FIATAHANA MASINA FKMP  : FANOMANANA NY NOELY 2008 
Basilique Montmartre 20-21 desambra 2008

Mpanao tatitra : Fara Rasolojaona

 

Nanao fiatahana masina (la retraite) ho fanomanana ny Noely ny kristianina tao amin'ny Fkmp. Nisy fanentanana natao efa herinandro maromaro mialoha ny fotoana ka nahatratra 100 mahery ny isan'olona nanatrika ny fotoana.

Araka ny maha fiatahana masina ny fotoana dia nifantoka tamin'ny vavaka sy ny fampianarana masina ary ny fahanginana sy ny fihaonana manokana tamin'ny pretra  (sakramentan'ny fampihavanana na konfesy, na resaka manokana) ny fotoana. Pretra roa : Mompera Benoît Randrianasolo avy amin'ny diosezin'Antsirabe sy Monsenera Xavier Rambaud, mpiandraikitra ny kristianina mpiavy eto amin'ny diosezin'i Paris no nanampy an'i Mompera Edmond Rakotondramanana aomonie-tsika tamin'izany.

Taona natokan'ny Eglizy ho taonan'i Md Paoly sady fankalazana ny jaobily faha 2000 taona nahaterahany ny taona 2008-2009, ka niompana tamin'i Md Paoly ny  fototry ny fampianaram-panahy nataon'ireo pretra ireo. Nisy koa fijerena horonan-tsary mihetsika mitantara ny fiainan'i Md Paoly niaraha-nijery tamin'ny ankizy.

Ho entina amintsika ny fampianaram-panahy (conférences spirituelles) nataon'ny pretra. Tamin'ny teny frantsay ny fampianaran'i Mgr Xavier Rambaud fa iezahana hoentina eto amin' ny teny malagasy.

1- NY FIBEBAHAN'I MASINDAHY PAOLY SY NY FIBEBAHANTSIKA

1.1- Ny fibebahan'i Saoly

1.2- Ny fibebahantsika

2- NOTRE CONVERSION FAIT DE NOUS DES CHRETIENS MISSIONNAIRES

            2.1- Inona no atao hoe « iraka »?

            2.2- Ary isika ?

            2.3- Iraka ao anatin'ny fiainam-piangonana

            2.4- Inona ary izany ny fanirahana antsika ?

 

1- NY FIBEBAHAN'I MASINDAHY PAOLY SY NY FIBEBAHANTSIKA
Mompera Benoît Randrianasolo

1.1- Ny fibebahan'i Saoly

Voatantara ao amin'ny Asan'ny Apostoly 9, 1-19 ny tantaran'ny fihaonan'i Saoly sy i Kristy.

Ny anarana hoe Saoly dia anaran'ny mpanjakan'Isarely voalohany taorian'ny nivoahany tamin'ny fanandevozana tany Ejipta.

Farisiana mpahay lalàna sy fatra-panaja lalàna tokoa i Saoly . Tsy mba nifanena tamin'i Jesoa Kristy izy tamin'ny nahaveloman'i Kristy na nitovitovy taona taminy aza . Nanenjika ny kristianina izy satria noheveriny fa hanova ny lalàna nolovaina tamin'i Moïzy i Kristy araka ny ren'ny sofiny.

Indray andro dia « NIFANENA TAMIN'I JESOA I SAOLY» (and 3-6). Fifanenana ninian'ny andaniny na tsy nandrasan'ny ankilany aza.

Hoy i Saoly : « iza moa Ianao Tompo », satria efa fantany fa Andriamanitra io.

Mampifanena antsika sy mitady fomba hifanenany amin'ny olona Andriamanitra. Io no tena mahasamihafa ny kristianisma : Andriamanitra no mitady antsika. Avy Aminy no miainga ny fitiavana.

Nanova an'i Saoly Andriamanitra fa tsy nanova ny soridalana nitondrany azy (nanohy ny diany tany Damasy izy avy eo fa tsy nivily lalana) : izany hoe “ny fiovàna dia ao anaty fa tsy eto ivelany fotsiny”.

Nifady hanina nandritra ny 3 andro izy, mampahatsiaro an'i Kristy maty sy nitsanga-ko velona 3 andro taoriana. Ary i Saoly nahiratra dia fampisehoan'Andriamanitra ny voninahiny.

