|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 04 JOLAY 2010 |
N° 69 |
|
ALAHADY FAHA –
14 MANDAVANTAONA – TAONA D |
|
|
I KRISTY NO LALAN-TOKANA - FIADANANA HO ANTSIKA Iza re no
zanak’olombelona tsy mba maniry ny mba ho sambatra ? Eto amin’ity tany
fandalovana feno ranomaso sy fijaliana. Feno fitarainana sy fahakiviana. Toa
mahatsiaro sambatra koa anefa indraindray arakaraka ny zava-misy sy ny
zava-mitranga eo amin’ny fiainana. Dia hoy isika Malagasy : voamaintilany ny
fiainana. Mivadibadika eo ny fifaliana sy ny
fahoriana. Fahakiviana sy ny fahazotoana. Mitranga izany eo amin’ny
lafim-piainana rehetra. Eny na eo amin’ny raharaham-piangonana aza. Ilay
finoana miredareda ao anaty, lasa fitsapana mivaivay. Ny fahazotoana mivavaka
isan’Alahady, mivadika hakamoana tsy laitra. Sakramenta roa lehibe
no ankalazaintsika izao : dia ny Batemy sy ny Eokaristia. Mitombo ireo
zaza vita Batemy, ary torak’izany koa ireo mandray ny Komonio Voalohany eto
amin’ny FKMP. Raha nanontanian’ny ny Pretra ireo ray aman-dreny niteraka sy
ireo ray aman-dreny mpiantoka ny angatahiny amin’ny Fiangonana dia namaly hoe
: NY
FINOANA.
Ary raha tsy manam-pinoana tsy mandray ny Batemy dia tsy afaka ankalaza ny
Eokaristia izay Misterin’ny Finoana. Io ilay Mistery lehibe hambarantsika
isan’alahady manao hoe : “Manambara ny nahafatesanao
izahay, ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra”.
Manambara ny Misterin’ny Fijalian’I Kristy , nefa koa mankalaza ny fandreseny
isika. Izay miady amin’ny fahalovana miaraka amin’I Kristy ihany no mandresy Ny Vakiteny aroson’ny
Fiangonana antsika androany àry dia manambara fa Lalan-tokana mankany amin’ny
Fiadanana I Kristy. Izy no Fiadanana maharitra ho antsika. Ao amin’ny Eokaristia Izy,
ary iainan’ny Fiangonana sy ivelomany ny Eokaristia. Izay ilay fampanantenana
fifaliana mandrakizay ho an’I Jerosalema araka ny Mpaminany Izaia ao amin’ny
Vakiteny Masina voalohany sy ny Salamo faha-65: “Manaova
hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra ry tany rehetra ; hirao ny voninahitry
ny Anarany”. Koa manova ny fiainantsika ny
Lakroa, ka nahaloa-bava an’I Md Paoly hoe : “Sanatria
mba misy ataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’I Jesoa Kristy Tompontsika”. Izay ilay Kristy
Vaovao Mahafaly anirahana antsika rehetra vita Batemy ka miakara amin’ny toerana ambony mba ho ren-tany,
ren-danitra fa efa nandresy niaraka tamin’I Kristy isika. Manara-dia amin’I Kristy isika fa Izy no Lalan-tokana
mitondra amin’ny fiadanana. Asehontsika
amin’izao tontolo izao fa mifankatia isika, ary fitiavana maharitra
mandrakizay izay no fototry ny Fiadanana. Rehefa mifankatia tsara isika eto
amin’ny FKMP dia izay no mitory an’I Kristy Fiadanana, I Kristy Vaovao
Mahafaly anirahana antsika mianakavy ambara eo amin’ny mpiara-belona
amintsika |
|
ELIASY
Liva |
DIMANCHE 04 JUILLET 2010 – MESSE DU 14ème
DIMANCHE DU TEMPS ORDINAIRE
Année C – Couleur liturgique : VERT
|
|
& VAKITENY MASINA VOALOHANY |
|
||
|
Bokin’I Izaia Mpaminany |
Iz.
66, 10 – 14d |
||
|
Miaraha mifaly amin’I Jerosalema
ianareo, ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy. Ary aoka
hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa, ianareo nitomany azy : mba hinonoanareo
sy hivokisanareo, amin’ny nonon’ny fampiononany ; ary mba hankafizinareo
amim-pahafinaretana, ny hafenoan’ny voninahiny. Satria izao no lazain’ny
Tompo : “Indro
hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny
firenena, hoatra ny renirano tondraka” ; ka ianareo dia
hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo am-pofoana. Hoatra ny olona
alàn-dreniny alahelo, no hanalako alahelo anareo, ka dia ho afaka alahelo ao
Jerosalema ianareo. Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo
aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon’ny tanan’ny Tompo izay
hahalalan’ny mpanompony Azy. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA FAHAROA |
|
||
|
Taratasin’i Md Paoly
Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Galasia |
Gal.
6, 14 – 18 |
||
|
Ry Kristianina havana, raha ny
amiko dia sanatria
mba misy ataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’I Jesoa Kristy Tompontsika,
fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary
izaho ho an’izao tontolo izao. Tsy mampaninona na ny famoràna na ny tsy
famoràna, fa ny olom-baovao no tena zavatra. Ho an’izay rehetra hanaraka ity
fitsipika ity anie, sy ho an’I Israelin’Andriamanitra koa, ny fiadanana
amam-pamindràm-po ! Amin’izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik’I Jesoa amin’ny vatako aho. Ho
amin’ny fanahinareo anie, ry Kristianina havana, ny fahasoavan’I Jesoa Kristy
Tompontsika ! Amen. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& EVANJELY MASINA |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i
Md Lioka |
Lk.
