|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
ZOMA 25 DESAMBRA 2009 |
N° 43 |
|
arahaba tratry
ny noely SORONA MASINA ANTOANDRO MIANTSO ANTSIKA
MBA HO IRAY TAMPO AMINY NY
ZANAK’ANDRIMANITRA |
|
|
MIRARY NOELY SAMBATRA !
Joyeux Noël ! “HIOMBONA ANJARA AMIN’NY
MAHA-ANDRIAMANITRA AN’I JESOA KRISTY ANIE ISIKA MIANAKAVY” |
|
|
|
|
|
|
|
VENDREDI 25 DECEMBRE 2009 – MESSE DU
JOUR DE NOEL
Année C – Couleur liturgique : BLANC
|
|
Jean-Marie VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY
MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’ i Izaia Mpaminany |
Iz. 52, 7
- 10 |
||
|
Endrey ! izany hatsaran’ny
tongotr’ilay Iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny Vaovao Mahafaly, dia
ny fiadanana : ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny
famonjena ; ilay milaza amin’i Siôna hoe : « Manjaka ny
Andriamanitrao ! » Ny feon’ny
mpitilinao : manandra-peo izy ireo, miara-mihoby an-kafaliana, satria
hitany maso ny fiverenan’ny Tompo ao Siôna. Miaraha mihoby an-kafaliana, ry
Jerosalema rava ! Fa ny Tompo efa nampionona ny vahoakany sy efa nanavotra
an’I Jerosalema. Nasehon’ny Tompo ny sandrin’ny fahamarinany, hiharihary eo
imason’ny firenena rehetra. Ary ny faran’ny tany rehetra, hahita ny
famonjen’ny Andriamanitsika. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy
ho an’ny Kristianina Hebrio |
Heb. 1, 1 - 6 |
||
|
Fahiny
tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika
Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany ; fa amin’izao andro farany izao
kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay
notendreny ho Mpandova ny zavatra rehetra sy nahariany an’izao tontolo izao. Io
Zanany io, izay famirapiratan’ny voninahiny sy mariky ny Tenany, ary manohana
ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny tenany, dia mipetraka eo ankavanan’ny
fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra, nony avy nanao ny fanadiovana
ny fahotantsika, ka natao ambonin’ny Anjely, arakaraka ny fahambonian’anarana
nolovàny, fa tsy tahaka ny azy ireo. Fa Anjely iza no mba
nilazan’Andriamanitra hoe : “Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany”
sy ny hoe : “Izaho ho Rainy ary Izy ho Zanako” ? Ary rehefa mampiditra ny
Lahy matoa aty ambonin’ny tany indray Izy, dia manao hoe : “Aoka hitsaoka Azy
ny Anjelin’Andriamanitra rehetra”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely
masina |
|
|||||
|
Evanjely
Masina nosoratan’I Md. Joany |
Jo. 1, 1 – 5 . 9 - 14 |
|
||||
|
Tamin’ny
voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra
ny Teny. Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy, Izy no nahariana ny
zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ary ny zavatra àry rehetra. Tao
aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona. Ary mamirapiratra
amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray Azy ny maizina. Fa
ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao
tonga amin’izao tontolo izao, nefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao. Tonga
teo amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy
dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany,
ka tsy mba nateraky ny ra na ny sitra-pon’ny nofo, na ny sitra-pon’ny olona
ireo fa nateraka avy amin’Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka
nonina taty amintsika ; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra
tahak’izay zakain-janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana
sy fahamarinana Izy. |
|
|||||
|
Izany àry no Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho
anao ry Kristy ! |
|
|||
|
¦ FIARAHABANA |
|
||||||
|
|
Noely
fiadanana « Voninahitra
ho an’Andriamanitra any amin’ny Avo indrindra, fiadanana ho an’ ny olona ety
ambonin ‘ny tany. » Izany no hiran’ny Anjely tamin’ny nahaterahan’i
Jesoa zazakely. Hira mirary fiadanana ho an’ny olon-drehetra. Tohizin’ny Papa io firariana fiadanana ho
an’izao tontolo izao io isaky ny andron’ny Noely toy izao. Io fitoriana ny
fiadanana sy ny fahamarinana io tokoa manko no dikan’ny nahatongavan’i Jesoa
tety ambonin’ny tany. Tsy tonga
hanapatra fahefana ka hanao tsinontsinona ny madinika sy ny osa fa tonga
tamim-panetren-tena hitory fiadanana sy fandriampahalemana ary fahamarinana. Tonga
hiara-monina amintsika olombelona na dia Andriamanitra aza mba hanandratra
antsika ho zanak’Andriamanitra. Na
dia eo aza izany votoantin’ny Noely
izany dia tsy ho hadinontsika koa fa ny fetin’ny Noely dia
fetim-pianankaviana sy ny ankizy. Miara-paly ny fianankaviana, mifanolotra
fanomezana, mifandefa firariantsoa. Io no fotoana hahafahan’ny rehetra
mihaona mandritry ny taona ho an’ny fianakaviana sasany. Koa miarahaba
antsika rehetra tratr’izao Noely 2009 izao.Enga anie izao fety izao hanamafy ny fifankatiavan’ny
fianakaviana, ny mpiray Fiangonana. Enga anie hanjaka eo amintsika ny
fiadanana sy ny fandriampahalemana dia ho tanteraka ny « Noely
fiadanana » . Mirary
fety sambatra . Père
Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier |
||||||
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA
LITORIZIA : 27/12/09 : VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA
(Fetin’ny Fianakaviana Masina) 03/01/2010 : BIRAOM-PIANGONANA (Fetin’ny
Epifania) |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 26/12/09 : BIRAOM-PIANGONANA 02/1/2010 : Ireo vao nandray ny sakramentan’ny
Konfirmasio |
|
MIANTSO ANAO AM-PITIAVANA
NA NY DENIER DE L’EGLISE