|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny
nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris
sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 17 Janoary 2010 |
N° 47 |
|
ALAHADY FAHAROA
MANDAVANTAONA – taona D |
|
|
Noce à Cana : image de l’amour de Dieu pour l’humanité Jésus
commence son ministère par une noce à Cana. C'est-à-dire que c’est dans
l’ambiance de la fête, dans la joie qu’il inaugure son ministère.
Rappelez-vous que les mariages, pour les Juifs, sont les plus importantes et
les plus grandes fêtes. Une noce se déroule sur une semaine entière, la
famille jouit, mange et bois. Quelle fête ! Dans
cette fête la place du vin est très importante. Le fait d’en manquer est une
catastrophe, une grande honte pour la famille. Le vin est la marque de la
joie. Ce n’est pas étonnant si en apercevant l’absence de vin à Cana et pour
ne pas gâcher la fête Marie alerte son fils Jésus. Malgré la réponse de Jésus :
que me veux-tu ? Sa mère pleine de confiance en Lui demande aux
serviteurs : « Faites tout ce qu'il vous dira ».
Devant cette confiance Jésus agit : l’eau est changée en vin et la fête
continue. Ce
récit de noce à Cana raconté par Jean nous amène à dépasser l’anecdotique du
fait historique pour entrer dans l’interprétation symbolique profonde. Ainsi
comme il est significatif,
le signe de l’eau changée en vin à
Cana ; il nous annonce que Dieu
vient sauver tous les hommes sans exception. Dieu répand en abondance (comme
l’abondance du vin qui compte 600 litres) sur son peuple sa grâce. Il veut
que son peuple soit heureux. Cette noce à Cana évoque l’amour passionné de Dieu
pour l’humanité. Quand Dieu s’adresse aux hommes, c’est toujours en termes
d’amour et d’alliance. Une longue et admirable tradition de
l'Ancien Testament présente Dieu comme l'époux de l'humanité. Isaïe, dans la
première lecture de ce dimanche, vient de nous redire la déclaration d'amour
brûlante comme une passion d'amoureux : « On ne t'appellera plus : « La
délaissée », on n'appellera plus ta contrée : « Terre déserte », mais on te
nommera : « Ma préférée », on nommera ta contrée : « Mon épouse », car le
Seigneur met en toi sa préférence et ta contrée aura un époux. Comme un jeune
homme épouse une jeune fille, celui qui t'a construite t'épousera. Comme la
jeune mariée est la joie de son mari, ainsi tu seras la joie de ton
Dieu » (Isaïe 62, 1-5). L'épouse de Dieu c’est Israël. Et cet
Israël, peuple épousé par Dieu en Alliance est l’Eglise, nous. Tout
le nouveau testament reprend cette image conjugale. Dans quelques lignes de
son évangile Jean dit explicitement que le véritable époux c’est Jésus (Jn. 3,
29). Jésus a épousé l’Eglise pour le meilleur et pour le pire. Dans
le monde où nous vivons maintenant nous vivons de crise conjugale :
l’amour semble déboussolé, on prône l’union libre, on cohabite sans avoir
célébré de « noces », sans avoir fêté l’amour … combien de ces
couples deviennent « insipides » comme de l’eau sans goût. Il y a
aussi des couples qui ont bien célébré et fêté leurs noces mais l’amour en
eux vient à manquer. En
ce dimanche, prions pour tous les couples, que l’amour de Dieu envers l’homme
soit vécu entre eux. Et qu’ils soient le signe de cet amour et qu’ils se
laissent être envahi par la tendresse de Dieu. |
|
|
Père
Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
|
Aumônier |
|
DIMANCHE
17 JANVIER 2010 – MESSE DU 2ème DIMANCHE DU TEMPS ORDINAIRE
Année C – Couleur liturgique : VERT
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY
MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’i Izaia Mpaminany |
Iz. 62, 1
– 5 |
||
|
Noho ny amin’I Siôna, tsy hangina Aho, ary noho ny amin’I Jerosalema, tsy hiala sasatra Aho, mandra-piposaky ny fahamarinany, hoatra ny hazavan’ny maraina ; sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, hoatra fanilo. Hahita ny fahamarinanao ny firenena, hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra, ka hantsoina amin’ny anaram-baovao ianao, izay nofidin’ny vavan’ny Tompo. Ho satro-boninahitra eo an-tanan’ny Tompo ianao, sy ho hamàman’andriana eo an-tanan’ny Andriamanitsika. Tsy hisy intsony hanao anao hoe I Nafoy ; ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe I Faharinganana. Fa ny hiantsoana anao dia ny hoe I Ankasitrahiko ; sy ny taninao I Vady ampakarina. Satria ny Tompo hankasitraka anao ; ary ny taninao hahazo vady. Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny, no hampakaran’ny zanakao anao ; ary tahaka ny hamalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra, no hamalifalianao ny Andriamanitrao. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy voalohan’i Md.
Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty |
2 Kôr.
12, 4 – 11 |
||
|
Ry Kristianina havana, maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy ; maro samihafa ny fanompoana nefa ny Tompo iray ihany ; ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra. Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro. Fa ny anankiray, omen’ny Fanahy teny fahendrena ; ny anankiray, teny fahalalana, araka io Fanahy io ihany ; ny anankiray, fahazoa-manasitrana, mbola avy amin’io Fanahy io ihany koa ; ny anankiray, ny manao fahagagana ; ny anankiray, ny maminany ; ny anankiray, ny mahafantatra ny fanahy samihafa ; ny anankiray, miteny amin’ny fiteny samihafa, ary ny anankiray, ny mandika teny. Fanahy iray ihany anefa no manao izany rehetra izany, sy mizarazara azy amin’ny isan’olona, araka ny sitra-pony. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny
Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely
masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i
Md Joany |
Joany 2,
1 – 12 |
||
|
Tamin’izany andro izany, dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Nony inona, lany ny divay ka hoy ny Renin’I Jesoa taminy : « Tsy manan-divay izy ireo ». Ary hoy I Jesoa taminy : « Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy ? Tsy mbola tonga ny fotoako ». Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo : « Ataovy izay rehetra holazainy aminareo ». Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, ka hoy I Jesoa tamin’izy ireo : « Fenoy rano ireo siny ireo ». Dia nofenoiny hatramin’ny molony. Ary hoy I Jesoa taminy : « Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana ». Dia nentiny. Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviny, fa ny mpanompo nanovo ny rano no mahalala), dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe : « Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony alohan’ny izay tsy tsara loatra ; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny ». Izany nataon’I Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony ; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaôna Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahany sy ny mpianany ; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie
ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|||
|
« Ny hahasambatra
antsika no sitrak'Andriamanitra » Ny fahasambarana dia ny fahatsapana avy ao anaty fa feno ny ilaina. Raha vao tonga tety an-tany sy naneho ny hiaka voalohany fotsiny isika dia efa nahatsapa avy amin’ny tsy nahy akory ny fototry ny fiainantsika ety, dia ny fikatsahana ny fahasambarana. Fa mitovy ny tomanin-jaza noana na malahelo ny reniny, mila hampitony ny tarainan’ny vavony keliny sy hianoka eny an-tsandrin’I Neny ; ny maso mipitrapitran’ny ankizy nilaozan-tsakaiza ka zary milalao vovoka irery ; ny fikatsahan’ny zatovo ny mendrika anomanany ny hoaviny ; ny tebitebin’ireo mana-marary mitady ny fanafan’aretina ; ny fimpenimpenin’ireo tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka : miandry hahita izay irin’ny vatana sy ny fo amam-panahy mba hahatonga ny fahatsapana filaminana avy ao anaty, fahasambarana. Sambatra toy inona moa ? Miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika. « Sambatra kosa Raherana, fa manan-kierana, sambatra Razozoro, fa manan-kijoroana, fa mahantra kosa Ratatamo: velona manao ranomaso an-tenda, maty manao ranomaso havozona. » ; Milamin-tsaina, finaritra, manan-jara, tsara vintana, ambinina. « Sambatra izy nahazo vady Hendry ». Fa tsy eo anivon’ny fitiavana ve no tena ahitana ny fiadanana ? Na eo aza ny fahafenoana samihafa, harena, hatsaran-tarehy, fahaizana, fahendrena, toa zava-poana raha tsy misy ny fitiavana. Ilay fitiavana mitondra amin’ny fanambadiana « Tsy misy sambatra ohatra ny fanambadian-tsitrapo » ; ahazoana taranaka, « Ny anambadian-kiadanana, ny iterahan-ko sambatra »; iahiana ny mpiara-monina « Ny fitia mifamaly mahatsara fihavanana » … Hoy tokoa I Kristy: « Mifankatiava
ianareo toy ny nitiavako anareo ». Izany Fitiavany izany no
izaran’ny Fanahy Masina amintsika tsirairay avy ny fanomezam-pahasoavana avy
Aminy, ahafahantsika mifanasoa sy mitandrina ny didiny, fa izany no maha-sambatra
ao amin’ny Tompo. Ary izany
no sitrak’Andriamanitra. |
|
|||
|
Hanitr’Ony |
|
|||
|
Vaomieran’ny KOLONTSAINA |
|
|||
|
¦ soritr’asa
manaraka |
|
||||
|
1. |
HERINANDRON’NY FIARAHA-MIVAVAKA
FAMPIRAISANA NY KRISTIANINA : Toy ny isan-taona dia ny 18 – 25 janoary no antsoina hoe : Herinandro
Fiaraha-mivavaka fampiraisana ny Kristianina na ny ekiomenisma. Koa ny FFKM
Frantsa (FPMA – ANCMF – EEM) dia manasa antsika rehetra amin’ny
Fiaraha-mivavaka ekiomenika izay hatao ny Alahady 24 janoary 2010, ao amin’ny Paroasy Notre-Dames des Champs Paris 6ème, manomboka
amin’ny 3 ora tolak’andro.
