* * * * * CELEBRATION * * * * *,DE LA PREMIERE COMMUNION
 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 



 

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171, boulevard Brune

75014 – PARIS

http://www.fkmp.org/

 

 

 

Alahady 07 Jiona 2009

Dimanche 07 Juin 2009

 

FETIN’NY TRINITE MASINA

« FETE DE LA SAINTE TRINITE »

 

 

 

http://tbn0.google.com/images?q=tbn:rNmxT7HIo7kO5M:http://www.paroisse-st-richard.org/images/par_euch.gif

 

 

 

CELEBRATION DE LA PREMIERE COMMUNION

 

De

 

ANDRIAMBALA Rudy-Ivan

 

JAMES Princy-Morgan

 

ANDRIAMANAMIRIJA Dinasoa Aurelie

 

RANDRIAMANANTENA Tiffanie

 

 

Célébrée par :

 

Père Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier de la Communauté Catholique Malgache à Paris

 

 

 

« Izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra »

« Ceux qui se laissent conduire par l’Esprit de Dieu, ceux-là sont fils de Dieu »

 (Romains 8, 14)

Ellipse: 1


 

Fanombohana (Ouverture de la Célébration)

H

VH

Fidirana (Procession d’entrée)

Filaharana

 

 

 

¯

Miantso Anao zahay

50

492

Fifonana (Préparation pénitentielle)

 

Je confesse à Dieu Tout-puissant, je reconnais devant mes frères que j'ai pêché en pensée, en actes, en paroles, par action et par omission.

Oui, j'ai vraiment pêché. C'est pourquoi je supplie la Vierge Marie, les anges et tous les Saints, et vous aussi, mes frères, de prier pour moi au Seigneur Notre Dieu.

 

 

(Kyrie)

¯

Tompo ô mamindrà fo aminay

148

 

Antsa / Voninahitra (Gloire à Dieu)

¯

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra, any amin’ny avo indrindra

150

 

& Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra (Liturgie de la Parole)

H

VH

Vakiteny N°1 (Première Lecture)

&

Boky Deterônômy / Det. 4, 32 – 34. 39. – 40

« Tu garderas tous les jours les commandements et les ordres du Seigneur que je te donne aujourd’hui »

 

 

Setrin’ny vakiteny N°1 (Psaume)

¯

Ry vahoaka voafidy (ô Peuple Elu)

234

326

Vakiteny N°2 (Deuxième Lecture)

&

Taratasin’I Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma / Rôm. 8, 14 – 17

« L'Esprit Saint affirme à notre esprit que nous sommes enfants de Dieu »

 

 

Aleloia

¯

Aleloia, Hosana, Aleloia, Amen.

 

 

Evanjely (Evangile)

&

Evanjely Masina nosoratan’i Md Matio / Mt. 28, 16 – 20

« De toutes les nations, faites des disciples, baptisez-les au nom du Père, du Fils et du Saint Esprit »

 

 

Toriteny (Homélie)

(

Par. P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

 

 

Fihaikem-pinoana (Profession de Foi)

¯

Mino Aho Andriamanitra ô

159

 

Ranom-bavaka (Prière Universelle)

¯

Efa miombona fanahy izahay e, ka henoy ny vavakay ry Tompo ô ! (Seigneur nous sommes maintenant unis en esprit, daignes écouter nos prières)

 

 

% Fankalazana ny Eokaristia (Liturgie de l’Eucharistie)

H

VH

Rakitra (Quête)

¯

Omeko ny herin’ny fanahy

237

330

Fanolorana (Procession d’offrande)

¯

Indro atolotray Anao ry Tompo

768

 

Masina (Sanctus)

¯

O Masina, Masina, Masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra [Saint, Saint, Le Seigneur]

 

 

Fiobiana (Anamnèse)

¯

Isaky ny mihinana izao mofo izao

 

 

Rainay

¯

« Notre Père qui est aux cieux … »

 

 

Fiadanana (Echange de Paix)

¯

Omeo fitiavana aho Tompo

 

 

Zanak’ondry (Agneau de Dieu)

¯

Ry zanak’ondry (beso)

 

 

Kominio

 

Mandray ny Rà sy Vatan’i Kristy ireo ankizy atao Komonio voalohany. (Les premiers communiants reçoivent le Corps et le Sang du Christ).

