“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 07 Febroary 2010

N° 49

ALAHADY FAHADIMY – MANDAVANTAONA – TAONA D

Tohano ny Fiangonantsika,

mirosoa amin’ny lalindalina kokoa

 

Entin’i Lioka isika androany handinika ny atao hoe Fiangonana : ny firafitrany sy ny fiainany. Ny sambokely, ny ranomasina, ny nangalan’i Jesoa ireo mpanarato hisitaka kely ny vahoaka  dia kisarisarin-teny entin’i evanjelista hanambarana ny Fiangonana sy ny fiainany eto amin’izao tontolo izao.

Eo amoron’ny farihin’ny Genezareta ny tantatra no miseho.Manoloana ireo olona tomefy manodidina Azy i Jesoa dia niditra tao an-tsambon’i Simôna (Piera) ary niangavy azy ireo hihataka lavidavitra kely ny vahoaka aloha izay vao hampianatra. Ireo mpanarato ireo miaraka amin’i Simôna no ho Apôstôly atsy ho atsy. Ireo no nanankinan’i Jesoa ny fanaratoana olona voalohany. Tohizan’ny Papa sy ny Eveka io asa nankinin’i Jesoa tamin’ny Apôstôly io. Io no mahatonga ny antanatohatra misy eo amin’ny firaritry ny Fiangonana ankehitriny. Ny Papa sy ny Eveka ,ny Pretra  ary ny Lahika. Miara-misa anefa ireo satria tsy vita tsy ifanankonana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Porofon’izany ny fiaraha-misan’ny Lahika sy ny Pretra ato amin’ny FKMP.

Ambaran’ny sambon’i Simôna ny Fiangonana eo anivon’izao tontolo izao. Atopatopan'ny onja, na ny fiainan'izao tontolo izao izay ambaran’ny ranomasina Izy. Ao amin'ny Baiboly ny ranomasina dia manambara an'i satana fanahy ratsy (Jenezy 7. 17, Jonas 2. 2, Apok 9. 1-3. Mitelina ny ranomasina, masiaka, raha tsy mahay ny kapitenin-tsambo dia rendrika. Asa mafy ny asan’ny mpiantsambo. Firifiry moa ireo sambo sy mpiantsambo natelin’iny ranomasina iny. Firifiry moa ireo martiry namoy ny ainy noho ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy. Impiry moa ny Fiangonana no notoherina sy nalam-baraka eny nofofoina hatramin’ny ainy aza. Mbola misy aza ireo firenena tsy azo hitononana ny anaran’i Jesoa amin’izao fotoana izao. Tsy maty anefa ny Fiangonana fa mbola mijoro ankehitriny.

Tohano àry ny Fiangonantsika. Isika tsirairay avy no asain’i Kristy handroso lalindalina kokoa. Tsy voatohantsika amin’ny herin’ny tenantsika fotsiny anefa io fa tsy maintsy mihaino ny tenin’i Jesoa. Ho kivy tahakan’ireo mpanarato tsy nahazo trondro nandritra ny alina isika raha tsy mihaino ny baikon’i Jesoa. Mba asio jery todika kely koa ny Fiangonantsika FKPM : mbola mahazo trondro ve ? Mila ho kivy ve ? Mitsingilaila ve ? Sa mijoro tsy mihontsona satria manana an’i Kristy ilay kapiteny mahay ?

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 07 FEVRIER 2010 – MESSE DU 5ème DIMANCHE DU TEMPS ORDINAIRE

Année C – Couleur liturgique : VERT

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 6, 1 – 2a. 3 – 8

Tamin’ny taona nahafatesan’i Osiasa Mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny Tempoly ny rebareban’akanjony. Nisy Serafima mitoetra teo anatrehany, niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe : « Masina, masina ny Tompon’ny tafika ! feno ny voninahiny ny tany rehetra ». Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy, ary tonga feno setroka ny trano. Ka hoy aho tamin’izay : « Idiran-doza aho ! maty aho ! fa izaho olona maloto molotra ; ary ny firenena itoerako maloto molotra, nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Tompon’ny tafika ! Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin’ireo Serafima, nitondra vain’afo teny an-tanany, nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely. Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy : « Jereo, efa voaonitra ny fahotanao ». Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe : « Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho anay ? » Ka hoy aho : « Inty aho ; iraho aho ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 15, 1 – 11

Ry Kristianina Havana, ampatsiaroviko anareo ny Evanjely notorîko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo, ary hahazoanareo famonjena, raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo ; afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo.

Izao no zavatra ampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy : maty noho ny fahotantsika I Kristy, araka ny Soratra Masina ; dia nalevina Izy, sy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina ; ary niseho tamin’I Sefasy, vao tamin’ny roa ambin’ny folo. Manaraka izany, dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby dimanjato Izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry. Raha efa izany, dia niseho tamin’I Jakôba Izy, vao tamin’ny Apôstôly rehetra. Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana.

Fa ambany indrindra amin’ny Apôstôly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apôstôly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin’Andriamanitra aho ; saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho ; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.

Koa izany àry no torînay, na izaho na izy ireo ; ary izany koa no ninoanareo.

