“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 22 Febroary 2009

N° 06

ALAHADY FAHA 7 – TAONA B

 

MANASITRANA NY FAHALEMENTSIKA I JESOA

 

« Anaka, voavela ny helokao ». Io teny feno fitiavana sy indrafo io no henontsika manako ao amin’ny Evanjely amin’ity andro ity raha nanasitrana ilay lehilahy malemy tao Kafarnaoma i Jesoa.  Tsy avelan’Andriamanitra ho very na hanjakan’ny fahafatesana izay tandindon’ny fahalemena ny olona izay mibanjina sy mino ary manantena Azy. Mibaribary izany tamin’ny nanasitranany ity malemy ity : samy naniry ny fahasitranany na ilay malemy  na ireo nilanja azy ka nitady tetika hampidinana azy eo antrehan’I Jesoa. Vokany : nositranin’i Jesoa izy.

Manana ny fahalemena mpahazo antsika koa isika : ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy. Tsy afaka hanohitra izany amin’ny alalan’ny tenantsika irery isika. Tsy maintsy mila vonjy amin’i Jesoa ilay mpanasitrana. Izany anefa dia mitaky finoana lalina toy ny nananan’io malemy io. Mitaky koa fanampian’ny hafa toa ireo  olona nilanja azy. ‘Zany hoe ny famonjena dia tsy vita samirery fa tsy maintsy miankina amin’ny hafa dia ny Fiangonana. Ny Fiangonana no mizara ireo sakramenta mampahazo fahasoavana sy fahavelomana ny zanany.

Koa manentana antsika handray ny sakramenta izay mifanandrify amin’ny toe-piainantsika. Ho avy tsy ho ela izao ny karemy izay natao hibebahana misimisy kokoa , koa aza hadinoana ny sakramentan’ny  Fampihavanana (na konfesy) hanambaranao indrindra amin’i Kristy amin’ny  Fiangonana ny halemenao.

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 22 FEVRIER 2009 – MESSE DU 7ème DIMANCHE – Année B Couleur liturgique : Vert

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’ i Izaia

Iz. 43. 18 – 19,
21 – 22, 24b – 25

 

Izao no nolazain’ny Tompo : Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony ! Fa Aho, hanao zava-mahagaga vaovao ; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany và ianareo ? Hanisy lalana any an’efitra Aho sy ony eny an-tany karankaina. Ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, history ny fiderana Ahy. Kanefa , ry Jakôba ô, tsy mba  niantso Ahy ianao, na nisahirana tamiko akory, ry Israely. Fa ianao aza no namesatra Ahy tamin’ny fahotanao, nanasatra  Ahy tamin’ny tsy fahamarinanao. Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty

2 Kôr. 1. 18 – 22

 

Ry Kristianina havana, araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra no tsy maha-“eny” sy “tsia” ny teninay taminareo. Satria ny Zanak’Andriamanitra dia i Kristy Jesoa, izay notorinay sy i Silvano ary I Timôte taminareo, tsy nisy “eny” sy “tsia”,fa “eny” ihany no tao aminy. Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra, dia tao amin’i Jesoa ihany ny « eny », ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana « Amen » ; mba ho voninahitr’Andriamanitra. Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy, fa Andriamanitra, izay naha-voahosotra antsika, sy nanisy tombo-kase antsika koa, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka

Mk. 2. 1 – 12

 

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niditra tao Kafarnaôna. Nony re fa hoe tao an-trano Izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anolaon’ny varavarana aza; dia nitory teny taminy Izy. Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain’olona efa-dahy. Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany ; nony voasokatra, dia nampidiriny teo ny fandriana nandrian’ilay malemy. Ary i Jesoa, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay malemy hoe : « Anaka, voavela ny helokao”. Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nanao anakam-po hoe : « Ahoana no itenenan’ilay ity toy izany ? Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany ? » Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy :  « Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo ? Inona no moramora kokoa , ny manao amin’ity malemy ity hoe: Voavela ny helokao sa ny manao hoe : Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa Zanak’olona manam-pahefana ety an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao: (hoy Izy tamin’ilay malemy) Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao”. Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany , ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra, hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an Andriamanitra nanao hoe: “ Tsy mbola nahita tahaka izany izahay”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

 

NY ANGANO SY NY ZAVA-MISY

Ny angano dia tantara noforonina entina manala sorisory, manala hamohamo. Mitondra an’eritreritra. Natokana indrindra ho a’ny ankizy. Ka hoy ny mpitantara : indray andro hono….

Ny angano dia matetika koa dia tantara noforonina enti-manaza ny fiavian’ny tranga iray. Ohatra : fa naninona hono ny akoho tsy nanidina ? Satria, hono, tsy nahandry ny andro maraina e. Ny mpamorina angano dia samy manome ny antony avy. Liana ery ny sofin’ny ankizy fa toa mahalala zavatra.

