|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 04 Avrily 2010 |
N° 57 |
|
ALAHADY PAKA – TAONA D |
|
|
Fiekem-pinona ataon’izy mianadahy Profession de Foi Amin’ny Alin’ny PAKA -
ANDRIAMANANTENA
Lisy Nadia -
RAKOTOMANANTSOA
Andrianome |
DIMANCHE
04 AVRIL 2010 – MESSE DU JOUR DE PÂQUES
Année C – Couleur liturgique : BLANC
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
ÿ Regina caeli |
|
|
Ry Mpanjakavavin’ny lanitra
mifalia, Aleloia ! -
Satria Ilay nentinao tany am-bohoka, Aleloia ! Dia efa nitsangan-ko velona
araka ny teniny, Aleloia ! -
Mivavaha amin’ Andriamanitra ho anay, Aleloia ! Mifalia sy miravao, ry Maria
Virjiny, Aleloia ! -
Satria nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, Aleloia ! Aoka
isika hivavaka Ry Andriamanitra,
Ianao nampientan-kafaliana an’izao tontolo izao tamin’ny nitsanganan’I Jesoa
Kristy Zanakao Tomponay ; koa mihanta aminao izahay , enga anie noho ny
vavak’I Maria Virjiny dia mba homenao anay ny fiainantsambatra mandrakizay. Amin’ny
alalan’I Kristy Tomponay. Amen. |
|
|
& VAKITENY MASINA VOALOHANY |
|
||
|
Boky mitantara ny Asan’ny
Apôstôly |
Asa.
10, 34a. 37 – 43 |
||
|
Nony tonga tany
Sezarea I Piera tao an-tranon’I Kôrnely, dia niloa-bava hoe : “Fantatrareo ny
zavatra tanteraka eran’I Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian’ny
Batemy notorîn’I Joany : dia ny amin’I Jesoa avy any Nazareta, izay
nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao
soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon’ny demony, satria nomba
Azy Andriamanitra. Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany
amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny Izy,
nahantony tamin’ny hazo ; nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny
andro fahatelo, sady nasehony miharihary, tsy tamin’ny olona rehetra, fa
tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay,
izay efa niara-nihinana sy nisotro taminy, rahefa nitsangan-ko velona Izy. Izy nandidy anay hitory
amin’ny vahoaka sy hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara
ny velona sy ny maty. Ny mpaminany rehetra koa manambara fa amin’ny Anarany
no ahazoan’izay mino Azy famelan-keloka. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA FAHAROA |
|
||
|
Taratasin’I Md Paoly Apôstôly
ho an’ny Kristianina tany Kôlôsy |
Kôl.
3, 1 – 4 |
||
|
Ry Kristianina
havana, raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any
ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo an-kavanana’Andriamanitra no
katsaho : ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.
Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’I Kristy ao amin’Andriamanitra ny
fiainanareo ; fa rahefa hiseho I Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho
Aminy amim-boninahitra kosa ianareo. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& EVANJELY MASINA |
|
||
|
Evanjely masina nosoratan’i
Md Joany |
Jo.
20, 1 – 9 |
||
|
Tamin’ny andro
voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny
fasana I Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato. Dia lasa
izy nihazakazaka nankany amin’I Simôna Piera sy ilay mpianatra malalan’I
Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe : “Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy
fantatray izay nametrahany Azy”. Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra
anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy
nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray ka tonga talohan’i
Piera tao amin’ny fasana. Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo,
nefa tsy niditra . Nony tonga kosa i
Piera nanarakaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nahita ny lamba
nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny
lamba fa nivalona nitokana tery. Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga
taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantatr’izy ireo
ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona I Jesoa. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
MIFALIA FA VELONA NY TOMPO,
ALELOIA! Herinandro be izao
no niarahatsika tamin’i Jesoa, nitaitaina, nandinika ny fijaliana sy ny
fahafatesany. Iza moa no hanamafy fo ka tsy hangoraka sy tsy handon-tratra
raha i Jesoa Ilay marina no napiharan’ny olombelona ny haratsiam-panahiny ! Andro vitsivitsy
taorian’izany anefa dia niely eran’ny Jerosalema ny vaovao, tsaho raha ny
marimarina kokoa fa hoe: “nitsangana ho
velona hono Ilay nofantsihana teo amin’ny Hazo fijaliana”.
Vaovao Mahafaly, fa saingy ho an’ny maro toa sarotra inoana. Tsy misy olona
afa-milaza ho nanatrika izany fotoana izany. Fasana efa nisokatra sy foana no
hany nisy nahita. Tsy mahagaga raha maro no tsy mino ny fitsanganan-ko velona,
eny fa na ny Kristianina aza. Satria na ireo Apostoly ihany koa dia tsy
niaiky fa nitsangana ho velona ny Tompo, raha tsy efa fotoana maro taty
aoriana. “Nisy nangalatra ny fatin’ny Tompo, ka tsy
fantatray izay nasiany Azy”.