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 5, 1 – 11

Tamin’izany andro izany I Jesoa nijoro teo amoron’ny farihin’I Genezareta, ary nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino ny Tenin’Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’I Simôna, ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka. Rehefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’I Simôna hoe : « Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano » ; fa hoy navalin’I Simôna Azy : « Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona ; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato ». Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka rovitra ny haratony. Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy ; dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo. Nony nahita izany I Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’I Jesoa ka nanao hoe : « Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho », fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony ; ary toy izany koa I Jakôba sy I Joany zanak’I Zebede izay iray raharaha tamini’ Simôna. Dia hoy I Jesoa tamin’I Simôna : « Aza matahotra fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao ». Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

« INTY AHO ; IRAHO AHO »

Manao Matsom-panahy ny Vaomieran’ny Fifandraisana amin’ity faran’ny herinandro ity. Mandinika ny fifandraisana amin’I Kristy sy ny fifandraisana amin’ny Kristianina. Miara-miasa amin’I Jesoa. Raha ny Evanjely androany no jerena dia I Jesoa miantso izay ho mpianany, ka I Piera no voalohany. Hataony mpanarato olona, hiditra ao amin’ny sambo kely, avy any amin’ny ranomasaina. Niataka ilay sambo kely miala ny  tabataban’izao tontolo izao, fa avy eo miara-miasa amin’I Jesoa ny tantsambo satria Izy no Kapiteny. Manome baiko izy handatsaka ny harato. Nino izay teny nolazain’I Jesoa I Piera. I Jesoa no mifidy sy maniraka. Fampitàna ny finoana izany. Misy ny sakana eo amin’ny fiainantsika andavanandro dia ry satana fanahy ratsy, toy ny ranomasina mangeniheny vonona hitelina. Ampy antsika ny fahasoavan’Andriamanitra enti-miady amin’izany. Mahatsapa isika fa tsy mendrika fa ny fahasoavan’Andriamanitra no mahatoy izao antsika, araka ny tenin’I Md Paoly. Koa anjarantsika mianakavy ny manatevina ity sambo kely FKMP ity, manatanteraka ny asa anirahan’I Kristy, dia ny mitory Fitiavana sy Famonjena. Aza matahotra fa samy mpanota daholo isika fa miasa am-panetren-tena sy mitoky ny fahasoavan’Andriamanitra. Ireo any ivelan’ny sambo dia miara-miasa amin’I Jesoa ny Vaomieran’ny Fifandraisana hampiditra azy ireny ato anatiny sy hiara-hiasa, ka hoy  ny valim-pitiavana : « INTY AHO ; IRAHO AHO ».

 

Andrianome RAKOTOMANANTSOA

Vaomieran’ny FIFANDRAISANA

 

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

FAMANGIAN’I MGR RAMBAUD :

Tonga hamangy antsika amin’ny Alahdy 14 Febraory izao i Mgr RAMBAUD, Vikera Episkôpaly, miandraikitra ny Pastorale des Migrants eto amin’ny Diosezin’i Paris. Koa faly isika handray azy.

2.

NANDRAY NY SAKRAMENTAN’NY BATEMY :

Fifaliana ho antsika mianakavy ny mandray an-dRAKOTOARINORO Miora Ny Rina ho isan’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny nandraisany ny Sakramentan’ny Batemy tamin’ny Asabotsy 30 janoary 2010.

3.

FIANARANA KATESIZY :

Mitohy koa ny fampianarana katesizy sy ny fandalinam-pinoana eto amin’ny Fiangonantsika isan’alahady. Manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro.

4.

MATSOM-PANAHIN’NY FKMP, 20 SY 21 FEBOARY 2010 :

Ny Matsom-panahy (Recollection) hataontsika iomanana amin’ny Paka dia hatao ny Asabotsy 20 sy ny Alahady 21 Febroary 2010 izao. Ny toerana dia ny amin’ny

« MISSIONS FRANCISCAINES » LA CLARTE – DIEU

95, rue de Paris 91400 ORSAY , RER B : Orsay-Ville.

Ny lohahevitra hodinihana sy hifampizarana amin’izany dia ny : « FIJALIAN’I JESOA KRISTY » (Zoma Masina). Misokatra ny fisoratana anarana mandritra ny alahady telo, koa amporisihana isika hanao izany haingana. Misy arrhes takiana amintsika eo am-pisoratana anjara.

5.

FRAT 2010 :

Le FRAT est un pèlerinage voulu et animé par les évêques d’Ile de France. Temps de rassemblement des jeunes chrétiens des huit diocèses, il est aussi un lieu de rencontre des autres pèlerins, dont des personnes handicapées et malades.

En 2010, le Frat donne rendez-vous aux lycéens (15-17ans) à Lourdes, sur le thème « Seigneur, apprends nous à prier » du 21 soir au 26 avril matin !

La FKMP va constituer un groupe pour y participer.

Araka izany dia misy tanora avy eto amin’ny FKMP handray anjara isan_49 amin’izao fihaonamben’ny tanora katolika eto amin’ny Ile de France any Lourdes izao. Miomana ara-panahy izy ireo, nefa koa efa miomana amin’ny enti-manana, toy ny sara-pilasiana sy fitaterana. Koa mangataka fanohanana am-bavaka amintsika sy tohana ara-bola amin’ireo mofo hamidy aorian’ny Lamesa.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

14/02/2010 : Ireo nandray ny sakramentan’ny Mariazy (Alahady faha-6, Taona D)

2.

MANADIO FIANGONANA :

13/02/2010 : ANTOKO MPIHIRA « FEON’ANJOMARA »