|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 13 JONA 2010 |
N° 66 |
|
ALAHADY FAHA –
11 MANDAVANTAONA – TAONA D |
|
|
« Voavela ny helokao » Tsy azo iainana amin’izao vaninandro sy vanim-potona iainantsika izao ny zavatra nataon’ity vehivavy ratsy fitondran-tena tantarain’i Md Lioka ao amin’ny Evanjely androany ity. Kanefa dia modely kosa ho antsika kristianina raha ny ezaka nataony hialana amin’ny fomba ratsiny. Tsy azo iainana satria tsy mahalala fomba izy : miditra tsy nasaina ao an-tokantranon’olona nanasa an’i Jesoa, nitomany sady nanasa ny tongotr’i Jesoa tamin’ny volony mandritra ny sakafo. Raha any amin’ny tanin’ny Silamo sy ny Jody dia tena tantara tsy vita eo amin’ny fiarahamonina ny fampisehoana ny volo indrindra fa namafana tongotr’olona. Azo fitinina amin’ny teny tokana hoe : nanakorontana ny sakafo niarahan’i Jesoa sy ilay Farisianina ary ny fiarahamonina ny ataon’io vehivavy io. Modely anefa io vehivavy io ho antsika satria niaiky ny fahotana vitany izy. Leo, tofoka, tsy te hiverina amin’ny fiainam-pijangajangana intsony izy. Hany ka ny fitaovana entiny miasa : ny ranomanitra entina hisarihana ny lehilahy sy ny volo izay haingon’ny vehivavy mariky ny hatsaràna sy fahamendrehana dia nararany sy namaohany ny tongotr’I Jesoa. Nahagaga an’I Jesoa io fihetsika mampiseho fitiavana Azy io. Iza amintsika tokoa moa no hahavita toy ny nataon’io vehivavy io ? Hanasa tongotr’olo-tiana amin’ny ranomaso sy nandraraka ranomanitra ny tongony ? Nataon’io vehivavy io ho toy ny tsinontsinona ny zavatra rehetra raha oharina amin’I Jesoa. Ary ho valin’izay fitiavany an’I Jesoa izay dia navelan’I Jesoa ny helony. “Ravehivavy, voavela ny helokao” hoy Izy. Mampatsiahy antsika ny halehiben’ny Sakaramentan’ny Fampihavanana (Konfesy), izay Sakramenta tsy misy mpandray loatra intsony amin’izao fotoana izao ity Evanjely ity. Sakramenta izay hanehon’Andriamanitra ny famindram-pony amintsika olombelona mpanota. Tsy misy tsy diso isika olombelona mandia tany fa Andriamanitra kosa miantra sy mamindra fo raha mitodika Aminy isika. Napetrak’I Jesoa amin’ny Fiangonana Vatany Masina io fitantanana ny Sakramentan’ny Fampihavanana io : “ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana” Jn 19, 23. Koa aza misalasala manatona ny Fiangonana. |
|
P.
Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE
13 JUIN 2010 – MESSE DU 11ème DIMANCHE DU TEMPS ORDINAIRE
Année C – Couleur liturgique : VERT
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY MASINA VOALOHANY |
|
||
|
Boky faharoan’i Samoela |
2
Sam. 12, 7 – 10. 13 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, hoy i Natàna tamin’i Davida : “Izao
no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely : Nanosotra anao ho mpanjaka amin’i
Israely Aho, ary nanafaka anao tamin’ny tanan’i Saola ; ny tranon’ny tomponao
nataoko teo ampofoanao ; ny taranak’i Israely sy i Jodà natolotro anao ; ary
raha kely loatra izany, mbola hoampiko izao sy izao koa. Ka nahoana no
nanamavo ny Tenin’ny Tompo ianao, fa nanao izay ratsy teo imasony ? I Oria
Heteanina nasianao ny sabatra, ny vadiny nalainao ho vady, izy novonoinao
tamin’ny sabatry ny taranak’i Amôna. Koa ankehitriny noho ianao nanamavo Ahy,
sy naka ny vadin’i Oria Heteanina ho vadinao, dia tsy hiala amin’ny taranakao
mandrakizay kosa ny sabatra”. Dia hoy i Davida tamin’I Natàna : “Nanota tamin’ny Tompo aho !” Fa hoy
kosa i Natàna tamin’i Davida : “Navelan’ny Tompo ny helokao, ka tsy ho faty ianao”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA FAHAROA |
|
||
|
Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany
Galasia |
Gal.
2, 16. 19 – 21 |
||
|
Ry Kristianina
havana, nony fantatsika fa tsy ny asan’ny Lalàna no
anamarinana ny olona, fa ny finoana an’I Jesoa Kristy, dia mba nino
an’I Kristy Jesoa koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana Azy, fa tsy
amin’ny asan’ny Lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny Lalàna.
Noho ny Lalàna no nahafatesako ny amin’ny Lalàna, mba ho velona ho
an’Andriamanitra aho. Niara-nofantsihina tamin’I Kristy teo amin’ny
Hazofijaliana aho, ka matoa velona aho, dia tsy
izaho intsony no velona, fa I Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao
ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny
Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy. Amin’izany,
dia tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho ; fa raha ohatra ka avy
amin’ny Lalàna kosa ny fahamarinana, dia ho maty foana I Kristy. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& EVANJELY MASINA |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i
Md Lioka |
Lk.
