|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy eto Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
|
FILAZANA MANJO |
||
|
Amin’ny fanantenana
ny fitsanganana amin’ny maty no ilaizana amintsika kristianina rehetra fa i Révérend
Père Marc RANAIVOSON Aumônier de
la Communauté Catholique Malgache de Grenoble dia nantsoin’ny Ray hody any aminy ny
Asabotsy 21 Janoary
2012 rehefa nivahiny 72
taona teto an-tany. “... fa fantatro izay ninoako, ary matoky aho fa izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-pihavin'izay andro izay.” (2 Timothée
1, 12) Teto Paris Itompokolahy
no nody mandry teo am-panaovana
ny asa fanompoana nanirahana azy. “Faites le bien
passer à tout mon peuple” |
||
|
FANDAHARAM-POTOANA |
||
|
Maneho ny fiaraha-miory amin’ny “Communauté Catholique Malgache de Grenoble” sy ny fikambanan’ny Relijiozy “Missionnaires de Notre-Dame de La Salette” isika mianakavy. “Miaraha mifaly amin’izay mifaly,
ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.” (Rm. 12, 15) Amin'izao Alahady
29 Janoary hoavy izao, amin’ny 4 ora tolankandro (16h00),
no hanaovantsika ny lamesa ho an’ny Mopera Marc RANAIVOSON. Marihina
fa tsy hisy ny vatany mangatsiaka
amin’io fotoana io. Hoavy amin'io Alahady io ireo solon-tenan'ny
"Communauté Catholique Malgache de Grenoble" sy
ireo Relijiozy “Missionnaires de Notre-Dame
de La Salette”, an'isan'izany i Mopera Tristan de SALMIECH, m.s.
Amin’io Alahady io ihany koa no hitondratsika am-bavaka ireo havantsika
nodimandry tamin’ity volana Janoary ity. “Fantatro ilay nametrahako ny fitokiako dia i Kristy ilay tsy
mivadika mandrakizay” (hira fanevan’i Mopera Marc RANAIVOSON) Mivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahiny
isika. |
||
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
Rivo RASOLOFOMANANA |
|