|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
|
|
|
ALAHADY FENTIN’NY SAKRAMENTA MASINA – TAONA D |
|
|
DIMANCHE 06 JUIN 2010 – MESSE DU CORPS ET DU SANG DU CHRIST Année C – Couleur liturgique : BLANC |
|

|
FANOMBOHANA Ouverture
de la célébration |
FIDIRANA :
Chant d’entrée
|
Ataovy manakoako (Réf.
Hasina P. 412) |
|
|
Fiv : Ataovy manakoako
ny hoby Derao
'Andriamanitra, ry tany tontolo! Ihirao (ny)
voninahitry ny anarany, Tolory fanompoana,
fiderana azy ny Tompo (x 2) Lazao izy mihira
hoe : Lehibe,
mahatahotra ny asa vitanao, Andriamanitra! Lazao izy mihira
hoe : 'Reo fahavolanao
miaiky Ny herinao miezinezina. Lazao izy mihira
hoe : Ny tany tontolo
miankohoka anoloanao! Lazao izy mihira
hoe : Mihira ho anao zao
tontolo izao Mihira mihantsa ny anaranao ! (x 2) |
1. Avia ianareo mba hlgaga ny
asan'ny Tompo, Mampihorokoditra
ny olombelona ny vitany ! Izy nanova ny
ranomasina ho tany maina. Afa-niampita ny
onibe 'reto tongotray ! Teo izahay no
nanao lanonana ho azy. (x 2) |
|
2. Mahery Izy moa, tsisy fetra ny fahamboniany, Hanara-maso ireo
firenena rehetra. Ka aoka'tsy
hidingin-drambo Ireo mpikomy, Ankalazao ny
Tompo, 0 rey Vahoaka.! Aoka hanakoako ny
antsa ho azy. (x 2) |
|
|
3. ‘Lay Andriamanitra mpamelona aina anay, Tsy mba mamela ny
tongotray ho solafaka Fa nosedrainao
izahay toy ny volafotsy, ry Tompo ! T.ianao ho nandalo
fitsapana ny dianay, Torotoro ary
valalanina izahay e. (x 2) |
|
FIFONANA :
Préparation pénitentielle, Kyrie
|
Miampanga tena amin'Andriamanitra (Réf.
Hasina P. 3) |
|
Miampanga tena
amin'Andriamanitra mahefa ny zava-drehetra aho, ary koa amintsika mianakavy,
fa nanota tokoa aho tamin'ny hevitro, tamin'ny teniko sy tamin'ny nataoko ary
tamin'ny adidy tsy vitako. Fahotako izany,
fahotako, fahotako lehibe. Koa mihanta amin'i
Masina Maria mandrakizay aho, amin’ny anjely sy ny olomasina rehetra aho ary
koa amintsika mianakavy mba hivavaka ho ahy amin’ny Tompo Andriamanitsika. |
|
Tompo ô, mamindrà fo aminay (Réf.
Hasina P. 148) |
||
|
1. Tompo ô, mamindrà fo aminay. (x3) |
2. Kristy ô, mamindrà fo aminay. (x3) |
3. Tompo ô, mamindrà fo aminay.
(x3) |
VONINAHITRA :
Gloria
|
Voninahitra anie ho
an'Andriamanitra (Réf.
