“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 14  Marsa 2010

N° 54

ALAHADY FAHEFATRA AMIN’NY KAREMY – TAONA D

 

Ray mpangoraka Andriamanitra

 

Efa diso fantatsika loatra ity tantaran’ny zaza mpandany ity. Fanoharana nataon’i Jesoa hampianarana ireo olona manaraka Azy miakatra any Jerosalema ary vali-kafatra ho an’ireo mpanora-dalàna sy farisiana manenjika Azy ho toy ny  mpandray sy mpihinana miaraka amin’ny mpanota. Abaribarin’i Jesoa ny toetran’Andriamanitra manoloana ny olona : Andriamanitra tsy mahafoy ny olony, be fitiavana tsy mora tezitra fa miandry lalandava izay hiverenan’ny olona Aminy na dia mpanota aza.

 

Oharin’i Jesoa amin’ilay rain’ny zaza mpandany àry Andriamanitra. Fihetsika efatra no nataon’ity raim-pianakaviana ity teo anoloan’ny fiverenan’ilay zaza mpandany :

-          Mitily mandrakariva, mitazana sao mba miverina ihany ilay menaky ny aina,

-          Onena sy nangoraka,

-          Nihazakazaka,

-          Nanoroka sy namihina.

 

Fa ilay fihetsika nihazakazaka no manadanja indrindra eto. Tsy fahita loatra tamin’izany fotoana izany ny olona lehibe hihazakazaka hamonjy ny zanany, indrindra fa zanaka naditra sy nanafintohina. Ity rangahy ity anefa dia nanao izany. Porofo fa tsy andriny ny hiverenan’ny zanany. Tanteraka eto ny fitenenantsika Malagasy manao hoe : “ ny Ray aman-dReny  tsy mahafoy ny zanaka fa ny zanaka no mahafoy Ray aman-dReny”. Toy izany koa ny hafalian’Andriamanitra raha miveriana Aminy ny olona. Na inona na inona hadalana vitan’olombelona dia raisin’Andriamanitra raha miverina Aminy. Tsy nisy hadalana goavana toy ny vitan’ity zaza mpandany ity : nandova mbola velona izay fady ho antsika satria toa maniry ny fahafatesan’ny rainy. Tsy vitan’ny miandry fotsiny Andriamanitra fa mitady ny fomba rehatra hamerenana ireo ondry nania ivelan’ny vala. I Jesoa no nataony lalana hitarika ny olona. “Miverena ianao ry mpanota ô Izaho no lalanao sy fahamariananao”, hoy ny hirantsika.

 

Fakam-panahy mahazo antsika ny fakam-panahy nahazo ilay zokin’ity zaza mpandany ity. Tezitra izy satria nanaovana fety ny fiveranan’ny zandriny izay nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Toe-tsainy tsy mahay mamela heloka fa manao an-dolompo. Mihevitra ny tenany tsy mba ho diso hany ka faly manameloka ny hafa nefa ilay zandriny efa niaiky ny fahotany : “efa nanota teo anatrehan’ny lanitra sy ny tany aho, tsy mendika ny hantsoina hoe zanaka intsony” hoy izy manenina mafy ao am-pony. Isika koa indraindray dia mihevitra fa efa kristianina ka tsy mila fibebahana intsony. Mihevitra fa efa ao anaty vala ka tsy hisy haharombaka. Aza matoky tena toy ny antsy kely be zarana.

 

Manampy antsika hadini-tena io tantaran’ny zaza mpandany io. Manampy antsika hamitrana indray ny fihavanana tapaka teo amin’Andriamanitra sy ny tenantsika tsirairay avy.

 

Père Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 14 MARS 2010 – MESSE DU 4ème DIMANCHE DE CARÊME

Année C – Couleur liturgique : VIOLET ou ROSE

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Jôsoe

Jôs. 5, 9a. 10 – 12

Tamin’izany andro izany dia hoy ny Tompo tamin’i Josoe : “Noesoriko ho afaka taminareo androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta”. Dia natao hoe Galgalà mandraka androany izany toerana izany. Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely, dia nanao ny Paka, tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana, rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô. Ny ampitson’ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin’ny vokatry ny tany. Ary ny ampitson’ny Paka, rehefa nihinana tamin’ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana ; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak’i Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin’izany taona izany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty

2 Kôr. 5, 17 – 21

Ry Kristianina Havana : na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha ; fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana ; satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. Koa sady solon’I Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’I Kristy no mihanta aminareo hoe : “ Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo !” Fa he ity Izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika !

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 15, 1 – 3. 11 – 32

Tamin’izany andro izany dia nanatona an’I Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe : “Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy”. Dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo I Jesoa nanao hoe : “Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy : “Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy”. Dia nozarain’ny tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondrantena ratsy.

Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky tamin’ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy : “Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana aty ! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe : Dada ô ! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony ; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny  mpikaramanao re aho”.

Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. Dia hoy ity zanany taminy : “Dada ô ! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony”. Fa hoy rainy tamin’ny mpanompony : “Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy, ka vonoy; dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray”. Dia nifaly izy rehetra.

Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahy matoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizy lahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy : “tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy  irainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy”. Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny an-drainy : “Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao iray akory aho, hifaliako amin’ny sakaizako; fa nony tonga kosa io zanakao io, izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak’omby matavy izy”. Fa hoy irainy taminy : “Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva, ka anao avokoa izay rehetra ananako ; fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

 

« Dada ô ! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony »

 

Tenin’ilay zaza mpandany tamin’ny rainy io, izay entina amintsika amin’izao fotoana hiomanana ny Paka izao.

 

Mahatsiaro tena tsy mendrika sy mpanota nohon’ny fahotana be vita ve isika ka mahatsiaro irery satria tafasaraka amin’izy rain-tsika ?

 

Aza manahy na matahotra fa ilay Rain-tsika be fitiavana dia miandry am-pifaliana ny fitodihan-tsika aminy.

 

Koa handeha ary, aza mangatakan’andro intsony hidodododo, hifona, hibebaka ary hitalao Aminy isika, fa amela antsika Izy satria tsy sitrany velively ny havery antsika zanany.

 

Hafaliam-be sy fitiavana ary fahasoavana no efa nomaniny ho antsika amin’izao fiveranan-tsika ao an-tranony izao.

 

Sahondra RAMIHONE

Biraom-piangonana

 

¯ HIRAN’NY ANKIZY

 

Faly aho e ! (3), Fa handray an’i Jesoa ato am-poko,

Faly e ! Fa handray an’I Jesoa ato am-poko, (3)

 

Tretrika aho e ! (3) Fa Jesoa sakafo mahavelona ahy,

Tretrika e ! Fa Jesoa sakafo mahavelona ahy, (3)

 

Sambatra aho e ! (3), Fa voky tokoa tamin’ny Tenanao,

Sambatra e ! Fa voky tokoa tamin’ny Tenanao, (3)

 

Misaotra aho e ! (3), Fa novonjenao tamin’ny fahotako

Misaotra aho e ! , Fa novonjenao tamin’ny fahotako (3)

 

 

¦ soritr’asa manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA

1.

FIANARANA KATESIZY :

Mitohy koa ny fampianarana katesizy sy ny fandalinam-pinoana eto amin’ny Fiangonantsika isan’alahady. Manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro.

 

2.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

ASABOTSY 24 AVRILY 2010

 

Araka ny fantatsika mianakavy izany dia mikasa hanao Koranam-pianakaviana isika mianakavy ny asabotsy  24 avrily 2010. Efa najoro ireo Komisiona isan-karazany  manomana izany ary hiantsoana antsika mianakavy. Ny vola rehetra azo amin’izany dia hanampiana ny enti-manana amin’ny ZAIKABE izay hatao any Paray-Le-Monial. Ny resaka trano no mbola tsy nahita, ka manao antso avo amintsika rehetra hijery trano.

 

 

3.

ZAIKA BE ANY “PARAY – LE – MONIAL”,

22 – 23 – 24 MAY 2010 :

Dia efa hamafisina amintsika mianakavy izany fa ny 22 – 23 – 24 May 2010 no hatao any “Paray-Le-Monial” ny Zaikaben’ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Frantsa (ANCMF). Homena antsika tsy hoe ela eto ny vaovao mikasika izany.

 

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

21/03/2010 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA (Alahady faha-5 amin’ny Karemy)

2 .

MANADIO FIANGONANA :

20/03/2010 : VAOMIERAN’NY FINOANA