“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 15 Marsa 2009

N° 09

ALAHADY FAHATELO KAREMY – TAONA B

 

NY LALANA : NATAO HANGEJA SA HANAFAKA ?

 

« Izaho no Tompo Andriamanitrao, ilay namoaka anao avy any Ejipta ka nanafaka anao tamin’ny fanandevozana. » Ek 20, 2.

 

Matetika raha vao « didy » na « lalàna » no resahina dia ny  fetran’ny fahafahan’izay iharan’ny  didy na ny  lalàna no ao an-tsaina. Mety ho tonga aza ny fanontaniana hoe : « Olona afaka tokoa ve aho rehefa afaka manao izay rehetra tiako atao ,araka izay tiako sy fotoana hanaovana azy ? » Raha ny voalazan’ny Soratra Masina dia mazava ny nandraisan’ny vahoaka Israely ny hevitry ny lalàna. Nomen’Andriamanitra azy ireo ny lalàna, tsy  hanandevo azy fa  hanafaka  azy. Nanampy azy ireo ny lalàna mba hitari-dalana azy    ho amin’ny  Fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra hatrany am-boalohany

 

Ny didy lehibe voalohany : « Izaho no Tompo Andriamanitrao, ianao aza manana Andriamanitra hafa afa-tsy Izaho. » Eks 20, 3 dia maneho sori-dalana mazava fa tokana Andriamanitra ary ny fanompoana zavatra hafa rehetra : vola, harena, voninahitra, andrimani-kafa…dia mitondra any amin’ny fangejana ; izany hoe rehefa manaraka io didin’Andriamanitra io isika dia tsy manana Tompo afa-tsy Andriamanitra Ray irery ihany ary ny sisa rehetra kosa dia zary fitaovana manafaka antsika ka manampy antsika hanompo Azy sy hanampy ny hafa. Araka izany dia natao hanafaka fa tsy hangeja ny lalàna satria ireny no sori-dalana mazava atolotr’Andriamanitra antsika isan’andro mba hizorantsika mazava sy amim-pitokiana amin’ny lalan’ny fahafahana sy fahamarinana mba handresentsika ny jiogan’ny ratsy rehetra.

 

Raha jerena amin’ny mason’olombelona fotsiny ny fandroahan’i Jesoa ny mpivarotra isan-karazany tao an-Tempoly  dia toa tsy mba nanana fo antra na fandeferana   mihitsy i Jesoa.   Manome ohatra velona ho  antsika anefa Izy  amin’ny fanatontosana ny lalàna izay mitory fa masina ny tranon’Andriamanitra ka tsy maintsy hajaina sy tiavina araka ny voalazany hoe : « Ny fitiavako ny tranonao ny maharitra ny aiko. »,  satria ambony indrindra ny Ray ary tsy manam-paharoa. Tandindon’ny vatantsika tsirairay avy io Tempoly io satria isika tsirairay dia Tempolin’ny Fanahy Masina izay noraisintsika tamin’ny Batemy. Mila kolokoloina sy hajaina  noho izany ity vatantsika ity satria « Masina ». Maro no mety hanimba azy toy ny fahotana amin’ny endriny samihafa na ny rendrarendra manodoka entin’ny rivotry ny fivoarana isan-karazany… izay endrik’ireo mpivarotra noroahin’i Jesoa tao an-Tempoly. Ny didy folon’Andriamanitra , sy ny didin’ny Eglizy no manampy antsika amin’izany. Tsy mangeja ireo fa mamelona antsika.  Anjarantsika amin’izao karemy izao ny mijery izay didin’Andriamanitra tsy voahajantsika tsara , ka ezahina ho tandremana.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 15 MARS 2009 – MESSE DU 3ème  DIMANCHE DE CAREME
Année B – Couleur liturgique : Violet

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky Eksaody

Eks 20, 1 - 17

Tamin’izany andro izany, Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe: “ Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanadevozana. Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro : ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra ; ary amin’izay izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo. Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao, fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany. Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.

 Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao. Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitra; tsy hanao asa na inona na inona, n any tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao. Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro faha fito dia nitsaharany, ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

 Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao. Tsy hamono olona ianao. Tsy hijangajanga. Tsy hangalatra ianao. Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao. Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao, tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny, na ny ombiny na ny ampondrany, na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 1, 22 - 25

Ry Kristianina Havana, ny Jody mila famantarana ; fa ny Jentily mitady fahendrena ; ary izahay kosa mitory an’I Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana. Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily ; fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa amin’izay voaantso, na Jody na Jentily. Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra, dia mahery noho ny herin’ny olombelona.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !


 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany

Jo. 2, 13 - 25

Akaiky ny Pakan’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema I Jesoa. Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy, dia nadroaka azy rehetra mbamin’ny omby  aman’ondry hiala amin’ny Tempoly ; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: “ Esory eto ireto, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”. Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe: Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko. Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe: “ Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?” Dia namaly i Jesoa nanao hoe: “ Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana”. Ka hoy ny Jody: “ Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e”. Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy. Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’I Jesoa izy ireo. Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka, dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony; nefa tsy natoky azy ireo I Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy, sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

 

 

 


NY SOA NO IFANDOVANA

 

 

Hain-teny : « Mamelà mivalo »

Korintsandrintsana ny lefona, tononana ny andry malama ; raha heloka indray mandeha amana indroa, aza amoizana azy, fa anaro izy.

Fa raha heloka intelo na inefatra, dia ario, fa ny mamoy efa fanao, ary ny tsy manana efa mahazatra rahateo.

Kanefa na atao aza izany, tsarovy ny tenin’ny ntaolo hoe : « Heloka roa ambin’ny folo no mahafaty ». Fa raha mitsotra ho resy, ka miaiky ho babo, dia avelao, fa efa mitsangan-kazo fotsy.

 

Vaomieran’ny Kolon-tsaina

 

 

¤
VAOVAOM-PIANGONANA

1.

MATSOM-PANAHIN’NY FIANGONANA

Ho fanomanana ny Paka amin’izao vanim-potoanan’ny Karemy izao dia hanao Matsom-Panahy ny Fiangonantsika ny Alahady 29 Marsa 2009 tontolo andro. Ny fotoana dia manomboka amin’ny 9 ora maraina ary faranana amin’ny Lamesa eny an-toerana. Izany moa dia hatao etsy amin’ny Sœurs Aveugles de Saint-Paul 88, Avenue Denfert-Rochereau Paris 14ème. Métro Ligne N° 6 na RER B : Denfert-Rochereau.

2.

VAOMIERAN’NY FINOANA :

Nanao Matsom-panahy ny Vaomieran’ny Finoana nomaly  Asabotsy 14 Marsa 2009, tontolo andro, nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ary nifarana tamin’ny 5 ora hariva. Ny lohahevitra dia mifantoka amin’I Masina Maria. Nisy koa ny fifanazavana eo amin’ny vaovaon’ny Fiangonana Eran-tany. Teny amin’ny MEP Paris 7ème no nanaovana izany.

3.

KATESIZY :

Mitohy hatrany ny fianarana katesizy eto amin’ny Fiangonantsika. Izany dia manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ny alahady.

 

 

¦
soritr’asa manaraka

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

Isika mianakavy no iaraka hanatontosa ny Koranam-pianakaviana izay hatao eny amin’ny toerana filanonana « PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka amin’ny 9 ora alina. Manentena antsika mianakavy tsy misy avakavaka amin’izany. Mampporisika antsika hivarotra billets. Hoento ny Havana man-tsakaiza

 

 


FIZARANA ANDRAIKITRA

1.

MANENTANA LITORZIA :

F 22/03/2009 :
Antoko Mpihira « Feon’Ajomara »

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 21/03/2009 :
Vaomieran’ny Fifandraisana

 

Rakitra farany

08/03/2009

268, 48 €