“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 07 Marsa 2010

N° 53

ALAHADY FAHATELO AMIN’NY KAREMY – TAONA D

 

Mibebaha ianareo …

 

Toa miverimberina io teny fibebahana io rehefa misy fety lehibe hankalazaina. Nandritry ny Fiaviana fiomanana tamin’ny Noely dia niantso fibebahana i Joany Batista  sy ireo mpaminany ; mila mibebaka ny vahoaka mba handray ny Mesia. Androany alahady faha 3 amin’ny karemy fiomanana amin’ny Paka dia manentana antsika indray koa i Jesoa hibebaka satria  « raha tsy mibebaka isika dia ho very, ho faty tahaka’ireo Galelianina maty nalatsak’i Pilaty tamin’ny sorona  sy ho tahaka ireo olona nianjeran’i tilikambon’i Siloé ».

 

Mifandray ny fibebahana sy ny fahavelomana. “Fibebahana = Fahavelomana”. “Tsy fibebahana = fahaverezana, fahafatesana”. Ary azo tsoahina avy amin’izany fa ny dikan’ny fibebahana dia fiverenana amin’Andriamanitra. Tsy velona isika raha manalavitra an’Andriamanitra. Andriamanitra no Tompon’ny aina. Izy no nahary antsika. “Ny fisarahana amin’Andriamanitra = fahaverezana mandrakizay”.

 

Manampy antsika hiverina amin’Andriamanitra ny fandinihana ny Vakiteny voalohany : Andriamanitra tsy mahafoy ny zanany ho andevo sy hijaly any Ejipta ka naniraka an’i Moizy hanafaka azy. Fitiavana izany. Io fitiavan’Andriamanitra atosany amintsika isan’andro isan’ora io no tokony ho valiantsika fitiavana. Tsy ampy ny mifady hanina mandritra ny Karemy na manao asa fiantrana mandritra ny Karemy ka rehefa tapitra ny Karemy dia miverina amin’ny fomba fanao mahazatra. Ny fontsika manontolo mihintsy no tokony hibebaka ho raiki-pitia an’Andriamanitra.

 

Azo alaina ho ohatra ny olona iray izay tena tia antsika ka tonga  mamangy. Ny fitiavantsika azy dia manosika antsika hiova (hibebaka), hisolo akanjo tsara, hanao manimanitra ho fanajana azy. Indrindra moa fa raha olona ambony ilay olona mamangy. Mandeha ho azy tsy misy teritery ny fibebahana na ny fiovana rehefa ny fo no resy lahatra. Asan’ny fo ny fibebahana. Jereo àry izay nambabo ny fonao tamin’Andriamanitra dia averimbereno, tsakotsakoy.

 

Père Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier

 


 

DIMANCHE 07 MARS 2010 – MESSE DU 3ème DIMANCHE DE CARÊME

Année C – Couleur liturgique : VIOLET

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky Eksaody

Eks. 3, 1 – 8a. 13 – 15

Tamin’izany andro izany i Môizy dia niandry ny biby fiompin’i Jetrô rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany an-tendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba, izy. Ny Anjelin’ny Tompo niseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo, teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo. Hitan’I Môizy fa indro mirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona ilay zava-maniry milobolobo. Ka hoy i Môizy : “Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy maha-levona ny zava-maniry milobolobo”. Hitan’ny Tompo fa niolaka hijery izy ; dia niantso Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe : “Ry Môizy !” Ka hoy ny navaliny : “Inty aho”. Dia hoy Andriamanitra : “Aza manakaiky eto : esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io”. Ary hoy Izy : “Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’I Abrahama, Andriamanitr’I Isaaka ary Andriamanitr’I Jakôba”. Nosaronan’i Môizy ny tavany fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy. Ary hoy ny Tompo hoe : “Efa hitako ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok’ireo mpamoritra azy : fantatro ny fijaliany. Ka hidina Aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejipsianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka, tondra-dronono aman-tantely, dia any amin’ny onenan’ny Kananeanina. Koa mandehana ianao amin’izao, irahiko ho any amin’i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak’I Israely vahoakako. Ary hoy I Môizy tamin’Andriamanitra : “Izao àry, dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho, hilaza aminy hoe : irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo. Raha manontany izay Anarany izy, dia ahoana no avaliko azy ireo ?” Hoy Andriamanitra tamin’I Môizy : “Izaho no Ilay misy. Izany, hoy Izy, no havalinao ny zanak’I Israely : Ilay misy no maniraka ahy aho aty aminareo”. Dia hoy koa Andriamanitra tamin’I Môizy : “Lazao amin’ny zanak’I Israely hoe : Ny Tompo, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’I Abrahama, Andriamanitr’I Isaaka, Andriamanitr’I Jakôba, no naniraka ahy aty aminareo. Fa izany no Anarako mandrakizay ; izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 10, 1 – 6. 10 – 12

Ry Kristianina Havana : tsy tiako tsy ho fantatrareo, fa tambanin’ny rahona ny razantsika rehetra ; namaky ny ranomasina izy rehetra ; ary natao batemy tamin’I Môizy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra ; hanina ara-panahy iray ihany no nohanin’ny rehetra ; ary fisotro ara-panahy iray ihany no nosotroin’izy rehetra, satria nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka azy izy ireo, ary I Kristy izany vatolampy izany. Tsy sitrak’Andriamanitra anefa ny ankabeazan’izy ireny, fa lambam-bary tany an’efitra.

