“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 03 Janoary 2010

N° 45

ALAHADY – FISEHOAN’NY TOMPO – taona D

 

EPIFANIA

 

Tafahaona soa eto amin’ny  fampizarana isika mianakavy. Faly miarahaba nahavita soa ny Noely sy ny taom-baovao 2010.

 

Ny alahady manaraka ny Noely no nankalazain’ny Fiangonana ny FIANAKAVIANA MASINA, efa niaina izany isika dia faly niaraka tamin’ny fianakaviana izay nisy antsika avy.  Ity alahady faha-3 Volana Janoary ity koa no atao hoe : EPIFANIA, izany hoe : Jesoa zazakely miseho amin’ireo Majy solontenan’ny olombelona rehetra.

 

 « Faly dia faly izy ireo  hoy ny Evanjely nahita ny kintana nitari-dalana azy ho any Betilehema tanàna nahaterahan’i Jesoa. Ary rehefa tonga tao izy dia nahita ny zazakely sy Maria reniny ka niankohoka nitsaoka Azy ». Dia azontsika sary an-tsaina fa hafaliana toy izany ny niainan’ireo Majy solotenantsika nahita ny Tompo tao an-tranon’omby ary dia nanolotra izay nananany izy ireo : volamena sy emboka ary mira.

 

Jesoa Andriamanitra no nihaona tamin’ireo Majy tamin’izany andro izany. Feno hafaliana ny fon’izy ireo fa amin’izao Asaramanitra izao koa isika mianakavy dia faly mifampizara hafaliana sy izay ananana ; mifampirary soa mba ho feno an’Andriamanitra ny fon’ny olombelona rehetra ka na inona mety ho fakampanahy na fandrebirebena eny an-dalana tahaka izay nataon’i Heroda ireo Majy dia mino isika fa eo mandrakariva ny kintana hitari-dalana , manilo ny dia mandritra ny taona.

 

Bonne Année.

 

Soeur Clotilde

 


 

DIMANCHE 03 JANVIER 2010 – MESSE DE L’EPIPHANIE DU SEIGNEUR

Année C – Couleur liturgique : BLANC

 

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 60, 1 – 6

Mitsangàna, ka mamirapirata, ry Jerosalema, fa miposaka ny fahazavanao ; ary miposaka eo aminao ny fahazavan’ny Tompo. Indro ny haizina fa manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona ny firenena ; fa ny Tompo kosa miposaka eo aminao ; ary ny voninahiny miseho eo aminao. Mandroso eo amin’ny fahazavanao ny firenena ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka. Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, izy rehetra mivory mankaty aminao ; ny zanakao lahy tamy avy lavitra ; ny zanakao vavy entina an-trotroana. Hahita  izany ianao amin’izay, ka ho miramirana ; hibitaka sy hiravoravo ny fonao, fa hivantana aminao ny haren’ny ranomasina ; ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena. Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany mbamin-drameva avy any Madiàna sy Efah ianao ; ny any Sabà rehetra ho avy, hitondra volamena sy emboka manitra ary hitory fiderana ny Tompo.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly hoan’ny kristianina tany Efezy

Efez. 3, 2 – 3a. 5 – 6

Ry Kristianina Havana, aoka ho renareo ny fanambàrana ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, izany hoe, ny fanambaràna mampahafantatra ahy ny zava-miafina, izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha, toy ny nanambaràna azy ankehitriny tamin’ny apôstôliny masina sy ny mpaminany ao amin’ny Fanahy Masina, dia izao : Ny Jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantena amin’ny Jody ao amin’I Kristy Jesoa, noho ny ninoany ny Evanjely.

 

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 2, 1 – 12

Rehefa teraka tao Betilehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreo nisy Majy avy tany Atsinanana tonga tany Jerosalema nanao hoe : « Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka ? Fa efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka Azy ». Raha nahare izany i Herôda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra, ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra, sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe : « Aiza no hahaterahan’i Kristy ? » Ary hoy ireo taminy : « Ao Betilehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany : ary ianao, ry Betilehema tanin’i Jodà, tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka izay hifehy an’i Israely oloko ». Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadîny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy. Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe : « Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza ; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy »

Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa. Ary indro ilay kintana hitany tany Atsinanana, fa nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoerany Zaza. Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy I Maria Reniny, ka niankohoka nitsaoka azy ; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’I Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

 

( fifampizarana

 

 

ARAHABA TRATRY NY ASARAMANITRA E
2010

 

 

 

Ny fotoana tokoa tsy azo tazonina, ary tsy tompon’ny fotoana isika. Nieren-doza, lavitra ny sampona, notsimbinin’ny fahasoavan’Andriamanitra, ka tafita soa eto amin’ny taona vao mitsidika ity.  Mitombo taona iray indray ny andro iainana, koa miarahaba antsika mianakavy tratrin’izao taom-baovao 2010 izao. Misaotra an’Andriamanitra mpandahatra ny zava-drehetra fa tafita soa an’iny taona 2009 iny, izay lasa nivalona any amin’ny varo tsy mifody. Koa arahaba tompoko tratran’ny Asaramanitra. Miroso hatrany isika manatanteraka ny asa anirahan’ny Fiangonana antsika. Tsy maintsy manaiky hisahirana ny Kristianina, toy ireo Majy nanaraka ny kintana mpitari-dalana. Irahina fa tsy manira-tena fa vonona amin’ny fanoloran-tena.

