|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 25 Avrily 2010 |
N° 60 |
|
ALAHADY FAHA – 4 FANKALAZANA NY PAKA – TAONA D |
|
|
FETIN’NY MPIANDRY ONDRY TSARA I Kristy tafatsangana-ko velona,
no ankalazaintsika anio. Izy no Ilay Mpiandry Ondry tsara. Mahafantatra antsika i
Kristy, ary mihezaka koa isika ahafantatra azy (Jo:10,14). « Hoatry ny
fahafantaran'ny Raiko ahy sy ahafantarako ny Ray (Jo 10, 15) hoy i Jesoa ».
Manana ny heviny ara-baiboly eto ny teny hoe : « mahafantatra » izay
adika hoe : « mitia ». Ka raha milaza i Jesoa fa mahafantatra ny
ondriny dia midika izany, fa tia ny ondriny hatramin'ny fahafoizana ny ainy
Izy. Ohatra lehibe no anoharan'ny Jesoa an'izany : Toy ny fifankatiavan’Izy
sy ny Ray. Ny Ray moa naneho fa tia azy, ary natsangany ho velona Izy. I
Jesoa kosa nampiseho nandritry ny fiainany teto an-tany, fa tiany ny Ray, ka
noraisiny ho toy ny sakafony mihintsy ny manatanteraka ny sitrapon'ny Ray. Mihezaka koa ny Mpiandry
Ondry tsara, mba « ananantsika ny fiainana ary
ananantsika azy be dia be ». (Jo 10, 10). Nahatsapa an'izany ry
Piera sy ireo Apostoly ka rafitra nilaza hoe : « Ankany amin'iza moa
izahay ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay ». Adidy mipetraka amintsika
vita Batemy rehetra ny fiahiana ny fiantsoan'Andriamanbitra. Tokana ny antso
miantefa amintsika mianakavy, ilay voalaza ao amin'ny Asan'ny Apostoly :
« Omeko ny herin'ny Fanahy ianareo, ho
vavolombeloko hatrany am-paravazan-tany » (Asa 1, 8). Izy Kristy
no miantso antsika hanara-dia azy, dia i « Kristy
Ilay làlana sy fahamarinana ary fiainana » (Jo 14, 16). Vahoaka
marobe anefa no miraviravy tanana, miahaka toy ny ondry tsy misy mpiahy
mitorovoka anaty fahoriana, miraparapa anaty haizina ary miandrandra izay
hazavana entin'ny Vaovao Mahafalin'ny famonjena. Saingy mila famantarana izy
ireo, mila vavolombelona koa, handresy lahatra azy mba hinoany. Atao ahoana
tokoa moa no fino raha tsy misy mitory? Atao ahoana anefa no fitory raha tsy
misy maniraka ? Izany indrinddra no nilazan'i Kristy hoe : « Maro ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy, mangataha àry
amin'ny tompom-bokatra mba hanirahany mpijinja ny vokany » ( Mt
5, 48). Isika kristianina vita batemy rehetra no iantefan'izany antso izany,
dia isika izay nantsoin'Andriamanitra ho zanany, ka tonga mpisorona sady
mpaminany ary mpanjaka. Tsy nitsororika avy any
an-danitra ny pretra sy ny relijiozy, na nitrebona avy amin'ny tany, fa
nipoitra avy amin'ny fianakaviana kristianina. Ny fianakaviana no seminera voalohany anolokoloana ny
toetra maha-olom-banona, fototra iorenan'ny fiainam-panahy kristianina, ka
itsimohan'ny antson'Andriamanitra. Trotroina am-bavaka ianareo Ray
aman-drenim-pianakaviana. Tolorana fisaorana koa, sy mbola ankaherezina noho ianareo, tsy
mitandro hasasarana manao izay hahatonga taiza ny zanak'Andriamanitra, sady
zanakareo koa, nankinina hovelominareo sy ho beazinareo, indrindra amin'izao
vanin'andro sarotra, manozongozona ny herin'ny finoana sy ny fanantenana ary
ny fitiavana narotsaka tao am-pontsika izao. Kristy Ilay Mpiandry ondry
tsara anie homba antsika
mandrakariva. |
|
Père
RAHAVANA |
DIMANCHE
25 AVRIL 2010 – MESSE DU 4ème DIMANCHE DE PÂQUES
Année C – Couleur liturgique : BLANC
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY PRETRA ANNEE SACERDOTALE Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010 Ho
fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY,
Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao
fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra
tsy ankanavaka izy. |
|
ÿ Regina
caeli |
