|
Tsy fantatro ny tena niavian’ny anarana
nahafantarana azy hoe : “Beloha”. Fa samy taitra daholo rehefa maheno izany. Mino aho fa ny mpianany tao amin’ny Kolejy Saint
François Xavier tao Fianarantsoa, angamba, no nanome azy izany anaram-bosotra
izany, izay isany nanampy azy tamin’ny adidy natrehany. Fomba koa moa tany
amin’ny Sekoly Katolika ny manome anarana fanampiny avy amin’ny mpianatra, na
mpiangona ireny Pretra sy Masera ary Relijiozy ireny.

(Fiaraha-misakafo tamin’I Beloha
teto amin’ny FKMP tamin’ny taona 1999)
Fa iza tokoa moa I
Mompera Beloha ?
Ny 6 novambra 1924 izy no teraka, tao amin’ny
n° 26, rue des Carmes, tao Nancy,
Meurthe-et-Moselle. Nitondra ny fanampin’anarana hoe Michel Jules
Auguste, zanak’I Joseph Charles Georges PELTEREAU-VILLENEUVE, vadin-tany
(notaire), sy ramatoa Marguerite Marie Léonie Clémentine RAYEL. Zaza faharoa amin’izy efatra
mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy (rahalahy iray sy anabavy roa).
Ny 09 novambra 1924, izy no natao Batemy tao
amin’ny Fiangonana Saint Sébastien, ao Nancy.
Tena Kristianina Katolika mpikatroka tokoa ny ray aman-dreniny ka raha mbola
nifàna teo am-pandriana ny reniny dia efa natao Batemy I Michel kely, izay
vao teraka telo andro fotsiny. Ny sekoly nianarany ny abidia sy dingana
voalohany amin’ny fanolokoloana ny saina (Fanabeazana fototra sy ambaratonga
voalohany amin’ny Kolejy) nandritra ny taona 1931 – 1939, dia tao amin’ny
Sekoly Saint Sigisbert tao Nancy.
Niroso ihany koa izy teo amin’ny fandalinam-pinoana sy fitaizam-panahy
amin’ny maha-kristianina azy ka nandray ny Sakramentan’ny Konfirmasio tao Saint Sigisbert, ny
19 jona 1936, tamin’ny Evekan’I Nancy, I Mgr Marcel FLEURY.
Nifindra monina tany Tours ny ray aman-dreniny avy eo, ka tany
izy no nanohy ny fianarana ambaratonga faharoa (1939 – 1943), tao amin’ny
Sekoly Saint Grégoire. Fa namerina ny kilasy famaranana tao amin’ny Saint
Sigisbert tao Nancy
izy ny taona 1943 -1944, ka nahazo ny Bakalôrea Philo-Lettres ny volana jolay
1944.
Vita ny Ady Lehibe faharoa tamin’ny volana
may 1945, fa mbola nitohy ny ady tany Indôsina (Azia). Nirotsaka an-tsitrapo
tao amin’ny raharaha miaramila izy ( 5 janoary 1945 – 28 febroary 1947). Nalefa
tany Allemagne sy tany Indôsina tao amin’ny 2ème Division Blindée, grady 2ème
classe. Vita ny raharaha miaramilany ny volana marsa 1947, ary niverina teto
Frantsa nianatra tao amin’ny Oniversité tao Nancy, nanaraka ny
sampam-pianarana « Lettres Modernes », enim-bolana monja, fa nahazo
ny Certificat de Lettres Modernes izy.