Hasina P. 150) |
||||
|
|
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Any amin’ny avo indrindra ; Fiadanana anie ho an’ny olombelona, Fa nanehoany ny fitiavany. |
|
||
|
Mihoby ny hasinao ‘zahay, |
Mitsaoka anao ‘zahay. |
Ry Tompo Andriamanitra, Mpanjakan’ny lanitra, Andriamanitra Ray mahefa Ny zavatra rehetra (x2) |
||
|
Mihoby ny hasinao ‘zahay, |
Mankalaza anao ‘zahay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao ‘zahay, |
Midera anao ‘zahay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao ‘zahay, |
Misaotra anao ‘zanay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao ‘zahay. |
|
|||
|
|
|
|
||
|
Mihoby ny hasinao ‘zahay, |
Mitsaoka anao ‘zahay. |
Ry Jesoa Zanak’Andriamanitra ô, Ianao no Zanaka lahitokana ; Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra ô, Ianao, ry Tompo no Zanaky ny Ray. |
||
|
Mihoby ny hasinao ‘zahay, |
Mankalaza anao ‘zahay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao ‘zahay, |
Midera anao ‘zahay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao ‘zahay, |
Misaotra anao ‘zanay. |
|||
|
Mihoby ny hasinao ‘zahay. |
|
|||
|
|
|
|
||
|
Mamindrà fo aminay, |
Ianao, ry Tompo ô. |
Ianao irery no masina, Ianao irery no Tompo, Ianao irery no avo indrindra, Ry Jesoa Kristy ô. (x2) |
||
|
Mamindrà fo aminay, |
Mpamonjy anay ianao. |
|||
|
Mamindrà fo aminay, |
Mpanjakanay ianao. |
|||
|
Mamindrà fo aminay, |
Ankavanan’izy Ray. |
|||
|
Mamindrà fo aminay. |
|
|||
|
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA Liturgie
de la Parole |
VAKITENY
VOALOHANY : BOKY JENEZY (Jen. 14, 18-20)
Prémière Lecture
Nanolotra mofo sy divay i Melkisedeka.
SETRIN’NY
VAKITENY :
|
An-kavanan’Andriamanitra (Réf.
Hasina P. 29) |
|
|
1. Ankavanan'Andriamanitra Otronin'ny anjely maro Jesoa mipetraka any
an-danitra Mandidy izao tontolo
izao |
2. Mpanjaka
be fahandrianana Ilay ateraky ny Ray Mitovy aminy tokoa Mandrakizay mandrakizay |
|
Fiv : Mpanjakan'ny mpanjaka Mitsaoka anao 'zahay Ny tany aman-danitra Mba
anjakao Jesoa |
|
|
3. Mapnjaka ambony fahefana Tsy mba refesi-mandidy Ka teniny iray ihany Mahefa ny zava-drehetra |
4. Mpanjaka feno fitiavana Maty ho an'ny olonao Mba ho famonjena anay Ny teninao no nentinao |
VAKITENY
FAHAROA : TARATASY VOALOHAN’I MD. PAOLY APOSTOLY HO AN’NY KRISTIANINA TANY
KORINTY (1 Kôr. 11, 23-26)
Deuxième Lecture
Isaky ny mihinana ity Mofo ity sy misotro
amin’ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny nahafatesan’ny Tompo.
ALELOIA /
FIHOBIANA NY EVANJELY :
Acclamation de l’Evangile
Aleloia Hozana ! Aleloia Amen !
EVANJELY :
EVANJELY MASINA NOSORATAN’I MD. LIOKA (Lk. 9, 11b-17)
Evangile
Nihinana izy rehetra ka voky.
FIHAIKEM-PINOANA :
Profession de Foi
|
Mino aho, Andriamanitra ô (Réf.
