“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 02 MAY 2010

N° 61

ALAHADY FAHA – 5 FANKALAZANA NY PAKA – TAONA D

 

 

Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo

 

Sombin-dresaka nataon’i Jesoa tamin’ny mpianany tamin’ny Alakamisy Masina ny evanjely aroson’ny fiangonana ho antsika eto. Sombin-dresaka hanafatrafarany izay tokony hataon’ny mpianatra sy ny fomba fiainana tokony hiainan’izy ireo. Tsy mahagaga moa izany satria mitovy amin'ny olona rehetra rehefa ho faty dia mametraka hafatra na testament ho an’ny veloma. Ny hafatra navelan’i Jesoa ho an’ny mpianany eto dia hafatra miendrika didy :

 

« Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia ».

 

Fomba iray entin’i Jesoa hiaraha-mitoetra amin’ireo mpianany io hafatra io. Tsy biby na zavatra ny fitiavana fa Andriamanitra. Raha mifankatia ny mpianatra dia mbola miara-mitoetra amin’izy ireo i Jesoa : « Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka hotian'ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy » (Jo. 14, 23).

 

Raha mifankatia koa isika dia eo amintsika Andraiamanitra : « Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra » (1 Jo. 4, 12).

 

Tsy hisalasalana noho izany fa ny fifankatiavana marina misy eo amin’ny olombelona dia midika fisian’Andriamanitra eo aminy : « Fa na aiza na aiza iangonan'ny olona roa na telo amin'ny anarako, dia eo afovoany aho » (Mt. 18, 20). Eo afovoan’izay mivavaka aminy'i Jesoa.

 

Tiantsika ny honenan’Andriamanitra eo amintsika ka tokony hifankatia isika. Tandremo anefa fa soa lasa fifankatiavana mitovy amin'ny fanaon’izao tontolo izao ny fifankatiavantsika : fifankatiavana mila tambiny. Ny fitiavana takian’i Jesoa amintsika dia ny fitiavana tahakan’ny nitiavany antsika : fitiavana niafara tamin’ny fahafohizana ny aina mba hamonjena ny olombelona. Fifankatiavana mahay mifanompo.

 

Fitiavana tsy mora ny fitiavan’i Jesoa ary tiany hiainantsika. Adidintsika kristianina no mapiseho an’io fitiavana io eo amin’ny manodidina antsika. Manohy ny asan’i Jesoa isika amin'ny fiezahana hitory izay fitiavana izay.

 

Tsara ny mifankatia noho ny miady. Efa samy nahita ny voka-dratsin’ny ady isika mianakavy koa « mifankatiava ihany raha mbola velon’aina e ! »

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 02 MAI 2010 – MESSE DU 5ème DIMANCHE DE PÂQUES

Année C – Couleur liturgique : BLANC

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

ÿ Regina caeli

 

Ry Mpanjakavavin’ny lanitra mifalia, Aleloia !

-          Satria Ilay nentinao tany am-bohoka, Aleloia !

Dia efa nitsangan-ko velona araka ny teniny, Aleloia !

-          Mivavaha amin’ Andriamanitra ho anay, Aleloia !

Mifalia sy miravoa, ry Maria Virjiny, Aleloia !

-          Satria nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, Aleloia !

 

Aoka isika hivavaka

Ry Andriamanitra, Ianao nampientan-kafaliana an’izao tontolo izao tamin’ny nitsanganan’I Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ; koa mihanta aminao izahay , enga anie noho ny vavak’I Maria Virjiny dia mba homenao anay ny fiainantsambatra mandrakizay . Amin’ny alalan’I Kristy Tomponay. Amen.

 

& VAKITENY MASINA VOALOHANY

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 14, 20b – 26

Tamin’izany andro izany, i Paoly sy i Barnabe dia niverina tany Listra, sy Ikôniôma ary Antiôkia, nankahery fo ny mpianatra, sy namporisika azy haharitra amin’ny finoana, ary nilaza fa amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy hidirantsika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Isan’ny Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo, dia nanendry Pretra, sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany. Dia namaky an’i Pisidia izy ireo, ka tonga tany Panfilia. Ary rehefa nitory ny Tenin’ny Tompo tany Perja izy, dia nidina nankany Atalia. Avy ao izy, dia niondrana an-tsambo hankany Antiôkia, fa teo no nanolorana azy hoentin’ny fahasoavan’Andriamanitra hanao ny asa izay vitany. Vao tonga tao izy, dia namory ny Fiangonana, ka nitantara ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminy, sy ny namohany ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentily.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA FAHAROA

 

