|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 18 Avrily
2010 |
N° 59 |
|
ALAHADY FAHA –
3 FANKALAZANA NY PAKA – TAONA D |
|
|
FRAT 2010 du 21 Avril au soir au
26 Avril 2010 au matin Amin’ny Alarobia 21 Avrily hariva no hanainga ireo tanora folo
mianadahy (5 lahy sy 5 vavy) avy eto amin’ny FKMP hamonjy ny FRAT izay hatao
any Lourdes ny 21 ka hatramin’ny 26 avril 2010. Ny FRAT dia fanafohezana ny
teny « Fraternel, Fivahianiana Masina », Fihaonan’ireo tanora avy amin’ny diosezy valo eto amin’ny Ile de France.
Andro lehibe ho an’ireto tanora ireto izany eo amin’ny fiainam-panahy sady
ifaneraserany amin’ireo tanora katolika avy eto amin’ny Ile de France. Misy Lamesa isaky ny Diosezy isan'andro ary
Lamesa 2 lehibe iarahana. Ny mpanabe sy mpanentana ho any avy eto
amin’ny FKMP : ·
Responsable de Groupe :
Fara RASOLOJAONA ·
Animatrice de Carrefours :
Valérie RAZAFIMAHATRATRA Fotoana lehibe mihitsy ary manamarika ny
fiaianam-panahin'ny tanora io. Efa nanao fiomanana ara-panahy ireo
tanorantsika ireo ary tena hita ny hetahetan'izy ireo hiaina ny tena fiainana
ao amin'i Kristy. Hihezaka hanao tatitra an-tsary ho antsika
izy ireo ary hanao témoignage rahefa tafaverina Ento am-bavaka izany fotoana lehibe izany. Le
FRAT est un pèlerinage voulu et animé par les évêques d’Ile de France. Temps de rassemblement des jeunes chrétiens des huit diocèses, il est aussi un lieu
de rencontre des autres pèlerins, dont des personnes handicapées et malades. En 2010, le FRATt donne rendez-vous aux lycéens
(15 – 17 ans) à Lourdes, sur le thème « Seigneur,
apprends nous à prier » (Luc 11, 1 – 4). Du 21 soir au 26 avril matin ! décliné en 4 jours : ·
1er jour : découvrir, apprendre
(les formes de la prière...) ·
2è jour : rencontrer le CHRIST, qui vient me chercher et je
m'abreuve à la source de l'amour et du pardon (grande cérémonie du sacrement
de la réconciliation) ·
3è jour : vivre la rencontre, la
prière dans ma vie, comment répondre par ma vie à tant d'amour ? ·
4è jour : vivre ensemble, la
prière au quotidien, pour le bien de tous, nourris ton âme et sois
nourrissant, comment offrir ce que je suis et ce que je vis (grande messe
d'envoi) |
|
Fara RASOLOJAONA, Mpandrindra ny Vaomieran’ny Finoana |
|
Liva ELIASY, Filohan’ny FKMP |
DIMANCHE
18 AVRIL 2010 – MESSE DU 3ème DIMANCHE DE PÂQUES
Année C – Couleur liturgique : BLANC
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
ÿ Regina
caeli |
|
|
Ry
Mpanjakavavin’ny lanitra mifalia, Aleloia ! -
Satria Ilay nentinao
tany am-bohoka, Aleloia ! Dia
efa nitsangan-ko velona araka ny teniny, Aleloia ! -
Mivavaha amin’
Andriamanitra ho anay, Aleloia ! Mifalia sy miravoa, ry Maria
Virjiny, Aleloia ! -
Satria nitsangan-ko
velona tokoa ny Tompo, Aleloia ! Aoka isika hivavaka Ry Andriamanitra, Ianao nampientan-kafaliana an’izao
tontolo izao tamin’ny nitsanganan’I Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ; koa
mihanta aminao izahay , enga anie noho ny vavak’I Maria Virjiny dia mba
homenao anay ny fiainantsambatra mandrakizay . Amin’ny alalan’I Kristy
Tomponay. Amen. |
|
|
& VAKITENY MASINA VOALOHANY |
|
||
|
Boky
mitantara ny Asan’ny Apôstôly |
Asa. 5, 27b – 32. 40b – 41 |
||
|
Tamin’izany andro izany, nentina teo amin’ny Sanedrîna
ny Apôstôly, ary nadinin’ny lehiben’ny mpisorona izy ireo nataony hoe : “Efa
noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany, kanjo
vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray
tadiavinareo hianjeran’ny Ran’iny Lehilahy iny”. Fa namaly i Piera sy ny
Apôstôly ka nanao hoe : “Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny
olombelona. Natsangan’Andriamanitry ny razantsika ho velona I Jesoa, izay
novonoinareo nahantona tamin’ny hazo. Izy nasandratry ny tanana
ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy
famelan-keloka an’I Israely. Ary izahay sy ny Fanahy Masina,
nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy, no vavolombelon’izany
zavatra izany”. Ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo ny
Apôstôly, sy noraràny mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’I Jesoa intsony, dia
nalefany. Nony niala tamin’ny Sanedrîna ny Apôstôly, dia nandeha
an-kafaliana, satria natao mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny
anaran’I Jesoa. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA FAHAROA |
|
||
|
Boky
Fanambaràna nosoratan’I Md Joany |
Apôk. 5, 11 – 14 |
||
|
Izaho, Joany, nahita sy nandre ny feon’Andriamanitra
maro be, nanodidina ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina ary ireo
Anti-dahy, ka ny isany dia alinalina sy arivoarivo, nanao tamim-peo mahery
hoe : “Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray fahefana, ny harena,
ny fahendrena, ny hery, haja, ny voninahitra ary ny saotra”. Ary reko ny
voaary rehetra any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin’ny tany,