|
|
Ry
Mpanjakavavin’ny lanitra mifalia, Aleloia ! -
Satria Ilay nentinao tany am-bohoka, Aleloia ! Dia efa nitsangan-ko velona
araka ny teniny, Aleloia ! -
Mivavaha amin’ Andriamanitra ho anay, Aleloia ! Mifalia sy miravoa, ry Maria
Virjiny, Aleloia ! -
Satria nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, Aleloia ! Aoka
isika hivavaka Ry Andriamanitra,
Ianao nampientan-kafaliana an’izao tontolo izao tamin’ny nitsanganan’I Jesoa
Kristy Zanakao Tomponay ; koa mihanta aminao izahay , enga anie noho ny
vavak’I Maria Virjiny dia mba homenao anay ny fiainantsambatra mandrakizay . Amin’ny
alalan’I Kristy Tomponay. Amen. |
|
|
& VAKITENY MASINA VOALOHANY |
|
||
|
Boky mitantara ny Asan’ny
Apôstôly |
Asa
13, 14. 43 – 52 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, i Paoly sy i Barnabe dia niala tany Perja, ka tonga tany Antiôkia any
Pisidia ; ary niditra tao amin’ny Sinagôga izy tamin’ny andro sabata, ka
nipetraka teo. Rehefa nirava ny Fiangonana, dia betsaka ny Jody sy ny
prôzelita nanompo an’Andriamanitra, no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabe, ary
izy roa lahy kosa, niresaka tamin’izy ireo sy namporisika azy haharitra
amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Tamin’ny sabata manaraka, dia saika
tafangona nihaino ny Tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra. Fa
feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra
ny teny nolazain’i Paoly no nanevateva azy. Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe
dia niteny tamin-kasahiana hoe : « Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny
Tenin’Andriamanitra voalohany indrindra, nefa noho ianareo mandà Azy sy manao
ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany
amin’ny Jentily izahay. Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay : Efa
natsangako ho fahazavan’ny Jentily ianao, mba hitondra famonjena hatramin’ny
fara-vazan-tany ». Faly ny Jentily nony nandre izany ka nankalaza ny
Tenin’ny Tompo, ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana
mandrakizay. Dia niely eran’izany tany izany ny Tenin’ny Tompo. Nefa
notarihan’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona
tao an-tanàna, ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, sy nandroaka azy
hiala amin’ny taniny. Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny
tongony hiampanga an’ireo, dia lasa nankany Ikôniôma ; ary ny mpianatra kosa,
feno hafaliana sy Fanahy Masina. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA FAHAROA |
|
||
|
Boky Fanambaràna
nosoratan’I Md Joany |
Apôk.
7, 9. 14b – 17 |
||
|
Izaho, Joany,
nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny
fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsanagana
teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana
sampan-drofia. Ary hoy ny iray tamin’ireo Anti-dahy tamiko : « Ireo no
avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy nampadio ny akanjony tamin’ny
Ran’ny Zanak’ondry. Koa indreo izy eo anoloan’ny seza
fiandrianan’Andriamanitra, manompo Azy andro aman’alina ao an-Tempoliny, ary
hamponenin’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao an-tranony. Tsy ho
noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hampaninona azy na hainandro na
zava-mandoro hafa. Fa ny Zanak’ondry, Izay mipetraka eo afovoan’ny seza
fiandrianana, no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy amin’ny loharanon’aina, ary
Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony ». |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& EVANJELY MASINA |
|
||
|
Evanjely masina nosoratan’i
Md Joany |
Jo.