 

Koa alao hery ry izy mianakavy fa maro ny asa pastôraly miandry antsika rehetra amin’ity taona ity. Izay mino an’I Jesoa dia manao ny asany, mpiara-miasa Aminy isika. Hampanjaka ny fihavanana sy ny fahamarinana. Tsy miandrandra afa-tsy ny Sitrapon’Andriamanitra.

Ny Aumônier, ny Birao sy ny filan-kevitra Pastôraly dia mirary soa sy fanambinana ary fahasalamana antsika mianakavy, isam-batan’olona, isan-tokantrano sy isam-pikambanana. Hamboly hahavokatra, hiompy hahatavy. Ho hambinin-java-manasatra e. Mahareta sy mahereza daholo eo ambany fitahian’ny Tompo. Ho lava andro, hateza taona daholo e ! Manjatoa vola, manarivoa fananana.

 

« Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rehefa nanao ny sitrapon’andriamanitra ianareo » Hebrio 10, 36.

 

 

 

ELIASY Liva

 

 

Prezidàn’ny FKMP

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

ARAHABA TRATRY NY TAOM-BAOVAO 2010 :

Miarahaba antsika rehetra tratran’ny Asaramanitra, tratran’izao taom-baovao 2010 izao. Manolotra ny firarian-tsoa ,  feno fanambinana sy fahasalamana. Hahomby amin’ny zavatra rehetra atao : asa sy fianarana. Hamokatra be eo amin’ny Sahan’ny Tompo. Ho tratran’ny tsingerin-taona indray e.

 

2.

HASIN’ANDRIMANITRA NA DENIER DE L’EGISE 2009 ETO AMIN’NY FKMP :

Efa nanomboka tamin’ny alahady 15 novambra teo ny fanentanana antsika mianakavy amin’ny adidy fanao isan-taona eo amin’ny Hasin’Andriamanitra na Denier de l’Eglise. Tsapantsika tokoa fa mila enti-manana ny asa fandraharahana rehetra eto amin’ny Fiangonana, ka notanterahanareo ny tenin’ny Soratra Masina hoe : « fa teren’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay… » 2 Kôr.5, 14

Neken’ny Diosezy ny fangatahantsika hanalava roa alahady mba hanefan’ireo taraiky amin’ny fanefana izany adidy masina izany,noho ny antony maro samihafa. Koa tsy misy ho diso anjara izany ny rehetra koa manentana ireo mbola tsy nahavita izany fa ny alahady 03 sy alahady 10 janoary no fe-potoana farany omena azy ireo.

« Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa  mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra » 2 Kôr. 9, 7

 

3.

FIANARANA KATESIZY :

Mitohy ny fampianarana katesizy sy ny fandalinam-pinoana eo amin’ny Fiangonantsika amin’ny alahady 10 janoary izao. Manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro.

 

4.

FRAT 2010 :

Le FRAT est un pèlerinage voulu et animé par les évêques d’Ile de France. Temps de rassemblement des jeunes chrétiens des huit diocèses, il est aussi un lieu de rencontre des autres pèlerins, dont des personnes handicapées et malades.

 

En 2010, le Frat donne rendez-vous aux lycéens (15-17ans) à Lourdes, sur le thème « Seigneur, apprends nous à prier » du 21 soir au 26 avril matin !

La FKMP va constituer un groupe pour y participer.

Araka izany dia misy tanora avy eto amin’ny FKMP handray anjara amin’izao fihaonamben’ny tanora katolika eto amin’ny Ile de France any Lourdes izao. Miomana ara-panahy izy ireo, nefa koa efa miomana amin’ny enti-manana, toy ny sara-pilasiana sy fitaterana. Koa mangataka fanohanana am-bavaka amintsika sy tohana ara-bola amin’ireo mofo hamidy aorian’ny Lamesa.

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

10/01/2010 : Ireo vao nandray ny sakramentan’ny Konfirmasio

2.

MANADIO FIANGONANA :

09/01/2010 : VAOMIERAN’NY KOLONTSAINA