JMJ 2011- MADRID

Fijerin’ny mpanabe

Samy nanana ny antony nanainga azy avy handeha any amin’ny JMJ tany am-piandohana ireo tanora malagasy katolika delegasiona avy eto Frantsa : 11 (Parisy), 6 (tanàna hafa) niampy 3 avy any Madagasikara.

I Kristy Lohan’ny Fiangonana, nalaina tamin’ny taratasy nosoratan’I Md Paoly ho an’ny Kolosianina (toko 1) no nentina niomanan’ izy ireo ara-panahy talohan’ny niaingàna, mba “hamaka sy hifototra amin’i Kristy, hamafisina ara-pinoana”(Kol,2,7) izy ireo araka ny loha hevitra nentin’ny Papa Benoît 16 tamin’ity fihaonam-be tany Madrid ity.

Tena azo notsapai-tanana fa ombieny ombieny dia nifanatona ny lala-piainan’izy ireo ara-panahy ary tena tanjona iray tokoa no nifikiran’ny rehetra tany Madrid dia i Kristy, ka na lalana samihafa aza no narahin’ny tanora tany amboalohany dia tafara-dalana ary nifantoka tamin’i Kristy avokoa ny rehetra taty amparany.

Ary teny an-dalana nody, rahefa natao ny jery todika izay nanentana azy ireo ka namela marika tao am-pony dia ireto no santionan’ny voalazan’izy ireo :

- fiderana sy fitsaohana an’Andriamanitra

- hafaliana

- fahanginana

- fibebahana

- fampihavanana

- fiangonana sy finoana maneran-tany miray ao anatin’ny fahasamihafana

- Kristy vatolampy tsy mikoro

- fijoroana ho vavolombelon’i Kristy

Dia tena hita fa fotoana iray lehibe eo amin’ny fiainam-pinoan’ny tanora tokoa ny JMJ ka hanentanana azy ireo hatrany.

Fara Rasolojaona, mpanabe