Ireo Loko fampiasa ao
am-piangonana sy ny heviny
FOTSY : Loko
maneho an'Andriamanitra sy ny voninahiny. Lokon'ny hazavana manjopiaka sy
mamirapiratra.
Amin'ny andro fety no ampiasana ity loko ity, dia amin'ny vaninandro
Fankalazana ny Noely, ny Paka,ny fahatsiarovana ny Tompo (afa-tsy ny Fijaliany)
; amin'ny fankalazana sy fahatsiarovana an'i Masina Maria Virjiny, ny
Anjely, ny Olomasina rehetra.
MENA : Lokon'ny rà sy ny afo. Loko maneho ny hafanam-po sy ny zotom-po, toy ny afo
miredareda. Loko maneho ny Fanahy Masina. Loko maneho ny Maritiry
Ny ampiasana ity loko ity, dia amin'ny fety rehetra fankalazana ny Fanahy
Masina, sy ny Alahady Sampakazo (fidiran'ny Tompo ao Jerosalema), ny Zomà
Masina, ny andro rehetra ankalazana ny Fijalian'ny Tompo, ny Maritiry
MAITSO : Lokon'ny zava-maniry. Loko
mamelombelona aina sy maneho ny fahalehibeazana ara-toetra, taratra ao amin'ny
fiainana andavanandro. Loko maneho fanantenana, eo am-piandrasana ny ny
fiainana mandrakizay.
Ny ampiasana ity loko ity, dia amin'ny fotoam-pivavahana sy Sorona Vaninandro
tsotra mandavantaona.
VOLOMPARASY : Loko maneho fiononana,
fibebahana, fivalozana, fanenenana.
Ny ampiasana ity ity loko ity, dia amin'ny fotoanan'ny Fiavian'ny Tompo (Avent)
, fotoanan'ny Karemy, amin'ny Sakramentan'ny fampihavanana sy ny fandevenana
kristianina.
MAVOKELY : Loko maneho hafaliana sy
haravoana. Ny Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo sy ny Alahady fahefatra
amin'ny Karemy no ampiasan'ny Fiangonana ity loko ity.Tsy dia misy mampiasa
firy noho ny tsy fananana ilay loko.
MAINTY : maneho alahelo sy fisaonana. Efa nosoloan'ny Fiangonana volomparasy fa
tsy fampiasa intsony.
Mandritra ny Herinandro Masina :
1 - Alahady Sampankazo Loko MENA mandritra ny
fahatsiarovana ny fidiran'ny Tompo tao Jerosalema dia azo solona VOLOMPARASY amin'ny fandinihana ny
Fijalian'nyTompo.
Fa matetika ny loko MENA no
tazomin'ny Fiangonana mandritra ny fankalazana ny Alahady Sampankazo.
2 - Alakamisy Masina : loko FOTSY no ampiasaina
3 - Zoma Masina : loko MENA no ampiasaina
4 - Asabotsy Masina (Alina Masina) : loko FOTSY no ampiasaina
5 - Alahady Paka : loko FOTSY no ampisaina. Ny Paka no Fety lehibe indrindra ao amin'ny Fiangonana.
Mandritra ny Alahady rehetra Fankalazana ny vanim-potoanan'ny Paka (ao
anatin'izany ny Alakamisy Fankalazana ny Niakaran'i Jesoa Kristy any
an-danitra) dia Fotsy no loko ampiasaina. Ny Pantekôty na ny nidinan'ny Fanahy
Masina tamin'ny Apôstôly dia loko Mena. Ary mifarana eo ny antsoina hoe :
Vanim-potoanan'ny Paka
ELIASY Liva
Prezidàn’ny FKMP
|