|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|||
|
H ISAN-TOKANTRANO |
||||
|
Alahady 28 Marsa 2010 |
N° 56 |
|||
|
ALAHADY SAMPANKAZO – TAONA D |
||||
|
Mankalaza ny fiakaran’I
Jesoa an-tsitrapo tany Jerosalema isika. Ny fidirany ao Jerosalema
dia maneho ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra tanterahin’ ny Mesia
Mpanjaka amin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganan-ko velony.
fahatsiarovana
ny
nidiran’ny tompo tao jerosalema “Nony ampitso, dia ren’ny vahoaka be izay tonga
hanao ny fety fa ho avy ao Jerosalema I Jesoa. Ka naka sampan-drofia izy, dia
nitsena Azy sy niantso hoe : Hôzàna, hosoavina anie Ilay avy, amin’ny
anaran’ny Tompo, sy Mpanjakan’I Israely”. Md. Joany 12, 12 – 13 |
|
||||
DIMANCHE 28
MARS 2010 – MESSE DES RAMEAUX ET DE LA PASSION
Année C – Couleur liturgique : VIOLET
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka |
Lk. 19, 28 – 40 |
||
|
Indray
andro, dia nandeha hiakatra any Jerosalema I Jesoa, fa nony mby akaiky an’I
Betifage sy Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva Izy, dia naniraka ny
mpianany roalahy, nanao hoe : “Mankanesa amin’itsy vohitra aloha itsy, fa
rahefa miditra ao ianareo dia hahita zanak’ampondra mifatotra tsy mbola
nitaingenan’olona, ka vahao izy dia ento aty. Ary raha misy manontany anareo
hoe : “Nahoana io no vahanareo ?” Valio hoe : “Misy ilan’ny Tompo azy ?”. Dia
lasa ireo iraka ka nahita ny zavatra araka ny voalazan’I Jesoa taminy. Teo
am-pamahana ny zanak’ampondra, dia hoy ny tompony tamin’izy ireo : “Nahoana
no vahanareo ity zanak’ampondra ?” Ka novaliany hoe : “Misy ilan’ny Tompo
azy”. Dia nentiny tany amin’I Jesoa ny zanak’ampondra, dia nataony teo
amboniny ny fitafiany, dia natainginy teo I Jesoa. Nony nandroso Izy, dia
novelaran’ny olona ny fitafiany ny lalana. Ary rehefa mby akaikin’ny fidinana
amin’ny tendrombohitra Oliva Izy, dia nientan-kafaliana ny mpianany maro be
ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery, noho ny fahagagana rehetra
hitany, ka hoy izy ireo : “Hankalazaina anie Mpanjaka avy amin’ny anaran’ny
Tompo ! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo
indrindra !” Ary
ny Farisianina sasany izay teo amin’ny vahoaka nanao taminy hoe : “Ry
Mpampianatra ô, rarao re ny mpianatrao !”. Fa novaliany hoe : “Lazaiko aminareo
fa raha mangina ireo, dia hiantsoantso
ny vato”. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’i Izaia Mpaminany |
Iz. 50, 4 – 7 |
||
|
Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. Mamoha isa-maraina Izy ; mamoha ny sofiko Izy, mba hihainoako, ohatra ny fihainoan’ny mpianatra. Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory. Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako ; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora. Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy Ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka Ahy ; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo vato, ary fantatro fa tsy ho menatra Aho. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasin’i Md. Paoly
Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Filipy |
Fil. 2, 6 – 11 |
||
|
Na
dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, ka tsy nihevitra ny fitoviany
saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy
naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho
olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, ary
nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny
Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony
indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika
amin’ny Anaran’I Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na any any an-danitra, na
ny ety an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa I
Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
"… RAHA MANGINA IREO, DIA NY VATO INDRAY NO
HIANTSOANTSO." (Lioka 19, 40) Nidera sy nankalaza an’Andriamanitra ny vahoaka rehetra. Niantsoantso sy
nihira noho ny hafaliana, satria i Jesoa ilay befitiavana, nanao soa
tamin’izay tanàna rehetra nolalovany, no indro tonga ao an-tanànan’ i
Jerosalema. Ho an’ireo vahoaka maro ireo, i Jesoa no loharanon’ny fiadanana
sy ny fahasoavana. Marina tokoa izany ! Nefa, toa mifono hevitra hafa ny antsoantson’izy ireo: “Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny
Tompo anie ilay Mpanjaka vao avy !” I Jesoa no ilay Mesia,
indro fa miakatra ny renivohitra, vonona handray fahefana sy hampiorina ny
fanjakany. “Tsy azo ekena izany!” hoy ireo Farisianina. Ahoana no hinoana fa
i Jesoa ilay olombelona toa azy, ilay zanak’i Jozefa mpandrafitra (Mt 13,
55-57) no lazaina fa Mesia hanjaka ao an’tanànan’i Jerosalema
renivohitr’Andriamanitra Avo indrindra ! “Mihevi-tena
hitovy amin’Andriamanitra angaha ilay io ?” (Jn 10, 33). Fanaovana
tsinontsinona an’Andriamanitra izany. Indrindra koa moa raha tsy sahy miteny
sy mampangina ireo vahoaka miantsoantso ireo izy. Sarotra hodian-tsy hita ny fisian’i Jesoa eo anivontsika. Ny fidirany tao
Jerosalema dia midika zava-dehibe, tsy ho an’ireo vahoaka Israely ireo ihany
fa ho an’izao tontolo izao mihintsy : Ilay Mpahary no indro tonga eo
anivontsika, naka endrika voahary mba hamerina indray ny voahary rehetra
amin’ilay haja nahariana azy hatrany am-boalohany. “Mitovy endrika
amin’Andriamanitra” (Jen 1, 26). Koa rariny noho izany raha
mientan-kafaliana ny voahary rehetra, satria Ilay Mpahary no indro tonga
mamangy azy. Iza moa no efa nahita na nahare vato niteny ?. Toy ny voahary hafa
rehetra dia moana ka tsy afaka hiantsoantso na oviana na oviana izy ireny.
Nahoana ary no ilazan’i Jesoa fa “raha
mangina ireo vahoaka ireo, dia ny vato indray no hiantsoantso”?
Niangaram-pitiavana isika olombelona fa noharian’Andriamanitra mitovy endrika
aminy: “manam-peo, afaka mamboraka izay ao am-po”. Iangavian’i Jesoa ary
isika, mba hanohitra ny fanakasakanana rehetra ka ho afaka hampiasa ny “feo”
hanambarana sy hiderana ary hankalazana Ilay Mpahary Mpanjakan’izao tontolo
izao. P.
Richard RAHASASON, Aumônier par
intérim |
|
¦ soritr’asa
manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA |
|||
|
1. |
24 AVRILY 2010 : Izany no lohateny hanentanan’ny koranam-pianakaviana
hataon’ny Fiangonantsika amin’ny Asabotsy 24 Avrily 2010, manomboka amin’ny 7
ora hariva ao amin’ny Crypte-ny Fiangonana Saint Domonique 16, rue de la Tombe-Issoire Paris 14ème. Métro : Saint-Jacques (Ligne N° 6) RER B : Denfert-Rochereau Ny Vidim-pidirana : Ø Mihoatra ny 12 taona : 10 € Ø 6 – 12 taona : 5 € Ø Latsaky ny 6 taona : maimaim-poana Ny fianarana ny fety dia efa
nanomboka tamin’ny Zoma lasa teo, ary mamporisika antsika rehetra hanatevina
izany sy hividy ary hivarotra billets. Ny vola rehetra azo amin’izany dia