Rahefa mifanena amin'Andriamanitra isika dia tsy maintsy mametraka an'io fanontaniana io :  « Iza moa Ianao Tompo ? » ary manambara fa « i Jesoa no Zanak'Andriamanitra » ; maneho amin'izany isika fa efa manana finoana matotra, miala amin'ny tsianjery, finoana mamaha amin'ny geja fa tsy mamatotra, finoana ampidirina ao anaty fiainana.

1.2- Ny fibebahantsika

Betsaka ny endri-pibebahana azo sintonina.

Ao anatin'ny lalam-pivoarana (évolution) : manana ny toerana misy azy ny olombelona noho ny ezaka nataony.

Samy manana ny tantara nizorany, ny lalana nodiaviny. Manana fahalalahana sy sitrapo ; mitady antsika Andriamanitra fa misy ezaka tsy maintsy miala avy ao anatintsika ; ny endrika hifanenana amin'i Jesoa dia samihafa ; ary rahefa mifanena Aminy dia mametraka fanontaniana hoe : « inona ary no hataoko ? ». Manome ny Fanahy Masina hanilo ny tsirairay Andriamanitra.

Mila mandini-tena eo anatrehan'Andriamanitra ka mahatsiaro tena fa mila ny Sakramentan'ny Fampihavanana ; mila fanenenana, fikasàna tsy hamerina intsony ; ary manao asa fivalozana : ny asa fivalozana angatahana amintsika (vavaka) dia asa manome fahasoavana.

Amin'izay dia mila marihina amin'ny asa ny fibebahana (concrétiser la conversion) : mila manaiky fa mila manova zavatra amin'ny fiainana ; ezaka tsirairay iombonana amin'ny rehetra.

Tsy samy mamonjy ny tenany fa mila mifanampy eo amin'ny fiainana andavanandro : Tohizo izay ataonao fa io no entina hanamasinana izay ataonao.

Kristianina vita batemy isika : ampy hahavelona, hanamasina, hahasambatra antsika ny Fanahy.


2- NOTRE CONVERSION FAIT DE NOUS DES CHRETIENS MISSIONNAIRES.
QU'EN-EST-IL DE NOTRE MISSION ?
Mgr Xavier Rambaud

2.1- Inona no atao hoe « iraka »?

Tsy misy nahita ny Evanjely irery, tsy maintsy nisy nitory izany tamintsika ; ny fisian'Andriamanitra angamba dia mety ho azontsika antsaina irery fotsiny fa ny Vaovao Mahafaly dia tsy maintsy notoriana tamintsika.

Nitory ny Vaovao Mahafaly i Md Paoly, i Md Piera, ireo diakra 7 fahizany. Inona no nanosika azy ireo hitory ny Vaovao Mahafaly ? Hitantsika ao amin'ny evanjely nosoratan'i Md Matio : « mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra » Mt28,18.

Ao amin' Md Marka « mandehana, mitoria ny Evanjely amin'ny voary rehetra. Izay mino ka hatao Batemy dia ho voavonjy » Mk 16,15.

Ny tenin' i Jesoa tao amin'ny senakla (Jo 13 sy 14) dia teny fanirahana avokoa.

Rahefa nitsanga-ko velona i Kristy, ka niakatra any an-danitra dia nisy fotoana niandrasan'ny apostoly ny Fanahy Masina.

Ny iraka voalohany indrindra dia ny Fanahy Masina : nirahin'ny Ray sy ny Zanaka mba hanambara ny fisiany.

Ny Fanahy Masina dia tena miasa tokoa : nitarika ny dian'i Md Paoly tamin'ny diany nitory an'i Kristy. Izy Fanahy Masina no nitarika an'i Paoly sy Silasy hiala tany Azia ka nandefa azy tany Masedonia.

2.2- Ary isika ?

Vita batemy daholo isika : ilay hoe « mpanjaka, mpisorona, mpaminany » no manamarina ny maha-iraka antsika.

Ny maha-iraka antsika dia ao anatin'ny maha kristianina antsika ; ny fanirahana hitory ny Evanjely dia anisan'ny maha Fiangonana ny fiangonana.Tsy afaka ny tsy hanao izany izy fa izany no maha-izy azy ; tsy antsafidy io.

Rahefa tonga vatan'i Kristy isika amin'ny batemy, dia milaza fa Izy Kristy no nirahin'ny Ray (Jo 13) amin'ny alalan'ny Fanahy Masina.