10, 27 - 30 |
||
|
Tamin’izany andro
izany I Jesoa niteny tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe : « Izaho no
Mpiandry ondry tsara ». Ary dia niteny koa Izy nanao hoe : « Ny
ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, omeko ny
fiainana mandrakizay izy, ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy
haharombaka azy eo an-tanako. Ny Raiko Izay nanome an’ireo dia lehibe noho
izao rehetra izao, ka tsy misy maharomboka, eo an-tanan’ny Ray. Izaho sy ny
Ray dia iray ihany ». |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana
|
|
|
Mankalaza ny Fetin'ny Mpiandry ondry tsara
isika androany. Ny Mpiandry ondry tsara dia i Jesoa Kristy ary isika no ondry
andrasany, tsy misy tiany ho very na dia iray aza ka izany no mahatonga Azy
tsy mitsahatra manangona antsika ho ao anaty vala iray. Ankehitriny dia
manana mpiandry ondry tsara isika izay manohy ny asan'i Kristy dia ny Papa, ny
Eveka, ny Pretra ary ireo Relijiozy isan-tsokajiny. Izany indrindra no
mahatonga azy ireo androany tafavory eto mba hiara-mivavaka sy hifaly
amintsika satria azo lazaina fa fetin'izy ireo androany. Tiana marihina anefa fa mila fanohanana
ara-bavaka izy ireny satria sarotra ny lalana hizorana. Mifampivavaka isika
mba ho tena mpiandry ondry mahatoky, mendrika sady masina izy ireny ary mba
hisy antso miantefa koa any amin'ny fianakaviana tsirairay avy any ka
hampitombo ny mpindry ondry eto anivontsika Malagasy ka izay indrindra no mahatonga
anay hitalao hoe : Tompo ô, nantsoinao aho, teo anivon'ny
Fiaraha-monina Tompo ô, inty aho hamehy tena, inty aho
hampiely ny hafatrao amin'ireo madinika na dia tsy mendrika aza. Manomboka androany, indro asehoko etoana Ny voady, eny tsy hivadika aminao Eny ry Tompo ô, maro ireo vato misakana Koa tohano re ry Tompo ô, sao rendrika Tompo ô ô ô, ampianaro mivavaka izahay e Tahaka ny nataon'i Joany e e e Ampianaro mivavaka izahay e Tahaka ny nataon'i Joany e Ry Rainay any an-danitra ô ô ô, ho hamasinina
anie ny Anaranao … |
|
|
Sr
Olga Haingonirina |
|
|
Avy
amin’ny Pretra sy ny Relijiozy Malagasy |
|
|
¦ soritr’asa manaraka
SY VAOVAO SAMIHAFA |
|||
|
1. |
TAKARIVA MENAMASOANDRO, 24 AVRILY 2010 : Misaotra an’Andriamanitra isika mianakavy fa tontosa soa
aman-tsara ny fetim-pianakaviana izay nataontsika omaly : “Takariva menamasoandro”.
Nahafinaritra ny firaisan-kina sy fafoizan-tena ary fahalalan-tanana nasehontsika
rehetra teto amin’ny FKMP. Andriamanitra
anie hamaly ny soa vitantsika ho an’ny Fiangonana e. |
||
|
2. |
FRAT 2010 : Tamin’ny Alarobia 21 avrily ihany koa no nanainga ireo
tanora 10 mianadahy : Anja, Diana,
Faly, Faly Rasolojaona, Hasina, Hasina Ravelomanda, Léa, Maminiaina, Tojo ary
Typhanie izay misolontena ny FKMP, handray anjara amin’ny FRAT 2010 any
Lourdes. Fivahiniana Masina ataon’ireo tanora 15 – 17 taona eto amin’ny
Diosezy valo eto amin’ny Région Apôstôlika Ile de France ny FRAT (avy amin’ny
Fraternel), miaraka amin’ny Eveka. « Tompo ô,
ampianaro mivavaka izahay », izay
lohahevitra hifampizaran’ireo tanora rehetra ireo. Mifarana ny Alatsinainy 26
avrily. Trotroy am-bavaka izany fotoana izany. |
||
|
3. |
FIOMANANA
AMIN’NY SAKRAMENTA : Misy ihany koa ireo
fiomanana amin’ny Sakramenta eto amin’ny Fiangonantsika : Batemy, Komonio
Voalohany, Konfirmasio, Mariazy. Androany Alahady 25 Avrily dia i Kaliana VANDERWALLE no handray ny Sakramentan’ny Batemy. Ary miarahaba
azy isika mianakavy. Ary mbola hisy koa ireo zaza handray izany
Sakramentan’ny Batemy izany ny Alahady 08 May fa mbola manohy ny fiofanana. Ka
ento am-bavaka mba ho be ny mpijinja |
|
|
|
4. |
ALAHADY VOALOHAN’NY VOLANA, 02 MAI 2010 : Ny alahady voalohan’ny volana dia natokana ho an’ny Vaomieran’ny KOLON-TSAINA. Izy ireo no mampita ny kolontsaina malagasy, mampianatra ny teny malagasy an’ireo zanatsika. |
|
|
|
5. |
22 – 23 – 24 MAY
2010 : Tsy ela dia handeha hanao
dia rodobe any Paray-Le-Monial isika
mianakavy eto amin’ny FKMP. Fihaonantsika Malagasy
Katolika rehetra aty Frantsa io. Misy ny fifampizarana, misy
ny fiaraha-mivavaka. Ao koa ny fampianarana
ara-pinoana sy ny fialam- Boly. Koa
hisy fotoana iray hanomanantsika miaraka an’izany
fotoan-dehibe izany. |
|
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 02/05/2010 : VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA (Alahady faha-5 fankalazana ny PAKA) |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 01/05/2010 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA |
|