|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 21 Marsa 2010 |
N° 55 |
|
ALAHADY FAHADIMY AMIN’NY KAREMY – TAONA D |
|
|
Samy mpanota ka tokony
hifamela Tsy sasatra ny
manenjika an’i Jesoa ny Farisianina sy ny Mpanora-dalàna. Mitady izao fomba
rehetra izao izy ireo mba hiampangana an’i Jesoa. Koa satria mpahay
lalàna moa ireo antokon’olona ireo dia resaka lalàna ihany no amelezany sy
hamandrihany an’i Jesoa. Toy ny hoe : tsy tokony hanasitrana amin’ny
andro Sabata satria voararan’ny lalàna kanefa i Jesoa manasitrana olona
amin’ny andro Sabata.Vokany : nohelohiny ho faty i Jesoa. Anio dia miodina amin’ ity vehivavy tratra
nijangajanga ity indray : anontanian’izy ireo Jesoa raha manaiky ny
lalàn’i Moizy ka hamela ny olona hitora-bato an’ilay vehivavy tratra nijangajanga na tsy hanaiky ka hisakana ny
olona tsy hitora-bato, nefa amin’izay fotoana izay dia ho hampangainy ho toy
ny olona tsy manaja lalàna Izy. Ny valintenin’i Jesoa dia hoe : « Izay
tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany ». Tsy mandrava ny
lalàna misy i Jesoa. « Tsy tonga handrava ny lalàna aho hoy izy fa tonga
hanatanteraka ». Fantatr’i Jesoa tsara fa tsy afaka miaina amin’ny tany
tsy misy lalàna ny olombelona. Raha tiana ny hisian’ny fiainana mirindra sy
vanona eo amin’ny fiarahamonina iray dia tsy maintsy misy ny lalàna mifehy sy
hiaraha-manaja. Saingy tsy tiany ny
lalàna mangeja ny olona. Tokony hanafaka ny lalàna fa tsy hamatotra. Natao
hanampy ny olona hivelatra ny lalàna fa tsy natao hanandevo azy. Ny lalàna momba ny
fitorahana ho faty izay tratra mijangajanaga eto dia entin’i Jesoa hampianarina ny olona hahafantatra sy hampieritreritra
azy ireo raha manafaka na tsy
manafaka ny fanamelohana ho faty.
Tsapan’i Jesoa fa samy mpanota izy rehetra ireo hany ka tokony
hifampitsimbina. Porofon’izany maha samy mpanota azy rehetra izany ny tsy fahasahian’izy ireo nitora-bato rehefa
nilazan’ i Jesoa fa izay tsy nanota no aoka hitora-bato voalohany. Midika
izany fa samy nanao daholo ireo olona teo ireo saingy tsy hita, samy manana
ny fahotany mitovy amin’ny fahotan’io vehivavy janga io ka tokony hifamela. Raha
fintinina dia lalànan’ny
Fifankatiavana no tian’i Jesoa hahatongavana eto. Io rahateo moa no
namintinany ny lalàna rehetra nisy taloha. « Didy vaovao no homeko
anareo dia ny hifankatiavanareo ». Tsy ny Mpaminany na ny lalàna intsony
amin’izao fotoana izao no tokony harahina fa i Jesoa. Izy no ilay Fitiavana,
lalàna tokana sy marina tokony harahina. Entanin’ity
Evanjely ity àry isika tsy hitsara olona fa samy mpanota ary koa mba hahay
mifamela heloka ka hifankatia. Aleveno folo mandifotra ny fitsaratsarana
olona, ary mihavana araka izay tratra
fa izany no ambaran’i Jesoa miantona eo ambonin’ny Lakroa, hampihavana ny
tany sy ny lanitra, hampiavana ny olombelona amin’Andriamanitra. |
|
|
Père
Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
|
Aumônier |
|
DIMANCHE
21 MARS 2010 – MESSE DU 5ème DIMANCHE DE CARÊME
Année C – Couleur liturgique : VIOLET
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’i Izaia Mpaminany |
Iz. 43, 16 – 21 |
||
|
Izao no lazain’ny Tompo, izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina,
sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery, izay mamoaka kalesy aman-tsoavaly, sy
tafika amam-piady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy
rehetra ; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy, - Aza mahatsiaro ny
zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony ! Fa
indro Aho hanao zava-mahagaga vaovao ; efa hiposaka izy izao, tsy
hahalala izany va ianareo ? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny
an-tsaha karankaina. Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny
amboadia sy ny ôstritsa, satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina,
hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko, ny vahoaka noforoniko mba ho
Ahy, ka hitory ny fiderana Ahy. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Filipy |
Fil. 3, 8 – 14 |
||
|
Ry Kristianina Havana : ataoko fatiantoka tokoa ny zavatra rehetra
raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’I Kristy Jesoa Tompoko ; fa
ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’I
Kristy, dia ataoko fakofako foana ny zavatra rehetra, mba ho hita ao aminy
aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny lalàna, fa amin’ilay
avy amin’ny finoana an’I Kristy dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra
noho ny finoana ; mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany
ho velona, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny
fahafatesany, sy hahatratra ny fitsanganan-ko velona, raha azoko atao. Tsy
dia hoe efa mahatratra sahady aho tsy akory, na hoe efa lavorary ; fa miezaka
aho mba hahatratra izay nahatratraran’I Kristy Jesoa ahy. Eny, ry Kristianina
havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko,
dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako,
mihazakazaka hanatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay
iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’I Kristy Jesoa. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany |
Jo. 8, 1 – 11 |
||
|
Tamin’izany andro izany I Jesoa dia nankany an-tendrombohitra Oliva,
fa nony maraina koa vao niverina tany an-Tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka
rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy ? Ary nisy vehivavy anankiray
azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina, ka narosony teo
afovoany. Dia hoy Izy tamin’ I Jesoa : “Ry Mpampinatra, azo nijanganjanga ity
vehivavy ity. Ary Môizy ao amin’ny lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny
olona toy izany, fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao ?” Izy no nanao izany
dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa I Jesoa kosa
niondrika, dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany. Ry zareo
amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia
nanao taminy hoe : “Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy
voalohany”. Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany. Fa ry
zareo kosa nony nandre izany, dia
nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no lohalalana, ka I Jesoa irery sisa
nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. Izay vao nitraka I Jesoa, ka nanao
taminy hoe : “Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo ? Moa tsy nisy nanameloka
anao va ?” Novaliany hoe : “Tsy nisy, Tompoko”. Dia hoy I Jesoa : “Izaho koa
tsy hanameloka anao. Mandehana, ka aza manota intsony”. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana
|
|
|
Toky SY FANANTENANA lehibe
no nomen’i Jesoa antsika … Toky sy fanantenana lehibe
no nomen’i Jesoa antsika amin'izao andron'ny Karemy izao. Raha mbola tsy
nalatsany akory ny rany sarobidy dia efa nasehony ny fitiavany hamonjy
antsika. Tsy mitovy ny fihevitr'ireo
vahoaka nanara-dia Azy. Nanantena ireo vahoaka fa tonga hanaja ny lalàn'i
Môizy i Jeso. Kanjo, teny hampieritreritra antsika no nandreseny izany lalàna
izany, teny hampandini-tena antsika, fa toy io vehivavy io koa anie ireo
nanantena hanameloka sy hitora bato azy. Ny fisehoan’ny toetra tsy mendrika no
samihafa. Fa raha hanameloka na hitsara ny namanao ianao dia diniho aloha ny
tenanao. Koa ny fifankatiavana sy ny
fahaizana mizaka ny kileman'ny tsirairay no lalan-tokana hitondrana antsika
sy hampiray bebe kokoa antsika eto am-piandrasana ilay androm-pamonjena. “Izaho koa tsy hanameloka
anao, hoy Jesoa” Koa mirary herinandro
sambatra ho antsika rehetra. |
|
|
Ramatoa
RAKOTONDRATSIMA Florence |
|
|
Vaomieran’ny FIARAHA-MONINA |
|
|
¦ soritr’asa manaraka
SY VAOVAO SAMIHAFA |
|||
|
1. |
24 AVRILY 2010 : Izany no lohateny hanentanan’ny koranam-pianakaviana
hataon’ny Fiangonantsika amin’ny Asabotsy 24 Avrily 2010, manomboka amin’ny 7
ora hariva ao amin’ny Crypte-ny Fiangonana Saint Dominique 16, rue de la Tombe-Issoire Paris 14ème. Métro : Saint-Jacques (Ligne N° 6) RER B : Denfert-Rochereau Ny Vidim-pidirana : Ø Mihoatra ny 12 taona : 10 € Ø 6 – 12 taona : 5 € Ø Latsaky ny 6 taona : maimaim-poana Ny fianarana ny fety dia efa
nanomboka tamin’ny Zoma lasa teo, ary mamporisika antsika rehetra hanatevina
izany sy hividy ary hivarotra billets. Ny vola rehetra azo amin’izany dia
hanampiana manontolo ny fandehanana any amin’ny Zaikabe any “Paray-Le-Monial”. |
|
|
|
2. |
FIANARANA
KATESIZY : Mitohy koa ny fampianarana
katesizy sy ny fandalinam-pinoana eto amin’ny Fiangonantsika isan’alahady. Manomboka
amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro. |
||
|
3. |
22 – 23 – 24 MAY
2010 : Misokatra androany ny fisoratana
anarana ho an’ny amin’ny Zaikabe any Paray-Le-Monial, ny 22 – 23 – 24 May
2010 izao. Misy ny takila manazava ny momba ny Zaikabe sy taratasy fisoratana
ho fenointsika izay handeha. Fandraisana anjara amin’ny saram-pilasiana
sy fitaterana : Ø Mihoatra ny 12 taona : 40 € Ø 5 – 12 taona : 20 € (arrhe : 10 €) Ø Latsaky ny 5 taona : maimaim-poana Mifarana ny Alahady 11
Avrily 2010 ny fisoratana anarana |
|
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 28/03/2010 : VAOMIERAN’NY
FINOANA (Alahady SAMPANKAZO) |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 27/03/2010 : ANTOKO MPIHIRA
“Feon’Anjomara” |
|