Ny angano koa dia fomba fitaizana teo amin’ny Malagasy. I dadabe no mitantara rehefa mena fifin’ ny masoandro iny ny volom-bavany, ka manodidinina mihaino azy ny ankizy. Taninandro hariva e. Na koa takariva amorom-patana. Manokom-bary olona ny ao an-tanàna. Entina mananatranatra, mampitandrina eo amin’ny fiainana. Indrindra ny fahaiza-mihaino sy miaina ny anatranatry ny ray aman-dreny. Ka izay tsy manaja izany dia mety  hitrangan-doza satria manaonao foana. Mahaliana sy tsotra kokoa ho an’ny ankizy ny mihaino tantara e, toy izay miresa-be aminy.

Hitantsika amin’ireo ny hevitry ny angano amin’ny ankapobeny. Ny milaza zava-doza matetika dia lazain’ny olona fa milaza angano. Tsy mampino nefa mihatra, ka izay  ilay hoe : idiran’ angano. Tsy misy intsony ifandraisany amin’ilay angano ery ambony.

Ny Vaovao Mahafaly novinaky tamintsika androany dia manomboka milaza tsikelikely fa I Jesoa  no Kristy Zanak’Andriamanitra. Asehon’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanasitranana izany eto. Zava-misy, hitan’ny maso ary mahomby ka mahazo olona marobe. Tsy kabary no ataony fa teny arahin’asa. Tsy misaraka ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanasitranana. Ho an’ny mpanora-dalàna toa ankamantatra saro-pantarina ny zava-mitranga. Mila masom-pinoana isika amin’ny asa pastoraly ataontsika satria maro ny zavatra tsy takatry ny saina nefa toa mahomby noho ny fahasoavan’Andriamanitra.  Tsy angano no ataon’I Jesoa fa tena zava-misy marina. Sitrana ny marary, malady ny marenina ary mahita ny jamba. Endrika tandindon’ny fahotana izany ka Izy Andriaanitra no mpamela.

Tsy angano fa zava-misy ny finoana ivelomantsika. Tsy angano fa zava-misy ny Fiangonana mizara ny Sakramenta  andraisam-pahasoavana. Koa manainga antsika mianakavy ny Birao mba iara-hientana amin’ny asam-pamonjena misy eto amin’ny Fiangonana. Satria tsy angano fa zava-misy ny famelan-keloka.  Ny mpahay lalàna sy ny Farisianina dia iray tarika ho an’I Jesoa ( jereo Matio 5, 20), toa manompo lalàna  tsy miray hina amin’ny hafa.

Tsy angano anefa fa zava-misy tsy maintsy iainana ny fifankatiavana raha te ho vavolombelon’I Kristy. Mahereza daholo àry amin’ny asa fanompoana. Tsy angano ny finoana fa zava-misy ary ny Fiangonana no teorana voa-janahary itombohany.

ELIASY Liva

Birao

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

KOLONTSAINA :

Toy ny alahady voalohan’ny volana dia ny Vaomieran’ny Kolontsaina no mandray ireo ankizy amin’ny alahady 1 Marsa izao. Ny fotaoan dia manomboka amin’ny 3 ora tolak’andro. Arak’izany dia ny fampiatna ny kolontsaina malagasy no imasoana, sy ny fampianarana ny teny malagasy.

2.

FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA PASTORALY :

Ny Pretra Aumônier-ntsika dia miantso ireo mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Pastoraly hivory ara-potoana ny alahady 1 marsa 2009 izao, amin’ny 2 ora tolak’andro eto amin’ny Fiangoanantsika. Ny fahatongavanao no hahavitan-javatra.

3.

VAOMIERAN’NY FINOANA :

Antsoina ny mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny Finoana tonga hamonjy fivoriana ny asabotsy 28 febroary izao amin’ny 4 ora tolak’andro. Aorian’ny famafana Fiangonana, dia handinika ireo asa miandry araka ny fandaharana pastôraly efa tinapaka. Hamafisina fa ireo mpampianatra Katesizy rehetra sy ny mpanomana sakramentana dia mpikambana rakitra, miampy ireo solontena isam-baomiera.

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

Isika mainakavy no iaraka hanatontosa ny Koranam-pianakaviana hatao eny amin’ny toerana filanonana « PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka amin’ny 9 ora alina. Holazaina tsy ho ela ny fizaran-draharaha.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORZIA :

F 01/03/2009 : Vaomieran’ny Finoana

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 28/02/2009 : Vaomieran’ny Finoana

 

 

ü vaovao samihafa

 

1.

FANANGANANA HO OLONTSAMBATRA

Araka ny vaovao avy any Vatican dia hatsangana ho Olontsambatra tsy ho ela I Frera Raphael Louis RAFIRINGA. Hatao any Madagasikara izany fa ny daty mbola tsy fantatra. Izy dia teraka tao Antananarivo ny 3 novambra 1856 ary maty tao Fianarantsoa ny 19 may 1919. Malagasy voalohany tao amin’ny Fikambanan’ny Frères des Ecoles chrétiennes; Olomangan’ny Fiangonana sy ny Firenena izy. Nanam-pinoana mahate hidera sy manam-pahaizana no mpanabe nahafatra-po.

 

Rakitra farany

15/02/2009

260,33 €