Hasina P. 159) |
||
|
Fiv : Mino aho, Andriamanitra ô, mino aho, Andriamanitra ô, Mino mafy aho ‘zay voalazanao (Andriamanitra
ô) ; Mino aho, Andriamanitra ô, mino aho, Andriamanitra ô, Mino mafy aho ‘zay voalazanao. |
||
|
1. Andriamanitra Ray mahefa a Nanao ny lanitra sy ny tany ô Sy ny zavatra hita maso e Sy ny zavatra tsy hita maso ô ‘Zaho mino an’i Kritsy e ‘Lay Zanaka lahitokana a. |
Mino aho, Andriamanitra ô Mino aho, Andriamanitra ô Mino aho, Andriamanitra ô Mino aho, Andriamanitra ô Mino aho, mino aho Mino aho, mino aho e. |
|
|
2. Andriamanitra fahazavana a … Andriamanitra fahamarinana ô ; Nateraka izy fa tsy natao e, Iray fomba aminy Ray ô Ary izy no nahariana a An’izao tontolo izao ô. Mino aho, … |
3. Ka isika olombelona a … Sy ny famonjena antsika e No nidinany avy any an-danitra ô ; Naka nofo tamin’i Maria ô. Noho ny herin’ny Fanahy Masina a, Ka tonga olombelona ô. Mino aho, … |
|
|
4. Nofantsihana ho antsika izy e Tamin’ny hazofijaliana a, Tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty ô, Dia nijaly ary nalevina e, Fa nitsangan-ko velona izy e Tamin’ny andro fahatelo ô. Mino aho, … |
5. Niakatra any an-danitra izy e, Dia mipetraka eo ankavanan-dRay
ô ; Mbola ho avy amim-boninahitra a Hitsara ny velona sy ny maty e ; Ary tsy hanam-pahataperana a Ny voninahitra sy ny fanjakany ô. Mino aho, … |
|
|
6. ‘Zaho mino ny Fanahy Masina a, Tompo sy loharanon’aina e, ‘Zay tsaohina sy omem-boninahitra a Miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka a ; Fa niteny mazava tsara izy e Tamin’ny vavan’ny mpaminany ô. Mino aho, … |
7. ‘Zaho mino ny Eglizy masina a, Katôlika, apôstôlika e ; Mankatò ny batemy tokana aho e, Ho fanalana ny fahotana a, Miandry ny hitsanganan’ny maty a Sy ny fiainana mbola ho avy ô. Mino aho, … |
|
RANOM-BAVAKY
NY MPINO :
Prière Universelle
Aina sy Vonjy Ianao,ry Tompo ô.
|
FANKALAZANA NY EOKARISTIA Liturgie
de l’Eucharistie |
RAKITRA :
Quête
|
Tia anay ianao ry Jesoa (Réf.
Hasina P. 192) |
|||
|
x2 Mampiombona anay Mampihavana anay
amin'ny Ray ! |
|||
|
1. Endrey ‘ty famantarana, ô ry Jesoa Tomponay Fa niara-nisakafo
taminay tokoa ianao : ‘Zany re ka fanasana
entim-boninahitra Enga anie hinoanay
f'ianao no hany hamonjy anay |
2. Endrey ‘ty fiadanana, ô ry Jesoa Tomponay, Fa niara-nisakafo
tamin'ny mpanota ianao : Izy ireny, hoy ianao,
no indro nahatongavanao ; Enga anie ho tsapanay
fa mila anao tokoa ‘zahay |
||
|
3. Endrey ‘zany hafaliana, ô ry Jesoa Tomponay, Fa niara-nisakafo
tamin'ny mpianatrao ianao : Teo am-pamakiana mofo, Enga anie ho fantatray
fa fiainanay tokoa ianao |
4. Endrey ‘ty fitiavana, ô ry Jesoa Tomponay Fa miara-misakafo
aminay tokoa ianao : ‘Zay mandray ny
mahantra dia mandray ny Tenanao ; Enga anie hanananay ny
fo nitiavanao anay |
||
|
5. Endrey ‘zany hasambarana, ô ry Jesoa
Tomponay, Fa ho avy indray ianao
rahefa feno ny fotoana Ka hanasa ireo voafidy
hiara-komana aminao Enga anie 'zahay
rehetra hahandry ny hiverenanao |
|||
|
Kristy Velona (Réf.
