|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny
nitiavako anareo” (
Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
ALAHADY 8 MAY 2011 ALAHADY FAHA-3 – fankalazana ny paka – TAONA A |
|

|
FANDAHARANA PROGRAMME |
|
|
FANOMBOHANA Ouverture de
la Célébration |
|
|
Fidirana Procession d’entrée |
Mitehafa tanana |
|
Fifonana Préparation pénitentielle Kyrie |
Je
confesse à Dieu |
|
Tompo ô mamindra fo aminay (tononina) |
|
|
Voninahitra Gloria |
Voninahitra anie hoan’Andriamanitra |
|
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA Liturgie de
la Parole |
|
|
Vakiteny voalohany Première Lecture |
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstoly (Asa
2, 14. 12 – 28) |
|
Setrin’ny vakiteny voalohany Psaume |
Sorona Masina p.375 |
|
Ny teninao, ry Tompo, no faniloko |
|
|
Vakiteny faha-2 Deuxième Lecture |
Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstoly
(1 Pi 1, 17 – 21) |
|
Alelioa / Fihobiana ny Evanjely Acclamation de l’Evangile |
Aleloia (Ny Ainga) |
|
Evanjely Evangile |
Evanjely Masina nosorantan’i Md. Lioka
(Lk. 24, 13 – 35) |
|
Fiekem-pinoana Profession de Foi |
… / Hijoro ho irakao |
|
Ranom-bavaky ny mpino Prière Universelle |
(Hiraina) |
|
Ekeo ry Tompo ô |
|
|
FANKALAZANA NY EOKARISTIA Liturgie de
l’Eucharistie |
|
|
Rakitra Quête |
Eny hoa ry Tompo |
|
Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary |
|
|
Fanolorana Procession d’offrande |
Indro atolotray anao ry Tompo |
|
Masina Sanctus |
Masina (x4) eh, ny Tompo Andriamanitry
ny heri rehetra. Feno ny voninahitra eh, ny tany
aman-danitra ! Hozana … |
|
Fiobiana Anamnèse |
Mbola hoavy ny Tompo … Resinao ny fahafatesana ry Tompo ! |
|
Rainay Notre Père |
Notre
Père |
|
Fiadanana Echange de Paix |
Fiadanana e, homba antsika mianakavy
anie ny fiadanana eh |
|
Zanak’ondry Agneau de Dieu |
‘Zanak’ondrin’Andriamanitra, zay manala
ny fahotan’olona mamindra fo aminay |
|
Komonio Communio |
Ity ny ora sarobidy |
|
Izaho no mofon’ny fiainana |
|
|
FAMARANANA Envoi |
|
|
Fisaorana Action de grâce |
(Chorale) |
|
Fanirahana Envoi |
Feon’ny fitiavana (Injany fa miantso
ahy) |
|
FANOMBOHANA Ouverture de la célébration |
FIDIRANA :
Chant d’entrée
|
Mitehefa tanana (Réf.
Hasina P. 210) |
|
|
Fiv : (Mitehefa tanana) Mitehefa tanana, Miderà
an’Andriamanitra ; (Fa ny Tompo avo
indrindra) Fa ny Tompo avo
indrindra Tolory hobim-pifaliana. |
|
|
1. Derao ilay nahary antsika e, Derao ny Andriamanitsika e. Derao
ilay namonjy antsika e, Derao ny Andriamanitsika e. Derao
ilay nandala antsika e, Derao ny Andriamanitsika e. |
2. Hobio ilay nitia antsika e, Hobio ny Andriamanitsika e. Hobio
ilay niantso antsika e, Hobio ny Andriamanitsika e. Hobio
ilay nifidy antsika e, Hobio ny Andriamanitsika e. |
|
3. Hirao ilay tokintsika e, Hirao ny Andriamanitsika e. Hirao
ilay herintsika e, Hirao ny Andriamanitsika e. Hirao
ilay fiainantsika e, Hirao ny Andriamanitsika e. |
4. Tompoy ilay Mpanjakantsika e, Tompoy ny Andriamanitsika e. Tompoy
ilay mpiaro antsika e, Tompoy ny Andriamanitsika e. Tompoy
ilay Tompontsika e, Tompoy ny Andriamanitsika e. |
FIFONANA :
Préparation
pénitentielle, Kyrie
|
Je confesse à
Dieu |
|
Je confesse
à Dieu tout-puissant, je reconnais devant mes frères, que j'ai péché en
pensée, en parole, par action et par omission. Oui, j'ai
vraiment péché. C'est
pourquoi je supplie la Vierge Marie, les anges et tous les saints, et vous
aussi, mes frères, de prier pour moi le Seigneur notre Dieu. |
VONINAHITRA :
Gloria
|
Voninahitra anie
ho an'Andriamanitra (Réf.
