Malagasy tonga namonjy ny Sorona masina kosa no nanafana tamin’ny lafiny hira.
Niredona dia niredona tokoa ny tao anaty trano fiangonana.
Porofon’izany, araka ny fangatahan’ny Pretra nitarika ny fotoana, dia saika naverina indroa avokoa ireo hira nohiraina: “Aleloia” (Mahaleo), “Mofo sy divay” (hira fanolorana). Ary indrindra moa ny hira fifampizarana ny fiadanan’i Kristy “Miara-dalana…” Tehaka mirefodrefotra no nandraisan’ireo tompon-tanàna izany. Ary nisy mihitsy aza moa ireo latsa-dranomaso noho ny hafaliana.
Teo ampamaranana dia nanao hira vitsivitsy ny Chorale… Fa dia mbola naverina indray ilay hira “Miara-dalana…” sady nifandray tanana sy nifampitantana ny rehetra: TEHAKA!
Taorian’ny Lamesa dia nisy ny fandraisana sy fanalàna hetaheta tao amin’ny “salle des fêtes Mairie”.
Ankoatra ireo karazan-dalao sy fialam-boly natao teo an-toerana dia nisy koa ireo olona nandeha nankany amoron-dranomasina satria tsy lavitra ny tanànan’i Dieppe. Tsy adino ny « feux d’artifices » ny 12 sy 13 jolay alina.
Ny zava-drehetra moa dia tsy maintsy misy farany avokoa, eny fa na dia ny tsara sy ny mahafinaritra indrindra aza. Ny alatsinainy tolak’andro no nilazaona indray ny « Maison Familiale Rurale » tao Totes.
Eto ampamaranana dia tsy hay ny tsy hisaotra ireo mpikarakara. Tsy ho ary voatanisa eto avokoa ny anaran’ny tsirairay fa dia atolotra ho an’y REHETRA tonga nandray anjara sy nifanome tanana ny FISAORANA ERAM-PO sy ERAN-TSAINA.