Traikefa ratsy ny ady
Raha tafaresaka izahay mianaka
indray andro, dia io raharaha miaramila io, no nolazainy tamiko, fa
nampitsomoka tao aminy ny fikasana hanao Pretra. Zava-dratsy ny ady, traikefa
ratsy, hoy izy tamiko, ka nanimba ny eritreritriny mihitsy. Koa nifidy an’i
Kristy izy ho arahina, Kristy Fiadanana, Kristy Fandriampahalemana, ho filamatry
ny fiainany. Ny Fikambanan’I Jesoa (Zezoita) no nifinidiny, ka tao amin’ny
Noviciat de la Croix, tao amin’ny Faritry Champagne izy no niditra ny 20
oktôbra 1947. Nikolokolo azy
tao ny Maîtres de novices roa lahy dia I Mompera isany Pierre MAES sy I René
ROGE. Lava be moa ny fiofanana ao anatin’ny Fikambanan’I Jesoa fa dia nizotra
tsara izany. Fony izy Juvénat, no nanao ny voady voalohany teo anatrehan’I
Mompera Charles CHAMUSSY, tao Yzeure,
tamin’ny 25 desambra 1949. Herintaona ihany no nataony. Fa lasa nanohy
ny fianarana Philosophie tany Vals-près-Le-Puy izy nandritra ny roa taona
1949-1950, ka tamin’io no nataon’I Mgr THOYER tonsure izy (araka ny fomba
fiomanana ho Pretra tamin’izany).
Nahita an’i Gasikara
voalohany
Efa nitsimoka tao amin’i Mompera Beloha ny ho
misionera aty Madagasikara, ka tonga teto anivon’ny riaka
voalohany izy ny 23 aogositra 1952. 28 taona ny lehilahy. Toy ireo
misionera vahiny rehetra dia nianatra teny malagasy tao Ambositra izy ny
taona 1952 – 1953, ka i Mompera Antoine de Padoue RAHAJARIZAFY, zezoita toa
azy, no mpampianatra. Avy eo nanao Régence tao amin’ny Kolejy Saint François
Xavier tao Fianarantsoa. Tao no toerana nifaneraserany betsaka ireo Malagasy
ka maro amin’izy ireo no tsy foiny ka tongany taty Frantsa nanohy ny
fianarany. Ary ny sasany tamin’izy ireo no nikarakara azy fony narary izy
hatramin’ny farafon’ainy tao Lille. Vita ny Régence dia nanohy ny fianarany
Teolojia tao Ambatoroka i Beloha nandritra ny 4 taona ka tao izy no nandray
ny laharana “ordres mineurs”
tamin’I Mgr Victor SARTRE, zezoita, sady Arsevekan’Antananarivo. Ny taona
1957 izy no nohamasinin’i Mgr Xavier THOYER, Arsevekan’i Fianarantsoa ho
Diakra tao amin’ny Katedralin’i Fianarantsoa. Ary ny 30 Jona 1957, i Beloha no tonga
Mpisoron’ny Avo indrindra, nohamasinin’i Mgr THOYER ihany, tao amin’ny Paroasy
Saint Charles Ambatomena ho Pretra. 33 taona izy. Tao Gasikara no tena
niofanany ho Pretra. Zanak’I Gasikara izy.
Namita ny dingana farany eo amin’ny fiofanana
ho tonga zezoita
(Troisième An) tao Saint Martin d’Ablois, Marne,
teto Frantsa, ny taona 1958 – 1959. Avy eo izy niverina tany Madagasikara,
nanohy Régence volana vitsivitsy faraparan’ny taona 1959, tao amin’ny Kolejy
Saint François Xavier tao Fianarantsoa. Fony izy économe tao amin’ny Résidence-ny
zezoita tao Ambozontany no nanaovany ny voady farany amin’ny maha-zezoita
azy. Ary dia niasa ho an’ny Province-ny Zezoita eto Madagasikara izy.
Apôstôly nafana fo
Ny Faritry Zafimaniry no
niasany voalohany teo amin’ny asa pastôraly ka nafana fo ery izy. Toy ireo Apôstôly nitety
vohitra sy tanàna hanambara ny Vaovao Mahafaly nefa koa niray petsapetsa
tamin’ireo olona novangiana. Notiaviny
manokana iny Faritra iny. Dia tongotra lava dia lava no nataony. Teo
no nahatsapana ny fitiavany manokana. Enin-taona izy no tao (1960- 1966).