 

 

(Chant de communion)

¯

Inty ny ora sarobidy

186

738

 

¯

Tiako  ny hiaraka aminao Jesoa

119

652

ÿ Famaranana (Envoi)

H

VH

Fisaorana (Action de grâce)

¯

Chorale « FEON’ANJOMARA »

 

 

(Informations et Bénédiction)

 

Vaovaom-piangonana, Vavaka fisaorana, Tso-drano

 

 

Fanirahana (Envoi)

¯

Ellipse: 2Zaho anie            ry Reny

750 

585


 

Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa

 

Inty ny ora sarobidy

 

 

 

Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,

Na aiza na aiza hitondranao ahy ;

Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,

Fa ianao no miantso ahy !

(Lioka. 9, 57)

 

 

http://tbn0.google.com/images?q=tbn:oUJnWM7Ubxxm0M:http://www.cursillos.ca/st-jerome/images/Eucharistie-PhotoStudio2.JPG

1.   Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,

Tsy manana olon-kafa aho fa ianao no fiainako :

Hanara-dia anao, ‘zay no faniriako,

Hifikitra aminao aho, Jesoa !

(Joany. 6, 68)

 

 

1.   Inty ny ora sarobidy hitsanganako

Handraisako ny Tenanao, ry Jesoa mamiko

Tsy dia mendrika aho ny hotsidihinao,

Kanefa sitrakao, ka avia re.

O ! Sambatra aho re !

 

2.   Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,

Hitory teny soa amin’ireo havako :

Hanara-dia anao, ‘zay no faniriako

Hanohy ny asanao aho, Jesoa !

(Marka. 16, 15)

 

 

2.   Nandray ny Tenanao ny foko, ry Mpamonjiko,

Ka henin-kafaliana ny fanahiko izao

Mitsaoka Anao re, misaotra Anao re,

Tsy hitako izay havaliko.

O ! Sambatra aho re !

 

3.   Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,

Ho zary famonjena anie ny fahoriako :

Hanara-dia anao, ‘zay no faniriako,

Hifantsika aminao aho, Jesoa !

(Marka. 8, 34 ; Kôl. 1, 24)

 

 

3.   Mba tsofy rano aho sy ny havako rehetra,

Sy izay mpanao soa anay sy ny sakaizako :

Ho tia anao e, tsy mba handao anao,

Ka samy mba ho tonga an-danitrao

O ! Sambatra aho re !

 

4.   Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,

Hibanjina ny Ray Tompo Andriamanitro :

Hanara-dia anao, ‘zay no faniriako,

‘Zay misy anao no hisy ahy, Jesoa !

(Joany. 14, 9. 12, 26)

Ruban vers le bas: Je veux cheminer à tes côtés Jésus où que tu me conduises 
car tu es on Berger

 

Ruban vers le bas: Voici le précieux moment 
où je vais te recevoir Jésus

 

 

 

 

 

 ‘Zaho anie, ry Reny

Ruban vers le bas: Sainte Marie, je veux être ton enfant, 
je confie ma vie entre tes Mains
1.   ‘Zaho anie, ry Reny,

Te ho zanakao :

Te ho zaza tsara sy madio ;

‘Zao no fikasako,

Sitra-po tokoa :

Zaza tsara taizan’i Maria !

 

2.   ‘Zaho mametra-tena

Am-pelatananao,

Ry Maria e, mamiko o o o

‘Zao no fikasako,

Sitra-po tokoa :

Zaza tsara taizan’i Maria !

Ellipse: 7


 

Indro atolotray, ry Tompo

1.   Indro atolotray aminao, ry Tompo ô ô,

Ny fanatitra avy aminay e.

Raiso re raha sitrakao, ry Tompo ô ô,

Fa tantely tapa-bata e.