Ao amin'i Md Joany  15, 15-17 no ahitana ny fototry ny maha-iraka ny vita batemy « tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony ; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa  Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan'ny vokatrareo, sy hanomezan'ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny Anarako. Ny handidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo ».

Teo am-piandohana dia i Kristy no mifidy antsika.

Ny kristiana voairaka dia tsy maintsy mahatsiaro tena fa voafidy : i Kristy no nifidy ahy, nametraka ahy eo amin'ny toerana misy ahy, mba handehanako mankany amin'ny hafa, mba hamokatra ka hanome voninahitra ny Ray (and 8).

Voafidy avokoa ny olona rehetra : ny sitrapon'ny Ray dia ny hahavonjy ny olon-drehetra.

Mba ahafantaran'ny olona hafa rehetra fa voafidy koa izy ireo dia tsy maintsy milaza izany aminy ny iraka.

Ny vokatra izay mitoetra dia ny finoana, arakaraky ny hanambarantsika an'i Kristy  ary  : « rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin'ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy. Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin'ny voalohany ianareo » Jo 15, 26-27.

Tsy vao teraka isika dia efa kristianina fa nisy fanombohany sy fiandohany ny fiainana maha-mpianatr' i Kristy  antsika : ny andron'ny batemintsika no nanova tanteraka ny fiainantsika noho ny fahasoavan'Andriamanitra ; ary afaka mijoro ho vavolombelon'izany fiandohana izany isika, raha tsy izany dia mety ho varimbariana (raha toa ka toetra  voajanahary ).

Nisy nitory ny Evanjely ho antsika ary nekentsika izany Vaovao Mahafaly izany.

Ny iraka dia izay mahavita mijoro ho vavolombelon'i Kristy, ampian'ny Fanahy Masina, izay mandefa antsika amin'ny toerana tiany hitondrana antsika.

20 na 25 taona fotsiny taorian'ny nahafatesan'i Kristy dia efa tafavoaka an'i Azia, ka tonga tany amin'ny firenena hafa ny Vaovao Mahafaly tamin'ny fotoana nahasarotra sy nahamafy ny fifandonana koltoraly.

Tsy mora ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly : voaroaka tao amin'ny sinagoga i Paoly (Asa18) nampahatsiaro ilay voalaza tao amin'i Joany 16 : « fa horoahiny aminy sinagoga ianareo » ; io no adim-piainan'i Paoly : jody fatra-panara-dalàna  roahin'ny havany sy ny namany.

Ny fisedrana dia manamarina ny iraka : raha toa ka sarotra na mikatso dia satria tena votoatiny no voakasika ary ao amin'ny ainy no voadona : « Andriamanitra dia Fitiavana, tonga mba hamonjy antsika ny Zanany ».

Mila ny famonjen'Andriamanitra ny olon-drehetra : ny iraka dia izay nahatsapa ny tsy maintsy ilàna izany famonjena izany, efa niaina izany famonjena izany, ka tsy afaka ny tsy hiraharaha ny  hoavin'ny rahalahiny amin'ny fiainana mandrakizay.

2.3- Iraka ao anatin'ny fiainam-piangonana

Misy fitiavana ao amin'ny fiainan'ny Fanahy Masina. (Jo 14).

Ny zavatra kendreny dia ny hampandray anjara ny olona amin'ny fifankatiavan'ny Ray sy ny Zanaka, ka hanaiky ny fandraisan'ny Trinite Masina.

Ny antony, dia satria nahafantatra ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona ny Eglizy, dia nahatsapa fa tena ilay ilaina ny hery amin'ny ezaka fitoriana  : ny Fiangonana dia ny  fivondronan'ny vita batemy rehetra.

Ao amin'i 1 Tim 2,4 : Andriamanitra dia mitady ny hahavoavonjy ny olona rehetra : « Andriamanitra Mpamonjy antsika izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin'ny fahalalàna ny marina ».

Ny marina dia i Kristy : « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ».

Raha tsy miala amin'izany lalana izany isika dia tsy maintsy tonga any amin'ny tena Andriamanitra Tokana.

Ny fahamarinana dia ny fahazavan'ny fiainantsika araka ny nanomezana sy nitarihin'i Kristy azy.

Izay manaraka an'io Lalana io dia efa miroso sahady any amin'ny Famonjena.