Izany no fihevitr’i Maria Madelena. Asan’ny Herin’Andriamanitra ny
fitsanganan-ko velona ka tsy azon’ny saina vinavinaina. Tsy misy dikany
anefa ny fanambaran’ny Evanjely raha toa ka tsy nitsangana ho velona tokoa i
Jesoa: “Raha tsy nitsangan-ko velona i Jesoa dia tsy
misy dikany ny toriteninay ary tsy misy fotony ny finoana…” (1 Kor. 15,14). Ilay Mpianatra
nihazakazaka ka tonga voalohany tany amin’ny fasana no nilaza fa “nahita ka nino” Fa inona no hitany ? Ireo
lamba namonosana an’i Jesoa nivalona teo amin’ilay toerana nisy ny faty. Toa
midika fa tsy nangalarin’olona ny fatin’i Jesoa. Ny mpangalatra manko, noho
ny fahamehana tsy hanam-potoana mihintsy no tsy hanan-kevitra velively
hamalona ireo lamba ireo. Nahita ilay
Mpianatra vao nino. Isika kosa, hoy i Jesoa dia “Sambatra,
satria tsy nahita nefa mino” (Jn. 20, 29). Izany tenin’i Jesoa
izany no mamelombelona ny fanantenantsika ka mahatonga antsika ho faly
ankehitriny. Miharihary manko ny fahalavorarian’ny famonjena vokatrin’ny
fitiavan’Andriamanitra ny olombelona, izay efa notanterahan’i Jesoa teo
amin’ny Hazofijaliana. Faly satria santatry ny fitsanganantsika ho velona
ihany koa ny fahaveloman’i Kristy. Tsy tapitra eto amin’ity tany ity ny
fiainantsika, fa amin’ny alalan’i Jesoa nandresy ny fahafatesana dia
antsoin’Izy Ray isika hiombona aina aminy. Izy Ilay efa nanangana antsika ho
zanany tamin’ny Batemy. Amin’ny alalan’ireo Sakramenta dia velona mandrakizay
ao amin’ny Fiangonana, ao amin’ny Kristianina tsirairay i Kristy. Maniraka
azy ireo hiaina sy hizara izany fahavelomana izany, mba tsy ho azy irery ny
hafaliana sy ny fanantenana entin’i Kristy tafatsangan-ko velona fa ho an’ny
olombelona rehetra. P.
Richard RAHASASON, Aumônier par intérim |
|
¦ soritr’asa manaraka
SY VAOVAO SAMIHAFA |
||
|
1. |
24 AVRILY 2010 : Izany no lohateny hanentanan’ny koranam-pianakaviana
hataon’ny Fiangonantsika amin’ny Asabotsy 24 Avrily 2010, manomboka amin’ny 7
ora hariva ao amin’ny Crypte-ny Fiangonana Saint Domonique 16, rue de la Tombe-Issoire Paris 14ème. Métro : Saint-Jacques (Ligne N° 6) RER B : Denfert-Rochereau Ny Vidim-pidirana : Ø Mihoatra ny 12 taona : 10 € Ø 6 – 12 taona : 5 € Ø Latsaky ny 6 taona : maimaim-poana Ny fianarana ny fety dia efa
nanomboka tamin’ny Zoma lasa teo, ary mamporisika antsika rehetra hanatevina
izany sy hividy ary hivarotra billets. Ny vola rehetra azo amin’izany dia
hanampiana manontolo ny fandehanana any amin’ny Zaikabe any “Pary-Le-Monial”. |
|
|
2. |
FIANARANA
KATESIZY : Mitohy koa ny fampianarana
katesizy sy ny fandalinam-pinoana eto amin’ny Fiangonantsika isan’alahady. Manomboka
amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro. |
|
|
3. |
22 – 23 – 24 MAY
2010 : Misokatra androany ny fisoratana
anarana ho an’ny amin’ny Zaikabe any Paray-Le-Monial, ny 22 – 23 – 24 May
2010 izao. Misy ny takila manazava ny momba ny Zaikabe sy taratasy fisoratana
ho fenointsika izay handeha. Fandraisana anjara amin’ny saram-pilasiana
sy fitaterana : Ø Mihoatra ny 12 taona : 40 € Ø 5 – 12 taona : 20 € (arrhe : 10 €) Ø Latsaky ny 5 taona : maimaim-poana Mifarana ny Alahady 11
Avrily 2010 ny fisoratana anarana |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 11/04/2010 : VAOMIERAN’NY TANORA (Alahady faha-2 PAKA) |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 10/04/2010 : VAOMIERAN’NY
FITANTANANA |
|