“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 10 Janoary 2010

N° 46

ALAHADY – NY BATEMIN’NY TOMPO – taona D

 

Mankalaza ny Batemin’ny Tompo isika androany; Batemy izay tandindon’ny batemintsika.

 

I Kristy dia manova tanteraka izay vita batemy. Ny bateminy dia fitokanana ny iraka  izay nampanaovin’ny Ray Azy.

 

Raha vao nivoaka ny rano izy dia nisy feo nanao hoe : « Inty ny Zanako malalako indrindra ». Andeha hanafaka antsika amin’ny ratsy rehetra sy ny fahafatesana Izy mba ho voavonjy isika.

 

Ny andro nanaovana batemy antsika dia namafisin’Andriamanitra Ray tamintsika io Teniny io satria zanany koa isika.

 

Mpiray lova amin’i Kristy Zanany ary mitafy an’i Kristy satria isika natao batemy tao amin’I Kristy dia mitafy an’i Kristy.

 

Nataon’I Joany batemy I Jesoa mba anehoan’i Jesoa fa nanaiky hilahatra amintsika olombelona Izy na dia Andriamanitra aza. Satria raha ny maha Andriamanitra Azy dia tsy tokony ho batemim-pibebahana izay nataon’I Joany no ho raisiny fa te hampiseho kosa amintsika sy hampianatra antsika ny fanetren-tena ary ny fitiavana antsika olombelona Izy.

 

Koa raha Izy izay Andriamanitra aza nilatsa-tena mba hitovy amintsika olombelona, mba hiray petsapetsa amintsika dia ahoana isika samy isika izany no tsy mba andeha hanao izay mba nataony amintsika samy isika, eo amin’ny mpiara-belona amintsika.

 

Vita batemy tamin’ny rano sy ny Fanahy isika ka io Fanahy io no hery manentana antsika andeha hitory hatraiza hatraiza ny Anarany ary koa ho entintsika handresy ny ratsy rehetra.

 

« ALELOIA, ISIKA NATAO BATEMY TAO AMIN’I KRISTY DIA MITAFY AN’I KRISTY, ALELOIA, ALELOIA » (ANKALAZAO).

 

Soeur Olga HAINGONIRINA


 

DIMANCHE 10 JANVIER 2010 – MESSE DU BAPTÊME DU SEIGNEUR

Année C – Couleur liturgique : BLANC

 

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 40, 1 – 11

Ampionony, ampionony ny vahoakako, hoy ny Andriamanitrareo. Mitenena amin’ny fon’I Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy : fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’ny  Tompo ny indroa heny valin’ny fahotany. Injany misy feo miantso hoe : « Misavà lalana any an’efitra ho an’ny Tompo, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika ! Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra, ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry ; ny avo hanjary tany lemaka, ary ny vato mideza ho lembalemba ». Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo, ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny. Injay misy feo manao hoe : « Miantsoa ! » Dia nisy namely hoe : « Ahoana no antso hataoko ? » – « Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny voan-javatra eny an-tsaha ny hatsaran-tarehiny. Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa seranin’ny fofon’ain’ny Tompo ». Eny, ahitra ihany ny olombelona : maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny Tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.

Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’I Siôna. Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’I Jerosalema ; manandrata feo, fa aza matahotra. Lazao amin’ny tanànan’I Jodà hoe : « Indro ny Andriamanitrareo ! Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny ; ny sandriny mampiasa ny fifehezana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny eo anoloany. Toy ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy ; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’I Tito

Tito 2, 11 – 14. 3, 4 – 7

Ry havako malala, efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra, mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao ; fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka, miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy, Izay nanolo-Tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa, sady fatra-pitia ny asa soa rehetra …

Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony. Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray, sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, izay nampidininy be dia be tamintsika, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ; mba ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 3, 15 – 16. 21 – 22

Tamin’izany andro izany, raha mbola niandry ny olona sy samy nisaina tao am-pony fa I Joany angaha no Kristy, dia niteny I Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe : « Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho : Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo ». Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa I Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra ; ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny voromahailala, dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe : « Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

 

( fifampizarana

 

 

 

Nandritra ny taona maro dia tsy mba nampivaky loha taty Andafy ny momba ny rano : manodina raobine dia mahazo rano. Amin'izao fotoana izao dia tonga saina isika fa sarobidy tokoa ny rano eo amin'ny fiainantsika, satria hita fa misy ny tsy manan-drano na koa mety voaloton'ny zavatra maro samihafa toy ny loto simika, ny solika sns, sns… Ary milaza aza ny manam-pahaizana fa ny ady mety hitranga amin'ny ho avy dia ny fananan-drano.

Aina ny rano, fa mety mamono koa (tondra-drano, tsunami …). Ny vahoaka Jody, dia niaina izany : fisokafan'ny ranomasina mena nahafahany niavo-tena, ny rano tany an'efitra natolotr'Andriamanitra azy ireo tamin'ny alalan'i Moizy, ary ny fahitàna ny ranon'i Jordany rahefa nijaly nandritra ny 40 taona tany an'efitra ka tonga tany amin'ny Tany nampanantenaina : rano mariky ny fidirana ao amin'izany Tany nampanantenaina izany.

Tamin'ny fotoan'andron'i Jesoa, i Joany izay neken'ny olona fa mpaminany izany hoe voairak'Andriamanitra hanova zavatra teo amin'ny fiainany, dia nanao batemy ireo izay nanatona azy : izany hoe : natsobony tanaty rano izy ireo, ho fidiovana, fampisehoana fa te-hiova fiainana, mariky ny fibebahana.