Hasina P. 33) |
|
|
Fiv : Kristy velona, Kristy
Zanaka No arahintsika, fa
Mpamonjy antsika ; Izy no
Fiainana, Izy no Fiainana |
|
|
1. Raha te ho velona, aoka hanatona azy; I Kristy no Aina,
velona ao amin’ny Ray. |
2. Raha te hifankatia, , aoka hanatona azy; I Kristy no Zoky, samy
zanaky ny Ray. |
|
3. Raha te ho sambatra, aoka hanatona azy; I Kristy no Lalana
miakatra ao an-danitra ao. |
4. Raha te ho masina, aoka hanatona azy; I Kristy no Hery, azy
izao tontolo izao |
FANOLORANA :
Procession d’offrande
|
Indro atolotray, ry Tompo (Réf.
Hasina P. 768) |
|
|
1. Indro atolotray aminao, ry Tompo ô ô, Ny fanatitra avy aminay
e. Raiso re raha sitrakao,
ry Tompo ô ô, Fa tantely tapa-bata e. Ny fiainanay, eny re, tsy takona
afenina aminao Ny adim-piainanay, eny re, hitanao
Zanahary. Ka dia entinay, tsisy afeninay, Eo an-tananao re, ry Ray ô. Izay mba vitanay, ny hasasaranay, Enti-misaotra anao re, ry Tompo ô. Indro atolotray re, ry Ray ô, Raiso eo an-tananao izy ireto ; Aza ny hakelezany, ry Ray ô, Fa ny fitiavana asandratray, e !
Eny re ! |
Amin-karavoana no anolorana azy, Amin-karavoana tokoa tokoa no anolorana
azy ; Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana, Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana no
anolorana azy. |
|
2. Indro atolotray aminao, ry Tompo ô ô, Ny fanatitra avy aminay
e. Raiso re raha sitrakao,
ry Tompo ô ô, Fa tantely tapa-bata e. Io ny tenanay, eny re, tsy takona
afenina aminao ; Io ny otanay, eny re, hitanao Zanahary. Ka dia entinay tsisy afeninay, Ho ao an-tananao re, ry Ray ô. Izay mba vitanay, ny hasasaranay, Ho enti-misaotra anao re, ry Tompo ô. Indro atolotray re, ry Ray ô, Sorona lavorarin’i Jesoa, Vatana latsa-dra re, ry Ray ô, Sorom-pitiavana iainanay e ! Eny
re ! |
Amin-karavoana no anolorana azy, Amin-karavoana tokoa tokoa no anolorana
azy ; Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana, Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana no
anolorana azy. |
MASINA :
Sanctus
|
Ô Masina e (Zaikabe
2010 : Communauté de Grenoble) |
|
|
Fiv : O masina e, masina tena
masina e e e e Masina tokoa gnao
Zanahary e. |
|
|
Feno
ny voninahitra, Ny
tany aman-danitra … Hozana
amin’ny avo indrindra … |
Nosoavina
ilay avy Ny
anaran’ny Tompo … Hozana
amin’ny avo indrindra … |
FIHOBIANA :
Anamnèse
Isaky ny mihinana izao mofo izao …
RAINAY :
Notre Père
Noraisintsika ny Fanahy nananganan’Andriamanitra
antsika …
Ry Rainay izay any an-danitra, …
FIADANANA :
Echange de Paix
|
Miara-dalagna amintsika isan'andro (Réf.