Hasina P. 150) |
||||
|
|
Voninahitra anie ho
an’Andriamanitra Any amin’ny avo
indrindra ; Fiadanana anie ho an’ny
olombelona, Fa nanehoany ny
fitiavany. |
|
||
|
Mihoby ny hasinao
‘zahay, |
Mitsaoka anao ‘zahay. |
Ry Tompo Andriamanitra, Mpanjakan’ny lanitra, Andriamanitra Ray
mahefa Ny zavatra rehetra (x2) |
||
|
Mihoby ny hasinao
‘zahay, |
Mankalaza anao ‘zahay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao
‘zahay, |
Midera anao ‘zahay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao
‘zahay, |
Misaotra anao ‘zanay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao
‘zahay. |
|
|||
|
|
|
|
||
|
Mihoby ny hasinao
‘zahay, |
Mitsaoka anao ‘zahay. |
Ry Jesoa
Zanak’Andriamanitra ô, Ianao no Zanaka
lahitokana ; Ry
Zanak’ondrin’Andriamanitra ô, Ianao, ry Tompo no
Zanaky ny Ray. |
||
|
Mihoby ny hasinao
‘zahay, |
Mankalaza anao ‘zahay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao
‘zahay, |
Midera anao ‘zahay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao
‘zahay, |
Misaotra anao ‘zanay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao
‘zahay. |
|
|||
|
|
|
|
||
|
Mamindrà fo aminay, |
Ianao, ry Tompo ô. |
Ianao irery no masina, Ianao irery no Tompo, Ianao irery no avo
indrindra, Ry Jesoa Kristy ô. (x2) |
||
|
Mamindrà fo aminay, |
Mpamonjy anay ianao. |
|||
|
Mamindrà fo aminay, |
Mpanjakanay ianao. |
|||
|
Mamindrà fo aminay, |
Ankavanan’izy Ray. |
|||
|
Mamindrà fo aminay. |
|
|||
|
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA Liturgie de la Parole |
|
& VAKITENY
MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky mitantara ny Asan’ny
Apôstoly |
Asa
2, 14. 12 – 28 |
||
|
Tsy azo atao ny hihazonan’ny fatoran’ny fahafatesana
an’i Jesoa. |
|||
|
Nony tonga ny
pantekôty, dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo niteny hoe : “Ry
Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary
mampandria sofina amin’ny teniko : i Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy
nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana
ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo,araka ny fantatry ny tenanareo,dia
natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany
mialoha, ka nofantsihinareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny
tanan’ny ratsy fanahy ; fa Andriamanitra kosa
nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana,
satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
araka ny voalazan’i Davida ny Aminy hoe : ‘Nijery ny Tompo teo anatrehako
lalandava aho, satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho. noho
izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny foko hitombina
amin’ny fanantenana, fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko, ary
tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lo ny Masinao. Nampahafantatra ahy ny
lalan’aina Ianao, ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko’”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
SETRIN’NY
VAKITENY :
|
3 SALAMO |
|
|
|
1. Andriamanitra ô,
ambeno aho mifefy aminao ! Ianao, ho’aho, ry
Tompo, no Andriamanitra ; Ianao no hasambarako ; Ny Tompo ny ahy no
zara lovako ; ianao no rakitro
mateza. Fiv : Ny teninao, ry Tompo, no faniloko Ny lalanao, ô ry Ray ô, no tianay haleha |
2. Isaorako ny Tompo
manolo-tsaina ahy, alina avy ny foko no
toroany, Ataoko anoloana
hatrany ny Tompo, izaho tsy hiala eo
ankavanany. Fiv : ... |
|
|
3. Koa faly ny foko, ravo
ny fanahiko, ny nofoko avy no
mandry amin-toky, Ny fanahiko tsy
hafoinao ho any an-tSeoly, ity sakaizanao tsy
hekenao hahita ny hady : Fiv : ... |
4. Fa iny lalan’ny
fiainana no hatoronao ahy ; hafenoam-pifaliana
anoloanao, hafinaretan-dava
ankavananao Fiv : ... |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy voalohan’i Md.