I Kristy dia tsy nanam-pikasana ny hiova fiainana, fa nanohina  Azy ny fahitana ireo vahoaka maro te hitodika indray amin'Andriamanitra, dia mba nilahatra koa Izy hataon'i Joany batemy. Tsy miolonolona mihataka amin'ny vahoaka i Kristy fa miroboka, miray petsapetsa.

Ny fidinany tao anaty ranon'i Jordany dia firotsahany anaty rano  feno fotaky ny fahotantsika olombelona ary fanantenana fa Andriamanitra no manadio, satria ny zava-dehibe dia tsy ny firobohana ao fa ny fahaterahana vaovao rahefa miakatra indray eny ampita fa voadio.

Ary nisy tokoa zava-mahagaga taorian'izay : nahita ny lanitra nisokatra ireo izay nanatrika teo : ary nahatsapa fa  afaka nifandray indray tamin'Andriamanitra izy ireo toa an'i Moizy, i Abrahama sy ny mpaminany; tsy tantara fotsiny intsony fa i Kristy tokoa no ilay lanitra toa boky misokatra ho antsika na i Emanoela , izany hoe « Andriamanitra eto amintsika ».

 

 

 

Fara RASOLOJAONA

 

 

Vaomieran’ny FINOANA

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

HERINANDRON’NY FIARAHA-MIVAVAKA FAMPIRAISANA NY KRISTIANINA :

Toy ny isan-taona dia ny 18 – 25 janoary no antsoina hoe : Herinandro Fiaraha-mivavaka fampiraisana ny Kristianina na ny ekiomenisma. Koa ny FFKM Frantsa (FPMA – ANCMF – EEM) dia manasa antsika rehetra amin’ny Fiaraha-mivavaka ekiomenika izay hatao ny Alahady 24 janoary 2010, ao amin’ny Paroasy Notre-Dames des Champs Paris 6ème, manomboka amin’ny 3 ora tolak’andro. Metro : Vavin, Montparnasse, Notre-Dame des Champs. Bus : 95, 96, 58, 82, 28. Aorian’ny fotoana dia hisy fiarahana miala hetaheta, hifampirahabana tratry ny taona vaovao.

Ny lohahevitra amin’itaona 2010 ity, izay nofidin’ny Fiangonana avy any Ecosse, dia ny hoe : « Ianareo no vavolombelona hanambara izany ! » (DIEM  Lioka 24, 48).

 

Eto amin’ny Diosezin’i Paris, dia ny Alarobia 20 janoary no hanaovana izany ao amin’ny Fiangonana Oratoire du Louvre, Metro : Louvre - 4, rue de l’Oratoire Paris 1er,  manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina.

2.

JOURNEE NATIONALE DES MIGRANTS :

Amin’ny Fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Mpifindra monina, dia ny Alahady 17 janoaray 2010, ao amin’ny Paroasy Notre de Dame de Rosaire 194, rue Raymond Losserand Paris 14ème no hatao izany eto amin’ny doyenné-ny 14ème, manomboka amin’ny 3 ora tolak’andro ka mifarana amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny Salle Sainte Thérèse. Koa manasa antsika izay afaka amin’izany. Ny lohahevitra amin’ity taona ity (96ème Journée Mondiale du Migrant) dia ny hoe : « Les Migrants et les réfugiés mineurs » araka ny  hafatra nalefan’ny Papa Benoît XVI, nivoaka ny 16 oktobra 2009.

3.

TAKARIVA FIARAHA-MIHINANA VARY AMIN'ANANA :

Ny Fiangonantsika dia manokana ny Asabotsy 13 febroary 2010, ho takariva fiaraha-mihinana vary amin'anana. Hisy fihetsehana madinidinika isan-karazany amin'izany. Izany dia hitadiavam-bola hoenti-manampy ny enti-manana amin'ireo ezaka pastôraly sahanintsika. Ho fanomanana izany dia antsoina ny Filan-kevitra pastôraly, ny kristianina rehetra hijanona aorian'ny Lamesa ny alahady 17 janoary. Tsara ny Vaomiera na ny Sampana mba handefa olona telo farafahakeliny.

Hoy ny BIRAOM-PIANGONANA

4.

HASIN’ANDRIAMANITRA 2009 :

Maneho fisaorana sahady etoana antsika rehetra izay namaly am-pitiavana ny antso amin’ny fanefana ny adidy ara-bola isan-taona eto amin’ny Fiangonantsika. Nisy ny fanentanana nandritra ny roa volana. Mbola manantena ireo izay tsy mbola nahefa izany.

5.

VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA :

Antsoina ny mpikambana rehetra ao amin’ny Vaomieran’ny Fifandraisana mba ho tonga hivory ny Alahady 17 janoary izao, eto amin’ny Chapelle Saint Paul, manomboka amin’ny  2 ora sy sasany tolak’andro. Izany dia ho fanomanana ny Matsom-panahy izay hatao ny 6 sy 7 febroary 2010 izao, sy fandinihana ireo adidy hafa miandry ny Vaomiera.

Hoy ny mpandrindra, Emma RAKOTOMANANTSOA.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

17/01/2010 : VAOMIERAN’NY KOLONTSAINA (Alahady tsotra – Faha 2)

2.

MANADIO FIANGONANA :

16/01/2010 : NY FILAN-KEVITRA PASTORALY SY NY KRISTIANINA REHETRA