KOLONTSAINA MALAGASY sy ny Fiangonana...
Ny vaomiera ny Kolontsaina no mpandrindra sy mamerina ny fampitana fampianarana ireo hai-riba sy haren-tsaina ny Ntaolo malagasy amin'ny alalan'ireo teny malagasy, tantaran'ny firenena, fomba amam-panao nentim-paharazana (fora-zaza, ala volon-jaza, sns...), lalao toy ny fanorona, katro, ady ravina, ho an'ny solofo sy dimby ary taranaka amam-para, eny na ho an'ireo olona te handalana ny soa toavina maha-malagasy aza.
Vaindon-draharaha ny mampita ny kolon-tsaina malagasy indrindra ny teny Malagasy amin'ireo taranaka, dimby sy fara, hitondra ny FKMP afaka fotoana vitsy dia vitsy.
koa anisan'izany ny Fampianarana ny teny malagasy ireo ankizy 4-12 taona.
Ireo HETSIKA efa nandraisany anjara...
- Fandraisana anjara lehibe tamin'ny fanomanana ny fetim-piangonana :
ankizy : filalaovana tantara sy angano an-dapihazo (teatra), dihy sy ny vako-drazana
lehibe sy ny tanora : don-tany sy kapo-tandroka.
- Fetin'ny Reny sy ny Ray : fanaovana tsianjery sy hira ho fahatsiarovana sy fankalazana ilay andro natokana ho an'ireo Raiamandreny loharano nipoirana, nahitàna masoandro.
- Fetin'ny Noely : fandraisana anjara amin'ny tsianjerin'ny noely.
- Fandraisana anjara tamin'ny "koranam-pianakaviana", izay fety sy lanonana nokarakarain'ny fiangonana.