“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

Votre navigateur ne gère peut-être pas l'affichage de cette image.

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 15 Febroary 2009

N° 05

ALAHADY FAHA 6 – TAONA B

 

Ny habokana sarin’ny fahotantsika. Kristy irery no manasitrana

 
Raha itodihantsika ny voalazan’ny Testamenta Taloha mikasika ny aretina habokana dia voalaza fa aretina faran’izay ratsy ary tsy nahitana fanafana io aretina io. Noheverin’ny fiaraha-monina fa olom-boahozona  ireny olona tratran’ny habokana ireny ary dia nahataka tanteraka tsy ho anisan’ny mpiara-monina intsony araka any voalazan’ny Lalàn’i Moizy hoe: “Maloto izy ka hitokana irery any ivelan’ny toby.”(Lev 13, 46). Mifono zava-dalina tokoa ny “habokana” araka izany ao amin’ny Testamenta Taloha satria tsy noheverina ho aretina manimba ny vatana ihany izy fa indrindra  indrindra noheverin’ny fiaraha-monina ho aretina vokatry ny fahotana : mikiky ny maha-olona ka mahatonga ireo marary antsoina hoe olom-boahozona na voasazy. Mazava ho azy araka izany fa Andriamanitra irery ihany no afaka manasitrana ary Izy irery ihany no Mpanasitrana. Hitantsika ao amin’ny Evanjely ny fihetsik’i Jesoa: “Nangoraka azy i Jesoa dia naninjitra ny tanany dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: “Mety Aho, madiova ianao””. Mampiseho indrindra ny maha-mpamonjy sy maha- Andriamanitra azy Izy. Amin’ny alalan’ny fanasitranana io marary io no miharihary fa tonga hizaka sy hanasitrana ny aretina rehetra mety ho mpahazo antsika ny zanak’Andriamanitra. Tonga koa Izy hiaina ny fanilikilihan’ny fiaraha-monina sy ny fanamelohana isan-karazany mba hahafahany mizaka izany ka hamelany ny fahotantsika tanteraka. Amin’izao androntsika izao dia ny fahotana no habokana manjo antsika rehetra. Miseho amin’ny lafiny maro io aretina mpahazo antsika io araka izay halemena mpahazo antsika ka handavantsika ny Fitiavan’Andriamanitra sy hisarahantsika Aminy.  Amin’ny alalan’i Kristy anefa, manolotra sy maninjitra ny tanany lalandava Andriamanitra handio ny loto rehetra ao amintsika ka hahatonga antsika ho madio sy olom-baovao indray. Noresen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy ny ratsy rehetra mba hahatonga antsika rehetra ho olona afaka tanteraka. Amin’izao fotoana izao àry, mbola manolotra ny tanany isan’andro hanasitrana ny zanany Andriamanitra, koa inona àry no ataontsika mba hahasitrana ireo habokana izay mpahazo antsika izay mampanalavitra sy manasaraka  antsika amin’Andriamanitra sy amin’ireo mpiara-monina amintsika ? Ndeha àry hanolotra ny hadisoantsika eo anatrehan’Andriamanitra ka ho sahy hiantso azy am-pasahiana hoe: “ Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.” Izany famindram-po avy amin’Andriamanitra izany koa no mitaona antsika hanampy ireo rehetra izay iharan’ny fanavakavahana ka ihatahan’ny fiaraha-monina, na mahatsiaro tena ho irery, ireo marary sy mijaly rehetra na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier

 

DIMANCHE 15 FEVRIER 2009 – MESSE DU 6ème DIMANCHE – Année B Couleur liturgique : Vert

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky Levitika

Lev. 13. 1 – 2, 45 – 46

 
Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’I Môizy nanao hoe:  « Raha mamontsina ny hoditry ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokàna amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin ‘ny  iray amin’ireo zanany mpisorona. Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakaràkany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe :  « Maloto e ! maloto e ! » Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny. Maloto izy, ka hitokana irery, any ivelan’ny toby ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 10. 31 –- 11. 1

 
Ry kristianina Havana, na mihinana ianareo na misotso, na inona na inona ataonareo , di aataovy  ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany ? Aza manao izay hanafintohina ny Jody, na ny Jentily, na ny Eglizin’Andriamanitra, fa toy ny ataoko, dia manao izay hahafaly ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra aho, ka tsy mitady ny ho an’ny tenako, fa ho an’ny be sy ny maro, mba ho voavonjy izy rehetra. Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka

Mk. 1, 40 – 45

 
Tamin’ny izany andro izany, nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa, nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe : « Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy ». Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany dia nanendry azy sy nanao taminy hoe : « Mety Aho, madiova ianao ». Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. Dia nampandeha azy niaraka tamin’ izay i Jesoa, sady namepetra azy mafy nanao hoe : « Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao, fa mandehana misehoa amin ‘ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka ». Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza izany sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 
 

( fifampizarana

Nialoha lalana antsika i Kristy hanomana toerana ho an’izay vonona hanaraka Azy. Ny atao hoe manaraka an’i Kristy dia ny mandray sy mihaina ny fampianarany, izany hoe mahay mitsinjo ny malahelo sy ireo izay sahirana manodidina azy, mizara izay hanany amin’izy ireo. Izany hoe, manao Azy ho fitaratra.Didy tokana no nomeny: “Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”. Ary “izay ataonareo amin’ny madinika no ataonareo Amiko koa”, hoy Izy.Manasa antsika ary hiaina ny maha kristianina: hiezaka haka tahaka an’i Kristy, ka hizara ny fahasoavana azontsika, satria izany no sitrak’Andriamanaitra.