Hasina P. 779) |
|
|
|
|
|
Fiv : Miara-dalagna
amintsika Isan'andro,
isan'andro e ny Tompo. Agnatin'ny
hafaleana, agnatin'ny manahiragna, Iy ro eo
agnilantsika. Tsa
avelany ho irery atsika, Eko
mamindra ary matokia. Ny
fitiavany tsa mba ho afaka amintsika, e e e Ny
fitiavany tsa mba ho afaka amintsika. (E ko
matokia) Ny
fitiavany tsa mba ho afaka amintsika, e e e Ny
fitiavany tsa mba ho afaka amintsika. |
1. Tsa ho tadiavin-davitsa iy e, Fa tena marigny atsika. Tsa aia fa eo
agnivontsika eo, Feny tsa nisy
nagnavisa. Tokagna ny Raintsika, Vana olo raika atsika :
Mpianakaby, Eko tagno soa re ny
fihavagnana. |
|
2. Tsa mba misaraka amintsika, Ny Fagnahy
agnatintsika. Nahoana ke ro vô
misalasala, Tsa mba miova ny
fitiavany. Atsika efa nanjary
havany, Zanaka
an-dragnon-dRainy; Atsika rô iraka, Vavolombelogna
hampahilala ny Fitiavany. |
|
|
3. Aza laitsa miandrandra Ny lagnitsa ambony agny
‘tsika. Jahao ireo sahiragna,
‘reo mahadinaigna : Tegnany koa ireo. Mamelogna antsika ny
Tegnany, Mampahery antsika ny
tarogny; Ano hiara-dia, hagnavao
ny tany, Fa samy managna ny
hainy. |
|
|
|
|
ZANAK’ONDRY :
Agneau de Dieu
|
Ry Zanak’Ondry (Bainy Dezy)
… |
Tompo ô tsy mendrika, (¯) Ny hidiranao ato amiko,
ry Tompo ô Fa manonona teny iray
dia hositrana ny fanahiko ! Fa manonona teny iray
dia hositrana aho ! |
KOMONIO :
Communion (en 2 espèces)
|
Tonga nizara ny mofo ianao (Réf.
Hasina P. 191) |
||
|
1. Tonga
nizara ny mofo ianao, ô
ry Tompo ô, ô ry Tompo ô, Sy nanalefaka ny hanoananay , ô ry
Tompo ô, Tonga taty aminay ianao, ô ry Tompo ô,
ô ry Tompo ô, Ka nanamasina ny asan-tananay, ô ry
Tompo ô |
2. Tonga
nizara hasambarana ianao ô
ry Tompo ô, ô ry Tompo ô, ‘Lay hasambarana tena maharitra, ô ry
Tompo ô, Tonga namela ny heloka ianao , ô ry
Tompo ô, ô ry Tompo ô, Ka nomenao ny mpanota ny tranonao, ô ry
Tompo ô, |
|
|
Fiv : Ianao no fiainana sy fahamarinana , ry
Tompo ô Lalana tokan’ilay
paradise ry Ray ô |
||
|
3. Tonga
nijaly ho anay ianao, ô
ry Tompo ô, ô ry Tompo ô, Sy nanamaivana ny fahorianay, Tonga nanavotra anay ianao, Mba ho mpandova ny fiainana mandrakizay
|
4. Nonina
teto aminay ianao ô
ry Tompo ô, ô ry Tompo ô, Ka nampahafantatra anay ny Rainay Dia voninahitra anie ho anao Fankasitrahana mandrakizay. Amen |
|
|
Izaho no Mofon'ny fiainana (Réf.
Hasina P. 186) |
|
|
Fiv : Izaho
no mofon’ny fiainana, ‘Zay
manantona ahy ‘Zay
mino ahy tsy |
1. Lazaiko anareo fa
izay mino Ahy, hoy ny Tompo, No manana ny
fiainana tsy manam-piafarana. Lazaiko anareo fa
izay mino ahy no manana, No manana ny
fiainana tsy manam-piafarana |
|
2. Sakafo
mahavelona tokoa ‘zany teniko, hoy ny Tompo, Anabavy sy rahalahiko zay mihinana azy. Sakafo mahavelona tokoa ‘zany teniko, Anabavy sy rahalahiko zay mihinana azy. |
|
|
3. Ny Nofo
aman-dRako ‘zay raisinareo, hoy ny Tompo, No vatsy sy aina mampiray anareo. Ny Nofo aman-dRako ‘zay raisinareo, No vatsy sy aina mampiray anareo. |
|
|
FAMARANANA Envoi |
FISAORANA :
Action de Grâce
Chant Chorale …
FANIRAHANA :
Envoi
|
Tompo ô, zany hafaliako (Réf.