Ao amin'ny Asan'ny Apostoly 8,26 : ny tantaran'ilay olom-bositra izay efa mamaky sahady ny voasoratr'Izaia mpaminany , dia olona efa teo am-piandrasana ny famonjena, ary niteny hoe: « hataoko ahoana no fahalala izany raha tsy misy olona mitari-dalana ahy ? ». « Ary i Filipo niloa-bava, nanomboka tamin'ireo tenin'ny Soratra Masina ireo, ka noitry an'i Jesoa taminy » (and15).

Mampahatsiaro ny toritenin'i Kristy tany an-tendrombohitra : Mt 5 : « ka niloa-bava Izy nampianatra azy ».

Milaza izany fa  ny iraka dia i Kristy amin'izao fotoana izao (Christ actualisé) : Kristy isika satria voahosotra mba ho tonga mpaminany, hanambara ny Vaovao Mahafaly.

Mpanjaka satria antsoina hampanjaka ny Fahamarinana ; miezaka ny hanamasintena : ny fanjakana voalohany dia ny ezaka ataontsika amin'ny tenantsika mba hiaina ny fitiavana nomena antsika.

Ny Vaovao Mahafaly : dia i Kristy maty sy nitsanga-ko velona.

Mampandray anjara antsika amin'ny nahafatesana sy ny nitsangana'i Kristy ho velona ny batemy, ary loharanon'ny fiainana mandrakizay.

Manome hafaliana koa ny batemy (miresaka momba ny hafaliana koa i Kristy tao amin'ny senakla -Jo 14, 28) : fihaonana amin'i Kristy sy ny fandraisana ny fiainana mandrakizay.

Ireto ary izany ny momba ny fanirahana :

            -asan'ny Fanahy Masina

            -olona vonon-kandre sy liana te hihaino

            -fahafantarana ny Vaovao Mahafaly : i Kristy maty sy nitsanga-ko velona.

Lalan'ny fahantrana koa ny fitoriana ny Evanjely, fanekena mety hitondra any amin'ny fahafatesana.

Amin'ny maha-iraka azy dia miara-dalana amin'ny olombelona rehetra ny fiangonana.

Misy ny fanambaràna ny Vaovao Mahafaly, dia misy avy eo ny fiforonana-fiangonana kristiana mba ho mariky ny fisian'Andriamanitra eo amin'ny toerana misy azy.

Tsy maintsy maka volontany koa ny Fiangonana, ary tsy maintsy misy ny ezaka hitadiavana ny firaisan'ny mpino kritiana rehetra.

2.4- Inona ary izany ny fanirahana antsika ?

Rahefa manomboka ny taratasy nosoratany ho an'ny Korintianina i Md Paoly dia nilaza hoe : « I Paoly, voaantso ho Apostolin'i Jesoa Kristy », torak'izany ny ao amin'ny Filipianina, ny Romana.

Ny zava-baovao ao amin'ny Evanjely dia i Kristy olombelona. Ny  fitiavana sy ny famelan'Andriamanitra  ny olombelona dia efa hita ao amin'ny Testamenta Taloha fa voalaza ao amin' taratasy ho an'i Timote « i Kristy Jesoa tonga olombelona, izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra, zavatra voambara tamin'ny fotoany izany, ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apostoly ».

Satria vita batemy ary nandray ny sakramentan'ny fankaherezana isika dia  afaka manambara ny Fitiavan'Andriamanitra amin'ny  fomba fiteniny.

Ao anatin'ny « katesizin'ny Eglizy katolika » n° 900 dia voalaza fa adidin'ny kristianina ny mitory ny Vaovao Mahafaly ary mijoro ho vavolombelon'i Kristy.

Eo anivon'ny fianakaviantsika no manomboka izany fijoroana ho vavolombelona izany : ny ray amandreny eo anatrehan'ny zanany, manazatra azy ireo amin'ny fiarahana amin' Andriamanitra, mitondra azy ireo any ampiangonana. Hitarika ny ankizy hanana ny fiainam-pinoany tsirairay avy.

 

Eto am-pamaranana :
Ny fanirahana antsika dia tsy misaraka amin'ny mahavita batemy antsika :

ahatsapatsika  indray fa tena miray aina amintsika tokoa i Kristy, ka tsy misy mahasaraka antsika Aminy. Ny fanekentsika izany fiarahana Aminy izany dia mahatonga antsika ho iraka ho azy ;

-mamela Azy ao anatintsika, hiaina ny fiainantsika eo anatrehan'ny olon-drehetra.

 




  Thierry ANDRONIC