Piera Apôstoly |
1
Pi 1, 17 – 21 |
||
|
Navotana tamin’ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay
Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, ianareo. |
|||
|
Ry hava-malala, raha
Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy,
no antsoinareo hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo,
mandritra ny andron’ny fivahinianareo ety, satria
fantatrareo fa ny nanavotana anareo ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana,
dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na volafotsy, fa ny Ra
saro-bidin’i Kristy. Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, dia Ilay
taloh’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry, fa
tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo. Tamin’ny alalany
no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra. Izay nanangana Azy ho velona, sy
nanome voninahitra Azy, ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny
finoanareo. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
ALELOIA /
FIHOBIANA NY EVANJELY :
Acclamation de
l’Evangile
Aleloia a a Aleloia …
Aleloia a a Aleloia … Aleloia !
Aleloia a a Aleloia …
Aleloia a a Aleloia … Aleloia !
|
Voasy aminay ny
Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa
miresaka aminay Ianao. Aleloia ! |
|
& EVANJELY
MASINA |
|
||
|
Evanjely Masina
nosorantan’i Md. Lioka |
Lk.
24, 13 – 35 |
||
|
Teo am-pamakiana ny mofo no nahafantaran’izy ireo
Azy |
|||
|
Tamin’ny andro
voalohan’ny herinandro ihany dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny
vohitra anankiray atao hoe Emaosy,tokony ho enim-poolo stady raha avy eo
Jerosalema.Niresaka ny zava-niseho rehetra izy reo.Ary raha mbola niresaka sy
nifampilaza izay heviny teny izy, dia nanantona azy i Jesoa ka niara-dalana
taminy ; fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo. Hoy Izy taminy
: “Inona izato resahinareo ety
an-dalana, no toa dia efa malahelo ery ianareo izany ?” Dia namaly ny
anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe : “Ianao irery ihany angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay
zava-niseho tao tato ato ?” Fa hoy Izy tamin’ireo : “Zavatra inona moa izany ?” Dia hoy ireo : “Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny
asany sy ny teniny, teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, dia ny
amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty,
mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijalina. Nanantena izahay fa hoe Izy
no Ilay hanavotra an’i Israely : kanjo indro fa androany izao no andro
fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany. Nisy ihany koa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra,
fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo, ary niverina nilaza fa tsy
nahita ny fatiny, nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy.
Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay ka nahita araka izay nolazain’ny
vehivavy, nefa tsy nahita Azy”. Ary hoy Izy
tamin’izy ireo : “Ry adala sy votsa
saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany ! Moa tsy tokony ho
niaritra izany va i Kristy mba hidirany amin’ny voninahiny ?” Dia
novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Moîzy sy ny Mpaminany rehetra manambara
Azy ao amin’ny Soratra Masina. Nony mba tao akaikin’ny vohitra halehan’izy
roa lahy izy ireo, dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i
Jesoa fa notanan’izy ireo nataony hoe : “Mitoera
re aty aminay, fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro”. Dia niditra
niara-nijanona tamin’izy ireo Izy. Ary rehefa
niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy
novakîny, dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka
nahalala Azy, fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony. Dia nifampilaza
izy hoe : “Akory izany firehidrehitry
ny fontsika tao anatintsika, fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana, sy
nivaofy ny Soratra Masina tamintsika !” Niaraka tamin’izay dia nitsangana
izy ireo ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy
sy ny namany tafavory sady nilaza hoe : “Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary
efa niseho tamin’i Simôna Izy”. Dia mba nontantarain’izy ireo kosa ny zavatra
niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny
mofo. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
FIEKEM-PINOANA :
Profession de
Foi
|
Anja |
Aina |
Lalaina |
Liantsoa |
|
Miharisoa |
Mirana |
Tendry |
Vallih |
|
HIJORO HO IRAKAO
‘ZAHAY (Parole:
ELIASY Liva / Musique: FET/MEJ Madagascar / Arrangement : Lanto
ANDRIANTSIFARITANA) |
|
|
Fiv : Ndreto
izahay ry Kristy Tompo Fa
vonon-kanaraka ny Sitraponao Satria
‘zahay izao no irakao Hitondra ny
fanevanao |
Ref : Nous sommes
prêts à faire Ta volonté Car nous
sommes tes messagers Nous,
témoins De la Bonne
Nouvelle |
|
1. Hiezaka tokoa ‘zahay Mba ho tia
‘reo namanay Sy hanaja
ny rariny Eo amin’ny
fiainanay Ry Tompo |
Nous ferons de notre mieux A aider nos copains (-ines) A respecter la justice De toute notre vie Seigneur |
|
2. Vonona tokoa ‘zahay Mba
hanahaka ny toetranao Eo
anivon’ny namanay Satria
irakao ‘zahay Ry Tompo |
Nous sommes prêts A donner l’exemple Pour nos copains (-ines) Car nous sommes tes messagers Seigneur |
|
3. Ny valifaty dia lavinay Ka tsy
hataonay ho an’ireo ‘Zay nanao
ratsy taminay Satria
irakao ‘zahay Ry Tompo |
Loin de nous l’esprit De revanche Ni de vengeance Car nous sommes tes messagers Seigneur |
RANOM-BAVAKY
NY MPINO :
Prière
Universelle
Ekeo ry Tompo ô !
Ekeo ry Tompo ô ! Ekeo izao vavakay izao (x 2)
|
FANKALAZANA NY EOKARISTIA Liturgie de l’Eucharistie |
RAKITRA :
Quête
|
Eny ho'aho ry
Tompo (Réf.
Hasina P. 171) |
|||
|
Eny,
ho'aho, ry Tompo,
x 2 'Zay mba
kely vitanay e Ety
an-tany ety. |
|||
|
1. Vonin-tenina maivana ihany e No
fanatitra mba entinay, Fo miezaka
ho tia anao, Tompo ô, No hanampy
sy atolotra anao . |
2. Antonona anay mpanome izy ireo Fa tsy
mendrika ny voninahitrao; Ireo anefa
no azo natao, Tompo ô, Ka mba
raiso raha sitrakao. |
||
|
3. Tebiteby mameno ny saina e, Ny kilema
no be ao anaty : Mba Ievony
amm'ny fitiavanao, Tompo ô, Ho
fanatitra mendrika anao. |
4. Ireo fanatitra dorana, Tompo ô, Tsy ekena
homena ny Ray, Fa ny
hastn'ny Tenanao kosa e No sorona
mendrika indrindra. |
||
|
Ry Tompo
Andriamanitra Andriananahary (Réf.