Hasina P. 191) |
|
|
Fiv : Tompo ô, ‘zany hafaliako zanakao
natsanganao e I Kristy no ato amiko ;
velona aho fa velona izy |
|
|
1. I Kristy no masoandro be, hazavana avy
aminao, ry Ray Izahay no toy ny tarany
manazava izao tontolo izao |
2. Faniriana ny ho velona, vetsovetso ny ho
sambatra I Kristy no tena aina,
hasambarana mandrakizay |
|
3. Fikasana ny hihavana, mba ho tia sy hotiavina I Kristy no be fitiavana,
Izy monina ato am-ponay |
4. Tia Anao ‘zahay fa zanakao, Rainay tsy mbola
hitanay I Kristy eto afovoanay no
mitaona anay ho aminao. |
|
FANATERANA NY SAKRAMENTA MASINA Procession
du Saint Sacrement |
|
Trouver dans ma vie ta Présence (Jean-Claude
Gianadda) |
|
|
Ref : Trouver
dans ma vie ta présence, Tenir une
lampe allumée. Choisir
d'habiter la confiance, Aimer et se
savoir aimé. |
|
|
1. Croiser ton regard dans le doute, Brûler à
l'écho de ta voix. Rester pour
le pain de la route, Savoir
reconnaître ton pas. |
2. Brûler quand le feu devient cendre, Partir vers
celui qui attend. Choisir de
donner sans reprendre, Fêter le
retour d'un enfant. |
|
3. Ouvrir quand tu frappes à ma porte, Briser les
verrous de la peur. Savoir tout
ce que tu m'apportes, Rester et
devenir veilleur. |
|
|
Inty ny ora sarobidy (Réf.
Hasina P. 186) |
|
|
1. Inty ny ora sarobidy hitsanganako Handraisako ny Tenanao, ry Jesoa mamiko Tsy dia mendrika aho ny hotsidihinao, Kanefa sitrakao, ka avia re. O ! Sambatra aho re ! |
2. Nandray ny Tenanao ny foko, ry Mpamonjiko, Ka henin-kafaliana ny fanahiko izao Mitsaoka Anao re, misaotra Anao re, Tsy hitako izay havaliko. O ! Sambatra aho re ! |
|
3. Mba tsofy rano aho sy ny
havako rehetra, Sy izay mpanao soa anay sy ny
sakaizako : Ho tia anao e, tsy mba handao anao, Ka samy mba ho tonga an-danitrao O ! Sambatra aho re ! |
|
|
Tompo ô, hitako maso (Réf.
Hasina P. 293) |
|||||
|
Fiv : Tompo ô,
hitako maso ‘Lay
famonjena avy aminao
x 2 Eran'izao
tontolo izao |
|||||
|
x 2 Ny
mpanomponao araka ny Teninao |
x 2 Voninahitra
vahoaka voafidinbao |
||||
|
x 2 Mba hitondra
anay hiditra ao an-danitra ao |
|||||
|
Ry Tomponay Manjakanay (Réf.
Hasina P. 190) |
|
|
1. Ry Tomponay, Mpanjakanay rehetra, Jesoa
Hostia, Andriamanitray : Ekenay
mafy, inoanay tokoa Fa ianao
eto anatrehanay. |
2. Ny hery be ‘zay ianteheranay Dia ianao,
ry Andrin’ny fonay ; Tahio,
vonjeo, fa manantena anao Ny Malagasy
izay te ho anao. |
|
Fiv : Hoderaina
hatraiza hatraiza anie Jesoa
Kristy anaty Eokaristia ; Ny tenanay,
ny Nosinay Aoka
hanjakany mandrakizay. (x2) |
|
|
3. Notiavinao ireto olon-dratsy, Ka nomenao,
ny Ra, ny Vatanao, Namoizanao
ny ainao sarobidy : ‘Zahay koa,
ry Jesoa, ho tia anao. |
|
|
Ny endrikao ry Jesoa ô (Réf.