Ny fiainanay, eny re, tsy takona afenina aminao

Ny adim-piainanay, eny re, hitanao Zanahary.

Ka dia entinay, tsisy afeninay,

Eo an-tananao re, ry Ray ô.

Izay mba vitanay, ny hasasaranay,

Enti-misaotra anao re, ry Tompo ô.

Indro atolotray re, ry Ray ô,

Raiso eo an-tananao izy ireto ;

Aza ny hakelezany, ry Ray ô,

Fa ny fitiavana asandratray, e ! Eny re !

 

 

D:\Documents (Bureau)\Bureau (RASOLOFOMANANA)\de l'Asso\Eglise\Boky Lamesa\Sary vivre la messe\P5Fankamasinana4.JPG

Amin-karavoana no anolorana azy,

Amin-karavoana tokoa tokoa no anolorana azy ;

Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana,

Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana no anolorana azy.

Ruban vers le bas: Voici nos offrandes pour toi Seigneur
 

 

 

 


2.   Indro atolotray aminao, ry Tompo ô ô,

Ny fanatitra avy aminay e.

Raiso re raha sitrakao, ry Tompo ô ô,

Fa tantely tapa-bata e.

Io ny tenanay, eny re, tsy takona afenina aminao ;

Io ny otanay, eny re, hitanao Zanahary.

Ka dia entinay tsisy afeninay,

Ho ao an-tananao re, ry Ray ô.

Izay mba vitanay, ny hasasaranay,

Ho enti-misaotra anao re, ry Tompo ô.

Indro atolotray re, ry Ray ô,

Sorona lavorarin’i Jesoa,

Vatana latsa-dra re, ry Ray ô,

Sorom-pitiavana iainanay e ! Eny re !

 

 

D:\Documents (Bureau)\Bureau (RASOLOFOMANANA)\de l'Asso\Eglise\Boky Lamesa\Sary vivre la messe\P5Fankamasinana4.JPG

Amin-karavoana no anolorana azy,

Amin-karavoana tokoa tokoa no anolorana azy ;

Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana,

Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana no anolorana azy.

Ellipse: 6


 

Miantso anao ‘zahay

1.   Miantso anao ‘zahay, ry Tompo,

Fa mitady ny Fanahy

Hanavao ny taninay :

Izy Rivotra mahery mampijoro sy mandavo,

Ka matahotra izahay

Sao alavony tokoa zay naorinay rehetra !

 

2.   Miantso anao ‘zahay, ry Tompo

Fa mitady ny Fanahy

Hanavao ny herinay :

Izy Rano manan-kery hitondra aina sy handrava,

Ka matahotra izahay

Sao ho ràvany toko ‘zay mba nianteheranay !

3.   Miantso anao ‘zahay, ry Tompo,

Fa mitady ny Fanahy

Hanavao ny taninay :

Izy Afo manan-kery fa mandoro sy mandio,

Ka matahotra izahay

Sao levoniny tokoa ny fitiavan-tenanay !

Tebitebinay rehetra ‘zany tanisaina izany e,

Koa aza esorina aminay ny Fanahinao, ry Tompo ô,

Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao :

Hisantaranay sahady ô ‘zany fiadananao !

 

 

Tompo ô ! Mamindra fo aminay

 

1.   Izay ‘zay nantsoin’ny Ray

Ho mpandova tahaka anao

Tsy nitandro

ny Fahamendrehanao !

Tompo ô,

mamindrà fo aminay.

(x3)

 

 

2.   Izay izay navotanao,

Tamy ranao sy ny ainao

Tsy namaly

ny Fitiavanao !

Kristy ô,

mamindrà fo aminay.

(x3)

 

 

3.   Izay ‘zay nantsoinao

Ho mpitandro ny hafatrao

Tsy nihaino

ny Fanahinao !

Tompo ô,

mamindrà fo aminay.

(x3)

 

 

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra

cle-de-sol-full

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra

Any amin’ny avo indrindra ;

Fiadanana anie ho an’ny olombelona,

Fa nanehoany ny fitiavany.

