|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 09 MAY 2010 |
N° 62 |
|
ALAHADY FAHA – 6
FANKALAZANA NY PAKA – TAONA D |
|
|
Ampy hahavonjy ny finoana
an’i Kristy Tao aorian’ny fitsanganan’I Jesoa
tamin’ny maty dia niely be ny lazany ary maro ireo tsy jody nino Azy. Indrisy
anefa fa vao nanomboka nino izy ireo dia niharan’ny fanafitohinana avy
amin’ireo Jody mihevi-tena ho mpahay sy mpitandrina ny lalàna. Nampianatra
azy ireo antsokosoko tsy niera tamin’ny apostoly mpiandraikitra ny pastoraly
ireo jody ireo nanao hoe : “raha tsy forana araka ny lalan’i Moizy ianareo,
dia tsy ho voavonjy”.(Vakiteny
N°1). Namaky loha ny apostoly ny zava-misy satria ireo olona vao nino
ireo dia olona tsy misy ifandraisany amin’ny lalan’i Moizy satria tsy Jody.
Ny hany nandresy lahatra azy ireo dia ny maha Andriamanitra an’i Jesoa ka
nahatonga azy ireo hino. Niakatra hatrany Jerosalema ny raharaha ary ny niafarany dia tsy voatery ho forana
vao voavonjy fa ny finoana an’i Kristy no mahavonjy. Ny lalana nisy teo
aloha dia mbola tao anatin’ny fanekempihavanana taloha ary lalana nentina hanabeazana
ireo jody vao nivoaka avy tamin’ny tanin’ny tsy mpino. Ankahitriny ireo
lalana taloha ireo dia efa nosoloina ny fanekempihavanana vaovao dia ny
nanaovan’ Jesoa sorona ny tenanay mba hanavotana ny olon-drehetra. Noho izany
dia tsy ampy ny manaraka ny lalan’i Moizy raha tiana ny ho voavonjy fa tsy
maintsy mandray an’I Kristy ilay Fitiavana. Olana mbola mipetraka eo amin’ny
fiangoanana ankehitriny io olana niseho tamin’ny kristianina tany amboalohany
io. Misy ireo kristiana katolika izay mbola mitana ny zavatra nisy talohan’ny
vatikana faha-2 ka tsy mihevitra velively ny hampifanaraka ny finoana amin’ny
zava-misy iainany. Manasaraka tsotra izao ny finoana sy ny fiainana
an-davan’andro. Ary vokatr’izany dia maro amin’izay ireny ny tsy mankatoa ny
papa rehefa niaina ny vatikana faha-2. Ao koa ireo makatoa ny vatikana faha-2
nefa tsy miaina azy araka any tokony ho izy ka mampianatra antsokosoko ny
olona nefa tsy nahazo alalana tamin’ny Eveka hany ka manjary mampikorotana
olona satria tsy hita intsony izay pastoraly harahina na ny an’i Eveka na any
azy. Koa mivavaha isika mba ho voahaja
hatrany ny rafitra antanatohatra misy eo amin’ny fiangonana. |
|
P.
Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE
09 MAI 2010 – MESSE DU 6ème DIMANCHE DE PÂQUES
Année C – Couleur liturgique : BLANC
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy ankanavaka izy. |
|
ÿ Regina
caeli |
|
|
Ry
Mpanjakavavin’ny lanitra mifalia, Aleloia ! -
Satria Ilay nentinao tany am-bohoka, Aleloia ! Dia efa nitsangan-ko velona
araka ny teniny, Aleloia ! -
Mivavaha amin’ Andriamanitra ho anay, Aleloia ! Mifalia sy miravoa, ry Maria
Virjiny, Aleloia ! -
Satria nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, Aleloia ! Aoka
isika hivavaka Ry Andriamanitra,
Ianao nampientan-kafaliana an’izao tontolo izao tamin’ny nitsanganan’I Jesoa
Kristy Zanakao Tomponay ; koa mihanta aminao izahay , enga anie noho ny
vavak’I Maria Virjiny dia mba homenao anay ny fiainantsambatra mandrakizay . Amin’ny
alalan’I Kristy Tomponay. Amen. |
|
|
& VAKITENY MASINA VOALOHANY |
|
||
|
Boky mitantara ny Asan’ny
Apôstôly |
Asa
15, 1 – 2. 22 – 29 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, nisy olona nidina avy tany Jodea nampianatra ny mpino vahiny tao
Antiôkia hoe : « Raha tsy
foràna araka ny lalàn’i Môizy ianareo, dia tsy ho voavonjy ». Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy
tamin’ireo i Paoly sy i Barnabe, dia izao no hevitra nifanarahana :
hiara-miakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabe, ary ny sasany amin’izy
an-daniny, handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ilay zavatra niadiany
hevitra. Nankasitrahin’ny Apôstôly sy ny Pretra mbamin’ny Eglizy rehetra, ny
fanazavana nataon’i Piera sy i Jakôba ; ka nifidy ny sasany tamin’izy
rehetra izy ireo, mba hirahina ho any Antiôkia hiaraka amin’i Paoly sy
Barnabe : dia i Joda izay atao hoe Barsabasy, sy i Silasy, lehilahy
lohandohany tao amin’ny mpino, no laniny. Ka izao no taratasy nampitondrainy
azy ireo : « Ny Apôstôly sy
ny Pretra ary ny havana iray finoana, avy miarahaba ny havana any amin’ny
Jentily, izay any Antiôka sy Siria ary Silisia. Noho ny nandrenesanay fa nisy
olona avy taty aminay, izay tsy nahazo teny taminay velively, nampitabataba
anareo tamin’ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo, dia nivory izahay
rehetra, ka nifanara-kevitra ny hifidy olona hirahina ho any aminareo,
hiaraka amin’i Barnabe sy i Paoly malalanay, lehilahy nanao vy very ny ainy
ho voninahitry ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika. Koa indreny i Joda sy i
Silasy nirahinay hilaza am-bava izany zavatra izany aminareo. Sitraky ny
Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra ny mavesatra anareo, afa-tsy izao
zavatra tsy maintsy tandremana izao : dia ny hifadianareo ny hena natolotra
tamin’ny sampy, sy ny ra, ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana;
soa ho anareo ny mifady an’izany Veloma ». |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA FAHAROA |
|
||
|
Boky Fanambaràna nosoratan’i
Md Joany |
Apôk.
