Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

http://www.fkmp.org/Korana_20120708_P_Edmond_Fanentanana_%2020120628_fichiers/image003.jpg

ANTSO AVO

AINGAM-PITIAVANA

Ho an’i Mopera Edmond RAKOTONDRAMANANA

(Aumônier an’ny FKMP nandritra izay 7 taona izay : 2005 – 2012)

 

Efa henontsika fa tapitra ny fe-potoana hitantanan’ny Pretrantsika ny FKMP koa dia handeha hody hitodi-doha any an-tanindrazana izy. 7 taona izy no nikarakara antsika, nitondra ny teny soa mahafaly, nampianatra sy nanamasina. Nitakosina tamintsika izy na an-kasoavana (Lamesa isan’Alahady, fanomezana Sakramenta, fetim-piangonana, sns..) na an-karatsiana (Fahoriana, aretina, sns..). Taon-jobily rahateo ny taona fito eo amin’ny Fiangonana, “taona sabatika”, ka fifaliana mameno ny fo ary fankasitrahana ny fanoloran-tena. Nanana anjara isika FKMP fa nanana Pretra hatrany, taom-pahasoavana izany sady taom-piderana sy fisaorana an’Andriamanitra.

http://www.fkmp.org/Korana_20120708_P_Edmond_Fanentanana_%2020120628_fichiers/image004.jpg

http://www.fkmp.org/Korana_20120708_P_Edmond_Fanentanana_%2020120628_fichiers/image006.jpg

http://www.fkmp.org/Korana_20120708_P_Edmond_Fanentanana_%2020120628_fichiers/image008.jpg

Mba ho lavorary izany fanehoam-piravoravoana sy fankasitrahana an’ny Momperantsika dia antsoina ianao hamonjy ny fivoriana fandravonana ny lanonana rehetra hatao amin’izany na ara-panahy na ara-batana. Izany no tanisa dinika. Izany fivoriana izany dia hatao.

 

Ny Alakamisy 28 Jona 2012 izao,

ao Chapelle Saint Paul,

manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva (19h30).

 

Manao antso avo sy manainga am-pitiavana anao izahay telo mirahalahy Prezidà nifandimby teto amin’ny FKMP niara-niasa tamin’ny Momperantsika nandritra izay 7 taona izay.

 

Ny tanisa dinika dia hiompana indrindra amin’ny fanomanana ny hetsika ho fanaovam-beloma an’i Mopera Edmond. Izany moa dia ataontsika ny Alahady 8 Jolay 2012 ao amin’ny Eglizy sy ny Crypte Saint Dominique.

 

Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra”.

(Kôl. 3, 14)

 

ANDRIAMANAMIRIJA Rakoto Dominique

Prezidà tamin’ny
2005 – 2008

ELIASY Liva

Prezidà tamin’ny
2008 – 2011

RASOLOFOMANANA Rivo

Prezidà nanomboka tamin’ny
2011