Hasina P. 188) |
|
|
1. Ny endrikao, ry Jesoa ô, no takona aminay
izao, Fa ny
finoanay mahita anao anatin’ny hostia. Jesoa ô,
omeo anay finoana mafy tsy miova Hilazanay
lalandava hoe: mino anao izahay. |
2. Tantanonao, ry Jesoa ô, izany dianay aty, Fa izahay manantena anao anatin’ny hostia. Jesoa ô,
omeo anay fanantenana hahita anao An-danitra
any rahatrizay, manantena izahay. |
|
3. Fitiavam-be, ry Jesoa ô, no itoeranao
lalandava, Iandrasanao isan’andro anatin’ny hostia. Jesoa ô, omeo anay ny faniriana tsy te handao, Tsy te hisaraka aminao, fa tia anao izahay. |
|
|
Tu es là, au cœur de nos vies (Raymond
Fau) |
|
|
Réf : Tu es là,
au cœur de nos vies, Et c'est
toi qui nous fais vivre, Tu es là au
cœur de nos vies, Bien
vivant, ô Jésus Christ. |
|
|
1. Dans le secret de nos tendresses, Tu es là, Dans les
matins de nos promesses, Tu es là. |
2. Dans nos cœurs tout remplis d'orages, Tu es là, Dans tous
les ciels de nos voyages, Tu es là. |
|
3. Au plein milieu de nos tempêtes, Tu es là, Dans la
musique de nos fêtes, Tu es là. |
|
|
FAMETRAHANA NY SAKRAMENTA MASINA Reposoir |
HIRA MIKASIKA
NY SAKRAMENTA MASINA :
Saint Sacrement
|
Mino mafy aho (Réf.
Hasina P. 187) |
|||||
|
x 2
x 2 Anaty
hôstia Jesoa
Kristy |
2. Iriko tokoa Iriko
indrindra Ny handray
Anao Jesoa
Kristy |
||||
|
x 2 x 2 No
Tompon'ny foko Ianao irery Jesoa
Kristy |
4. Antenaiko mafy Ny hahita
anao Any
am-paradisa Jesoa
Kristy. |
||||
HIRA AMIN’I
MASINA MARIA :
Pour la Sainte Vierge Marie
|
Fantatrao, ry Reny tsara (Réf.
Hasina P. 112) |
|||
|
1. Fantatrao, ry Reny tsara Fa ny Nosy
Madagasikara Dia
natolotra sy nomena anao Ka ekeo
izao vavakay izao |
Fiv : Notre Dame
des vocations Mpanjakavavin'ny
Apôstôly Ampitomboy
ireo pretra Sy ny
relijiozy teratany
x 2 Ho
voninahitr'i Jesoa Zanakao |
||
|
2. Mbola vitsy, mbola vitsy loatra Ny mpijinja
eto aminay Nefa ny
vokatra marobe tokoa Ka ekeo ny
vavakay izao |
|||
|
3. Ny mpanota mila fibebahana, Ny marary
mila famonjena, Ny
kristianina mila mpankahery, Ka ekeo
izao vavakay izao. |
|||
|
Aoka isika hivavaka Mihanta
Aminao izahay, ry Tompo, mba omeo anay mpanomponao mandrakariva ny
fahasalaman'ny fanahy sy ny vatana ; ary mivavaka ho anay i Masina Maria
Virjiny be voninahitra, ka enga anie izahay rehetra ho afaka amin'ny loza
manjo ety an-tany sy hahazo ny hasambarana mandrakizay any an-danitra. Amin'ny
alalan'i Kristy Tomponay. Amen. |
Prions le
Seigneur. Nous t'en
prions Seigneur, accorde-nous toujours la santé de l'âme et du corps. Et
puisque la Sainte et glorieuse Vierge Marie prie pour nous, puissions-nous
être délivrés des tribulations, ici-bas, et obtenir dans l'au-delà, le
bonheur éternel. Par le
Christ notre Seigneur. Amen . |
HIRA HOAN’NY
EGLIZY :
Pour l’Eglise
|
Ianao no Piera filoha (Réf.