 

solfa

Mihoby ny hasinao ‘zahay,

Mitsaoka anao ‘zahay.

Ry Tompo Andriamanitra,

Mpanjakan’ny lanitra,

Andriamanitra Ray mahefa

Ny zavatra rehetra

(x2)

Mihoby ny hasinao ‘zahay,

Mankalaza anao ‘zahay.

Mihoby ny hasinao ‘zahay,

Midera anao ‘zahay.

Mihoby ny hasinao ‘zahay,

Misaotra anao ‘zanay.

Mihoby ny hasinao ‘zahay.

 

 

 

 

Mihoby ny hasinao ‘zahay,

Mitsaoka anao ‘zahay.

Ry Jesoa Zanak’Andriamanitra ô,

Ianao no Zanaka lahitokana ;

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra ô,

Ianao, ry Tompo no Zanaky ny Ray.

 

Mihoby ny hasinao ‘zahay,

Mankalaza anao ‘zahay.

Mihoby ny hasinao ‘zahay,

Midera anao ‘zahay.

Mihoby ny hasinao ‘zahay,

Misaotra anao ‘zanay.

Mihoby ny hasinao ‘zahay.

 

 

 

 

Mamindrà fo aminay,

Ianao, ry Tompo ô.

Ianao irery no masina,

Ianao irery no Tompo,

Ianao irery no avo indrindra,

Ry Jesoa Kristy ô.

(x2)

Mamindrà fo aminay,

Mpamonjy anay ianao.

Mamindrà fo aminay,

Mpanjakanay ianao.

Mamindrà fo aminay,

Ankavanan’izy Ray.

Mamindrà fo aminay.

 

Ruban vers le bas: Gloire à Dieu au plus haut des Cieux
Paix sur la terre car il a rependu son Amour

 

 

 

 

 

 

 

Ellipse: 3
 



 

Ry vahoaka voafidy

Ry vahoaka voafidy,

Voafidin’Andriamanitra,

Avia hitsaoka ny Tompo,

Ruban vers le bas: Peuple élu, viens Adorer ton Seigneur Dieu
An’ilay Foloha sy Mpiandry anao.

 

 

 

1.   Avia mifalia ka hobio ny Tompo,

Ilay vatolampy sy vonjintsika.

 

2.   Andeha mankeo anoloany hisaotra,

Hihira sy hiantsa ary hankalaza azy.

 

3.   Fa izy Andriamanitra sady Tompo

Mpanjakan’ireo andriamani-kafa.

 

4.   Ny atin’ny tany eo am-pelatanany,

Ny tampon’ny vohitra azy koa.

5.   Nataony ka azy ny ranomasina,

N’tanety azy koa fa asan-tanany.

 

6.   Avia miondreha ary miankohofa,

Hitsaoka ilay Tompo nanao antsika.

7.   Fa izy no tena Andriamanitsika,

Isika vahoaka sy ondry fiandriny.

 

8.   Hihaino azy ve ianareo anio ?

Fa izao no ambarany sy lazainy :

9.   Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,

Toy ny tany Masà sy tany Meriba.

 

10. Ny razanareo dia nitsapa ahy !

Kanefa nahita ny asa vitako.

 

11. ‘Ty taranaka ity efapolo taona,

Dia nahatofoka ahy, nahatezitra ahy.

 

12. Vahoaka mpaniasia tokoa ity,

Tsy mety hahalala ny tena lalako ;

13. Koa tezitra aho ka nianiana

F’ireto tsy hiadana miaraka amiko.

 

14. ‘Ndeha isika hisaotra ny Tompontsika,

Ny Ray be fitia ‘zay nifidy antsika.

15. Ny Zanany nentiny niantso antsika,

Fanahiny kosa nomeny antsika !

 

Mino aho, Andriamanitra ô

Mino aho, Andriamanitra ô, mino aho, Andriamanitra ô,

Mino mafy aho ‘zay voalazanao (Andriamanitra ô) ;

Mino aho, Andriamanitra ô, mino aho, Andriamanitra ô,

Mino mafy aho ‘zay voalazanao.