Hasina P. 195) |
|||
|
1. Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary Nasainao
nanohy ary nandavorary Ny
zava-boaary eran-tany izahay Mitory
fitiavana lalina izany |
|
||
|
x 2 Manjary asa
masina izao ny asanay, misaotra e Mitory
fitiavana lalina izany, misaotra e |
|||
|
2. Matoky ‘zahay fa mitantana Ianao Manoro ‘zay
asa sahaza ho anay Satria
sitrakao ny hahasambatra anay Mitory
fitiavana lalina izany |
|
||
|
Ry Rainay
Mpahary, tahio ny asanay, tahio e
x 2 Fa miaraka
miasa amin’I Jesoa izahay, tahio e Manomana
tany sy lanitra vao, tahio e |
|||
FANOLORANA :
Procession
d’offrande
|
Indro atolotray,
ry Tompo (Réf.
Hasina P. 768) |
|
|
1. Indro atolotray aminao, ry Tompo ô ô, Ny fanatitra avy aminay e. Raiso re raha sitrakao, ry Tompo ô ô, Fa tantely tapa-bata e. Ny
fiainanay, eny re, tsy takona afenina aminao Ny
adim-piainanay, eny re, hitanao Zanahary. Ka dia
entinay, tsisy afeninay, Eo
an-tananao re, ry Ray ô. Izay mba
vitanay, ny hasasaranay, Enti-misaotra
anao re, ry Tompo ô. Indro
atolotray re, ry Ray ô, Raiso eo
an-tananao izy ireto ; Aza ny
hakelezany, ry Ray ô, Fa ny
fitiavana asandratray, e ! Eny re ! Amin-karavoana
no anolorana azy, Amin-karavoana
tokoa tokoa no anolorana azy ; Amin-kafaliana
sy amim-pitsikiana, Amin-kafaliana
sy amim-pitsikiana no anolorana azy. |
2. Indro atolotray aminao, ry Tompo ô ô, Ny fanatitra avy aminay e. Raiso re raha sitrakao, ry Tompo ô ô, Fa tantely tapa-bata e. Io ny
tenanay, eny re, tsy takona afenina aminao ; Io ny
otanay, eny re, hitanao Zanahary. Ka dia
entinay tsisy afeninay, Ho ao
an-tananao re, ry Ray ô. Izay mba
vitanay, ny hasasaranay, Ho
enti-misaotra anao re, ry Tompo ô. Indro
atolotray re, ry Ray ô, Sorona
lavorarin’i Jesoa, Vatana
latsa-dra re, ry Ray ô, Sorom-pitiavana
iainanay e ! Eny re ! Amin-karavoana
no anolorana azy, Amin-karavoana
tokoa tokoa no anolorana azy ; Amin-kafaliana
sy amim-pitsikiana, Amin-kafaliana
sy amim-pitsikiana no anolorana azy. |
MASINA :
Sanctus
Masina (x4) eh, ny Tompo Andriamanitry ny heri rehetra.
Feno ny voninahitra eh,
ny tany aman-danitra ! Hozana …
FIHOBIANA :
Anamnèse
Mbola hoavy ny Tompo …
Resinao ny fahafatesana
ry Tompo ! …
RAINAY :
Notre Père
|
Notre Père qui est aux cieux, que ton Nom soit sanctifié; que ton règne vienne; que ta volonté soit
faite sur la terre comme au ciel. Donne-nous
aujourd'hui notre pain de
ce jour. Pardonne nous nos offenses comme nous pardonnons aussi à ceux qui nous ont offensés. Et ne nous soumets pas à la tentation mais délivre-nous du mal. Car c'est à toi qu'appartiennent le règne, la puissance et la gloire, pour les siècles des siècles. Amen. |
Rainay izay any an-danitra, hohamasinina hanie ny Anaranao, hotonga hanie ny fanjakanao, hatao hanie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanina sahazanay isan’andro. tahaka ny namelanay izay nanao ratsy taminay. Aza avelanao hoazon’ny fitaoman-dratsy izahay fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amen. |
FIADANANA :
Echange de
Paix
|
Fiadanana e (Réf.
