|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 11 JOLAY 2010 |
N° 70 |
|
ALAHADY FAHA –
15 MANDAVANTAONA – TAONA D |
|
|
“Mandehana àry, ka manaova
toy izany koa” (Lk 10, 37) “Tompo
ô, inona no hataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay?”. Io no fanontaniana lehibe napetrak’ilay mpampiana-dalàna hakana
fanahy an’i Jesoa. Any an-kafa i Jesoa dia namaly mivantana ilay tovolahy
mpanan-karena momba io fanontaniana io hoe : “raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy”(Mt 19, 17).
Eto koa izy dia mbola manantitrantira ihany ny anjara toeran’ny lalàna
manontany hoe“Inona no voasoratra ao
amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?”. Efa fantatr’ilay
mpampiana-dalana izay tokony ho valin-teny. Voalazany tsara sady navondrony
amin’ny fototra lehibe ijoroan’ny lalàna, dia ny Lalàn’ny Fitiavana : ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Tsy hoe ivelany
izany lalàna izany fa ao anatintsika, “ eo am-bavanao sy ao am-ponao mba
hanarahanao azy” araka
ny vakiteny I. Io lalàn’ny fitiavana io no mampisy sy mahavelona ny
olombelona. Ny fitiavana an’Andrimanitra alohan’ny zava-drehetra dia manosika
hitia ny olombelona tsy an-kanavaka manodidina antsika. Ilay mpampiana-dalana
anefa tsy nanaiky io fitiavana ny olombelona tsy an-kanavaka io. Ho azy dia
misy ireo olona natao ho namana sy ho tiavina, misy ireo olona tsy azo
antsoina hoe namana; ohatra amin’izany ireo Samaritana izay tsy nifankahazo
tamin’ny Jody. Iza àry no namako? hoy ilay mpampiana-dalana. Iza tokoa no namana tsy
maintsy ho tiavintsika tahaka ny tena araka ny fijerin’i Jesoa? Mamaly izany
ny fanoharana momba ilay Samaritana
tsara fanahy. Mazava fa Jody ilay voaendaka; ilay Samaritana mpivahiny
tsy mifankahazo amin’ny Jody anefa no nanatona namonjy azy. Ireo pretra sy
levita iray foko taminy kosa nandalo fotsiny satria voafatotry ny lalàna ivelany, tsy afa-mandoto
tena hitakosina amin’ny olona efa ho
faty (Lev 21). Koa ny namana ho tiavina lazain’i Jesoa eto dia ireo olona tsy
iray foko amin’ny tena, ireo tsy mitovy firazanana amin’ny tena, ireo tsy
mitovy finoana amin’ny tena, ireo tsy mitovy firehan-kevitra politika amin’ny
tena, ireo mifandrafy sy mety manenjika ny tena aza. Fa fitiavana manao
ahoana? Fitiavana
tompon’andraikitra, mikatsaka ny soa sy ny tsara ho an’ny hafa. Fitiavana tsy
voafatotry ny geja sy ny sakana eto ivelany. Fitiavana mahafoy sy maimaim-poana
toy ny an’ilay Samaritana. “Mandehana àry, ka manaova toy izany koa”. Io no irak’i Jesoa
miantefa amintsika. Ny handeha hivoaka amin’ny tontolon’ny tena
hanatona sy haneho fitiavana ny hafa, hatramin’ireo tsy mitovy firehana
amintsika aza. Io no lalam-pitiavana maha kristianina mitondra amn’ny
fiainana. Tsy mora anefa izany fa mila ilay fiorenam-paka amin’ny fitiavana
an’Andriamanitra izay manosika antsika hitia ny hafa tsy misy avakavaka. |
|
RAKOTOARISON Jean de Dieu, SJ Diacre |
e
DIMANCHE
11 JUILLET 2010 – MESSE DU 15ème DIMANCHE DU TEMPS ORDINAIRE
Année C – Couleur liturgique : VERT
|
|
& VAKITENY MASINA VOALOHANY |
|
||
|
Boky Deterônômy |
Det.
30, 10 - 14 |
||
|
Niteny tamin’ny
vahoaka Israely I Môizy nanao hoe : “Mihainoa ny
feon’ny Tompo Andriamanitrao ianao, ka mitandrema ny didy aman-dalàna
voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity ; miverena amin’ny Tompo Andriamanitrao, amin’ny fonao manontolo, sy
amin’ny fanahinao manontolo. Izao didy andidiako anao izao tsy dia hoe, ambony ho anao na ivelan’ny takatrao. Tsy
any an-danitra izy ka hisy hanaovanao hoe : “Iza no hiakatra any an-danitra
haka izany ho antsika sy hampahafantatra izany antsika sy mba hanarahantsika
azy ?” Tsy any an-dafin’ny ranomasina izany, ka hisy hanaovanao hoe : “Iza no
hiampita ny ranomasina haka izany ho antsika, sy hampahafantra izany antsika
mba hanarahantsika azy ?” Fa eo akaikinao
indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA FAHAROA |
|
||
|
Taratasin’i Md Paoly
Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôlôsy |
Kôl.