 

1.   Andriamanitra Ray mahefa a

Nanao ny lanitra sy ny tany ô

Sy ny zavatra hita maso e

Sy ny zavatra tsy hita maso ô

‘Zaho mino an’i Kritsy e

‘Lay Zanaka lahitokana a.

 

Mino aho, Andriamanitra ô

Mino aho, Andriamanitra ô

Mino aho, Andriamanitra ô

Mino aho, Andriamanitra ô

Mino aho, mino aho

Mino aho, mino aho e.

2.   Andriamanitra fahazavana a …

Andriamanitra fahamarinana ô ;

Nateraka izy fa tsy natao e,

Iray fomba aminy Ray ô

Ary izy no nahariana a

Ellipse: 4An’izao tontolo izao ô.

Mino aho, …

3.   Ka isika olombelona a …

Sy ny famonjena antsika e

No nidinany avy any an-danitra ô ;

Naka nofo tamin’i Maria ô.

Noho ny herin’ny Fanahy Masina a,

Ka tonga olombelona ô.

Mino aho, …

4.   Nofantsihana ho antsika izy e

Tamin’ny hazofijaliana a,

Tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty ô,

Dia nijaly ary nalevina e,

Fa nitsangan-ko velona izy e

Tamin’ny andro fahatelo ô.

Mino aho, …

 

5.   Niakatra any an-danitra izy e,

Dia mipetraka eo ankavanan-dRay ô ;

Mbola ho avy amim-boninahitra a

Hitsara ny velona sy ny maty e ;

Ary tsy hanam-pahataperana a

Ny voninahitra sy ny fanjakany ô.

Mino aho, …

 

6.   ‘Zaho mino ny Fanahy Masina a,

Tompo sy loharanon’aina e,

‘Zay tsaohina sy omem-boninahitra a

Miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka a ;

Fa niteny mazava tsara izy e

Tamin’ny vavan’ny mpaminany ô.

Mino aho, …

 

7.   ‘Zaho mino ny Eglizy masina a,

Katôlika, apôstôlika e ;

Mankatò ny batemy tokana aho e,

Ho fanalana ny fahotana a,

Miandry ny hitsanganan’ny maty a

Sy ny fiainana mbola ho avy ô.

Mino aho, …

 

 

Ruban vers le bas: Je vous donne la Force du Saint Esprit

 

 

 

 

 

Homeko ny herin’ny Fanahy

Homeko ny herin’ny Fanahy ianareo e,

Ka ho vavolombeloko

Hatrany am-paravazantany,

Ho vavolombeloko.

 

1.   Ihirao antsa vao ny Tompo

Fa mahagaga ny zava-bitany !

Fa ny tanany no namonjy,

Nanampy azy ny herin-tsandriny.

Ka dia hitan’ny firenena

Ny famonjena amam-pamarinany.

Mba tsarovy, ry Israely,

Ilay fitiavany tsy mivadika.

 

2.   He zahao e, ry vazantany,

Izato vonjin’Andriamanitra,

O, ry tany, derao ny Tompo,

Ka mietàna amin-karavoana ;

‘Ndao antsao am-baliha ny Tompo

Anaovy antsy sy fihobiana,

Feon’antsiva sy anjomara,

Enti-midera ny fiandrianany.

 

3.   Aok’hidoboka anie ny rano,

Ny ranomasina sy ny mponiny ;

Ka hitehaka anie ny ony,

Hitotorebika koa ny vohitra !

Mba hitsena ny Tompo tamy

Hitsara ny olona tsy an-kanavaka,

Ary hitsara ny firenena

Am-pahamarinana sy ara-drariny.

 

4.   Andredony antsa vao ny Ray

Fa mahagaga ny zava-bitany,

He ! ny Zanany no maneho

‘Lay famonjena efa nosoritany.

Ny Fanahiny manan-kery

Afa-manentana antsika zanany

Hanambara amin-kasahiana

Ilay fitiavany tapitr’ohatra !

 

 

Ellipse: 5