Hasina P. 181) |
|
|
Fiv : Fiadanana e Homba
antsika mianakavy anie ny fiadanana e Fiadanana
nomen’I Kristy Ny fiainana
ao an-danitra ao anie Ka Fihavanana manomboka etoana |
1. Ny enti-belona no enti-maty anie, hoy ny
razana e Ny
entim-belona no hitsarana Didy tokana
nomen’I Jesoa dia ny fitiavana e Aoka isika
hifankatia |
ZANAK’ONDRY :
Agneau de Dieu
‘Zanak’ondrin’Andriamanitra,
zay manala ny fahotan’olona mamindra fo aminay
KOMONIO :
Communion
|
Inty ny ora
sarobidy (Réf.
Hasina P. 186) |
|
|
1. Inty
ny ora sarobidy hitsanganako Handraisako ny Tenanao,
ry Jesoa mamiko Tsy dia mendrika aho ny
hotsidihinao, Kanefa sitrakao, ka
avia re. O ! Sambatra aho
re ! |
2. Nandray
ny Tenanao ny foko, ry Mpamonjiko, Ka henin-kafaliana ny
fanahiko izao Mitsaoka Anao re,
misaotra Anao re, Tsy hitako izay
havaliko. O ! Sambatra aho
re ! |
|
3. Mba
tsofy rano aho sy ny havako rehetra, Sy izay mpanao soa anay
sy ny sakaizako : Ho tia anao e, tsy mba
handao anao, Ka samy mba ho tonga
an-danitrao O ! Sambatra aho
re ! |
|
|
Izaho no Mofon'ny
fiainana (Réf.
Hasina P. 186) |
|
|
Fiv : Izaho no mofon’ny fiainana, ‘Zay manantona ahy ‘Zay mino ahy tsy |
1. Lazaiko anareo fa izay mino Ahy, hoy ny Tompo, No manana ny fiainana tsy manam-piafarana. Lazaiko anareo fa izay mino ahy no manana, No manana ny fiainana tsy manam-piafarana |
|
2. Sakafo mahavelona tokoa ‘zany teniko, hoy ny Tompo, Anabavy sy rahalahiko zay mihinana azy. Sakafo mahavelona tokoa ‘zany teniko, Anabavy sy rahalahiko zay mihinana azy. |
|
|
3. Ny Nofo aman-dRako ‘zay raisinareo, hoy ny Tompo, No vatsy sy aina mampiray anareo. Ny Nofo aman-dRako ‘zay raisinareo, No vatsy sy aina mampiray anareo. |
|
|
FAMARANANA Envoi |
FISAORANA :
Action de
Grâce
Chant Chorale …

FANIRAHANA :
Envoi
|
Ny feon'ny
fitiavana (Réf.
Hasina P. 595) |
|||||
|
Fiv : Injany fa miantso ahy Ny feon’ny fitiavana Manohina ny fiainako Ka tsy azoko andosirana Mahery vaika mantsy ka tsy azoko Ampanginina ary tsy azoko andosirana ‘Lay feon’ny fitiavana naniraka ny Zanany Ho fiainana arahina
(x 2) Hizorako ny lalako |
1. Koa
tsofy rano tsara re , ry Dada sy ry Neny ‘Ty zanaka hiainga mba hanefa ireo adidy Fa any ho any kosa hahatsiaro anareo aho Handefa tonom-bavaka
(x 2) Ka mila ny tsodrano aho Hanambina ny diako |
||||
|
2. Koa
tsofy rano tsara re ry Zoky sy ry Zandry ‘Ty Havana hiainga mba hiatrika ny adidy Fa any ho any kosa hahatsiaro anareo aho Handefa tonom-bavaka
(x 2) Ka mila ny tsodrano aho Hanambina ny diako |
|||||