1, 15 - 20 |
||
|
Ry Kristianina
havana, I Kristy Jesoa no Endrik’ilay Andriamanitra
tsy hita ; Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao ; tao Aminy
no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ny ety an-tany, dia ny hita
sy ny tsy hita, na fiandrianana, na
fanjakana na fiamboniana, na fahefana ; taminy sy ho Azy no nahariana ny
zavatra rehetra. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao Aminy no
aharetan’ny zavatra rehetra. Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy ; Izy
no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty, mba ho Loha amin’ny
zavatra Izy, satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra
; ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny
zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny
Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny ety an-tany n any any an-danitra. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& EVANJELY MASINA |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i
Md Lioka |
Lk.
10, 25 - 37 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, nisy mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy an’I Jesoa ka
nanao hoe : “Tompo
ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay ?” Dia hoy I Jesoa taminy : “Inona no voasoratra ao
amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy ?”Ary namaly izy ka nanao hoe : “Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny
fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny
sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao”. Dia hoy I
Jesoa taminy : “Marina ny navalinao, manaova izany dia ho ho velona ianao”.
Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’I Jesoa hoe : “Iza àry no namako ?” Ary hoy I Jesoa taminy
: “Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikô, azon’ny
jiolahy ka nendahiny ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao
navelany. Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany
ka nahita azy, nefa nandalo ihany. Toy izany koa ity levita anankiray izay
tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. Fa nisy kosa Samaritanina
anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. Nanatona
azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao
nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka
nitsabo azy. Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano,
ary nataony hoe : “Tsaboy izy, ary na haotrinona na hoatrinona laninao
mihoatra noho ireny, dia honerako rehefa miverina aho”. Iza amin’izy telo
lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy ?” Dia hoy ilay
mpampiana-dalàna : “Ilay niantra azy”.
Hoy I Jesoa taminy : “mandehana àry, ka
manaova toy izany koa”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana
|
|
|
ILAY SAMARITANINA TSARA FANAHY Ny fifankatiavan’ny Ray sy
ny Zanaka ao amin’ny Fanahy Masina no tiany hiainantsika olombelona, ka
hahasambatra sy hahafinaritra antsika. Natao hifankatia isika, na avy aiza na
avy aiza, na ahoana na ahoana, io no maha-olona antsika. Ny fihavanana amam-pifankatiavantsika no mampiseho
mivantana fa mifankatia amin’Andriamanitra isika. Ny fifanatiavana no
voalazan’I Kristy fa hahalalana ny mpianany. Ny volon-koditra, ny vola
aman-karena, ny avakavaka ivelany samihafa, ambin-javatra izany, fa ny maha-olona
ihany no tena izy ; koa rehefa mety ho olona dia natao hifankatia, natao
hiray hina, natao hifanohantohana, natao hifanampy, natao hifampizara, ary
natao samy hanana ny anjarany amin’ny fahazoana ny tandrify azy hahamendrika
ny maha-olona azy. Vakio sy dinihontsika àry ny
Soratra Masina, dia ho hitantsika fa io fifankatiavana io, dia io ihany, no
tena marika ahalalana fa efa iainantsika tokoa ilay aim-baovao iarahantsika
ao amin’I Kristy mpandresy |
|
|
TENY FANOKAFANA |
|
|
ANDRON’NY TOMPO |
|
¦ soritr’asa manaraka
SY VAOVAO SAMIHAFA
|
|
1.
|
HANDRAY
NY SAKRAMENTAN’NY BATEMY
Ireto
indray ny zanaky ny FKMP handray ny Sakramentan’ny Batemy :
·
Asabotsy 10 jolay 2010
§
Vita
Batemy omaly RATSIMAMANGA Saroy, (1 taona), teto amin’ny Chapelle Saint Paul , joa miarahaba azy isika
mianakavy fa nitombo isa indray ny vahoakan’Andriamanitra.
·
Hatao any an-tanindrazana :
§
ANDRIAMANANTENA
Dylan Antsa, hatao
any Madagasikara miaraka amin'ny mariazin'ny ray aman-dreniny.
|
2.
|
FANASANA HANENTANA SORONA MASINA :
ALAHADY 29 AOUT 2010 ANY AMETTES (62)
Nahazo fanasana avy any amin’ny Fiangonana SAINT SULPICE ao 62 260 AMETTES,any akaikin’ny Arras,
avaratry Frantsa, ny FKMP, mba hanentana ny Sorona Masina. Izany dia hatao
ny ALAHADY 29 AOUT 2010, amin’ny 11 ora maraina. Ny hira
sy ny fihetsika fitondrana ny fanatitra, ny VONINAHITRA, ny MASINA, ary ny
ZANAK’ONDRY no angatahina hosahanin’ny FKMP manokana. Ny tolak’andro dia manao RINDRAN-KIRA. Ny Paroasy any no miantoka ny sakafo sy ny fampiantranoana. Misy
ampahany kely hiantohany koa amin’ny lasantsy.
Koa ireo rehetra izay afaka amin’izany dia
misoratra anarana dieny izao, fa ny Asabotsy 28 Aogositra no miainga eto
Paris ary miverina ny ampitso Alahady 29 folak’andro. Hisy ny famerenana izay
ho hatao mialohan’izany amin’ny vola aogositra..
|
FIZARANA ANDRAIKITRA
|
|
1.
|
MANENTANA LITORIZIA :
18/07/2010 : VAOMIERAN’NY TANORA
(Alahady faha 16 – Mandavantaona – TAONA D)
|
2.
|
MANADIO FIANGONANA :
17/07/2010 : BIRAOM-PIANGONANA
|