hanampiana manontolo ny fandehanana any amin’ny Zaikabe any “Pary-Le-Monial”. |
|
|
|
2. |
FIANARANA
KATESIZY : Mitohy koa ny fampianarana
katesizy sy ny fandalinam-pinoana eto amin’ny Fiangonantsika isan’alahady. Manomboka
amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro. |
||
|
3. |
22 – 23 – 24 MAY
2010 : Misokatra androany ny fisoratana
anarana ho an’ny amin’ny Zaikabe any Paray-Le-Monial, ny 22 – 23 – 24 May
2010 izao. Misy ny takila manazava ny momba ny Zaikabe sy taratasy fisoratana
ho fenointsika izay handeha. Fandraisana anjara amin’ny saram-pilasiana
sy fitaterana : Ø Mihoatra ny 12 taona : 40 € Ø 5 – 12 taona : 20 € (arrhe : 10 €) Ø Latsaky ny 5 taona : maimaim-poana Mifarana ny Alahady 11
Avrily 2010 ny fisoratana anarana |
|
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 04/04/2010 : ANTOKO MPIHIRA “Feon’Ajomara” (Alahady PAKA) |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 03/04/2010 : VAOMIERAN’NY
TANORA |
|
|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
FANKALAZANA NY HERINANDRO MASINA |
Manomboka ny Alahady Sampankazo ary mifarana ny
Asabotsy Masina

|
Alahady Sampankazo |
– |
28 Marsa 2010 |
|
Alakamisy Masina |
– |
1 Avrily 2010 |
|
Zoma Masina |
– |
2 Avrily 2010 |
|
Sabotsy Masina |
– |
3 Avrily 2010 |
“Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba
hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”
Md. Marka 10, 45
|
ALAKAMISY MASINA |
|||||
|
Fankalazana
ny namoronan’I Jesoa ny Sakramentan’ny EOKARISTIA, taorian’ny Sakafo farany
niarahany tamin’ny mpianany. Ny
fanetren-tena lehibe nasehon’ny Tompo tamin’ny nanasany ny tongotry ny
mpianany. Avoitrany indrindra koa ny
dinidinika ambany tafon-trano momba ny tokony HIFANKATIAVANA, ary ny
hafatrafatra farany.
- Fanomanana ny Fanasan’ny
Tompo - Fankalazana ny Fanasan’ny
Tompo - Fanasan-tongotra
|
|||||
|
01/04/2010 18h00 (Film : « La passion du Christ ») 19h30 (Lamesa) |
Toerana : Chapelle Saint Paul 171 boulevard Brune – 75014 PARIS Manentana : § Vaomieran’ny
KOLONTSAINA § Vaomieran’ny
FIARAHA-MONINA |
||||
|
ZOMA MASINA |
|
|
Fankalazana ny Fijalian’ny Tompo. Fanatrehana sy fibanjinana an’I Kristy
nijaly sy maty, no fihobiana ny Hazofijaliana namonjen’I Kristy antsika. Namonjy antsika ny fahafatesany sady nandreseny ny fahafatesantsika
olombelona.
- Ranombavaka lehibe sy
manetriketrika
- Tsodrano amin’ny
alalan’ny Hazofijaliana - Fanehoam-pitiavana an’I
Kristy
“Vao nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe : “Tanteraka
ny zavatra rehetra. Dia nanondrika ny lohany Izy ka niala aina””. Md Joany 19, 30 |
|
|
02/04/2010 18h30 (Lalan’ny hazofijaliana) 19h30 |
Toerana : Chapelle Saint Paul 171 boulevard Brune – 75014 PARIS Manentana : § Vaomieran’ny
FIFANDRAISANA § Vaomieran’ny
FITANTANANA |
|
SABOTSY MASINA « ALINA
FANKALAZANA NY PAKA » |
|||||||||
|
Alina Masina, fiaretan-tory
ankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona
|
|||||||||
|
03/04/2010 20h00 (Lamesa) |
Toerana : Chapelle Saint Paul 171 boulevard Brune – 75014 PARIS Manentana : § Vaomieran’ny
FINOANA § Vaomieran’ny
TANORA |
||||||||
|
ALAHADY PAKA « NITSANGAN-KO VELONA TOKOA I
JESOA » |
|||||
|
|
|||||
|
04/04/2010 15h00 (Lamesa) |
Toerana : Chapelle Saint Paul 171 boulevard Brune – 75014 PARIS Manentana : § ANTOKO
MPIHIRA “Feon’Anjomara” |
||||