Hasina RAKOTOHARISON

Mpanentana Vaomieran’ny Tanora

 

( COMMUNIQUE DE FFKM – France

Paris, 6 febroary 2009

Ry Kristiana havana

Ry Malagasy mpiray tanindrazana 

Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan’ny Tompo 

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika amin’izao fotoana izao. Misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fitondrana ny raharaham-pirenena, izay mahatonga fifampiandaniana sy romoromo eo amin’ny samy mpiara-monina. Atahorana ny mpananararaotra sy ny mpanakorontana, tsy fantatra izay zavatra mbola hitranga, hany ka mitebiteby ny isan-tokantrano sy ny isam-batan’olona ny amin’izay ho ampitso.  

Eo anatrehan’ny zava-mitranga dia mampatsiahy ny herin’ny vavaka izahay ray-aman-dreny am-panahy ato amin’ny FFKM-Frantsa. Ny vavaka no andresena ny tahotra sy hahafana mandroso amin’ny fihavanana marina amin’Andriamanitra sy amin’ny olona. Hoy ny Apostoly Paoly : Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin’Andriamanitra isaky izay mivavaka izay zavatra ilainareo, ary angataho amin’ny fo feno fankasitrahana (Diem Filipianina 4.6). Hafarany koa fa adidintsika Kristiana ny mitondra amim-bavaka ny mpitondra Fanjakana rehetra : Mivavaha ho an’ireo filoham-pirenena sy ny manampahefana rehetra, mba hianantsika miadana sy mandry feizay omban’ny firaiketam-po tanteraka amin’Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina. Izany no tsara sady ankasitrahan’Andriamanitra » (Diem, I Timoty, 2.2-3). 

Koa manainga sy mamporisika ny fiangonana sy ny ny Kristiana malagasy rehetra ny FFKM-Frantsa mba hitondra amim-bavaka ny firenentsika, na ny mpitondra izany na ny vahoaka entina. Amin’ny fanompoam-pivavahana any am-piangonana amin’ny alahady izao, sy amin’ireo alahady ho avy, dia aoka hotsaroana manokana ny firenentsika : amin’ny alalan’ny fanaovana ranom-bavaka, ny hira fangataham-pitahiana ho azy, na koa amin’ny vavaka mangina. Azo atao koa izany any amin’ny tokantranontsika tsirairay avy. 

Fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny marina (Diem, Jakoba 5.16) 
 
Manonona ny fiadanan’ny Tompo mba ho aminareo tsirairay avy. 
 
Ny ray aman-dreny am-panahy telo mirahalahy mitondra ny FFKM-Frantsa 

 

Président

Pasteur  
Jean RAVALITERA  
(Président de la  FPMA
lyjeravali@yahoo.fr

Vice-Président

Révérend  
Philippe TOUTAIN  
(Eglise Anglicane Malgache
hiliptoutain@yahoo.fr

Vice-Président

Père  
Alphonse ZAFIMAHAKOKO  
(Aumônier ANCMF
zafimahakoko.alphonse@wanadoo.fr

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

KATESIZY :

Ny fianarana Katesizy dia mitohy ny Alahady 22 febroary 2009 izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro eto am-piangonantsika.

2.

Matsom-panahy :

Ny Antoko Mpihirantsika « Feon’Anjomara dia hanao Matsom-panahy ny asabotsy 21 sy alahady 22 febroary 2009 izao. Izany dia hatao eny amin’ny Basilique du Sacré Cœur eny Montmartre (Paris 18ème).

3.

FILAZANA MANJO :

Amin’ny alahelo lehibe no ampandrenesana antsika fa nodimandry teto Paris tamin’ny alarobia 11 febroary 2009, teo amin’ny faha-23 taonany Itompokovavy ANDRAIAMATANA ROBUSTIN Dora. Ny fandevenana da hatao any amin’ny fasan-drazany any Manakara ny alahady 16 febroary 2009, rehafa avy hatao veloma farany ao amin’ny EKAR Mandroseza. Mivavaha ho azy. Nentina am-bavaka teto amin’ny FKMP nandritra ny faharariany izy teo amin’ny Lamesa.

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

Isika mianakavy no iaraka hanatontosa ny Koranam-pianakaviana hatao eny amin’ny toerana filanonana « PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka amin’ny 9 ora alina. Holazaina tsy ho ela ny fizaran-draharaha.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORZIA :

F 22/02/2009 : Birao

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 21/02/2009 : Vaomieran’ny Kolon-tsaina

 

ü vaovao samihafa

 

1.

RAHARAHAM-PIRENENA :

Ankoatran’ireo Fikambanana iraisam-pirenena ( Union africaine, ONU…) sy ny Vondron’Ambasadera miasa ao Madagasikara sy ny firenena Frantsay dia miezeka ny FFKM mampifanatona ireo mpifanandrina  ho an’ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy. Isika aty ampielezana kosa dia efa nisy ny fanambarana navoakan’ny ANCMF sy ny FFKM France, miantso antsika hitondra am-bavaka ny firenena. Sarotra tokoa ny toe-draharaha amin’izao fotoana kanefa aoka tsy ho kivy isika hitondra am-bavaka, fa ilaina tokoa izany izao.

 

Rakitra farany

08/02/2009

166,04 €

Rakitra hanampiana ny renin’ireo zaza kambana

371,00 €