Boky Fanambaràna nosoratan’I Md Joany

Apôk. 21, 1 – 5a

Izaho, Joany, dia nahita lanitra vaovao sy tany vaovao, fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina. Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voahomana hihaona amin’ny vadiny. Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe : « Indro ny tranolain’Andriamanitra mitoetra eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo ho vahoakany, ary Izy Andriamanitr’izy ireo. Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony ; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny ny toetra taloha ». Dia hoy Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana : « Indro havaoziko ny zavatra rehetra ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& EVANJELY MASINA

 

Evanjely masina nosoratan’i Md Joany

Jo. 13, 31 – 33a

Tamin’izany andro izany, nony efa nivoaka ny trano fihinanana i Jodasy, dia hoy I Jesoa : « Nomem-boninahitra izao ny Zanak’olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy. Ary raha Andriamanitra  no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny Tenany sy hanome voninahitra Azy faingana. Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Didy vaovao no omeko anareo, dia izao : Mifankatiavana, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia ».

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

 

( fifampizarana

 

 

 

Ho antsika Kristianina, ny « FITIAVANA » dia fitiavana olona iray dia « ANDRIAMANITRA », satria Izy dia Fitiavana.

 

Ny fitiavana tadiavin'i Tompo amintsika dia raiketin'ny teny hoe « tahaka »

TAHAKA ny nataony sy nasehony tety an-tany, ary namoizany ny ainy mihintsy mba hanavotana antsika : Fitiavana tsy misy fetra.

 

Koa mahay maneho sy mamaly izany fitiavana izany ve isika katolika Malagasy ?

Sa kosa lasa fitiavana « tiako raha misy patsa », na tiako ianao ry Tompo raha manampy ahy, na raha manala ny fahoriako , na raha miara-milanja ny enta-mavesatra miaraka amiko ?

 

Izany fitiavana izany koa dia azontsika omena ny ankohonantsika, ny mpiara-mivavaka na mpiara-monina amintsika, eny na ny fahavalontsika aza amin’ny alalan’ny fanampiana, fandeferana, famelana.

 

Ny fitiavana tian’i Jesoa eto koa dia tsy hoe fitiavana amin'ny samy kristianina katolika fotsiny fa amin'ny rehetra na ireo hafa finoana amintsika aza satria ny fitiavan'i Kristy dia iraka (mission) : Izany fitiavana izany no « atin'ny fiainana kristianina ».

 

Koa  enga anie isika Kristianina katolika mba ho taratra ka ho hitan'ny hafa ka hoe : « jereo fa mifankatia tokoa izy ireo ».

 

 

 

Etienne RAZAFINJATO

 

 

Vaomieran’ny FIFANDRAISANA

 

¦ soritr’asa manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA

1.

MATSOM-PANAHIN’NY ANTOKO MPIHIRA :

Ny Asabotsy 8 sy Alahady 9 may 2010 izao no hanao ny Matsom-panahiny ny Antoko Mpihira « Feon’Anjomara ».

Eny amin’ny Centre d’Accueil-ny Spiritains eny Chevilly-Larue no hanaovany an’izany. Koa ento am-bavaka izany fotoana izany tsy ho azon-tsampona.

 

2.

FRAT 2010 :

Vita soa aman-tsara koa ny Fivahiniana Masina (FRAT) nataon’ireo tanora eto amin’ny Ile de France izay misy Diosezy valo, ny 21 ka hatramin’ny 26 avrily 2010 no nanaovana izany. Ny lohahevitra nifampizaran’izy ireo moa dia : « Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay ». Nanana tanora nandray anjara tamin’izany isika FKMP, ka mbola hanao tatitra amintsika mianakavy izy ireo.

 

3.

FIANTSOANA FIVORIANA, LAHADY 09 MAY 2010 :

Antsoina ny mpikambana rehetra ao amin'ny Filan-kevitra Pastôraly hamonjy ny fivoriana ara-potoana izay hatao ny

 

Alahady 09 May 2010

Aorian'ny Lamesa.

 

Ny Tanisa Dinika :

- Fanaovana jery todika iny fety nataontsika mianakavy iny (bilan et perpective)

- Fiomanana sy fandaminana farany momba ny Zaikabe

- Ireo ezaka pastôraly mbola miandry sy samihafa

 

4.

ZAIKA BE ANY “PARAY – LE – MONIAL”,

22 – 23 – 24 MAY 2010 :

Antsoina isika rehetra handeha hamonjy ny Zaikabe ho tonga hamonjy ny fivoriana fiomanana amin'izany, izay hatao ny

 

Alahady 16 May 2010

Aorian'ny Lamesa.

 

Amin'io fotoana no hanomezana ny torimarika rehetra sy ny fandaminana isan-karazany. Aoka hifampilaza fa zava-dehibe ny fahatongavan'ny tsirairay amin'izany.

 

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

09/05/2010 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA

(Alahady faha-6 fankalazana ny PAKA)

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

08/05/2010 : BIRAO