Ary izany zavatra izany dia tonga mba ho anatra ho antsika, mba tsy hitsiriritra ny ratsy isika, toy ny nitsiriritan’ireny, ary aoka ianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin’ireny. Nozoin’izany rehetra izany izy ireny mba ho anatry ny sasany ; ary nosoratana izany mba ho fananarana antsika tratr’izao andro farany izao. Koa aoka àry izay manao ny tenany ho mijoro tsara, hitandrina sao lavo.

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 13, 1 – 9

Tamin’izany andro izany, nisy olona tonga nilaza tamin’I Jesoa ny nanjo an’ireo Galileanina, fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany. Ary novaliany hoe : “Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany ? Tsia, hoy Izaho aminareo ; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra. Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambon’I Silôe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema ? Tsia, hoy Izaho aminareo ; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra”. Dia nanao ity fanoharana ity koa Izy : “Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin’ny tanim-boalobony, ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita. Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanim-boalobony : “Indro efa telo taona izay no tonga nitady voa amin’ity aviavy ity aho, nefa tsy nahita ; koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo ?” Ary hoy ny mpiasa namaly azy : “Aoka re ho eo ihany izy amin’ity taona ity, tompoko, dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika ; angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

 

( fifampizarana

 

 

Miroso hatrany ny diantsika amin'ny karemy, Alahady faha-3, mialoha ny hahatongavana amin'ilay Mistery lehiben'ny Paka famonjena ny olombelona.

 

Mibebaha, miovà toetra fa ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna” hoy ny Fiangonana anio, “... fa ny fanahy ratsy azo ovàna” hoy RaMalagasy. Tena lalina tokoa izany fifanojoana izany. Ireo mpitondra fivavahana 4 mirahalahy ao anatin'ny FFKM Madagasikara nandefa hafatra mba hivavaka ho an'ny firenentsika isika mialoha ny Paka: hiaiky ny fahadisoana sy hibebaka, hifamela ary hampanjaka ny fahamarinana.

Tsy mora anefa ny mibebaka sy miala amin'ny ratsy fa mila ny fitarihan'ny Fanahy Masina isika. I Jesoa aza raha nisitaka 40 andro tany an'efitra nivavaka dia tonga ny fanahy ratsy naka fanahy Azy maika fa isika olombelona. Soa fa nisy an'i Jesoa nisolo vaika antsika, nibaby ny fahotantsika sy ny fijaliantsika teo amin'ilay “Lakroam-pamonjena”. Mila mibebaka amin'ny fahotana isika, ary adidintsika koa ny manambatra ny fijaliantsika amin'ny fijalian'i Kristy mba ho fandraisana anjara amin'ny famonjena ny olombelona. Dingana lalovana ihany ny fijaliana ho antsika kristianina manantena ilay Paka famonjena, Paka fandresena ny fahafatesana sy ny ratsy rehetra.

Hanampy antsika hibebaka bebe kokoa hatrany anie izao karemy izao.

 

 

 

Rakoto Dominique ANDRIAMANAMIRIJA

 

 

Mpandrindra ny vaomieran’ny FITANTANANA

 

¦ soritr’asa manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA – ASABOTSY 24 AVRILY 2010 :

Araka ny fiantsoana natao tamintsika mianakavy hijanona hivory taorian’ny Lamesa tamin’ny herin’ny androany  dia najoro ny Komisiona hikarakara io fikasantsika hanao Koranam-pianakaviana io amin’ny Asabotsy 24 avrily 2010. Ny Komisiona najoro dia ny Komisiona aritistika (mikasika ny fety atolotra) ; Komisiona misahana ny sakafo, tsakitsaky ary vary amin’ananana ; Komisiona misahana ny fanentanana (DJ, Karaoke, zava-maneno, ...), Komisiona mikarakara ny fampihaingoana ny trano ; Komisiona misahana ny billeterie, flyer ; Komisiona misahana ny fandraisana.

 

Ireo handray anjara amin’ny Fety dia manatona ireto olona  miandraikitra ny komisiona artistika ireto :

§          Lehibe   : Mirasoa sy Emma

§          Tanora   : Hasina sy Marinà

§          Ankizy     : Bakoly sy Miary

 

Koa manentana antsika mianakavy.

 

Fampatsiahivana fa ny vola rehetra azo amin’io dia hoentina hanampiana ny teti-bola ho amin’ny Zaikabe any “Paray-Le-Monial”.

 

2.

FIANARANA KATESIZY :

Mitohy koa ny fampianarana katesizy sy ny fandalinam-pinoana eto amin’ny Fiangonantsika isan’alahady. Manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro.

 

3.

VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA

ASABOTSY 13 MARSA 2010 :

Ny Mpandrindra ny Vaomieran’ny Fiaraha-Monina dia miantso ireo mpikambana rehetra ao aminy hamonjy ny fivoriana izay hatao eto amin’ny Chapelle Saint Paul ny Asabotsy 13 Marsa 2010. Sady anjarantsika rahateo ny manadio ny Fiangonana. Ny fotoana dia hanomboka amin’ny 5 ora hariva. Maniry ny fahatongavantsika rehetra.

 

Edmine RASOLONIRINA, Mpandrindra

 

4.

ZAIKA BE ANY “PARAY – LE – MONIAL”,

22 – 23 – 24 MAY 2010 :

Dia efa hamafisina amintsika mianakavy izany fa ny 22 – 23 – 24 May 2010 no hatao any “Paray-Le-Monial” ny Zaikaben’ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Frantsa (ANCMF). Homena antsika tsy ho ela eto ny vaovao mikasika izany.

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

14/03/2010 : BIRAOM-PIANGONANA (Alahady faha-4 amin’ny Karemy)

2 .

MANADIO FIANGONANA :

13/03/2010 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA (sady hivory izy ireo)