7, 36 – 8, 3 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, nisy Farisianina anankiray nanasa an’I Jesoa hiara-mihinana aminy, ka
niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro
nisy vehivavy anankiray ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa
nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina I Jesoa, ka dia nivimbina tavoara
alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony
sady nitomany, ka kotsan’ny ranomasony ny tongony ; fa nofaohiny tamin’ny
volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra. Nony nahita izany
ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakam-po hoe : “Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’ity vehivavy mikasika
Azy, fa hoe mpanota io”. Ary I Jesoa niteny taminy nanao hoe : “Ry Simôna, misy zavatra holazaiko”.
Dia hoy izy : “Lazao, ry Mpampianatra”.
Ary hoy I Jesoa : “Nisy olona roa lahy
nananan’ny mpanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie dimanjato,
ary ny iray dimampolo. Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny
trosa tamin’izy roa lahy. Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa ?” Dia
hoy I Simôna namaly Azy : “Ataoko fa
ilay namoizany bebe kokoa”. Ary hoy Izy taminy : “Marina ny anao”. Dia nitodika an-dravehivavy Izy ka nanao tamin’I
Simôna hoe : “Hitanao va io vehivavy io
? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra.
Izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny
volon-dohany. Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny
tongotro hatrizay nidirako ; Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa
nanosotra diloilo manitra ny tongotro. Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy
; fa izay amelana kely no kely fitiavana”. Dia hoy I Jesoa
tamin-dravehivavy : “Voavela ny
helokao”. Ary izay
niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe : “Iza moa ity mamela na dia ny heloka aza ?” Fa hoy Izy
tamin-dravehivavy : “Ny finoanao no
nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana”. Taorian’izany, dia
lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra Izy nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny
Fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy
sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia I Maria atao hoe
Madelenina izay nivoahana demony fito, i Joana vadin’i Kozà mpitandrina ny
fananan’i Herôda, ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa, izay nanampy Azy
tamin’ny fananany. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
“Miantra sy be indrafo
Andriamanitra” Fitiavana lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra
antsika : “nomeny ny Zanany Lahitokana
mba tsy ho very izay rehetra mino azy”. Inona anefa no havalintsika izany fitiavana sarobidy
izany ? Tsy sasatra ny manota isika, tsy manao afa-tsy ny
mivily lalana; dia manontany tena foana hoe: nahoana re no tsy
jeren'Andriamanitra izao fahoriako izao ? Fa toa tsy mba tsaroana ny hoe: nahoana aho no
maniasia toy izao ? Tsarovy fa diso mamin'Andriamanitra loatra isika, te
hiditra eo amin'ny fiainantsika Izy, te hamonjy antsika ary tsy mba mandao
antsika Izy n'inona rahoraho ataontsika Aminy. Koa aza misalasala fa meteza hanatona Azy toa an'i
Davida sy ilay vehivavy ratsy fitondran-tena satria izy efa nanadio sy namela
ny helokao. Sokafy ny fonao handray Azy dia hohenika ny fanahiny
ianao ary hodiboky ny hafaliana ny ao anatinao. |
|
|
ZOARIMAMY |
|
|
Vaomieran’ny Fitantanana |
|
¦ soritr’asa
manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA
|
||
1.
|
ASABOTSY
19 JONA 2010 :
“GASIKARANAY VONJEO”, izany no lohahevitra
hanentanan’ny Antoko Mpihira ny aingam-panahintsika amin’ny Antsam-panahy
lehibe izay hataon’izy ireo ny
Asabotsy
19 Jona 2010
manomboka
amin’ny 7 ora sy sasany hariva
ao
amin’ny Crypte Saint Dominique (Paris 14 ème).
Ny fandraisana anjara dia 10 euros.
Ilazao ny havana aman-tsakaiza hitondra
amam-bavaka an-kira ny tanindrazantsika. Tongava hifanotrona am-bavaka ho an’ny
tanindrazana.
|
|
2.
|
FFKM –
FRANTSA, HO AN’NY TANINDRAZANA,
ASABOTSY 26
JONA 2010 :
Ny
Asabotsy 26 Jona 2010, fankalazana ny faha-50 taona nahazoan’i Madagasikara
ny fahaleovantenany, dia hisy fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana karakarain’ny
FFKM-FRANTSA.
Izany dia
hatao ao amin’ny Fiangonana
Notre-Dame des Champs
91, Bd Montparnasse (Paris 6 ème).
Métro: Montparnasse
Manomboka amin’ny 3
ora sy sasany tolak’andro
|
|
3.
|
LAMESA LEHIBE AO AMIN’NY CATHEDRALE NOTRE-DAME,
ASABOTSY 26 JONA 2010 :
Araka ny efa nolazaina tamintsika koa dia hisy lamesa
lehibe ao amin’ny Cathédrale
Notre-Dame de Paris tarihan’ny Kardinaly André VINGT-TROIS,
arsevekantsika eto Paris. Ny fotoana dia hanomboka amin’ny 10 ora maraina. Manana anjara toerana
sy andraikitra amin’izany isika FKMP, koa mampiomana anao dieny mialoha.
RER C : Cluny/Notre-Dame na
Metro : Cité
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA
|
|
1.
|
MANENTANA
LITORIZIA :
20/06/2010 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA
(Alahady faha-12 – Mandavantaona Taona D, sady
fetin’ny ray - fête des pères)
|
2.
|
MANADIO FIANGONANA :
19/06/2010 : VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA
|