21, 10 – 14. 22 – 23 |
||
|
Izaho, Joany, dia nentin’ny Anjely am-panahy tany
amin’ity tendrombohitra, sady lehibe no avo ka nasehony ahy ny tanàna masina,
dia I Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra.
Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy ary voazavan’ny kintana sy ny
vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly. Sady avo
no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny ; nisy Anjely roa
ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia
ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely. Vavahady telo no eo
atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo,
vavahady telo no eo andrefana. Misy vato fanorenana roa ambin’ny folo ny
mandan’ny tanàna ; ary misy anarana roa ambin’ny folo amin’ireo, dia ny
anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry. Tsy nahita tempoly tao
aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak’ondry no
Tempoliny. Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny
voninahitr’Andriamanitra no fanilony. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& EVANJELY MASINA |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i
Md Joany |
Jo.
14, 23 – 29 |
||
|
Tamin’izany andro
izany I Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe : « Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko,
ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mitandrina
ny teniko ; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka
Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny
Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako,
no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra
rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no
omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo.
Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo izao voalazako
taminareo : Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho aty amainareo. Raha tia Ahy
ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao,
satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny
ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany ». |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
Amin'izao fotoana manakaiky ny fiakaran'i Jesoa any
amin'ny Ray izao dia manomboka manome ny fepetra rehetra tokony ho
arahintsika Izy amin'izao Vakiteny telo androany izao : manambara fa izay tia
Azy dia mitandrina ny didiny sy ny teniny, ary koa milaza sy mampahery ny
voninahitr'Andriamanitra sy ny Fanahy Masina. Isika kristianina tsirairay avy dia mahalala tsara ny
toro-marika rehetra momba izany, dia tsy ho atoro ny voanjo ho hadiana. Samy
manana ny anjara toerany, mba hahatontosa izany. Amin'ny maha olombelona
antsika anefa, nifanarahana ny tenin'ny Soratra Masina, sy ny
didin'Andriamanitra dia tsy mora tokoa, koa izany indrindra no andeha
hiarahantsika hiombom-bavaka mba hampisy vokany ny ezaka izay ataon-tsika
miaraka amin'ny Fanahy Masina, mizotra amin'ny lalana mahitsy. |
|
|
Marie-Thomas |
|
|
Vaomieran’ny FIARAHA-MONINA |
|
|
¦ soritr’asa manaraka
SY VAOVAO SAMIHAFA |
|||
|
1. |
FITSANGATSANGANAN’NY
ANKIZY, ASABOTSY 05 JONA 2010 : Mahafaly ny Vaomieran’ny KOLONTSAINA ny manao
izao filazana izao. Mampandre anareo Ray
aman-dreny izahay fa hisy fitsangatsanganana
izay entanin'ny Vaomieran'ny Kolontsaina ny Asabotsy tontolo andron'ny 5 Jiona 2010, izay atao ao amin'ny Parc des Sceaux (92). Ary iarahana
amin'ny ankizy sy ny ray aman-dreny. Manantena anareo dieny izao
mba hamandrika izany fotoana izany, ary hanoratra anarana sy hampilaza ny mpiandraikitra
na ho afaka na tsia alohan'ny 23 May 2010 mba hahamora ny fikarakarana sy ny
enti-manana ny amin'izany. Dia samia mitondra am-bavaka
ny fahatanterahan'ny fotoana. Tahian'Andriamanitra daholo Mirary soa ny rehetra. Bakoly Nirina RANDRIAMANANTENA Vaomieran'ny KOLONTSAINA |
|
|
|
2. |
FIVORIAN’NY
FILAN-KEVITRA PASTÔRALY, ANDROANY ALAHADY 09 MAY 2010 Aorian’izao Lamesa izao dia
hivory ny Filan-kevitra Pastôraly. Ny tanisa dinika dia ny Jery todika
tamin’ny fetintsika farany teo ary ny fiomanana amin’ny Zaikabe 2010. |
|
|
|
3. |
FIANTSOANA
FIVORIANA : Ho fanomanana ny Zaikabe dia
antsoina ny mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny FITANTANANA sy ny Vaomieran’ny FIFANDRAISANA hivory amin’ny Alahady
16 May 2010 amin’ny 2 ora sy
sasany eto amin’ny Chapelle Saint Paul. |
|
|
|
4. |
22 – 23 –
24 MAY 2010 : Ny Alahady 16 May 2010 izao
no fiomanana farany amin’ny Zaikabe,
hatao aorian’ny Lamesa. Koa antsoina ireo rehetra
handeha any amin’ny Zaikabe mba ho tonga daholo. Misy ny fampahafantarana ny
hatao any sy ny Toerana. Momba ny
fampiantranoana. Eo koa ny torimarika farany
homena antsika rehetra. |
|
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 16/05/2010 :
BIRAOM-PIANGONANA (Alahady faha- 7 fankalazana
ny PAKA) |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 15/05/2010 : VAOMIERAN’NY
KOLONTSAINA |
|