Nandeha niasa kely telo taona 1967-1970 tany Lille izy tao amin’ny Procure
des Missions. Dia niverina indray tany Madagasikara, ka lasa Préfet des études
ny ambaratonga faharoa tao amin’ny Kolejy Saint Fraçois Xavier tao
Fianarantsoa, hatramin’ny taona 1977. Dia avy eo Préfet des études, Préfet de
discipline sy ny ambaratonga voalohany tao ihany nandritra ny herintaona ary
dia nifarana tao amin’ny ambaratonga faharoa izany nandritra ny 3 taona
(1978-1981).
Mpivahiny tsy nitandro hasasarana izy
Niverina niala sasatra teto
Frantsa tany Lille izy nandritra ny taona 1981-1982 (année sabbatique).
Lehibe ny fandaharan’Andriamanitra ka raha lasa nonina tany Toulouse izy dia
niandraikitra ny Fiangonana Katolika Malagasy tao nanomboka ny taona 1982. Ary dia tafahoana indray ny samy Mpivahiny
Malagasy teto Frantsa. Efa nandray ny tenany ho Malagasy rahateo I Beloha ary
isan’ireo namporisika hatrany ny fianakaviana Malagasy hampianatra ny zanany
teny malagasy izy. Nahavariana ny Prôtestanta Malagasy aty Andafy (FPMA) ny
fanentanana nataony mamporisika ny fianakaviana Malagasy hampianatra ny
zanany teny malagasy.
Ny taona 1983 aho no nahita sy nahalala an’I
Beloha voalohany ary niara-niasa izahay mianaka nandritra ny 22 taona
(1983-2005). Tsy nahafoy ahy mihitsy fa miantso telefaonina raha vao misy
zavatra tiany anontaniany. Raha niandraikitra ny Fifandraisana teto amin’ny
FKMP aho tamin’io taona 1983 io dia nirahana namita iraka tany Toulouse niaraka tamin’I
Jacques RANAIVO, komitim-piangonana teto amin’ny FKMP. Nisy fanasana
voarain’ny FKMP mantsy tamin’ny fihaonan’ny Fiangonana tany atsimo (Montpellier, Bordeaux ary
Toulouse),
tamin’io. Teny amin’ny Notre-Dame de Côteaux (Toulouse) ny fihaonana. I Beloha no nanao
famelabelarana momba ny “Fihavanana”, ary mpaka an-tsoratra aho. Nitsimoka
teo ny fiaraha-miasanay mianaka, ary nekeny ny hevitra naroso fa tokony
haverina indray ny Aumônerie Nationale aty Frantsa ka antsoina daholo ny
Katolika Malagasy eran’ny Frantsa. Noho ny fitahian’Andriamanitra dia
tanteraka izany ary izy no Aumônier National hatramin’ny taona 2006 satria
nanomboka vizana izy. Ampatsiahivana fa Itompokolahy Dany Rafenoarisoa,
Prezidàn’ny Toulouse
no Prezidà voalohan’ny ANCMF. Samy lasa izy mianaka izao, pejy iray no
mivadika eo amin’ny tantaran’ny ANCMF. Tsy mora ny fananganana ny ANCMF tany
am-piandohana satria tsy nitovy ny hevitra ireo Fiangonana tany atsimo.