10, 1 – 12. 17 – 20 |
||
|
Tamin’izany andro izany, ny Tompo
nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa tamin’ny mpianany, ka naniraka azy
tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa
halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo : “Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy ; koa mangataha
amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana ; indro Aho maniraka anareo
tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny ambodia. Aza mitondra kitapom-bola na
kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dalana.
Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe : “Fiadanana anie ho amin’ity trano ity
; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ao aminy
ny fiadanana lazainareo ; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo
ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay
misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary
amin’izay tanàna hidiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hanao izay
atolony anareo ; ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe : Efa mby akaiky
anareo ny Fanjakan’Andriamanitra”. “Fa amin’izay tanàna hidiranareo koa anefa tsy mandray anareo ny
olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe : Na ny vovoky ny tanànanareo
nipetaka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo ; fantaro
anefa fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo fa amin’izany
andro izany, dia ho moramora kokoa ny ho amin’I Sôdôma, noho ny ho amin’izany
tanàna izany”. Ary niverina tamin-kafaliana ny
roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe : “Tompo ô, na
dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao”. Dia hoy I Jesoa
taminy : “Nahita an’I Satana nilatsaka
avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana
hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny
fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony
hifalianareo, fa noho ny anarenareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana
|
|
|
« Be ny vokatra
fa ny mpijinja no vitsy » : fantatsika tokoa io tenin'i Kristy io , ary mbola manohy iny
taona natokana ho an'ny pretra nankalazaintsika iny. Rahefa mandray ny Sakramentan'ny batemy isika
dia tonga « mpisorona, mpaminany
ary mpanjaka » ka manana adidy noho izany ho mpitory an'i Kristy
Vaovao Mahafaly maty sy nitsanga-ko velona ho famonjena antsika. Nalefan'i Jesoa tsiroaroa ny mpianany hitory ny Vaovao Mahafaly. Tsiroaroa
satria tsy miasa irery isika fa efa endriky ny Fiangonana sahady izany. Ireo
izay nanaraka an'i Kristy no lasa mpanambara Azy. Nirahiny hanambara fa mby akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra. Feno hafaliana tokoa ireo mpianany teo
am-panatanterahana izany iraka izany : iza tokoa moa no tsy ho faly rahefa
manambara Vaovao Mahafaly amin’ireo olona anirahana azy ? Fanehoana fahatokisana avy amin'i Jesoa ny
nifidianany azy ireo Toa izany isika rahefa mandray Sakramenta :
Andriamanitra no nifidy antsika sy niantso antsika. Izany no tokony hireharehantsika: raha
mandresy ny ratsy isika, noho ny fahefana nomen’Andriamanitra antsika amin'ny
alalan'ny batemy, dia tsy ny fanahy ratsy resintsika no tokony hifaliantsika,
fa noho isika voavonjy ary lasa mpandray anjara amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Mila mpianatra hanambara tokoa ny maha
akaikin’Andriamanitra antsika mba hahafahan’ny olona rehetra handray sy
hifampizara ny hafaliana vokatr’izany. Mila iainantsika anefa aloha izany
hafaliana izany ka tokony ho hita taratra eo amin’ny fiainantsika isan'andro. |
|
|
Fara RASOLOJAONA |
|
|
Vaomieran’ny Finoana – Antoko Mpihira FEON’ANJOMARA |
|
¦ soritr’asa manaraka
SY VAOVAO SAMIHAFA
|
||
1.
|
KOMONIO
VOALOHANY,
Ny Asabotsy 03 Jolay 2010 tamin’ny 10 ora sy sasany
No nanao Komonio Voalohany ny zanatsika 7
mianadahy eto amin’ny FKMP. Izany dia natao tany amin’ny.
Fiangonana
Saint Dominique,
16, rue
Tombe Issoire – Paris 14ème
Métro :
Saint-Jacques (Ligne N°6)
Koa miarahaba azy ireo isika mianakavy. Ireto
avy ireo ankizy ireo : RAMIHONE Tanjona, RAKOTO ANDRIANARY Dylan, RAHELISON
Manda, RAKOTOARIMANANA Miarana, ANDRIANJANAHARY
Naly, RAVELOJAONA Pierre, RANDRIANJANAKA Sariaka.
Vita Batemy kosa ny :
·
Asabotsy 03 jolay 2010 :
§
RANDRIANANDRASANA
Tia Hajaina, (1
taona)
|
|
2.
|
HANDRAY
NY SAKRAMENTAN’NY BATEMY
Ireto
indray ny zanaky ny FKMP handray ny Sakramentan’ny Batemy
·
Alahady 04 jolay 2010
§
RAKOTOARINORO
Nampoina Ando, (13
taona) mandritra ny Lamesa.
·
Asabotsy 10 jolay 2010
§
RATSIMAMANGA
Saroy, (1 taona) amin’ny 2 ora sy sasany (14h 30mn).
§
ANDRIAMANANTENA
Dylan Antsa, hatao
any Madagasikara miaraka amin'ny mariazin'ny ray aman-dreniny.
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA
|
|
1.
|
MANENTANA LITORIZIA :
11/07/2010 : FILAN-KEVITRA PASTÔRALY
(Alahady faha 15 – Mandavantaona – TAONA D)
|
2.
|
MANADIO FIANGONANA :
10/07/2010 : VAOMIERAN’NY
TANORA
|
Rakitra SY VOKATRA
SAMIHAFA
|
27/06/2010
|
176,59
€
|
Rakitra volana Jona 2010
|
649,32
€
|