Hasina P. 507) |
|||
|
Fiv : Ianao no Piera Filohan'ny Eglizinay Arovy tsara Izahay
rehetra ondry kelinao |
1. An-tananao ny fanalahidy Mahavonjy anay |
2. Mitsoka anay Mampatahotra anay |
3. Nefa i Satàna tsy mba haharesy Ny Eglizin'i Kristy |
|
Ianao no
Piera, Vato. Ary eo
ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko. Aoka
isika hivavaka. Ry
Andriamanitra mpiandry ny mpino sy mpitondra azy, mba tsinjovy ny mpanomponao
Papa Benoît XVI izay natsanganao ho mpiandry ondry hifehy ny Eglizinao ; ary
mihanta amianao izahay : ampio izy hanasoa ny olom-peheziny amin'ny teny sy
ny oha-pitondran-tena, hahatongavany, miaraka amin'ny andian'ondry nankinina
taminy, ary amin'ny fiainana mandrakizay. Amin'ny
alalan'i Kristy Tomponay. Amen |
Tu es Pierre. Et sur cette
pierre, je bâtirai mon Eglise. Prions
le Seigneur. O Dieu,
Gardien fidèle et protecteur des croyants, prends soin de ton Serviteur, le
Pape Benoît XVI que vous avez choisi comme Pasteur de ton Eglise.
Soutiens-le, nous t'en supplions, d'encourager ses "intendants" par
ses paroles et leur montrer de bons exemples, afin qu'ils puissent, avec
leurs troupeaux, paravenir au bonheur éternel. Par le
Christ, notre Seigneur. Amen |
HIRA
FITSAOHANA :
Tatum ergo
|
Tantum ergo (Réf. Vavaka
sy Hira P. 763) |
Miankohofa mba hitsaoka (Réf.
Hasina P. 590) |
|
1. Tantum ergo Sacramentum Veneremur cernui Et antiquum documentum Novo cedat ritui : Praestet fides supplementum Sensuum defectui |
1. Miankohofa mba hitsaoka ‘Ty mistery
lehibe Ny lalàna teo
aloha Aoka hisolo
vaovao Ny finoana
anie hameno ‘Zay tsy mety
ho azontsika |
|
2. Genetori, Genetoque Laus et jubilatio Salus, honor, virtus quoque Sit et benedictio Procedenti ab utroque Compar sit laudatio Amen |
2. Andriamanitra Ray sy
Zanaka Mba derao sy
hobio ; Voninahitra,
arahaba, Saotra, haja
ho Azy koa Mba derao toy
izany Ny Fanahy avy
aminy Amen |
|
Panen de
caelo praestitisti eis Omne
delectamentum in se haben |
Nomenao
mofo avy any an-danitra izy. Dia mofo
manana ny hasina rehetra. |
|
Aoka
isika hivavaka. Andriamanitra
ô, namelanao ny fahatsiarovana ny fijalianao izahay amin'izao Sakramenta misy
ny Vatanao sy ny Ranao izao, koa enga anie hofatra-panaja izany mistery izany
izahay mba handresenay lalandava ny vokatry ny fanavotanao. Fa ianao
Andriamanitra velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen |
Panem de coelo praestitisti eis. Omne delectamentum in se habentem. Prions
le Seigneur Seigneur
Jésus-Christ, dans cet admirable Sacrement, tu nous as laissé le mémorial de
ta passion ; donne-nous de vénérer d'un si grand amour les mystères de ton
corps et de ton sang, que nous puissions recueillir sans cesse le fruit de ta
rédemption. Toi qui vis et règne, pour les siècles des siècles. Amen. |