“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 21 Febroary 2010

N° 51

ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY KAREMY – TAONA D

 

Dia miarahaba antsika mianakavy indray tratr’izao vanim-potoanan’ny Karemy izao. Fotoana iray lehibe amin’ny fizaram-potoana ara-litorijikan’ny Fiangonana Katôlika ny KAREMY. Fotoana fiomanana ho amin’ny Paka, hoy isika, dia arosin’ny Fiangonana  ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka ny toko faha-4, 1-13 : « Ny fakam-panahy nahazo an’i Jesoa tany an’efitra ». Hitantsika amin’io Evanjely io fa amin’ny fotoana maha-sarotra ny toe-java-misy mety mandalo eo amin’ny an-davanandrom-piainantsika dia amin’ireny indrindra koa ny fakam-panahy no manjohy sy manaraka antsika eo anila eo. Noana i Jesoa dia io ny bibilava fa tonga maka  fanahy azy, hanova ny vato ho mofo satria fantany fa ahavita izany Jesoa amin’ny maha- Andriamanitra azy, ny fotoana anefa fifadian-kanina. Dia toy izany koa isika fa amin’ireny fotoan-tsarotra an-dalovantsika ireny dia tonga ny demony mandrebireby antsika hanao fiaianana tsy araka ny maha kristianina. Tsarovy àry fa i Jesoa aza Andriamanitra mbola tonga taminy ny fakam-panahy. Dia aza kivy isika miady mafy sy manankina amin’izy Tompo izao vanim-potoana sarobidy atolotry ny Fiangonana antsika izao fa ny demony dia mihaodihaody manodidiny antsika. Ny indrafon’Andriamanitra mbola mihoatra lavitra noho izany koa mirary soa antsika hahavita ny KAREMY mitondra ho amin’ny PAKA.

 

Sœur RASOAMAMPIONONA Clotilde

 


 

DIMANCHE 21 FEVRIER 2010 – MESSE DU 1er DIMANCHE DE CARÊME

Année C – Couleur liturgique : VIOLET

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky Deterônômy

Det. 20, 4 – 10

 

Hoy I Môizy tamin’ny vahoaka : Horaisin’ny mpisorona ny sobika eny an-tananao, ka apetrany eo anoloan’ny ôtelin’ny Tompo Andriamanitrao.

Ary hiteny eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitrao ianao ka hanao hoe : Ny raiko dia Arameanina efa saika maty ; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany ; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro. Mafy ny nitondran’ny Ejipsianina antsika, fa sady nampahory antsika izy, no nampanao fanompoana mavesatra antsika.

Koa nitaraina tamin’ny Tompo Andriamanitry ny razantsika isika, dia nohenoin’ny Tompo ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika, sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika, ka tanana mahery, sandry ahinjitra, fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana, no namoahan’ny Tompo antsika avy tany Ejipta. Nitondra antsika ho amin’ity toerana ity Izy, ary nanome antsika an’ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. Koa ankehitrny, ry Tompo, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan’ny Tompo Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitrao ianao.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Rôma

Rôm. 10, 8 – 13

Ry Kristianina Havana: hoy ny voalazan’ny Soratra Masina : Eo akaikinao ny Teniny fa eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny finoana izay torînay. Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa I Jesoa no Tompo, sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona, dia ho voavonjy ianao. Satria ny finoana amin’ny fo no ahazoana fahamarinana ; ary ny fanekena amin’ny vava no ahazoana famonjena, araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe : Izay mino Azy tsy mba ho menatra. Tsy misy hafa na Jody na Jentily ; satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy ; fa izay rehetra hiantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena.

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 4, 1 – 13

Tamin’izany andro izany I Jesoa dia feno ny Fanahy Masina ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany ; ka noana nony tapitra izany. Dia hoy ny devoly taminy : « Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io ». Fa hoy I Jesoa taminy : « Efa voasoratra hoe : “ Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra” ».

Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, ary hoy izy taminy : « Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba homeko izay tiako kosa. Koa izao àry : raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy ». Fa izao no navalin’I Jesoa azy : « Efa voasoratra hoe : “ Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao” ».

Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy, ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe : « Raha Zanak’Andriamanitra ianao, mianjerà any ambany any ; fa efa voasoratra hoe : Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny, ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao ». Fa namaly I Jesoa ka nanao taminy hoe : « Efa voasoratra hoe : “Tsy haka fanahy ny Tomo Andriamanitrao ianao” ». Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

 

( fifampizarana

 

 

 

Psaume :   Ps 50, 3-4, 5-6ab, 18-19

 

Mon Dieu, tu ne rejettes pas le cœur qui se tourne vers toi. Pitié pour moi, mon Dieu, dans ton amour, selon ta grande miséricorde, efface mon péché. Lave-moi tout entier de ma faute, purifie-moi de mon offense. Oui, je connais mon péché,  ma faute est toujours devant moi. Contre toi, et toi seul, j'ai péché, ce qui est mal à tes yeux, je l'ai fait. Si j'offre un sacrifice, tu n'en veux pas, tu n'acceptes pas d'holocauste. Le sacrifice qui plaît à Dieu, c'est un esprit brisé ; tu ne repousses pas, ô mon Dieu, un cœur brisé et broyé.

 

 

 

Psaume du 1er Vendredi de Carême

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

FAMANGIAN’I MGR RAMBAUD :

Tontosa soa aman-tsara ny famangian’i Mgr RAMBAUD, Vikera episkopaly miandraikitra ny Pastoralin’ny mpiavy eto amin’ny Diosezin’i Paris teto amin’ny FKMP, ny alahady 14 febroary lasa teo. Nilaza ny hafaliany izy tafahoana tamintsika indray. Ary nampita ny fiarahabana sy nitondra hafatra avy amin’ny Kardinaly André VINGT-TROIS, Arsevekan’i Paris, ho antsika mianakavy. Ny fikasana ny hamory ny Katolika mpiavy rehetra eto amin’ny Diosezy.

 

2.

MATSOM-PANAHIN’NY FKMP : 20 sy 21 FEBROARY 2010

Eo am-panatontosana izao Matsom-panahy (Recollection) izao isika no mamaky ity takilam-pifandraisana ity ianao ho fiomanana amin’ny Paka. Zava-dehibe eo amin’ny fiainam-panahy izao fotoana izao koa hararaoty. Na inona na inona fitsapana amam-pahoriana mianjady na mahazo dia ny FINOANA no antoky ny Famonjena antsika. Mahareta sy matokisa fa eo anivontsika, eo akaikintsika Andriamanitra.

Ny lohahevitra hodinihana sy hifampizarana eto moa dia ny :

 

« FIJALIAN’ I JESOA KRISTY »

(Zoma Masina).

Inona tokoa ny hevitry ny fahoriana na ny fijaliana ho antsika kristianina ?

 

3.

KATESIZY :

Mitohy hatrany ny fampianarana katesizy sy ny fandalinam-pinoana. Ao amin’ny Chapelle Saint Paul, manomboka amin’ny 3 ora tolak’andro.

4.

FETIM-PIANGONANA : « TAKARIVA VARY AMIN’ANANA »

Ho fanomanana ny fikasana hanao takariva « tohan’aina sy vary amin’anana », dia hisy fivoriana iantsoana ny rehetra ny Alahady 28 febroary 2010 izao. Izany dia hatao aorian’ny Lamesa. Ireo izay mana-kevitra rehetra, manan-talenta dia antsoina daholo amin’izany. Fampisehoana sy fialam-boly maro samihafa no tiana hatao amin’izany. Ny vola ho azo amin’io takariva io dia entina hanatevenana ny teti-bolan’ny FKMP amin’ny Zaikabe.

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

28/02/2010 : VAOMIERAN’NY TANORA (Alahady faharoa amin’ny Karemy, Taona D)

2.

MANADIO FIANGONANA :

27/02/2010 : Ny Vaomieran’ny FITANTANANA