“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 05 SEPTAMBRA 2010

N° 73

ALAHADY FAHA – 23  MANDAVANTAONA – TAONA D

 

AraHAbaina nahavita soa ny vacances e !

 

Vita ny vacances, antenaina fa nitondra hery sy tanjaka ho antsika iny mba hahafahantsika miatrika indray ny taom-pianarana sy taona pastoraly 2010-2011. Tao ireo nandeha tany an-tanindrazana sy firenena hafa. Tao ireo teto Frantsa ihany ary tao ny tsy nihetsika tao an-trano saingy tsy nanao ny asa fanao mahazatra fa niato kely. Samy vacances daholo izany koa arabaina nahavita soa izany fialantsasatra izany. Hiatrika taona pastoraly vaovao àry isika  manomboka izao alahady izao koa eto ampanombohana dia fisaorana sy fankasitrahana ary firarian-tsoa no atolotro antsika rehetra. Betsaka ny ezaka nataon’ny tsirairay nandritra iny taona lasa iny mba hanampiana ny hafa hivavaka tao ireo Vaomiera isan-karazany, tao ny Birao, tao koa ny tsy tao anatin’ny voamiera sy ny birao nefa dia niezaka tokoa, tsy nikely aina tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin’ny alalan’ny teny natao sy ny toro-hevitra ary tamin’ny fifanampiana isan-karazany. Mahavelombolo tokoa koa dia isorana anareo rehetra. Tsy vitan’ny pretra irery manko ny asa pastoraly fa isika rehetra mihintsy no miara-mirotsaka sy mifanome tanana, ary ny firotsahantsika rehetra no hahatanterahantsika ny Evanjely androany manao hoe: “izay mahafoy no mendrika ho mpianatr’I Jesoa”.

 

Mendrika ho mpiantr’I Jesoa ianareo satria nahafoy. Tsy ny vola aman-karena ihany no fananana azo hafoy fa ny hevitra, ny aina, ny andro sy ny fotoana lany. Sahiko ny milaza fa nahafoy isika rehetra; hita sy tsapa izany tamin’ny alalan’ireo fety natao hitadiavam-bola, ny denier de l’Eglise ho fampandrosoana ny asa pastoraly. Misaotra mankatelina anareo rehetra. Mbola maro ireo ezaka pastoraly hatrehintsika amin’ny ity taona vaovao ity. Ao ny pastoralin’ny diosezy, ao koa ny antsika manokana eto amin’ny FKMP. Koa mbola manentana antsika tsirairay samy handray an-tanana . Izay tsy mahay sobika hono, mahay fatam-bary. Ary ny asa tsy vita raha tsy ifanankonana. Mirary soa ho anareo vaovao vao tonga ato amin’ny FKMP ny tenako. Enga anie mba hanampy anareo hikaroka sy ho tia ny endrik’I Jesoa ity Fiangonana Malagasy mahatehotia eto Paris ity.

 

Farany, tsy hadinoka ny misaotra manokana an’i Père Richard izay niaraka tamintsika teto nandritra ny roa taona. Nanampy antsika izy na tamin’ny récollections na tamin’ny accompagnements isan-karazany. Hiverina hody hiasa any an-tanindrazana izykoa etintsika am-bavaka.

 

Dia mirary fanombohan’ny taona tsara ho antsika rehetra e!

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 05 SEPTEMBRE 2010
MESSE DU 23ème DIMANCHE DU TEMPS ORDINAIRE

Année C – Couleur liturgique : VERT

 

& VAKITENY MASINA VOALOHANY

 

Boky Fahendrena

Fah. 9, 13 – 18

Zovy no hahatakatra izay sitra-pon’ny Tompo.

Iza moa no olombelona afa-kahalala izay hevitr’Andriamanitra ? Na zovy no hahatakatra izay sitrapon’ny Tompo ? Miroahanàhana ny hevitry ny olombelona, ary anjoanjo ihany ny eritreritray. Satria vesaran’ny vatana mety lo ny fanahy, ary vizanin’ny fonenany tany ny saina maro hevitra. Zara raha mahavinavina ny eto an-tany izahay ; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay ; koa zovy no hahatakatra izay any an-danitra ? Zovy no nahalala izay sitra-ponao, raha tsy nomenao ny Fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony ? Izany no nahahitsy lalana an’izay eto an-tany, ka nahalalan’ny olombelona izay sitrakao, ary namonjena azy ireo tamin’ny Fahendrena.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA FAHAROA

 

Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’i Filemôna

Filem. 9b – 10. 12 – 17

Raiso izy, tsy toy ny mpanompo intsony, fa tahaka ny rahalahy malala.

Ry zanako malala, hitanao izaho Paoly efa antitra sady mpifatotr’i Jesoa Kristy koa ankehitriny ; dia mifonja aminao ho an’i Onesimo zanako naterako am-patorana. Ampodiko aty aminao izy, ilay sombin’ny aiko. Nikasa hihazona azy taty amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin’ny fifatorako noho ny amin’ny Evanjely ; saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitrapo tokoa. Angamba koa i Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo. Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& EVANJELY MASINA

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Lioka

Lk. 14, 25 – 33

Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro.

Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka be nanaraka an’I Jesoa, ary nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe : “Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mendrika ho mpianatro. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy dia tsy mety ho mpianatro. Ka iza tokoa moa aminareo no te hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay holanîny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia ; sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy, ka holatsain’izay rehetra mahita hoe : ‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona’. Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy, na tsia ? Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy hahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro”.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

 

Somebiseby ny ray aman-dreny amin'izao fotoana izao amin'ny fampidirana ny zanany any am-pianarana, hatrany amin'ny madinika indrindra ka hatrany amin'ny fampianarana ambony. Mitady lalandava izay toerana heverina fa tsara indrindra ho azy ireo. Manontany etsy sy eroa ny lalana idirana amin’ireny toerana fanta-daza ireny. Andaniana vola be, indraindray aza ivarotana fananana. Ireharehantsika mazàna ny hoe « maintimolalin'ny kolejy » tatsy na taroa, nivoaka avy tamin'ny « grandes écoles » tatsy na taroa , satria ireo no antoka ahazahoana fitaovana na diplaoma ho enti-manatrika ny fiainana.

 

Ary mihoatra lavitra noho izany , ny hoe « mpianatr'i Jesoa » na « maintimolalin'i Jesoa !! ». Rehareha tsy misy toy izany. Atorony antsika ny lalana idirana amin'izany : « ilaozy ny ray aman-dreninao, ny vadinao, ny zanakao, ny rahalahinao, ny anabavinao, ento ny hazofijalianao » (Lk 14, 26 – 27).

 

Ny valisoa dia mazava : « mendrika ho mpianatro » hoy Izy, ary hahazo ny fiainana mandrakizay , arak’ilay navaliny tamin’ilay mpanankarena iray nanontany Azy hoe : « inona no ataoko, hahazahoako ny fiainana mandrakizay ? ». « amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary avia manaraka Ahy » (Lk 18,22 ).

 

Ny fanarahana an’i Kristy dia mitaky finiavana sy fahafoizan-tena tokoa, ohatra lehibe tamin’'izany i Md François d’Assise izay namoy tokoa ny fananany rehetra, fa isika, na eo amin'ny fiainantsika tsirairay aza, dia antsoina amin’izany : tsy hifikitra amin’ny zavatry ny tany , hahantra am-panahy ka hanankina ny fiainantsika amin’i Kristy, mba ho mpianany satria Izy no lalana mankany amin'ny Ray.

 

Mila mpampita hafatra koa i Kristy, andraikitra raisin’ireo mpampianatra katesizy sy mpanabe ara-pinoana izany. Takiana amin’izy ireo ny finiavana sy fahafoizan-tena. Mba ahafahan’izy ireo manatontosa ny iraka ankinina aminy anefa  dia misy ny fanofanana atokana ho azy ireo , ka antsoina amin’izany ireo izay manam-paniriana ho isan’ireo mpampita hafatr’i Kristy . Ny fotoana atokan’ny diosezin’i Paris amin’izany dia ny Zomà 10 Septembre 2010 manomboka amin’ny 10 ora.

 

 

Fara RASOLOJAONA

Mpandrindra ny Vaomieran’ny Finoana

 

¦ soritr’asa manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA

 


HEREZO NY DIA RAHAVANA …

Manomboka taona pastôraly vaovao isika FKMP rehefa avy niala sasatra vetivety. Mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra hirotsaka amintsika mba hahefa be. Tsy mora ny iraka ampanaovina antsika nefa ny enta-jarai-mora zaka raha atao soroka miara milanja, tongotra miara-mamindra.

Miroso ny dia mankany amin’ilay Jerosalema vaovao miaraka amin’I Kristy Tompo. Sehatra sy sedra maro no miandry antsika eny an-dalana.

  • Fanomanana ny fihaonam-ben’ny tanora eran-tany JMJ 2011 izay hatao any Madrid (Renivohitry Espagne) ny 16 – 21 Aogositra 2011 : “ka hamàka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin’ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy” Kôl. 2, 7. Io no lohahevitra amin’ny JMJ. Miaina araka ny tena finoana an’I Kristy.
  • Mitohy koa ny fanentanana ataon’ny Diosezy eto Paris ny Paroasy rehetra mandritra ny telo taona amin’ilay lohahevitra : “Paroisses en Mission”. Ny taona voalohany dia 2009 – 2010 Eucharistie et Mission ; ary amin’ity taona faharoa 2010- 2011 ity dia Famille et Jeunesse. Mandray anjara feno amin’izany isika : Fifampizarana ao am-piangonana (Assemblée Paroissiale) sy fiofanana (modules de formation) karakarain’ny Diosezy any amin’ny Paroisses voatendry.
  • Fiofanan’ny mpampianatra katesizy karakarain’ny Diosezy : Zoma 10 Septmabra 2010  tontolo andro : (10h00 à 16h00).
  • Eo koa ireo asa fikatrohana sy fanentanana mahazatra antsika eto amin’ny FKMP. Ny fitaizam-panahy toy Matsom-panahy sns …
  • Ny Filan-kevitra Iombonana hataon’ny ANCMF amin’ny volana Novambra 2010 izao. Hihaonan’ny solontenam-piangonana manerana ny Frantsa miampy ireo Pretra sy Relijiozy.

 

Koa herezo ny dia rahavana, mahereza mandroso amin’ny lalin-dalina kokoa. Miraisa hina, fo amam-panahy eo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina, arehidrehitry ny fifankatiavana. Soava dia, soava tsarà.

 

Ny Biraom-piangonana

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

1.

MANENTANA LITORIZIA :

12/09/2010 : VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA

(Alahady faha 24 – Mandavantaona – TAONA D)

2.

MANADIO FIANGONANA :

11/09/2010 : VAOMIERAN’NY FITANTANANA

*