|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 14 Marsa 2010 |
N° 54 |
|
ALAHADY FAHEFATRA AMIN’NY KAREMY – TAONA D |
|
|
Ray mpangoraka
Andriamanitra Efa diso fantatsika loatra
ity tantaran’ny zaza mpandany ity. Fanoharana nataon’i Jesoa hampianarana
ireo olona manaraka Azy miakatra any Jerosalema ary vali-kafatra ho an’ireo
mpanora-dalàna sy farisiana manenjika Azy ho toy ny mpandray sy mpihinana miaraka amin’ny mpanota. Abaribarin’i
Jesoa ny toetran’Andriamanitra manoloana ny olona : Andriamanitra tsy
mahafoy ny olony, be fitiavana tsy mora tezitra fa miandry lalandava izay
hiverenan’ny olona Aminy na dia mpanota aza. Oharin’i Jesoa amin’ilay
rain’ny zaza mpandany àry Andriamanitra. Fihetsika efatra no nataon’ity
raim-pianakaviana ity teo anoloan’ny fiverenan’ilay zaza mpandany : -
Mitily
mandrakariva, mitazana sao mba miverina ihany ilay menaky ny aina, -
Onena sy
nangoraka, -
Nihazakazaka, -
Nanoroka sy
namihina. Fa ilay fihetsika
nihazakazaka no manadanja indrindra eto. Tsy fahita loatra tamin’izany
fotoana izany ny olona lehibe hihazakazaka hamonjy ny zanany, indrindra fa
zanaka naditra sy nanafintohina. Ity rangahy ity anefa dia nanao izany. Porofo
fa tsy andriny ny hiverenan’ny zanany. Tanteraka eto ny fitenenantsika
Malagasy manao hoe : “ ny Ray aman-dReny tsy mahafoy ny zanaka fa ny zanaka no
mahafoy Ray aman-dReny”. Toy izany koa ny hafalian’Andriamanitra raha
miveriana Aminy ny olona. Na inona na inona hadalana vitan’olombelona dia
raisin’Andriamanitra raha miverina Aminy. Tsy nisy hadalana goavana toy ny
vitan’ity zaza mpandany ity : nandova mbola velona izay fady ho antsika
satria toa maniry ny fahafatesan’ny rainy. Tsy vitan’ny miandry fotsiny
Andriamanitra fa mitady ny fomba rehatra hamerenana ireo ondry nania
ivelan’ny vala. I Jesoa no nataony lalana hitarika ny olona. “Miverena
ianao ry mpanota ô Izaho no lalanao sy fahamariananao”, hoy ny
hirantsika. Fakam-panahy mahazo antsika
ny fakam-panahy nahazo ilay zokin’ity zaza mpandany ity. Tezitra izy satria
nanaovana fety ny fiveranan’ny zandriny izay nandany ny fananany tamin’ny
fitondran-tena ratsy. Toe-tsainy tsy mahay mamela heloka fa manao an-dolompo.
Mihevitra ny tenany tsy mba ho diso hany ka faly manameloka ny hafa nefa ilay
zandriny efa niaiky ny fahotany : “efa nanota teo anatrehan’ny lanitra sy ny
tany aho, tsy mendika ny hantsoina hoe zanaka intsony” hoy izy
manenina mafy ao am-pony. Isika koa indraindray dia mihevitra fa efa
kristianina ka tsy mila fibebahana intsony. Mihevitra fa efa ao anaty vala ka
tsy hisy haharombaka. Aza matoky tena toy ny antsy kely be zarana. Manampy antsika hadini-tena
io tantaran’ny zaza mpandany io. Manampy antsika hamitrana indray ny
fihavanana tapaka teo amin’Andriamanitra sy ny tenantsika tsirairay avy. |
|
|
Père
Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
|
Aumônier |
|
DIMANCHE
14 MARS 2010 – MESSE DU 4ème DIMANCHE DE CARÊME
Année C – Couleur liturgique : VIOLET ou
ROSE
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’i Jôsoe |
Jôs. 5, 9a. 10 – 12 |
||
|
Tamin’izany
andro izany dia hoy ny Tompo tamin’i Josoe : “Noesoriko ho afaka taminareo
androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta”. Dia natao hoe Galgalà mandraka
androany izany toerana izany. Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely, dia
nanao ny Paka, tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana, rehefa
harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô. Ny ampitson’ny Paka ihany no
efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin’ny vokatry ny tany. Ary
ny ampitson’ny Paka, rehefa nihinana tamin’ny vokatry ny tany izy, dia
nitsahatra ny mana ; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak’i Israely, ka
dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin’izany taona izany. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany
Kôrinty |
2 Kôr. 5, 17 – 21 |
||
|
Ry
Kristianina Havana : na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao
izy, ka lasa ny zavatra taloha ; fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay
nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy, sady nanome
anay ny fandraharaham-pihavanana ; satria Andriamanitra no nampihavana
an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy, ka tsy
nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. Koa
sady solon’I Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka
an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’I Kristy no mihanta aminareo
hoe : “ Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo !” Fa he ity Izy: Ilay tsy
nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga
fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika ! |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka |
Lk. 15, 1 – 3. 11 – 32 |
||
|
Tamin’izany
andro izany dia nanatona an’I Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota ka
nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe : “Ilay ity mandray
ny mpanota sy miara-mihinana aminy”. Dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy
ireo I Jesoa nanao hoe : “Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka
hoy ilay zandriny tamin-drainy : “Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony
ho ahy”. Dia nozarain’ny tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro
vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany
an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondrantena ratsy. Rehefa
laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany
izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany
anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky
tamin’ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay
vao nody ny sainy ka hoy izy : “Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina
be, nefa izaho kosa ity maty noana aty ! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko
ka hanao aminy hoe : Dada ô ! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao
aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony ; fa mba ataovy tahaka ny
anankiray amin’ny mpikaramanao re
aho”. Dia
niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia
nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony
sy nanoroka azy. Dia hoy ity zanany taminy : “Dada ô ! efa nanota tamin’ny
lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao
intsony”. Fa hoy rainy tamin’ny mpanompony : “Alao haingana ny akanjo tsara
indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony,
ary ento ny zanak’omby matavy, ka vonoy; dia aoka hihinana sy hifaly isika,
fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray”. Dia
nifaly izy rehetra. Sendra
tany an-tsaha kosa ny zanany lahy matoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo
akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizy lahy
anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy : “tonga
ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy
irainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy”. Dia tezitra izy, ka
tsy nety niditra, ary nivoaka rainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny
an-drainy : “Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny
didinao iray akory aho, hifaliako amin’ny sakaizako; fa nony tonga kosa io
zanakao io, izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia
namonoanao zanak’omby matavy izy”. Fa hoy irainy taminy : “Ianao, anaka, dia
eto amiko mandrakariva, ka anao avokoa izay rehetra ananako ; fa mety kosa ny
manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona
indray, ary very ka hita indray”. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana
|
|
|
|
|
|
« Dada ô ! efa nanota tamin’ny lanitra sy
teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony » Tenin’ilay zaza mpandany
tamin’ny rainy io, izay entina amintsika amin’izao fotoana hiomanana ny Paka
izao. Mahatsiaro tena tsy mendrika
sy mpanota nohon’ny fahotana be vita ve isika ka mahatsiaro irery satria
tafasaraka amin’izy rain-tsika ? Aza manahy na matahotra fa
ilay Rain-tsika be fitiavana dia miandry am-pifaliana ny fitodihan-tsika
aminy. Koa handeha ary, aza
mangatakan’andro intsony hidodododo, hifona, hibebaka ary hitalao Aminy
isika, fa amela antsika Izy satria tsy sitrany velively ny havery antsika
zanany. Hafaliam-be sy fitiavana ary
fahasoavana no efa nomaniny ho antsika amin’izao fiveranan-tsika ao
an-tranony izao. |
|
|
Sahondra RAMIHONE |
|
|
Biraom-piangonana |
|
|
¯ HIRAN’NY ANKIZY |
|
Faly aho e ! (3), Fa handray an’i Jesoa ato am-poko, Faly e ! Fa handray an’I
Jesoa ato am-poko, (3) Tretrika aho e ! (3) Fa Jesoa sakafo mahavelona ahy, Tretrika e ! Fa Jesoa
sakafo mahavelona ahy, (3) Sambatra aho e ! (3),
Fa voky tokoa tamin’ny Tenanao, Sambatra e ! Fa voky
tokoa tamin’ny Tenanao, (3) Misaotra aho e ! (3), Fa
novonjenao tamin’ny fahotako Misaotra aho e ! , Fa
novonjenao tamin’ny fahotako (3) |
|
¦ soritr’asa manaraka
SY VAOVAO SAMIHAFA |
|||
|
1. |
FIANARANA
KATESIZY : Mitohy koa ny fampianarana
katesizy sy ny fandalinam-pinoana eto amin’ny Fiangonantsika isan’alahady. Manomboka
amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro. |
|
|
|
2. |
ASABOTSY
24 AVRILY 2010 Araka ny fantatsika
mianakavy izany dia mikasa hanao Koranam-pianakaviana isika mianakavy ny
asabotsy 24 avrily 2010. Efa najoro
ireo Komisiona isan-karazany manomana
izany ary hiantsoana antsika mianakavy. Ny vola rehetra azo amin’izany dia
hanampiana ny enti-manana amin’ny ZAIKABE izay hatao any Paray-Le-Monial. Ny
resaka trano no mbola tsy nahita, ka manao antso avo amintsika rehetra hijery
trano. |
|
|
|
3. |
ZAIKA BE ANY “PARAY
– LE – MONIAL”, 22 – 23 – 24 MAY
2010 : Dia efa hamafisina amintsika
mianakavy izany fa ny 22 – 23 – 24 May 2010 no hatao any “Paray-Le-Monial” ny
Zaikaben’ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Frantsa (ANCMF). Homena antsika
tsy hoe ela eto ny vaovao mikasika izany. |
|
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 21/03/2010 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA (Alahady faha-5 amin’ny
Karemy) |
|
|
2 . |
MANADIO FIANGONANA : 20/03/2010 : VAOMIERAN’NY FINOANA |
|