Saingy nahatoky ahy I Beloha izay izaho avy aty avaratra, ka saika
izaho no nitarika ny fivoriana matetika. Ampanetren-tena no ilazana izany. Fantatry
ny maro amintsika moa I Beloha fa tsy dia be resaka rahefa mivory fa somary
resy tory kely aza indraindray.Tena tsy nitandro hasasarana mihitsy anefa I
Beloha nitety tanàna, namporisika ny fananganana “Communauté Malagasy” isaky
ny tanàna araka izay azo atao eran’ny Frantsa. Endrey ny hafalian’ny Malagasy
Katolika mifankahita isan-taona satria isan-taona ny Zaikabe tany
am-piandohana. Saika niaraka taminy foana aho, araka izay fahafahana, satria
nandray anjara tamin’ny famelabelarana sy fanentanana. Sady sekretera no
sôfera, hoy ny mpivazivazy. Noforonina ny gazety OLOMBAOVAO tany amin’ny
Zaikabe tany Le Breuil ny taona 1992, ampifandray ny Malagasy Katolika
rehetra. Ny tenanay sy I Jacques RANAIVO (lasa
mpanao gazety ao amin’ny Lakroan’I Madgasikara izy izao) no nampiandraiketana
izany hatrany ampiandohana sy nanome
an’io anarana OLOMBAOVAO io. I Marius RANDRIANALIFERA no Prezidà Nasionaly
tamin’izany. Tsy nitandro hasasarana mihitsy I Beloha amin’ny famporisihana
amin’ny asa pastôraly. Matetika izy tonga
eto Paris dia
miara-midinika kely aminy tao amin’ny Rue de Grenelle (Paris 7ème) fonenan’ny
zezoita.
Torak’izany koa tamin’ny fananganana ny FFKM
Frantsa (Paris
moa efa nanana traikefa ekiomenika dia ny EEMA), izay nahazo fankatoavana
tamin’ny FFKM any Madagasikara ny volana janoary 1992. Anjaran’ny ANCMF ny
mitoriteny tamin’ny fanokanana ny FFKM Frantsa, ka tadidinay tsara fa
nomanin’I Beloha tamin’ny teny frantsay ny toriteniny dia nalefany taty
aminay sy I Jacques mba ho hadika teny malagasy. Nazava ny foto-kevitra fa raha
tsy miara-mijoro vavolombelona ny Kristianina rehetra dia tsy ho voataritsika
ireo mbola tsy mino an’I Kristy. Nanolotra ahy ho Tonian’ny FFKM Frantsa izy
ka niandraikitra izany nandritra ny 10 taona mahery aho.
Ho antsika FKMP manokana dia tsy ho hadinontsika
I Beloha satria izy no lalana nahazoantsika Pretra tsy tapaka nanomboka ny
taona 1983. Niara-nihaona tamin’I Mompera SALOMON-LEGAGNEUR izahay mianaka,
izay mpiandraikitra ireo Pretra sy Relijiozy mianatra aty Frantsa. Io Pretra
io no mitady izay Pretra malagasy vonona hianatra aty Paris sady mba mitantana (Aumônier) ny FKMP, teo koa ny
fihaonana tamin’ny Vikera episkôpaly miandraikitra ireo Katolika mpiavy eto
amin’ny Diosezin’I Paris. Isaorana an’Andriamanitra fa hatramin’izao isika
FKMP dia manana Aumônier ary mankalaza Sorona Masina isan’Alahady.
Toy ny Apôstôly mafana fo mety hosondrovaka
indraindray, na Mpivahiny tsy mitandro hasasarana mety hovizana ihany koa. Eny
olombelona I Beloha ka mety maty. Nanomboka vizana izy ny taona 2006, niha
tsy salama. Eny fa na dia izy miara-tory, mivezivezy etsy sy eroa ireny aza
dia efa taizan’aretina fa tsy mba nitaraina. Ny 31 jolay 2008 izy nandeha nisotro ronono,
niala sasatra tany Lille-Stations. Ary niombo ny aretiny dia nodimandry ny 27
febroary 2012 lasa teo, teo amin’ny amin’ny faha-87 taonany. Ny Tompo no
hanome azy ny fitsaharana mandrakizay eo am-piandrasana ny Fananganan-ko
velona. Misaotra anao izahay Beloha tamin’izay rehetra nataonao ho
fampitomboana ny ambandain’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy ny fitiavanao
manokana ny Malagasy sy I Gasikara tanindrazana.
Mandria am-piadanana Beloha !
“Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin’ny
fialan-tsasatra” Hebrio 4, 3
ELIASY Liva
|