mbamin’izay any anaty ranomasina, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ireo indray
nilaza hoe : “Ho an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny
Zanak’ondry anie ny dera sy ny haja, ary ny voninahitra amam-pahefana
mandrakizay mandrakizay”. Dia novalian’ny Zava-manana aina efatra hoe : “Amen
!”. Ary Anti-dahy efatra amby roapolo niankohoka nitsaoka an’Ilay velona
mandrakizay mandrakizay. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& EVANJELY MASINA |
|
||
|
Evanjely
masina nosoratan’i Md Joany |
Jo. 21, 1 – 19 |
||
|
Tamin’izany andro izany I Jesoa dia niseho tamin’ny
mpianany indray, teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady, ary toy izao no
nisehoany : Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i
Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’I Zebede sy
mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo : “Handeha
hanarato aho”. Fa hoy ireo taminy :
“Handeha hiaraka aminao koa izahay”. Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao
an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny.
Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano I Jesoa ; kanefa tsy
fantatry ny mpianatra hoe I Jesoa Izy. Ka hoy I Jesoa tamin’izy ireo :
“Manan-kanina va ianareo, anaka ?” Dia hoy ny navaliny Azy : “Tsia”. Hoy Izy
tamin’izy ireo : “Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa
hahazo ianareo”. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny
hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’I Jesoa tamin’i Piera : “Ny Tompo
io”. Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny
akanjony ivelany fa efa nesoriny, ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra
sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho
roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. Nony tafakatra
teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny
ary mofo. Ary hoy I Jesoa taminy : “Itondray ny hazandrano vao azonareo”. Dia
niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo
amby dimampolo amby zato ; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy
izany aza izy. Dia hoy I Jesoa tamin’izy ireo : “Avia hisakafo”. Ny mpianatra
izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany azy hoe : “Iza moa Ianao ?” Satria
fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona I Jesoa, nandray mofo, sy nanome
azy ireo ; ary toy izany koa ny hazandrano. Izany no fanintelony nisehoan’I
Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy. Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy I Jesoa tamin’i
Simôna Piera : “Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va
ianao ?” Ka hoy ny navaliny Azy : “Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao”.
Dia hoy Izy taminy : “Fahano ny zanak’ondriko”. Ary hoy indray Izy taminy
fanindroany : “Ry Simôna zanak’I Joany, moa tianao va Aho ?” Ka hoy ny
navaliny Azy : “Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao”. Dia hoy Izy taminy : “Fahano ny zanak’ondriko”.
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony : “Ry Simôna zanak’i Joany : “Moa tia
Ahy va ianao ?” ka hoy izy taminy : “Ianao mahalala ny zavatra rehetra,
Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao”. Dia hoy Izy taminy : “Fahano àry ny
reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao : Fony mbola tanora ianao, dia
nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha ; fa rehefa antitra kosa
ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy
hitondra anao amin’izay tsy tianao”. Izy no nilza izany, dia mba hanambara ny
fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary
rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe : “Manaraha Ahy”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao,
ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
||||||||||||||||||||||||
|
Nasain’ny
mpisorom-be nosamborina ny Apostôly ka noraràna sy notampenam-bava tsy hitory
ny Vaovao Mahafaly sy hampianatra amin’ny anaran’I Jesoa. Tsy nampatahotra sy
nampihemotra azy ireo anefa izany fa vao mainka nankahery sy nahafaly azy
satria nohenjehina noho ny Anaran’i Jesoa izy ireo. Ohatra tsara alaintsika
tahaka sy ampiarina amin’ny fiainana
andavanandro ny fampianarana nataon’ny Apostôly. Amin’ny maha Kristianina
antsika dia tokony hijoro ho vavolombelona sy hanambara ny fahamarinan’I
Kristy hatrany isika amin’izay rehetra ataontsika na dia eo aza ny vato
misakana sy ny toe-javatra maro samihafa amin’ny fanatontosana izany. Tsy
tokony ho kivy sy ketraka anefa isika raha sendra olana sy fahasahiranana
satria eo anivontsika mandrakariva ny Tompo ary mitahy antsika lalandava. |
|||||||||||||||||||||||||
|
Ndrenja RATSIMBAZAFY |
|||||||||||||||||||||||||
|
Vaomieran’ny FITANTANANA |
|||||||||||||||||||||||||
|
|||||||||||||||||||||||||