“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 28 Febroary 2010

N° 52

ALAHADY FAHAROA AMIN’NY KAREMY – taona D

 

Ny vavaka manova zavatra

 

Mitantara ny fiovan-tarehin’i Jesoa tany an-tendrombohitra teo anatrehan’i Piera sy Jakoba ary i Joany ny Evanjely atolotry ny Eglizy ho antsika androany alahady faha 28 Febroary.  Mifanaraka tsara amin’ny vanim-potoan’ny karemy izay ianinantsika io Evanjely io. Ny karemy fiomanana amin’ny Fankalazana ny Paka, ny fiovan-tarehin’i Jesoa dia efa tandindon’ny fitsanganany amin’ny maty. Ilay voninahitra ambaran’ny akanjo fotsy mamirapiratra dia ilay voninahitra ho raisin’i Jesoa avy amin’i Rainy aorian’ny fitsanganany amin’ny maty. Efa omanin’i Jesoa hahafantatra tsikelikely ny fitsanganany amin’ny maty ireo mpianatra nentiny niaraka taminy tany an-tendrombohitra.

 

Fa ny zavatra iray misongadina tsy azo hodian-tsihita eto amin’ity fiovan-tarehin’i Jeoa ity ary tiako hiainantsika bebe kokoa mandritra izao karemy izao dia ny vavaka. Manan-kery ny vavaka, manova ny fiainantsika manontolo ho amin’ny tsaratsara hatrany. Porofon’izany ny fiovan-tarehin’i Jesoa tonga fotsy mamirapiratra tao anatin’ny vavaka nataony. Resy lahatra ny mpianatra niaraka taminy fa ny vavak’i Jesoa dia vavaka manova endrika. Hany ka nanentana sy namporisika fatratra ireo kristianina tany am-boalohany izy ireo hivavaka lalandava. I Jesoa rahateo moa, dia nampianatra azy ireo hivavaka.

 

Mety hanontany tena angamba isika hanao hoe : toa tsy mandaitra ny vavaka raha mijery ny zava-misy amin’izao tontolo izao. Maro ny mivavaka nefa mbola miharatsy hatrany ny fiainana. Miady ny firenena, mifamono ny mpihavana, mifankahala ny olona, mifandrafy ny katolika sy ny protesatanta, miady ny kristianina sy ny silamo, mifamono ny mpivady … Tadidio anefa fa raha tsy misy ny vavaka atoaontsika dia vao maika ho ratsy ny fiainana. Hoy ny pretra iray : « Eto amin’izao tontolo izao raha mijanona tsy misy manao Lamesa iray segondra monja dia ho korontana ambony ambany izao tontolo izao ». Zany hoe misy mivavaka manolotra Sorona Masina isan’andro isan-tsegondra eran’izao tontolo izao. Ny mpitokamonina (moines) lahy na vavy moa dia mivavaka mifandimby tsy an-kijanona na andro na alina.

 

Koa manentana antsika àry hivavaka bebe kokoa hatrany mandritra izao karemy izao satria ny vavaka dia manova zavatra. Miangavy anareo aho mba hivavaka ho an’ny olona izay hitanareo sahirana na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy eo amin’ny manodidina anareo. Ny « Arahaba ry Maria » iray ataonareo ho an’ireny olona ireny dia fanomezana sarobidy.

 

Père Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 28 FEVRIER 2010 – MESSE DU 2ème DIMANCHE DE CARÊME

Année C – Couleur liturgique : VIOLET

 

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky Jenezy

Jen. 15, 5 – 12. 17 – 18

Tamin’izany andro izany, i Abrama dia nentin’Andriamanitra nivoaka ka nilazany hoe : «  Atopazy hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao ». Ary hoy Izy taminy : « Ho tahaka izay ny taranakao ». Ary nino ny Tompo i Abrama ; ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany. Ary hoy Izy taminy : « Izaho no Tompo nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy ». Hoy ny navalin’I Abrama : « Tompo Andriamanitra ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho ? » Dia hoy ny Tompo taminy : « Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray, osivavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromahailala iray ». Dia nentin’I Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiny avy ny vakiny ; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin’i Abrama. Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy i Abrama, ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy haizim-pito izy. Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy Fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka. Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama ny Tompo nanao hoe : « Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejypta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia Eofrata izany ».

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Filipy

Fil. 3, 17 – 4, 1

Ry Kristianina havana : makà tahaka ahy ianareo ; ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay. Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy. Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny. Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia I Jesoa Kristy Tompo, izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra  rehetra. Koa amin’izany, ry Kristianina Havana mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatro-boninahitro, mahareta tsara ao amin’ny Tompo, araka izany.

