|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France
Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
Alahady 20 JONA 2010 |
|
|
FETIN’NY RAY |
|

|
Ramatoan’ny aiko ô Sitrako anie ianao sady mamiko, Tiako anie ianao sady teliko, Ka tsy misatry fanahy ny manoro aho
Fa malama maina ny tany, Ka tsy azo anaovana tongo-dovia, Ary tevana ny fiainana, Ka tsy azo anaovana sangodim-panina Fa izay miringiringy no ho potraka Ary izay mihaitraitra no ho lavo. Raha
potraka anie, anaka Ny fahalavoana zaka maharary ihany Fa ny akoram-bahoaka no tsy zaka
Ka raha tsontsam-paika, matim-bela Lomotra anie izy ity Ka izay tsy mitandrim-pamindra no ho
solafaka Ny hanarina anao lavo anie, zaka ihany, Ny hibata anao potraka, leo ihany Fa ny hanasa ny fotaky ny fahalavoanao
no tsy tanty Ary ny handio ny lambanao no tsy laitra Lamba fotsy no nasaly anao, Lamba mangatsakatsaka no natafy anao, Ka raha maloto no ho sasana, anaka, Na mangoratsaka aza, misy pentina ihany,
Ary na madio aza, ny dindon’ny
fahalavoanao hisoritra eo ihany.
Feno jina izy ka mahaiza. |
|
X… (1939) Hainteny
Ankehitriny François Rakotonaivo |
|
BONNE FETE IANAO RAPAPANAY Tratrin'ny fetin-dRay Ianao a! Rapapanay Ilay vadin'i Neny Mpananatra, ombieniombieny Ity
misy tononkalo Sady
tsy hamidy, no tsy hatakalo Fa
vokatrin'ny fo,tokoa Ventsoventsoina,
raha vao mifoha Izy no lohany, mpanafay, Raha sendra maditra izahay Ary raha mbola miseho milay, Dia voadarony, mahamay! Fa
raha toa ka tsy miasa izy, Dia
kepoka ny devizy Ka
dia raikitra ny kirizy, Fa
kere ho aho , izahay ankizy Fa izahay no toa izao, Dia nohon'ny fitiavanao Mangataka lalana, ka havelao Mba hankalaza ny fetinao Bonne fety ianao Rapapanay |
TIAKO IANAO RY DADA !
|
||||||||||||||||
|
IMANGA (Jean Louis Rakotondramanga) Vaomieran’ny
Kolontsaina |
Aina (Lanto Rakotoarisoa) Vaomieran’ny
Kolontsaina |
![]()
FIRARIAN-TSOAN’NY
ANKIZY
|