Metro : Vavin, Montparnasse, Notre-Dame des Champs. Bus : 95, 96,
58, 82, 28. Aorian’ny fotoana dia hisy fiarahana miala hetaheta,
hifampirahabana tratry ny taona vaovao. Ny lohahevitra amin’itaona 2010 ity, izay nofidin’ny
Fiangonana avy any Ecosse, dia ny hoe : « Ianareo no vavolombelona hanambara izany ! » (DIEM Lioka 24, 48). Eto amin’ny Diosezin’i Paris, dia ny Alarobia 20 janoary 2010 no hanaovana izany ao amin’ny Fiangonana Oratoire du Louvre, Metro
: Louvre - 4, rue de l’Oratoire Paris 1er, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. |
||||
|
2. |
JOURNEE NATIONALE DES MIGRANTS :
17 JANVIER 2010 Androany dia Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Mpifindra
monina. Ao amin’ny Paroasy Notre de
Dame de Rosaire 194, rue Raymond
Losserand Paris 14ème no natao izany teto amin’ny doyenné-ny
14ème, nanomboka tamin’ny 3
ora tolak’andro ka mifarana amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny Salle Sainte
Thérèse. Ny lohahevitra amin’ity taona ity (96ème Journée Mondiale
du Migrant) dia ny hoe : « Les Migrants et les réfugiés
mineurs » araka ny hafatra
nalefan’ny Papa Benoît XVI, nivoaka ny 16 oktobra 2009. |
||||
|
3. |
TAKARIVA
FIARAHA-MIHINANA VARY AMIN'ANANA : Ny Fiangonantsika dia
manokana ny Asabotsy 13 febroary 2010,
ho takariva fiaraha-mihinana vary amin'anana. Hisy fihetsehana madinidinika
isan-karazany amin'izany. Izany dia hitadiavam-bola hoenti-manampy ny
enti-manana amin'ireo ezaka pastôraly sahanintsika. Ho fanomanana izany dia
antsoina ny Filan-kevitra pastôraly, ny kristianina rehetra hijanona aorian'izao
Lamesa izao. Tsara ny Vaomiera na ny Sampana mba handefa olona telo
farafahakeliny. Hoy ny
BIRAOM-PIANGONANA |
||||
|
4. |
MATSOM-PANAHIN’NY
FIANGONANA : Ny
asabotsy 20 sy ny alahady 21 febroary 2010 ny Fiangonana no hanao ny
Matsom-panahiny, ho fanomanana ny Paka. Izany dia hatao eny amin-dry Soeurs
Franciscaines , Clarté-Dieu, eny Orsay (91). Koa mampiomana antsika mianakavy
fa hanomboka ny fisoratana anarana. |
||||
|
5. |
VAOMIERAN’NY
FIFANDRAISANA : Ny asabotsy 6 sy ny alahady 7 Febroary 2010 no hanao
ny Matsom-panahiny koa ny Vaomieran’ny Fifandraiasana. Izany dia hatao eny
amin’ny Centre d’Accueil eny Chevilly Larue (94) |
||||
|
FIZARANA
ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 31/01/2010 : VAOMIERAN’NY FINOANA (Alahady tsotra – Faha 4) Hatao eny amin’ny
Eglise Saint Dominique Paris 14ème. Ho fialan-tsasatry ny fanahin’ny
kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA. Manomboka amin’ny 2 ora sy sasany
tolak’andro. Aoka hifampilaza isika mianakavy. |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 30/01/2010 : NY VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA |
|