 

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Lioka

Lk. 9, 28b – 36

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany. Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Môizy sy i Elia, izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roa lahy teo aminy. Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa : « Ry Mpampianatra ô,  mahafinaritra ny mitoetra aty, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia » ; tsy fantany anefa izay nolazainy. Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telo lahy tamin’ny nidirany tao anatin’ny rahona. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe « Ity no Zanako malalako, henoy Izy ». Ilay niteny iny ny feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza  tamin’izany andro izany  zay zavatra hitany teo.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

 

( fifampizarana

 

 

 

La Transfiguration c'est le changement miraculeux dans l'apparence du Christ. C'est ce moment de prière sur la montagne que Dieu choisit pour révéler à ces trois disciples, Pierre, Jean et Jacques, le mystère du Fils de l'homme. Car, ici, ce ne sont plus des hommes, la foule ou les disciples, qui donnent leur opinion, c'est Dieu lui-même qui apporte la réponse et nous donne à contempler le mystère du Christ : « Celui-ci est mon Fils, celui que j'ai choisi, écoutez-le ».

 

Pierre, émerveillé du visage transfiguré de Jésus, parle de s'installer : « Maître, il est heureux que nous soyons ici ; dressons trois tentes ... ». Mais Luc dit bien que « Pierre ne savait pas ce qu'il disait. » Il n'est pas question de s'installer à l'écart du monde et de ses problèmes : le temps presse ; Pierre, Jacques et Jean doivent se hâter de rejoindre les autres. Car le projet de Dieu ne se limite pas à quelques privilégiés : au dernier jour, c'est l'humanité tout entière qui sera transfigurée ; comme dit Saint Paul dans la lettre aux Philippiens (la deuxième lecture) « nous sommes citoyens des cieux. »

 

Le « Ecoutez-le » n'est pas un ordre donné par un maître exigeant ou dominateur ... mais une supplication ... « Ecoutez-le », c'est-à-dire faites-lui confiance.

 

 

 

Hasina RAKOTOARISON

 

 

Vaomieran’ny TANORA

 

¯ VETSON’NY ANTOKO MPIHIRA “FEON’ANJOMARA”

Ry ondry mania (Lk 15, 20 – 31 / Jn. 11, 1 – 8)

1.   Ô ry ondry mania

Ampy izay ka modia

Miandry anao ‘lay Rainao be fitia ka modia

Koa raha toa hitanao f’efa ho trotrak’ianao

Miverena ato an-tranon-dRainao

Tsy ny ditra natao no hamoizako anao

Tsy ny Ray sanatria no handao

2.   Any ianao ela be

Dia mihevitra hoe

Manadino anao ilay Rainao sanatria

‘Lay Rainao mora fo fihantanao taloha

Dia miandry anao hatr’izao

Ô ry ondry mania tsy miova ny ety

Koa raha manina ianao malakia

Fiv.  Manatôna ho trotroiko

          Lamba soa no hasalotr’anao.

 

¦ soritr’asa manaraka SY VAOVAO SAMIHAFA

1.

NAHAZO EVEKA VAOVAO NY EGLIZIN’I MADAGASIKARA :

Notendren’i Papa Benoît faha-16, tamin’ny Alakamisy 25 febroary 2010 teo ho Eveka vaovaon’ny Diosezin’i Morondava i Mompera Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Pretra ao amin’ny Fikambanan’ny Carmes. Izy rahateo no lehiben’ny Fikambanana. 42 taona izy izao voatendry ho Eveka izao. Nandimby an’i Mgr Donald PELLETIER izay lasa nisotro ronono izy. Lasa Faritany eklesiastika koa i Toamasina, ka voatendry ho Arseveka i Mgr Désiré TSARAHAZANA, izay Evekan’i Toamasina. Lasa dimy izany izao ny faritra eklesiastika any Madagasikara : Antsiranana, Antananarivo, Fianarantsoa, Toliary ary Toamasina. Dia hifampitondra am-bavaka hatrany isika kristianina rehetra.

 

2.

TAKARIVAM-PIANAKAVIANA KARAKARAIN’NY FKMP :

Efa nambara tamintsika mianakavy teto fa hanao TAKARIVAM-PIANAKAVIANA isika FKMP mba hanampiana ny hoenti-manana ara-bola amin’ny fandraisana anjaran’ny tsirairay amin’ny Zaikabe izay hatao any « Paray-le-Monial » ny 22-23-24 Mai 2010. Ny saram-pilasiana dia mitovy ho an’ny rehetra ka 65 euros izany. Mavesatra ho an’ny fianakaviana izany, ka izany no antony hanaovantsika FKMP ity koranam-pianakaviana ity. Koa manainga ny rehetra izay te hiditra ao anaty komisiona handinika izay ho hatao mba hijanona aorian’izao Lamesa izao : kanto Malagasy ho fehezam-boninkazo, fialam-boly isan-karazany, hetsika sy dihy arahina tohan’aina, karaoke sy ny DJ, ary vary amin’anana.

 

3.

VAOMIERAN’NY KOLONTSAINA (ALAHADY 07 MARSA 2010) :

Isakin’ny Alahady voalohan’ny volana dia ny Vaomieran’ny Kolontsaina no mandray ireo zanatsika amin’ny fampianarana ny teny sy ny kolontsaina malagasy. Ny fotoana dia manomboka amin’ny 3 ora tolak’andro eto amin’ny Chapelle Saint Paul.

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

1.

MANENTANA LITORIZIA :

07/03/2010 : VAOMIERAN’NY FITANTANANA (Alahady Faha-3 amin’ny Karemy)

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

06/03/2010 : BIRAOM-PIANGONANA