|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 22 Febroary
2009 |
N° 06 |
|
ALAHADY FAHA 7 – TAONA B |
|
|
MANASITRANA NY FAHALEMENTSIKA I JESOA |
|
« Anaka, voavela
ny helokao ». Io teny feno fitiavana sy indrafo io no henontsika
manako ao amin’ny Evanjely amin’ity andro ity raha nanasitrana ilay lehilahy
malemy tao Kafarnaoma i Jesoa. Tsy
avelan’Andriamanitra ho very na hanjakan’ny fahafatesana izay tandindon’ny
fahalemena ny olona izay mibanjina sy mino ary manantena Azy. Mibaribary izany
tamin’ny nanasitranany ity malemy ity : samy naniry ny fahasitranany na ilay
malemy na ireo nilanja azy ka nitady
tetika hampidinana azy eo antrehan’I Jesoa. Vokany : nositranin’i Jesoa izy. Manana ny fahalemena mpahazo antsika koa
isika : ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy. Tsy afaka hanohitra izany amin’ny
alalan’ny tenantsika irery isika. Tsy maintsy mila vonjy amin’i Jesoa ilay
mpanasitrana. Izany anefa dia mitaky finoana lalina toy ny nananan’io malemy
io. Mitaky koa fanampian’ny hafa toa ireo
olona nilanja azy. ‘Zany hoe ny famonjena dia tsy vita samirery fa tsy
maintsy miankina amin’ny hafa dia ny Fiangonana. Ny Fiangonana no mizara ireo
sakramenta mampahazo fahasoavana sy fahavelomana ny zanany. Koa manentana antsika handray ny sakramenta izay mifanandrify amin’ny
toe-piainantsika. Ho avy tsy ho ela izao ny karemy izay natao hibebahana
misimisy kokoa , koa aza hadinoana ny sakramentan’ny Fampihavanana (na konfesy) hanambaranao
indrindra amin’i Kristy amin’ny
Fiangonana ny halemenao. |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE 22 FEVRIER 2009 – MESSE DU 7ème
DIMANCHE – Année B Couleur liturgique : Vert
|
|
& VAKITENY
MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’ i Izaia |
Iz. 43. 18 – 19, |
||
|
Izao no nolazain’ny
Tompo : Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra
taloha intsony ! Fa Aho, hanao zava-mahagaga vaovao ; efa hiposaka izy izao,
tsy hahalala izany và ianareo ? Hanisy lalana any an’efitra Aho sy ony eny an-tany karankaina. Ny
vahoaka noforoniko mba ho Ahy, history ny fiderana Ahy. Kanefa , ry Jakôba ô,
tsy mba niantso Ahy ianao, na
nisahirana tamiko akory, ry Israely. Fa ianao aza no namesatra Ahy tamin’ny
fahotanao, nanasatra Ahy tamin’ny tsy
fahamarinanao. Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny
fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy voalohan’i Md Paoly Apôstôly ho
an’ny Kristianina tany Kôrinty |
2 Kôr. 1. 18 – 22 |
||
|
Ry Kristianina |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely
masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka |
Mk. 2. 1 – 12 |
||
|
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niditra tao Kafarnaôna. Nony re fa hoe
tao an-trano Izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy
hitoerana intsony na dia hatrany anolaon’ny varavarana aza; dia nitory teny
taminy Izy. Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy
anankiray, izay nolanjain’olona efa-dahy. Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo
noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany
; nony voasokatra, dia nampidiriny teo ny fandriana nandrian’ilay malemy. Ary
i Jesoa, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay malemy hoe : «
Anaka, voavela ny helokao”. Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka
nanao anakam-po hoe : « Ahoana no itenenan’ilay ity toy izany ? Miteny ratsy
an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra
irery ihany ? » Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa
nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy : « Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao
am-ponareo ? Inona no moramora kokoa , ny manao amin’ity malemy
ity hoe: Voavela ny helokao sa ny manao hoe : Mitsangàna, batao ny
fandrianao, ary mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa Zanak’olona
manam-pahefana ety an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao:
(hoy Izy tamin’ilay malemy) Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any
an-tranonao”. Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany ,
ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra, hany ka talanjona izy rehetra sady
nankalaza an Andriamanitra nanao hoe: “ Tsy mbola nahita tahaka izany
izahay”. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
|
NY
ANGANO SY NY ZAVA-MISY Ny angano dia tantara noforonina entina manala sorisory, manala
hamohamo. Mitondra an’eritreritra. Natokana indrindra ho a’ny ankizy. Ka hoy
ny mpitantara : indray andro hono…. Ny angano dia matetika koa dia tantara noforonina enti-manaza ny
fiavian’ny tranga iray. Ohatra : fa naninona hono ny akoho tsy nanidina ?
Satria, hono, tsy nahandry ny andro maraina e. Ny mpamorina angano dia samy
manome ny Ny angano koa dia fomba fitaizana teo amin’ny Malagasy. I dadabe no
mitantara rehefa mena fifin’ ny masoandro iny ny volom-bavany, ka
manodidinina mihaino azy ny ankizy. Taninandro hariva e. Na koa takariva
amorom-patana. Manokom-bary olona ny ao an-tanàna. Entina mananatranatra,
mampitandrina eo amin’ny fiainana. Indrindra ny fahaiza-mihaino sy miaina ny
anatranatry ny ray aman-dreny. Ka izay tsy manaja izany dia mety hitrangan-doza satria manaonao foana.
Mahaliana sy tsotra kokoa ho an’ny ankizy ny mihaino tantara e, toy izay
miresa-be aminy. Hitantsika amin’ireo ny hevitry ny angano amin’ny ankapobeny. Ny
milaza zava-doza matetika dia lazain’ny olona fa milaza angano. Tsy mampino
nefa mihatra, ka izay ilay hoe :
idiran’ angano. Tsy misy intsony ifandraisany amin’ilay angano ery ambony. Ny Vaovao Mahafaly novinaky tamintsika androany dia manomboka milaza
tsikelikely fa I Jesoa no Kristy
Zanak’Andriamanitra. Asehon’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanasitranana izany
eto. Zava-misy, hitan’ny maso ary mahomby ka mahazo olona marobe. Tsy kabary
no ataony fa teny arahin’asa. Tsy misaraka ny Tenin’Andriamanitra sy ny
fanasitranana. Ho an’ny mpanora-dalàna toa ankamantatra saro-pantarina ny
zava-mitranga. Mila masom-pinoana isika amin’ny asa pastoraly ataontsika
satria maro ny zavatra tsy takatry ny saina nefa toa mahomby noho ny
fahasoavan’Andriamanitra. Tsy angano
no ataon’I Jesoa fa tena zava-misy marina. Sitrana ny marary, malady ny
marenina ary mahita ny jamba. Endrika tandindon’ny fahotana izany ka Izy
Andriaanitra no mpamela. Tsy angano fa zava-misy ny finoana ivelomantsika. Tsy angano fa
zava-misy ny Fiangonana mizara ny Sakramenta
andraisam-pahasoavana. Koa manainga antsika mianakavy ny Birao mba
iara-hientana amin’ny asam-pamonjena misy eto amin’ny Fiangonana. Satria tsy
angano fa zava-misy ny famelan-keloka.
Ny mpahay lalàna sy ny Farisianina dia iray tarika ho an’I Jesoa (
jereo Matio 5, 20), toa manompo lalàna
tsy miray hina amin’ny hafa. Tsy angano anefa fa zava-misy tsy maintsy iainana ny fifankatiavana
raha te ho vavolombelon’I Kristy. Mahereza daholo àry amin’ny asa fanompoana.
Tsy angano ny finoana fa zava-misy ary ny Fiangonana no teorana voa-janahary itombohany. |
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
|
ELIASY Liva |
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
|
Birao |
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
|
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||